Vakiteny voalohany

Boky Jenezy 49, 2. 8-10

Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana.

Tamin’izany andro izany,
namory ny zanany lahy i Jakôba ary nilaza taminy hoe :

“Mivoria, ry zanakalahin’i Jakôba, ka mihainoa.
Mihainoa an’i Israely rainareo.
Ry Jodà, ianao hoderain’ny rahalahinao ;
ny tananao ho eo amin’ny vozon’ny fahavalonao,
ny zanaky ny rainao hiankohoka eo anatrehanao.
Liona tanora i Jodà: Niakatra avy nandripaka ianao, anaka.
Nanongalika izy, dia nanao fandrin-diona, fandrin-diombavy,
zovy no hanaitra azy?
Tsy hiala amin’i Jodà ny tehim-panjakana,
tsy hiala eo anelanelan’ny tongony ny tehim-pahefana,
mandra-piavin’i Silao: Izy no hotoavin’ny firenena.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 2. 3-4ab. 7-8. 17

Ny rariny hamony amin’ny andron’ny Tompo, ary ny Fiadanana hitombo mandrakizay.

Andriamanitry ny fahamarinana ô,
mba tolory ny andriana mpanapaka
sy ny zanak’andriana ho dimbiny
ny fahaiza-mitsara ara-drariny!

Ka ny vohitra hitrotro fiadanana.
Ny havoana hivimbina ny hitsiny.
Ny mahantra sy ny ory hotsimbininy.
Ny mpamoritra kosa hofongorana.

Amin’ny androny hamony ny rariny,
ary mandra-pahafatin’ny volana.
Dia hisy fandriam-pahalemana,
lavorary sy feno tanteraka!

Ranomasina no ho sisin-taniny,
ary ny ony no ho valam-parihiny;
ka ny rafiny ombam-pahavalony
handohalika sy hilavo lefona

Ny Anarany hankalazaina
sy haharitra toy ny masoandro.
Ary indro hatao fitahiana,
ireo foko manerana an-tany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ianao Filohan’i Davida izay mamoha ny varavaran’ny fanjakana tsy manam-pahataperana,
avia ary tsoahy amin’ny fatorany ny voagadra tazonin’ny haizina.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 1, 1-17

Filazana ny Razan’i Jesoa Kristy, zanak’i Davida.

Filazana ny Razan’i Jesoa Kristy,
Zanak’i Davida, Zanak’i Abrahama.

I Abrahama niteraka an’i Isaaka,
i Isaaka niteraka an’i Jakôba;
i Jakôba niteraka an’i Jodà mirahalahy avy;
i Jodà niteraka an’i Faresa sy i Zarà tamin’i Tamara;
i Faresa niteraka an’i Esrôna,
i Esrôna niteraka an’i Arama;
i Arama niteraka an’i Aminadaba;
i Aminadaba niteraka an’i Naasôna;
i Naasôna niteraka an’i Salmôna;
i Salmôna niteraka an’i Boôza tamin’i Rahaba;
i Boôza niteraka an’i Obeda tamin’i Rôta;
i Obeda niteraka an’i Jese,
i Jese niteraka an’i Davida mpanjaka.

I Davida mpanjaka niteraka an’i Salômôna tamin’ilay vadin’i Oria;
i Salômôna niteraka an’i Rôbôama;
i Rôbôama niteraka an’i Abiasa;
i Abiasa niteraka an’i Asà,
i Asà niteraka an’i Jôsafata;
i Jôsafata niteraka an’i Jôrama,
i Jôrama niteraka an’i Oziasa;
i Oziasa niteraka an’i Jôatama;
i Jôatama niteraka an’i Akaza;
i Akaza niteraka an’i Ezekiasa;
i Ezekiasa niteraka an’i Manase,
i Manase niteraka an’i Amôna;
i Amôna niteraka an’i Jôsiasa;
i Jôsiasa niteraka an’i Jekôniasa mirahalahy avy,
tamin’ny andro nifindrana tany Babilôna.

Ary rahefa nifindra tany Babilôna,
i Jekôniasa niteraka an’i Salatiela;
i Salatiela niteraka an’i Zôrôbabela;
i Zôrôbabela niteraka an’i Abioda,
i Abioda niteraka an’i Eliakima;
i Eliakima niteraka an’i Azôra,
i Azôra niteraka an’i Sadôka;
i Sadôka niteraka an’i Akima;
i Akima niteraka an’i Elioda;
i Elioda niteraka an’i Eleazara;
i Eleazara niteraka an’i Matana,
i Matana niteraka an’i Jakôba;
ary i Jakôba niteraka an’i Jôsefa vadin’i Maria
izay niteraka an’i Jesoa ilay atao hoe Kristy.

Koa ny taranaka rehetra
hatramin’i Abrahama ka hatramin’i Davida,
dia taranaka efatra ambin’ny folo;
ary hatramin’i Davida ka hatramin’ny nifindrana tany Babilôna,
dia taranaka efatra ambin’ny folo;
ary hatramin’ny nifindrana tany Babilôna ka hatramin’i Kristy,
dia taranaka efatra ambin’ny folo.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny fahaizana mihaino ny hafa dia isan'ireo fanalahidin'ny fahombiazan'ny fiainana ary mahatsara azy. Hampirindra ny fiainana dia mifampihainoa isika olona rehetra : ny mpivady, ny mpianaka ary ny fiaraha-monina. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hotanterahana ny 12 febroary 2023 ny fametrahana araka ny fomban'ny Fiangonana an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz ho evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Hankalazaina  ny 15 janoary 2023 ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Donatien Francis Randriamalala ao amin'ny Diosezin'Ambanja... ♦ Manentana ny kristianina maneran-tany, ny Papa François, amin'ity volana desambra ity, mba hahitan'ny sampan-draharaha miahy ny maha olona, olona vonona hikatsaka ny soa iombonana...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 56, 1-3a. 6-8

Ny tranoko hatao hoe: Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra.

Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Sambatra ny olona hanao izany,
sy ny zanak’olombelona hifikitra mafy amin’izany,
ka hitandrina ny sabata, tsy mandika azy,
sy hifehy ny tanany tsy hanao ratsy akory!
Aoka ny hafa firenena efa nifikitra tamin’ny Tompo tsy hanao hoe:

“Hoesorin’ny Tompo marina aho,
tsy ho isam-bahoakany.”

Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ho ao an-tendrombohitra masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:

“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”

— teny marin’ny Tompo — izay mamory ny lasan-ko babo amin’i Israely!
Mbola hamory ny sasany koa Aho ho eo aminy,
hanampy ireo efa voavory sahady.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 66, 2-3. 5. 7-8

Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra, hidera Anao ny vahoaka rehetra.

Hiantran’Andriamanitra anie isika hotsimbininy;
ka hataony mamiratra eo amintsika ny tavany.
Dia ho fantatry ny olona eran-tany ny herinao,
ka hanerana ireo firenen-drehetra ny vonjinao.

Aoka hifaly sy hiantsa ny firenena isan-tokony,
fa Ianao dia mitsara azy rehetra ireny ara-drariny.
Fa Ianao dia mitsara vahoaka araka ny hitsiny
sy manjaka amin’ireo firenen-drehetra isan-tokony.

Fa ny tany volena tsy misy izay tsy mamokatra.
Andriamanitra mantsy Andriamanitsika: mitsimbina.
Enga anie ka hitsimbina antsika hatrany Andriamanitra,
ka ho masina eran’ny vazan-tany ny Anarany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitray ô,
ny tavanao aseho dia ho voavonjy izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany 5, 33-36

I Joany dia jiro nirehitra sy nazava.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Naniraka tany amin’i Joany ianareo, ary nanambara ny marina izy.
Tsy dia ny fanambarana avy amin’ny olona anefa no iankinako,
fa ny mba hahavoavonjy anareo no hilazako izany.
I Joany dia jiro nirehitra sy nazava,
ka nahafinaritra anareo sy nifalianareo vetivety ny fahazavany.
Fa manana fanambarana manoatra ny an’i Joany Aho,
satria ny asa nomen’ny Ray hovitaiko sady ataoko tokoa
no manambara fa iraky ny Ray Aho.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 54, 1-10

Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana no ampodian’ny Tompo anao.

Mihobia an-kafaliana, ry momba, izay tsy niteraka;
mampisehoa hafaliana sy firavoravoana lehibe, ry tsy mba nihetsi-jaza;
fa ny zanak’ilay nariana no maro,
noho ny zanak’izay manam-bady, hoy ny Tompo.
Halalaho ny itoeran’ny lay, velaro ny ambaim-ponenanao,
aza hazonina fa alefaso ho lava ny tadinao,
ary aoreno mafy ny tsima-day!
Fa hitatra miankavanana sy miankavia ianao;
ary haka fonenana amin’ny firenena ny taranakao;
ary hanisy mponina amin’ny tanàna lao Izy.
Aza matahotra, fa tsy ho menatra ianao;
aza mangaihay, fa tsy hisy hahamenatra anao;
fa hanadino ny henatry ny fahatanoranao ianao;
ary tsy hahatsiaro intsony ny tondromaso, fony mpitondratena.
Fa ny vadinao dia ny Mpahary anao; Tompon’ny tafika no Anarany,
ary ny Mpanavotra anao dia Ilay Masin’i Israely.
Andriamanitry ny tany aman-danitra no iantsoana Azy.
Hoatra ny vady nafoy sy tra-pahoriana no ampodian’ny Tompo anao,
hoatra ny vadin’ny fahatanorana efa nisaorana, hoy ny Andriamanitrao.
Vetivety foana, kelikely foana no nahafoizako anao,
fa amin’indrafo lehibe kosa no amoriako anao.
Tamin’ny firehetan’ny hatezerako
no nanafenako vetivety ny tavako taminao,
fa amim-pitiavana mandrakizay kosa no angorahako anao,
hoy ny Tompo Mpanavotra anao.
Dia ho toy ilay ranon’i Nôe izany amiko,
nony nianiana Aho fa ilay ranon’i Nôe
tsy hiely intsony amin’ny tany:
toy izany koa no nianianako
fa tsy ho tezitra aminao na handrahona anao intsony Aho.
Na dia hihataka aza ny tendrombohitra ka hihozongozona ny havoana,
ny fitiavako tsy mba hiala aminao,
ary ny fanekem-pihavanako tsy mba hikorontana,
hoy ny Tompo ilay mangoraka anao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 29, 2 sy 4. 5-6. 11-12a sy 13b

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy.

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy:
tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho!
Ny fanahiko, ry Tompo ô, nakarinao avy any an-tSeoly;
novelominao aho izay efa nitsìtra tany an-davaka.

Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka! Isaory ny Anarany masina!
Indray mihelina Izy vinitra; tontolo fiainana manambina.
Hariva, mialin-tomany; maraina, velon-kalo.

Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho! Tompo ô, tahio aho!
Navadikao ho dihy ny toreoko.
Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no isaorako Anao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany,
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 7, 24-30

I Joany no anjely manomana ny lalan’ny Tompo.

Nony lasa ny irak’i Joany,
dia nambaran’i Jesoa tamin’ny vahoaka ny aminy ka hoy Izy:

“Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra?
Volotara hozongozonin’ny rivotra va?
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Lehilahy tsara fitafiana va?
Raha izay tsara fitafiana sy manao fiainana,
dia any an-tranon’ny mpanjaka no itoerany.
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Mpaminany va?
Eny, hoy Aho aminareo, ary ambony noho ny mpaminany aza.
Fa Izy no ilay voasoratra hoe:
Indro Aho maniraka ny anjeliko eo anoloanao
mba hamboatra lalana eo alohanao.
Koa lazaiko aminareo fa amin’izay natera-behivavy
tsy misy mpaminany lehibe noho i Joany Batista,
nefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’Andriamanitra, no lehibe noho izy.
Ary ny vahoaka rehetra izay nandre azy mbamin’ny poblikanina
na dia nanamarina an’Andriamanitra, tamin’ny nandraisany ny batemin’i Joany;
fa ny Farisianina sy ny mpampiana-dalàna kosa
nanatsinontsinona ny fikasan’Andriamanitra ny aminy
tamin’ny nandavany ny batemin’i Joany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 45, 6b-8. 18. 21b-25

Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony.

“Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa.
Izaho no mamorona ny mazava, sy mahary ny maizina;
manao ny fiadanana sy mahary ny loza;
Izaho Tompo no manao izany rehetra izany.
Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony;
ary aoka ny rahona
handatsaka ny fahamarinana toy ny ranon’orana!
Aoka ny tany hisokatra, hahavokatra ny famonjena,
ka hampitsimoka ny fahamarinana miaraka amin’izany!
Izaho Tompo no mahary ireo zavatra rehetra ireo.”

Izao no lazain’ny Tompo, izay nahary ny lanitra,
Izy dia ilay Andriamanitra namorona ny tany
sy nahavita ary nampiorina azy,
ka tsy nataony ho zava-mifanjevo foana,
fa nataony ho fonenana:

“Izaho no Tompo, ary tsy misy hafa!
Ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho.
Izaho no Andriamanitra marina,
ary tsy misy mpamonjy afa-tsy Izaho.
Mitodiha aty amiko dia hovonjena ianareo,
ianareo rehetra mponina amin’ny tany,
fa Izaho no Andriamanitra ary tsy misy hafa.
Efa nianiana tamin’ny Tenako Aho;
ny marina no aloaky ny vavako, dia ny teny iray,
izay tsy hofoanana.
Ny lohalika rehetra handohalika amiko,
ary ny lela rehetra hianiana amiko.
Izao no hilazan’ny olona Ahy:
Amin’ny Tompo irery no mitoetra
ny fahamarinana sy ny hery!”

Hanatona Azy ny olona,
fa ho menatra kosa izay rehetra tezitra taminy.
Hohamarinina sy homem-boninahitra
ao amin’ny Tompo avokoa ny taranak’i Israely rehetra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9ab-10. 11-12. 13-14

Ampidino, ry lanitra, ny andonao avy any ambony ary aoka ny rahona handatsaka ny fahamarinana.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo,
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.

Akaiky izay mino Azy Tompo ny vonjy.
Honenan’ny lazany ety amintsika
koa indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.

Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amin’ny tany,
mitsinjo avy eny amin’ny rahon’ny lanitra koa ny rariny.

Handrotsaka orana anie Izy Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany
fa lalan-kizoran’ny Tompo ny rariny ombam-piadanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tongava, ry Tompo, ary aza ela:
vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 7, 19-23

Ambarao an’i Joany izay rehetra renareo sy hitanareo.

Tamin’izany andro izany
niantso roa lahy tamin’ny mpianany i Joany
nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe:

“Ianao va no Ilay ho avy,
sa mbola hafa no handrasantsika?”

Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe:

“Nirahin’i Joany Batista hankatý aminao izahay
hanontany raha Ianao no Ilay ho avy,
na mbola hafa no andrasantsika.”

Tamin’izay indrindra i Jesoa
dia nanasitrana olona maro
niferinaina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy,
sady nampahiratra jamba maro koa,
koa izao no navaliny an’ireto iraka:

“Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo:
mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa,
madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty,
torîna amin’ny mahantra ny Evanjely,
ary sambatra izay rehetra tsy ho tafintohina noho ny amiko.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Sofonia 3, 1-2. 9-13

Omena ny mahantra rehetra ny famonjena avy amin’ny Mesia.

Izao no lazain’ny Tompo:
Loza ho an’ilay miodina sy voaloto,
dia ny tanàna fampahoriana!
Tsy nisy feo nohenoiny akory,
tsy nandray anatra izy,
tsy niankina tamin’ny Tompo,
tsy nanatona an’Andriamaniny.
Fa amin’izany ny firenena homeko molotra madio
hiantsoan’izy rehetra ny Anaran’ny Tompo
sy hanompoany Azy amim-piraisan-kina.
Avy any an-dafin’ny onin’i Etiôpia
ireo mpivavaka amiko, ireo naeliko,
hitondra ny fanatitra ho Ahy.
Amin’izany andro izany,
tsy ho henatra ho anao intsony
ny asanao rehetra izay nanotànao tamiko;
satria amin’izany hoesoriko hiala eo aminao
ireo izay nifaly tamim-pireharehana;
ary ianao tsy hiavonavona intsony eo an-tendrombohitro masina.
Havelako eo aminao ny vahoaka ambany sy manetry tena anankiray
izay hatoky ny Anaran’ny Tompo.
Ny sisa amin’i Israely dia tsy hanao ny tsy marina,
na hilaza lainga,
ary tsy hahitàna eo am-bavany intsony izay lela mandainga.
Fa hihinana sy handry fahizay izy ireo,
ary tsy hisy olona hanaitaitra azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 33, 2-3. 6-7. 17-18. 19 sy 23

Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo amin’ny fotoan-drehetra;
eo am-bavako lalandava ny fiderana Azy.
Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko:
mandrenesa, ry ory, ka mifalia!

Mibanjìna Azy, fa ho mirana;
ny tavanareo tsy hangaihay.
Ity ory: velona antso ka novalian’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.

Ny tavan’ny Tompo amin’ny mpanao ratsy,
mba hahavery tadidy azy eto an-tany.
Ny olo-marina vao miantso dia henon’ny Tompo;
ny ahiahiny rehetra esoriny aminy.

Ny Tompo eo anilan’ny torotoro fo,
sy mamonjy ny rera-tsaina.
Ny fanahin’ny mpanompony avotan’ny Tompo;
tsy hisy ho voasazy iray mifefy aminy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitadiava ny Tompo dieny mbola mety ho hita Izy;
miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 21, 28-32

Tonga teto i Joany, fa ny mpanota no nino azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe:

“Ahoana ny hevitrareo?
Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy,
dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe:
Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio.
Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’,
kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany.
Dia nankeo amin’ilay iray indray izy
ka nilaza toraka izany koa.
Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’;
kanefa tsy nandeha izy.
Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?”

Hoy ireo:

“Ny lahimatoa”,

dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho milaza marina aminareo
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga
no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra;
fa tonga teo aminareo
tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany,
nefa ianareo tsy nino azy;
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy;
ary ianareo, na dia nahita izany aza,
dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 35, 1-6a. 10

Ny Tenan’Andriamanitra mihitsy no ho avy hamonjy antsika

Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:

“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo;
tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,
Tenany no ho avy, dia hamonjy anareo”.

Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana
ireo navotan’ny Tompo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy;
fa ny sento amam-pijaliana handositra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 145, 7. 8-9a. 9bd-10

Eny, ry Tompo ô, faingàna hamonjy anay.

Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny izay ampahoriana,
Ilay manome sakafo ny noana,
dia ny Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.

Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ny Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly 5, 7-10

Ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.

Ry kristianina havana,
mahareta mandrapiavin’ny Tompo.
Jereo ange ny mpiasa tany,
izay manantena ny voka-tsoan’ny tany;
miandry amimpaharetana izy,
mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Aoka àry ianareo haharitra koa;
ary ankaherezo ny fonareo,
fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.
Aza mifampimonomonona, ry havamalala,
fandrao dia helohina ianareo.
Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!
Aoka ny mpaminany
izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra,
ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka
amin’ny fandeferana sy ny faharetana.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo:
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 11, 2-11

Ianao va ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy,
dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy
hanao aminy hoe:

“Ianao va no Ilay ho avy,
sa mbola hafa no andrasantsika?”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Mandehana ka lazao amin’i Joany,
izao zavatra renareo sy hitanareo izao:
mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa,
sitrana ny boka, malady ny marenina,
atsangana ny maty, torîna amin’ny malahelo ny Evanjely,
ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko”.

Nony lasa ireo,
dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka i Jesoa,
nanao hoe:

“Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra?
Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va?
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Lehilahy tsara fitafiana va?
Indro any an-tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.
Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany?
Moa mpaminany va?
Eny, hoy Izaho aminareo,
ary ambony noho ny mpaminany aza,
fa izy no ilay voasoratra hoe:

Indro Aho
maniraka ny Anjeliko hialoha Anao
sy hamboatra ny lalanao!
Lazaiko aminareo marina tokoa
fa amin’izay natera-behivavy,
mbola tsy nisy nitsangana
izay lehibe noho i Joany Batista;
kanefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra
no lehibe noho izy”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Nandefa hafatra ho fankaherezana ny vahoaka Malagasy sy ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany, mba hahay hifampitsinjo manoloana ny olana ara-piaraha-monina misy ankehitriny, ary mba hifanaja sy hanaja ny soa iombonana, ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nandritra ny vavaka Angelus no nanentanan'ny Papa François ny mpino rehetra, mba hivoaka amin'ny fahasahiranana ka hifoha, hamantatra sy hiarahaba ny Tompo, izay miafina ao anatin'ny toe-javatra mahazatra eo amin'ny fiainana...

♦ Manao antso avo amin'ny herivelona rehetra ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy Fiadanana, hampanjaka ny rariny sy ny fandriampahalemana ary ny fanajana ny zon'olombelona... ♦ Tsy fifanoherana ny fahasamaihafana fa kanto ho an'ny Eglizy, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'i Morondava... ♦ Fahatokiana sy fitiavana no hafatra nampitain'ny Papa François ho an'ireo mpandray anjara tamin'ny hetsika momba ny foto-pampianaran'ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina sy ny sosialy tao Verone, Italie...

♦ Notendren'ny Papa François tamin'ny sabotsy teo, ho Evekan'ny Diôsezin'i Mahajanga i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz... ♦ Ezaka atao ao amin'ny Distrikan'i Brickaville ny hananganana fiangonana vaovao, noho ny fitombon'ny kristianina ao an-toerana... ♦ Nanentana ny kristianina, ny Paroasy, ny Diôsezy ary ny Firohotana sy ny Fikambanana masina rehetra, ny Fivondronamben'ny Eveka ao Italia, tamin'ny 18 nôvambra 2022, hivavaka ho an'ireo ankizy tsy ampy taona niharan'ny herisetra ara-nofo...

Alarobia 23 nôvambra 2022 — Herinandro Tsotra fahefatra amby telopolo Mandavantaona — Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 12-19

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...