♦ Notsipahan'ny HCC ny filazana fa nisy fanonganam-panjakana momba ny famindrany ny fahefana nankany amin'ny Governemanta. Nanazava ny momba izany ireo mpikamban'ity Andrim-panjakana ity... ♦ Namoaka fanambarana ny Andrimaso FFKM androany. Tsy mety, hoy izy ireo, raha ny rafi-pitsarana no mandika na mampihatra araka izay tiany ny lalàna, tamin'ny nanomezan'ny HCC fahefana ny Governemanta... ♦ Voatohintohina indray ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, teny amin'ny Lapam-panjakana Mahazoarivo androany. Noavakavahana ireo mpanao gazety afaka mandrakotra ny vaovao momba ny OMC-National...

♦ Hotanterahana ny 23 ka hatramin'ny 26 aogositra 2024 any Antsiranana ny Kôngresy Eokaristika fahatelo iombonan'ny Nosy eto Madagasikara... ♦ Manentana ny tompon'andraikitra isan'ambaratongany mba hikatsaka hatrany ny fandriampahalemana ny Fiombonan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Afrika sy Madagasikara... ♦ Manao fitsidihana any Chine i Mgr Zuppi, Iraka manokan'ny Papa François...

Namolavola mari-pamantarana Label Soa Far ho an'ireo Foibem-panofanana mivondrona ao aminy ny tambazotra FARMADA. Miisa 13 ny ivon-toerana efa nisitraka izany. Nitondra anjara biriky lehibe amin'ny fanatsaràna ny kalitaom-pampiofanana atolotra ny tanora sy ny tantsaha hanabe voa ny famokarana ara-pambolena sy ny eny ambanivohitra teto amintsika ny Tambazotra FARMADA. Marika entina manavaka ny ivon-toeram-panofanana, izay mitondra fanatsaràna sy manavao ny rafitra ao aminy ny Label Soa Far...

♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Antenimieran-doholona ireo kandidà ho filoham-pirenena miisa folo nanao fanambarana ny tsy fankasitrahany fanapahan-kevitry ny Fitsaràna Avo momba ny Lalàm-panorenana. Fandraisana nihainoana azy ireo no natao hoy Andriamatoa Razafimahefa Herimanana... ♦ Mbola tsy hihatra amin'i Madagasikara aloha ilay fepetra vaovaon'ny vondrona Eraopeana tokony hiatra rahampitso momba ny lavanila afaran'izy ireo. Omana hatramin'i volana Janoary 2024 isika tsy hahatapaka ny fanondranana... ♦ Ho tanterahana ny 25 hatramin'ny 28 oktobra 2023 eny amin'ny kianja ny Barea Mahamasina ny hay ranty "Voatra" andiany faha-10 ; hetsika karakarain'ny antenimieran'ny varotra sy ny Indostria Antananarivo...

Tena misy fiantraikany amin'ny manodidina azy ny fifandraisan'ny mpivady, na akaiky izany na lavitra. Mbola antontan'isa vokatry ny fandinihana ny fiaraha-monina ihany no nahitana fa ny mpivady iray manana fifandraisana tsara eo amin-dry zareo dia mahatarika mpivady 12 hafa hanana fifandraisana tsara ihany koa. Betsaka ny soatoavina avy amin'ny fampianaran'ny Eglizy, ary azo entina miaina tsara. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

♦ Tsy mahatoky ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenena intsony ireo kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena miisa folo manoloana ny didy navoakany. Miantso ny FFKM izy ireo manoloana izao zava-misy izao... ♦ Nanao ny filankevitry ny ministra voalohany omaly ny Governemanta Ifarimbonana. Eny amin'ny lapam-panjakàna Mahazoarivo no hanaovana ny filan-kevitry ny ministra manomboka izao... ♦ Vao maika hanimba ny fampianarana ambaratonga ambony ny famonoana afo hanerena ny famaranana ny taom-pianarana 2022 sy 2023, eny amin'ny oniversiten'Antananarivo hoy ny SECES...

♦ Nanao fanambarana miaraka androany, ireo kandidà 10 amin'ny 13 amin'ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena. Milaza ho tsy matoky ny HCC intsony izy ireo, satria mitanila amina kandidà sy miray tsikombakomba amin'ny Governemanta... ♦ Notsikerain'ny SECES ny fitakian'ny filan-kevitra siantifika, hamaranana ny taom-pianarana eny Ankatso. Vao mainka hanimba ny fampianarana ny famonoana afo ataon'ireo mpitantana, ho ny Sendikan'ny mpampianatra mpikaroka...

♦ Fanampiana hatrany amin'ny 12,6 miliara ariary no omen'ny fitondrana Indiana an'i Madagasikara. Ahakasika sehatr'asa maro, mipaka mivantana amin'ny fiainam-bahoaka, ireo tetikasa hampiasana izany vola izany...  ♦ Efa fiaraha-mientana ankehitriny ny telo tonta, eo amin'ny tontolon'ny asa, dia ny solon-tenan'ny governemanta, ny solon-tenan'ny mpiasa, ary ny solontenan'ny mpiasa, amin'ny fampiharana ny lalànan'ny asa, raha toa ka ny mifanohitra amin'izany no nisy hatramin'izay... ♦ "Fanabeazana ho an'ny rehetra sy tsara kalitao" no filamatry ny fanabeazam-pirenena amin'ity taona ity. Natomboka ôfisialy tany Antsirabe omaly ny taom-pianarana 2023-2024 eto Madagasikara...

Anatin'ny vanim-potoana ialohan'ny fifidianana isika izao. Ny safidy no hahafahana mandray andraikitra eo amin'ny lafim-piainana rehetra, koa mahaiza mifidy dia hahazo sy hahita fahafaham-po ianao. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hamoaka ny atao hoe "Manuel de l'Expert" ireo manam-pahaizana manokana miara-miasa amin'ny Fitsarana, ahafantaran'ny olona ny ilàna azy ireo amin'ny raharaham-pitsarana... ♦ Anatain'ny fandinihana, ka hirosoana amin'ny fankatoavana, ny volavolan-dalàna momba ny angovo azo avy amin'ny akora biôlôjika sy mikajy ny tontolo iainana na ny BioEnergie, izay ho ampiharina eto Madagasikara... ♦ Mila miray hina amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny fitantanana ny firenena ny governemanta hoy ny mpandinika fiaraha-monina iray, raha tiana hisy ny fifidianana anatin'ny fitoniana sy ny filaminana...

♦ Naneho hevitra momba ny didy navoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ny sabotsy teo, ny Filohan'ny antoko Monima. Tsy mifanaraka amin'ny lalàna ny famerana ny anto-bola amin'ny firotsahana ho fidiana ho Filoham-pirenena, hoy Andriamatoa Monja Roindefo... ♦ Dinihana mandritra ny telo andro nanomboka androany eny amin'ny Antenimiera ny volavolan-dalàna momba ny angovo azo avy amin'ny akora biôlôjika ary mikajy ny tontolo iainana na ny Bio-énergie...

♦ Nodimandry tampoka ny maraina teo Andriamatoa Olivier Rakotovazaha, filoha nasiônalin'ny antoko MFM. Anisan'ireo nitaky ny hanadiovana ny tokontany mialoha ny fifidianana izy, fony fahavelony manoloana ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Tokony esorina tamin'ny toerany ny filohan'ny SENAT, raha nandà nomena fahefana hitantana ny firenena, hoy ny antoko Fiombonana. Mametra-panontaniana ity antoko ity, amin'ny antony tsy nandraisany izany fahefana izany... ♦ Manome fe-potoana ny fitondrana hatramin'ny 10 ôktôbra izao ny SECES Sampana Antananarivo, hamerina amin'ny laoniny ny fampianarana eny Ankatso. Miankina amin'ny Fanjakàna ny fitsinjovana ny zana-bahoaka eny amin'ny Anjerimanontolo...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...