♦ Manentana ny tanora hiara-dia amin'i Masina Maria ny Papa François amin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an'ny tanora... ♦ Hosokafana ny 19 novambra 2022 ny taom-pikatrohana ho an'ny Sehatra Fandalinam-pinoana ho an'ny Diôsezy Antananarivo... ♦ Naneho ny fiaraha-mioriny tamin'ny fianakavian'ireo niharam-boina noho ilay asa fampihorohoroana tao Istambul ny Papa François...

Tamin’izany andro izany,
nony voafantsika teo amin’ny Hazofijaliana i Jesoa,
dia nijanona nijery teo ny vahoaka,
ary ny loholona avy no nandatsa Azy nanao hoe:
“Namonjy ny sasany Izy ka aoka hamonjy ny Tenany,
raha Izy no Kristin’Andriamanitra, ilay voafidy”.
Ny miaramila koa naneso Azy,
ka nanatona nanolotra vinaingitra Azy,
ary nanao hoe:
“Raha Ianao no Mpanjakan’ny Jody,
vonjeo ny Tenanao”.
Teo ambonin’ny lohany koa dia nisy soratra
tamin’ny teny grika sy latinina ary hebrio nanao hoe:
“Ity no Mpanjakan’ny Jody”.
Ary ny anankiray tamin’ireo mpangalatra
izay nihantona teo dia nanevateva Azy nanao hoe:
“Raha Ianao no i Kristy, vonjeo ny Tenanao sy izahay”.
Fa nanarin’ilay anankiray izy,
nataony hoe:
“Ialahy koa ve tsy matahotra an’Andriamanitra,
saingy hoe samy voaheloka ho faty izao?
Ny antsika dia rariny izao,
satria mandray ny valin’ny ratsy nataontsika isika;
fa ny Azy kosa
tsy mba nanao ratsy na inona na inona Izy”.
Dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Tompoko, tsarovy aho,
rehefa mby any amin’ny fanjakanao Ianao”.
Ka hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Lazaiko marina aminao
fa anio dia hihaona amiko any am-paradisa ianao”.

Ny fahefana anaty dia ahitana ireto : ny finoana, ny fanantenana ary ny fitiavana. Ny sakana anaty dia hatarafana ireto : ny fialonana, ny fanaratsiana ary ny fiandaniana. Ny safidy dia anao : na ny fahefana anaty no iainana na ny sakana anaty. Fandaharana "mba ho vanonoa" iarahana amin'ny jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Tontosa teny amin'ny Cénacle Ambohipo, ny 10 hatramin'ny 13 nôvambra 2022 ny Filankevitra Nasiônalin'ny Vovonam-pirenena Katôlikan'ny Ankizy... ♦ Ny mikasika ny dikan'ny faharetana no fampianarana nentin'ny Papa François, nitarihana ny sain'ny mpino, ny alahady 13 nôvambra 2022, nandritra ny vavaka Angelus... ♦ Mpikambana 150 amin'ireo mpilatsaka antsitrapo iraisam-pirenena, mivondrona ao amin'ny Fédération des Organismes Chrétiens de Service International de Volontariat, no nihaona tamin'ny Papa François, androany maraina...

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diosezin'Ambanja i P. Donatien Francis Randriamalala, pretra ao amin'ny Fikambanana "Missionnaires de Notre-Dame de La Salette"... ♦ Niarahaba sy nirary soa ho an'i Mgr Donatien Francis, noho ny fanendrena azy ho Evekan'Ambanja, ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Manaitra ny mpandray anjara ao amin'ny COP27, manoloana ny fitomboan'ny mpifindra monina vokatry ny fikorontanan'ny toetrandro ny Kardinaly Pietro Parolin, Solontenan'ny Fiketrahana Masina...

Tamin’izany andro izany, nisy nilaza ny Tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy, fa hoy i Jesoa: "Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo, ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana". Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe: "Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany, ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?" Dia hoy i Jesoa hoe: "Tandremo sao voafitaka ianareo, fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe: ‘Izaho no izy‘ ary ‘efa akaiky ny andro‘, ka aza manaraka azy. Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra: fa tsy maintsy ho tonga aloha izany, nefa mbola tsy ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany". Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo: "Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena, sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana; hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa; eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe. Fa alohan’izany rehetra izany ianareo, dia hosamborina, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina, ary hatolotra amin’ny mpanjaka sy ny mpitondra noho ny Anarako. Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo.

Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory; fa Izaho ihany no hanome vava anareo, sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively. Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza, mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa, ka hovonoiny ny maro aminareo, ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza. Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo".

Ho an'ny mpianakavy dia ilaina ny fifanampiana. Ny fifanampiana dia mampifanakaiky am-po ary manamafy ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonana. Ny fifanampiana dia mampisy rafi-tsaina, izay mahatonga olona iray ho tompon'andraikitra, ho afaka hampiasa fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.

♦ Seminarista 76 mirahalahy no natokana ho mpamaky teny sy mpanotrona, tamin'ny fankalazana ny fetin'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely, mpiaro ny toeram-piofanana momba ny teôlôjia ao Faliarivo Antananarivo... ♦ Notanterahana tamin'ny 3 hatramin'ny 5 nôvambra 2022, ny Filankevitry ny Talen-tsekoly Katôlika rehetra avy ao amin'ny Diôsezin'Ambanja. Ka Talen-tsekoly miisa 56 no nandray tamin'izany... ♦ Nankalaza ny fetiny ny 6 nôvambra 2022 ny Distrika Misiônera Avaratsena, eo ambany fiarovan'i Masindahy Joany Paoly Faharoa...

♦ Nohamasinina ho eveka tamin'ny 1 nôvambra 2022, ny Nonce Apostolique vaovao, hiasa eto Madagasikara, hisolo tena ny Ray Masina François... ♦ Nifarana ny alarobia 2 nôvambra 2022 ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny tanora, mifantoka amin'ny fanabeazana ho amin'ny fiadanana, izay notanterahan'ny avy ao amin'ny Fanilon'i Madagasikara... ♦ Nanao antso avo ny hijerena manokana ny zo hiaina sy ny fandriam-pahalemana ny Papa François, nandritra ny lahateny voalohany nataony tao Bahreïn...

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 2, 1-5

Hanangona ny firenen-drehetra ny Tompo: hiadana izy ireo ao amin'ny Fanjakan’Andriamanitra

Ny teny hitan’i Izaia, zanak’i Amôsa momba an’i Jodà sy i Jerosalema.

Izao no ho tonga any amin’ny andro farany:
ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo,
hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra,
sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana.

Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,
ary firenena maro no ho avy hilaza hoe:

“ Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo,
any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba;
hampianatra antsika ny Lalàny Izy,
ary hizotra amin’ny lalany isika.
Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna,
ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’ny Tompo. ”

Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy,
ary ho mpitsara ny firenena maro.
Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby,
ary ny lefony ho antsy fijinjana.
Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa,
ary tsy hianatra ady intsony ny olona.
Avia, ry taranak’i Jakôba,
ka aoka handeha amin’ny fahazavan’ny Tompo isika.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 121, 1-2. 34a. 4d-5. 6-7. 8-9

Faly aho nilazana hoe: “ Andao isika ho any an-tranon’ny Tompo ”

Faly aho raha hoy ireo havako:
“ Ndao ho any an-tranon’ny Tompo! ”
Indro ny tongotray, ry Jerosalema,
mijadona eto am-bavahadinao.
I Jerosalema tanàna tsara rafitra,
mirindra tsy manan-tsahala
natao mba hiakaran’ireo foko,
dia ny fokon’i Israely.
Fa didy ho an’i Israely ny mankao
mba hidera ny Anaran’ny Tompo
Ao no toerana ijoroan’ny fahefana,
iorenan’ny fianakavian’i Davida.
Irario “ Fiadanana! ” i Jerosalema
“ Fiadanana ho an’ny trano ao aminao!
Fiadanana ho an’ny mandanao!
Fiadanana ho an’ny tilikambonao! ”
Noho ny havana aman-tsakaizako,
hoy aho hoe “ Fiadanana anie ho anao! ”
Noho ny tranon’ny Tompo Andriamanitsika,
Avelao aho hirary soa ho anao!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 13, 11-14

Akaiky ny famonjena antsika

Ry kristianina havana,
fantatsika ny andro,
fa fotoana tokony hifohazantsika amin’ny fatoriana izao;
fa ankehitriny, akaiky antsika ny famonjena
fa tsy tahaka ny fony isika vao nino.
Efa ho lasa ny alina, ary efa mby akaiky ny andro,
ka ario ny asan’ny maizina.
Aoka isika hitondra tena tsara toy ny amin’ny andro,
tsy amin’ny fihinanam-be loatra na fahamamoana,
tsy amin’ny fijangajangana na fijejojejoana,
tsy amin’ny fifandirana na fialonana;
fa itafio i Jesoa Kristy Tompo,
ary aza miahy ny nofo amin’ny famelomana ny filàny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo, ny famindram-ponao!
Ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 24, 37-44

Miambena ianareo, ary aoka ho vonona

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao tamin’ny mpianany hoe:

“ Tahaka ny tamin’ny andron’i Nôe,
dia ho tahaka izany koa ny fiavian’ny Zanak’olona.
Fa tamin’ny andro nialoha ny safo-drano,
dia nihinana sy nisotro
ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy ny olona,
mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara,
ka tsy nahalala izy ireo
raha tsy efa tonga tokoa ny safodrano,
izay nandringana azy rehetra:
dia ho toy izany indrindra ny fiavian’ny Zanak’olona.
Amin’izany,
amin’ny olona roa lahy izay ho sendra eny an-tsaha,
dia horaisina ny iray, ary havela ny iray;
amin’ny vehivavy roa izay hiara-manodina ny fikosohan-dafarina,
dia horaisina ny anankiray, ary havela ny iray.
Koa miambena àry, fa tsy fantatrareo izay tapak’andro
hiavian’ny Tomponareo.
Hevero tsara fa raha fantatry ny tompon-trano
izay ora hiavian’ny mpangalatra,
dia hiambina izy
fa tsy havelany hotamîna ny tranony.
Koa aoka àry ho vonona koa ianareo,
fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’olona ”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 11, 1-10

Hotsarainy ara-drariny ny madinika

Amin’izany andro izany,
hisy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese,
ary hisy solofo haniry avy amin’ny vahany.
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’ny Tompo,
dia ny Fanahy fahendrena amam-pahazavan-tsaina,
Fanahy fifidianana amam-paherezana,
Fanahy fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo.
Ny fahatahorana ny Tompo no fototry ny fahafinaretany.
Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony izy,
na hanapaka araka izay ren’ny sofiny.
Ny madinika hotsarainy ara-drariny,
ary ny mpietry eto an-tany
dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina.
Hikapoka ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany Izy,
ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.
Fahamarinana no hisikinany,
ary fatra-po mahatoky no ho fehikibony.

Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry,
ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy;
ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy,
hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy.
Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray,
ny zanak’ireo, hiray trano fandriana;
ary ny liona hihinam-bilona hoatra ny omby.
Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana;
ary ny zaza vao misara-nono
hanao ny tanany ao andavaky ny baziliky.
Tsy hisy hampidi-doza na handrava,
eran’ny tendrombohitra masina,
satria ny tany ho feno fahalalana ny Tompo,
toy ny fanambanin’ny ranomasina feno ny rano manarona azy.
Izao no hiseho amin’izany andro izany:
Ny solofon’i Jese,
voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa,
dia hotadiavin’ny firenena
ary ho be voninahitra ny fonenany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 71, 2. 7. 8. 12-13. 17

Ny rariny hamony amin’ny androny, ary ny fiadanana hitombo raha mbola eo ny volana

Andriamanitra ô, omeo ny fahefanao ny mpanjaka,
omeo ny fahamarinanao ity taranak’andriana:
ka ny olonao hotsarainy ara-drariny,
ny malahelonao araka ny hitsiny.
Ny rariny hamony amin’ny androny,
ny fiadanana hiroborobo mandavan-taona.
Ny fifehezany, dia hatramin’ny Ranomasina
ka tonga amin’ny Ranomasina;
manomboka amin’ilay Ony ka mipàka amin’ny faran’ny tany.

Izy hanafaka ny ory mitoloko
sy ny madinika tsy manan-kanampy;
ny osa, ny mahantra hotsimbininy,
ny ain’ny malahelo hovonjeny.
Ny anarany haharitra toy ny masoandro,
ho voatso-drano mandrakizay.
Izy ho fitahiana ny fokon’ny tany tontolo,
hataon’ny firenena rehetra hoe “Sambatra!”

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 15, 4-9

I Kristy no hahatonga ny olombelona rehetra ho voavonjy

Ry kristianina havana,
izay rehetra voasoratra taloha
dia natao ho fianarantsika,
mba hananantsika fanantenana amin’ny fandeferana
sy ny fanalana alahelo
avy amin’ny Soratra Masina.
Andriamanitry ny fandeferana sy ny fanalana alahelo anie
hampiray hevitra anareo araka an’i Kristy Jesoa,
mba hiarahanareo mankalaza
an’Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
amin’ny fo iray sy vava iray.

Koa mifandraisa ianareo,
tahaka ny nandraisan’i Kristy anareo,
mba ho voninahitr’Andriamanitra.
Fa i Kristy, dia lazaiko marina,
fa natao mpandraharaha ny voafora
mba haneho ny fahamarinan’Andriamanitra,
amin’ny fanatanterahana ny teny napetraka
tamin’ny razan’izy ireo;
ary ny Jentily kosa
dia mankalaza an’Andriamanitra noho ny famindram-pony,
araka ny voasoratra hoe:
Izany no hiderako Anao any amin’ny Jentily
sy hankalazako ny Anaranao.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany;
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 3, 1-12

Mibebaha ianareo fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra

Tamin’izany andro izany,
dia niseho i Joany Batista,
nitory teny tany an’efitr’i Jodea nanao hoe:

“Mibebaha ianareo,
fa efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra”.

Izy no ilay voalazan’i Izaia mpaminany hoe:
Re ny feon’ilay miantso any an’efitra hoe:

“Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany”.

Akanjo volon-drameva no fitafian’io Joany io;
fehikibo hoditra no tamin’ny andilany,
ary valala sy tantely remby no hanina fihinany.
Ary nankany aminy daholo i Jerosalema sy i Jodea rehetra
mbamin’ny tany manodidina an’i Jordany;
ka nony efa niaiky ny fahotany izy ireo,
dia nataony batemy tao amin’ny onin’i Jordany.
Ary raha nahita ny Farisianina sy ny Sadoseanina betsaka
nanatona ny bateminy izy, dia hoy izy taminy:

“Ry taranaky ny menarana,
iza no nanoro hevitra anareo
handositra ny fahatezerana ho avy?
Koa manaova àry asa fibebahana mendrika tsara;
ary aza manao anakam-po hoe:

“Manana an’i Abrahama ho rainay izahay”;

fa lazaiko aminareo fa Andriamanitra
mahay manangana zanaka ho an’i Abrahama
avy amin’ireto vato ireto.
Efa eo am-poto-kazo sahady ny famaky:
koa ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara
dia hokapaina, ka hatsipy any anaty afo.

Izaho dia manao batemy anareo amin’ny rano,
ho amin’ny fibebahana;
fa Ilay ho avy aoriako no mahery kokoa noho izaho,
ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho;
Izy no hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
eny an-tanany ny fikororohany
ary hodioviny tsara ny famoloany,
ka ny variny hangoniny any an-tsompitra,
fa ny mololo kosa
hodorany any amin’ny afo tsy mety maty”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Tokony mahay mifampikarakara, mahay mifanampy amin'ny zavatra, ilàna fifanampiana, ny rehetra na ireo mandrafitra ny fianakaviana na ny mpivady na ny fiaraha-monina. Raha ireo fepetra ireo no tanteraka dia hisy ny filaminana sy ny fahadiovana, izay misy fiatraikany amin'ny toe-tsaina sy ny toe-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Desiré Ramakavelo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...