Indray andro, raha nipetraka tandrifin’ny fandatsahan-drakitra i Jesoa, dia nijery ny fandatsaky ny olona tao, ary maro ny mpanan-karena no nandatsaka be. Ary nisy mpitondratena mahantra anankiray tonga tao koa, ka nandatsaka farantsa kely roa ankevitry ny variroaventy avy. Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany ka nilazany hoe: "Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka be indrindra tamin’izay rehetra nandatsaka tao amin’ny fandatsahan-drakitra; satria ireo rehetra ireo nandatsaka ny ambim-bavany, fa izy kosa nandatsaka izay ilainy, dia izay rehetra nananany sy ivelomany".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Aoka ny harena tsy marina no hahazoanareo sakaiza, mba handraisany anareo any amin’ny tranolay mandrakizay raha avy izay haharerahanareo. Izay mahatoky amin’ny kely dia mahatoky koa amin’ny lehibe, ary izay tsy marina amin’ny kely, dia tsy marina koa amin’ny lehibe. Koa raha tsy mahatoky amin’ny harena tsy marina ianareo, iza no hametraka aminareo ny harena marina? Ary raha tsy mahatoky amin’izay tsy anareo ianareo, iza no hanome anareo izay anareo? Tsy misy mpanompo mahay manompo tompo roa, fa na hankahala ny iray izy ka ho tia ny anankiray; na homba ny anankiray kosa ka hanamavo ny iray indray. Tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny harena ianareo."

Ny Farisianina izay fatra-pitia vola dia mba nihaino izany rehetra izany koa, ka dia naneso Azy. Fa hoy Izy tamin’izy ireo: "Ianareo no mpanamarin-tena eo imason’ny olona, nefa fantatr’Andriamanitra ihany ny fonareo, ary izay ambony eo imason’ny olombelona dia fahavetavetana eo imason’Andriamanitra kosa."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Nisy lehilahy mpanan-karena anankiray nanana mpitandrim-pananana izay nampangain’ny olona taminy fa nandany ny fananany. Dia nantsoiny izy ka nilazany hoe: ‘Ahoana izany fandrenesako anao izany? Avoahy kely hoe ny fitandremanao, fa amin’ny sisa dia tsy hahazo miadidy ny fananako intsony ianao.’ Tamin’izay ilay mpitandrina dia nanao anakampo hoe: ‘Inona re no hataoko, fa esorin’ny tompoko amin’ny fitandremana ny fananany aho ity? Ny miasa tany moa tsy vitako, ny mangataka indray mahamenatra ahy. Aoka fa fantatro izay hataoko, mba handraisan’ny olona ahy any an-tranony rahefa esorina amin’ny raharahako aho.’ Dia nampanalainy tsirairay izay rehetra nitrosa tamin’ny tompony, ka hoy izy tamin’ny voalohany: ‘Ananan’ny tompoko hoatrinona ianao?’ Dia hoy io: ‘Diloilo injaton’ny barika.’ Dia hoy ilay mpitandrina taminy: ‘Raiso ny taratasinao, ary mipetraha ka soraty haingana dimampolo.’ Dia hoy indray izy tamin’ny anankiray: ‘Hoatrinona kosa ny trosa aminao?’ Hoy io hoe: ‘Vary injaton’ny famarana.’ Dia hoy ilay mpitandrina: ‘Raiso ny taratasinao, ka soraty valopolo.’ Noderain’ny tompony ilay mpitandrina tsy marina satria nampiseho hafetsena, fa hendrihendry kokoa ny zanak’izao tontolo izao amin’izy samy izy noho ny zanaky ny fahazavana."

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny poblikanina rehetra sy ny mpanota, ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Ilay itý mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy." Dia nanao itý fanoharana itý tamin’izy ireo i Jesoa hoe: "Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very.’ Lazaiko aminareo, fa toy izany koa hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana. Sa iza no vehivavy manana dragma folo ka very ny anankiray no tsy hampirehitra jiro sy hifafa trano, ary hitady azy tsara ambara-pahitany azy? Ary rahefa hitany dia mamory ny sakaizany sy ny vehivavy mifanakaiky aminy izy ka manao hoe: Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny dragmako very." Toy izany koa lazaiko aminareo, fa hisy hafaliana lehibe eo anatrehan’ny Anjelin’Andriamanitra raha misy mpanota iray mibebaka."

Tamin’izany andro izany, nisy vahoaka betsaka niaraka tamin’i Jesoa, ka nitodika Izy nanao tamin’ireo hoe: "Raha misy manatona Ahy ka tsy mankahala ny rainy sy ny reniny, ary ny vadiny sy ny zanany, mbamin’ny rahalahiny sy ny anabaviny ary na dia ny ainy aza, dia tsy mety ho mpianatro. Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany sy tsy manaraka Ahy dia tsy mety ho mpianatro. Ka iza tokoa moa aminareo no te-hanao tilikambo ka tsy mipetraka aloha hitety izay ho laniny, na hanana ny ampy hamitana azy izy, na tsia, sao vita ny fototra vao tsy afa-manefa azy izy ka holatsain’izay rehetra mahita hoe: ‘Mba nanomboka nanao trano ralehilahy io, nefa tsy nahavita tsinona.’ Sa iza no mpanjaka handeha hiady amin’ny mpanjaka hafa, ka tsy hipetraka aloha hihevitra na ho azony atao amin’ny miaramila iray alina ny hikatroka amin’ny fahavalo roa alina avy hamely azy na tsia? Fa raha tsy hahomby izy, dieny mbola lavitra ilay mpanjaka anankiray dia handefa iraka hanao raharaham-pihavanana aminy izy. Toy izany koa, na iza na iza aminareo tsy mahafoy izay rehetra ananany dia tsy mety ho mpianatro."

♦ "Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny zaza ao am-bohoka, na tsy fidiny na nirina, na nampoizina na tsia, satria avy amin'Andriamanitra ny aina", hoy ny eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalazaina androany ny fetin'i Masindahy Joany Paoly Faharoa. Nankalaza izany ny Fikambanan'ny pretra Spiritains any Antsiranana sy ny Lycée Saint Jean-Paul II ao Mandritsara, Port-Bergé...

 Ny fifanampiana eo amin'ny olona roa na mpivady na mpianaka dia mampifanaiky am-po ary miteraka fifampitokisana ka mahatonga fahatsaram-piainana eo amin'ny fifandraisana. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

♦ Notanterahina ny 15 oktobra 2021 tao Ampasanimalo ny fanaovam-beloma farany an'i Masera Soszynska Krystyna, FMA... ♦ Nanomboka androany ny dinika momba ny Sinaodin'ny Eveka, ho an'ny Diosezin'i Morondava sy Tsiroanomandidy... ♦ Nosokafana ny 7 oktobra 2021 ny taom-pianaran'ny Sekoly katolika ho an'ny Diosezin'Antsiranana...

Ny fotoana manokana dia tena manova fiainana na eo amin'ny mpivady na eo amin'ny mpianaka. Mitondra fiadanan-tsaina, fiadanam-po, fiadanam-panahy. Fehiny : mahasambatra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa, nony nahita ny vahoaka nanaraka Azy, dia niakatra teo an-tendrombohitra, ary rehefa tafapetraka Izy, dia nanatona Azy ny mpianany, ka niloa-bava Izy nampianatra azy nanao hoe:

"Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany. Sambatra izay mitomany, fa halàna alahelo. Sambatra izay noana sy mangetaheta ny fahamarinana, fa ho voky izy. Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo izy. Sambatra ny madio fo, fa hahita an’Andriamanitra izy. Sambatra ny tia fihavanana, fa hantsoina hoe zanak’Andriamanitra izy. Sambatra ny miaritra ny fanenjehana noho ny rariny, fa azy ireo ny Fanjakan’ny lanitra. Sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina lainga amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko: mifalia sy miravoravoa ianareo, fa lehibe ny valisoanareo any an-danitra".

♦ Ny 22 jolay 1981, no nigadona tao amin'ny Distrikan'i Bemaneviky ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, namaky lay tao amin'io toerana io, nanao ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly... ♦ Notokanana tamin'ny faran'ny herinandro teo iny ny Immeuble Voary, trano foiben'ny Caritas ao amin'ny Diosezin'Antsirabe... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa,  nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba hanontany tena hoe : "Inona no tena fifandraisana marina amin'Andriamanitra, ary manao ahoana no namelomana ny finoana ?"...

♦ Hafatra ho an'ny Andron'ny Misiona taona 2021... ♦ Tontosa androany tao amin'ny EKAR Anosimasina Moramanga ny voadin'ireo relijiozy miisa 19, avy amin'ny Fikambanana Trinitera... ♦ Katesizy mikasika ny fahafahana kristianina no nentin'ny Papa François omaly, nandritra ny "Audience générale", tao amin'ny Efitrano Paul VI...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...