Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny hoe: "Loza ho anao, ry Kôrôzaïna, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no natao tany Tira sy Sidôna ny fahagagana natao taminareo, dia ela no ho efa nibebahany tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona. Noho izany, amin’ny andro fitsarana dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Tira sy Sidôna noho ny aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma izay misondrotra hanakatra ny lanitra dia haetry hatrany amin’ny afobe ianao. Izay mihaino anareo mihaino Ahy, ary izay manamavo anareo manamavo Ahy; izay manamavo Ahy anefa dia manamavo Izay naniraka Ahy."
Tamin’izany andro izany, dia nifidy roa amby fitopolo lahy hafa koa ny Tompo ka naniraka azy tsiroaroa hialoha Azy, any amin’ny tanàna sy ny tany rehetra izay halehany. Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Be ny vokatra, fa ny mpijinja no vitsy; koa mangataha amin’ny tompom-bokatra mba hanirahany mpiasa hijinja ny vokany. Mandehana; indro Aho maniraka anareo tahaka ny zanak’ondry eo afovoan’ny amboadia. Aza mitondra kitapom-bola na kitapo hafa, na kiraro, ary aza miarahaba olona akory eny an-dalana. Amin’izay trano hidiranareo, dia milazà aloha hoe: ‘Fiadanana anie ho amin’itý trano itý’; ka raha misy zanaky ny fiadanana ao, dia ho ao aminy ny fiadanana lazainareo; fa raha tsy misy kosa, dia hiverina aminareo ihany izany. Ary mitoera amin’izany trano izany, ka mihinàna sy misotroa izay misy ao, fa mendrika ny karamany ny mpiasa. Aza mifindrafindra trano. Ary amin’izay tanàna idiranareo, raha mandray anareo ny olona, dia hano izay atolony anareo; ary sitrano ny marary izay ao, ka lazao hoe: ‘Efa mby akaiky anareo ny fanjakan’Andriamanitra.’ Fa amin’izay tanàna idiranareo kosa nefa tsy mandray anareo ny olona, dia mankanesa eny an-kianja ka lazao hoe: ‘Na ny vovoky ny tanànanareo nipetaka tamin’ny tongotray aza dia ahintsanay hiampanga anareo; fantaro anefa fa efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra.’ Lazaiko aminareo fa amin’izay andro izay, dia ho moramora kokoa ny ho amin’i Sôdôma noho ny ho amin’izany tanàna izany."
Tamin’izany andro izany, nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa, dia nilaza azy hoe: "Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka." Ka hoy i Natanaely taminy: "Ahoana no nahalalanao ahy?" Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao, dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao." Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe: "Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra, Ianao no Mpanjakan’i Israely." Ary hoy i Jesoa taminy: "Mino ianao, satria nilazako fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao; mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao." Dia hoy koa Izy: "Lazaiko marina dia marina aminareo fa hahita ny lanitra misokatra sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina eo ambonin’ny Zanak’olona ianareo."
Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalàna an’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy ka nandefa iraka nialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: "Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?" Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: "Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy." Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.
Tamin’izany andro izany, nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra, dia ny amin’izay lehibe aminy. Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony, ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany, dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy, ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy; fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe." Dia niteny i Joany nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay, ka noraranay, satria tsy namantsika izy." Fa hoy i Jesoa taminy: "Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo."
Isika tsirairay avy no biriky mandrafitra ny rindrin'ny tranom-pahavanonana. Aoka harisika isika hanao jeritodika ny tontolo androm-piainana ary entina ao amin'ny vavaka izay atao amin'Andriamanitra. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ "Mila ezaka ny fiainana ny voady", io no hafatra napetraky ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nandritra ny voady notononin'ireo frera 22 mirahalahy... ♦ Nandefa hafatra, manentana ny rehetra hihavana amin'ny voaary i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Ny fitoviana ao amin'i Kristy dia mandrava ny endri-pahasamihafana rehetra, hoy ny Papa François nandritra ny "Audience générale"...
Nitsangana teo akaikin'ny Hazofijalian'i Jesoa ny Reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin'i Kleôfasy, ary i Maria Madelenina. Nony hitan'i Jesoa ny Reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dReniny: "Ravehivavy, indro ny zanakao". Ary hoy koa Izy tamin'ilay mpianatra: "Indro ny Reninao". Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy.
Notontosaina ny alarobia 8 septembra 2021 ny voady voalohany nataon'ireo Novisy Salezianina miisa 22 mirahalahy. Notanterahina tao Ivato, "Notre Dame de Clairvaux" izany fankalazana izany. Nanomboka tamin'ny 8 ora sy sasany maraina ny Sorona Masina izay notarihin'ny Mompera Bizimana Innocent, lehiben'ny Fikambanana Salezianina eto Madagasikara sy ny nosy Maorisy. Teny manentana azy 22 mirahalahy ny hoe : "Ho voninahitra ho an'ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro" (Joany 15, 8).
Tamin’izany andro izany, namaly ny tenin’i Jesoa i Joany ka nanao taminy hoe: "Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay". Fa hoy i Jesoa: "Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika. Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy. Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny, dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin’ny vozony, ka havarina any anaty ranomasina izy. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy, fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny gehena, dia any amin’ny afo tsy azo vonoina. Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy, fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao, toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina. Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy, fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao, toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo, izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo".
Tamin’izany andro izany, raha ilay mbola gaga tamin’izay rehetra nataon’i Jesoa iny ny vahoaka rehetra, dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: "Alatsaho tsara ao amin’ny sofinareo izao rehetra izao, satria tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan’ny olona ny Zanak’Olona." Fa tsy azon’izy ireo izany teny izany, fa takona taminy ka tsy fantany, sady tsy sahy nanontany Azy ny amin’izany izy.
Tamin’izany andro izany, raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa ka teo aminy koa ny mpianany, dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe: "Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?" Ary namaly ireo ka nanao hoe: "Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia, ary ny sasany manao hoe: ny anankiray amin’ny mpaminany taloha no nitsangan-ko velona." "Fa ianareo kosa, hoy Izy, mba manao Ahy ho iza?" Dia namaly i Piera ka nanao hoe: "I Kristin’Andriamanitra." Nefa norarany mafy izy ireo mba tsy hilazalaza izany amin’olona, sady nampiany hoe: "Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona, ka harian’ny loholona sy lehiben’ny mpisorona mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny; fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco