Tamin’izany andro izany niantso roa lahy tamin’ny mpianany i Joany nalefany ho any amin’i Jesoa hanao aminy hoe: "Ianao va no Ilay ho avy, sa mbola hafa no handrasantsika?" Nony tonga tany aminy ireo dia nanao hoe: "Nirahin’i Joany Batista hankatý aminao izahay hanontany raha Ianao no Ilay ho avy, na mbola hafa no andrasantsika." Tamin’izay indrindra i Jesoa dia nanasitrana olona maro niferinaina tamin’ny aretina sy ny rofy ary ny fanahy ratsy, sady nampahiratra jamba maro koa, koa izao no navaliny an’ireto iraka: "Mandehana lazao amin’i Joany izay zavatra renareo sy hitanareo: mahiratra ny jamba, mandeha ny mandringa, madio ny boka, malady ny marenina, mitsangan-ko velona ny maty, torîna amin’ny mahantra ny Evanjely, ary sambatra izay rehetra tsy ho tafintohina noho ny amiko."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe: "Ahoana ny hevitrareo? Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy, dia nanatona ny lahimatoa izy ka nanao taminy hoe: Andeha, anaka, miasa any an-tanim-boaloboko anio. Hoy izy: ‘Tsy handeha aho’, kanjo nony afaka izany, nanenina izy ka nandeha ihany. Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa. Hoy io: ‘Handeha aho, tompoko’; kanefa tsy nandeha izy. Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?" Hoy ireo: "Ny lahimatoa", dia hoy i Jesoa taminy: "Izaho milaza marina aminareo fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra; fa tonga teo aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany, nefa ianareo tsy nino azy; fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy; ary ianareo, na dia nahita izany aza, dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy."

Tamin’izany andro izany, rahefa tafiditra tao an-tempoly i Jesoa ka nampianatra tao, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: "Fahefana avy aiza no anaovanao izao? ary iza no nahazoanao izany?" Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo; ka raha voavalinareo izany dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy taiza moa ny batemin’i Joany? avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olona?" Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe: "Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra, dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo? Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray, ny vahoaka kosa no atahorantsika, fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany." Dia izao no navaliny an’i Jesoa: "Tsy fantatray." Ary hoy Izy taminy: "Izaho koa àry, dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao."

Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe: "Inona àry no hataonay?" Dia namaly izy ka nanao hoe: "Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana; ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa". Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe: "Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?" Dia hoy izy taminy: "Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo". Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe: "Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?" Dia hoy ny navaliny azy: "Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana, ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo". Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy, dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe: "Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho, ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho: Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo; eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany, ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty". Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.

♦ Anentanan'ny Papa Ray masina ao anatin'ny tambazotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany amin'ity volana desambra ity ny hivavaka manokana ho an'ireo katesista... ♦ Hofaranana amin'ny alarobia 8 desambra 2021 izao ny Taonan'i Masindahy Josefa. Ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo dia ny 12 desambra 2021 no hanamarihana izany... ♦ Nanao antso avo mba hisian'ny fanampiana ireo mpifindra monina ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana Apôstôlika nataony tany Lesbos, Grèce, omaly...

Fiombonana, Fandraisana anjara, asa fanirahana : ireo no teza telo ihodinan'ny Eglizy miara-dia. Vatana iray ny Eglizy, miombona noho ny Batemy noraisiny. Mirotsaka amin'ny fomba feno sy mavitrika izy. Ny zavatra rehetra ataony dia mitodika ao amin'ny asa fanirahana avokoa, izay antom-pisian'ny Eglizy. Fanazavana entin'i M. Roger Marius Razafimandanona, Ekipa nasionaly mpandrindra ny sinaody

Fiarahan-dia ny atao hoe sinaody, iantsoana ny Papa ny eveka solo-tenan'ny Fivondronam-ben'ny Eveka maneran-tany, handinika sy hanolo-tsaina ny Ray masina amin'ny loha-hevitra lehibe iray ao amin'ny fiainan'ny Eglizy. Sinaody faha-16 no hotanterahina amin'ity 2021-2023 ity. Ny tanjona dia ny hamoahana sori-dalana iombonana sahaza ny vaninandro iainantsika fa mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra. Fanazavana entin'i P. Faliarilala Thierry Pascal.

Hotanterahina any Antsirabe ny 30 aogositra ka hatramin'ny 4 septambra 2022 ny JMJ Mada andiany faha-10. Lohahevitra hifanentanana amin'izany ny hoe: "Mitsangana fa ataoko vavolombelon'ny zavatra efa hitanao ianao" (Asa 26, 16). Fanasana avy amin'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara.

♦ Hotanterahana any Antsirabe ny 30 aogositra hatramin'ny 4 septambra 2022, ny JMJ Mada-10... ♦ Nankahery ny vahoaka Malagasy ny Papa François tamin'ny fihaonany tamin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nasiam-panitsiana ny dikan-teny frantsain'ny litorjia fankalazana ny Eokaristia Masina...

Nihaona tamin’ny Papa François ny talata 30 novambra 2021 ny Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava. Maro ny dinika nifanaovan’izy ireo : ny zava-misy iainan’ny vahoaka Malagasy, ny JMJ 2022, ireo diosezy mbola tsy manana eveka… Indro ary ny hafatra manokana avy amin’ny Papa François ho an’ny vahoaka Malagasy tao aorian’ny fihaonan’izy ireo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...