Indray sabata hafa koa i Jesoa, dia niditra tao amin’ny sinagôga, ka nampianatra, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana ankavanana teo. Tamin’izay dia nitsikilo Azy ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina na hanasitrana amin’ny andro sabata Izy na tsia, mba hahitany antony hiampangana Azy. Fa fantatr’i Jesoa kosa ny hevitr’izy ireo, ka hoy Izy tamin’ilay maty tanana: "Mitsangàna ka mijoroa etsy afovoany." Dia nitsangana ilay io ka nijoro, ary hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manontany anareo Aho, inona no mety hatao amin’ny sabata, ny manao soa sa ny manao ratsy; ny mamonjy aina sa ny manala aina?" Dia noherikerehiny nojerena daholo izy rehetra teo ka hoy Izy tamin-dralehilahy: "Ahinjiro ny tananao." Dia nahinjiny ka sitrana terý ny tanany. Fa iretsy kosa safotry ny hatezerana, ka nioko amin’izay hanaovany an’i Jesoa.

♦ Homarihana manomboka ny 1 septambra 2021 izao ny fankalazana ny faha-120 taonan'ny Eglizy Iraka Masina Misely Arkanjely, ao Antsiranana... ♦ Nifarana omaly ny fiofanana ntaon'ireo katesista 66 mianadahy tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Nanao antso avo amin'ny mpino katôlika, ny Papa François, mba hifady hanina sy hivavaka ho an'i Afghanistan...

♦ Nomarihina nanomboka ny 26 aogositra 2021 ny fankalazana ny faha-80 taona naha "Vicariat apostolique" an'i Miarinairvo... ♦ Ny pretra fransiskanina no hitantana ny sanctuaire mitondra ny anaran'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, ao Farafangana... ♦ Mifandraika ny lalana sy ny fahafahana, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy nandirtra ny "Audience générale", ny alarobia 25 aogositra 2021...

Indray Sabata, raha nandeha namaky ny tanimbary i Jesoa, dia nioty salohim-bary ny mpianany, ka nohaniny nony efa nokosokosohiny tamin’ny tanany. Dia hoy ny Farisianina sasany taminy: "Nahoana ianareo no manao ny tsy fanao amin’ny Sabata?" Ary i Jesoa namaly azy hoe: "Tsy novakinareo va izay nataon’i Davida raha noana izy mbamin’izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon’Andriamanitra izy ka naka ny mofo alahatra, dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa, nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany?" Sady nampiany hoe: "Ny Zanak’Olona no tompon’ny Sabata."

Tamin’izany andro izany, ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna dia nanontany an’i Jesoa nanao hoe: "Nahoana ny mpianatr’i Joany sy ny an’ny Farisianina no mifady hanina matetika sy mivavaka lalandava, fa ny anao kosa mihinana sy misotro ihany?" Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Moa ianareo mahazo mampifady hanina ny zatovon’ny mpampakatra, raha mbola eo aminy koa ny mpampakatra? Fa ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra aminy, ka amin’izay vao hifady hanina izy ireo." Dia nanao fanoharana taminy indray Izy nanao hoe: "Tsy misy olona manampina lamba tonta amin’ny tapa-damba nalaina tamin’ny vaovao, fa raha izany, ny vaovao moa rovitra, ny tonta koa tsy hifanendrika amin’ny tapa-damba vaovao. Tsy misy manisy divay vaovao amin’ny siny hoditra tonta koa, fa raha izany dia ho simban’ny divay vaovao ny siny hoditra ka ny divay moa raraka, ny siny hoditra koa very maina; fa siny hoditra vaovao no tokony hasiana ny divay vaovao, dia samy haharitra izy roroa. Ary tsy misy olona vao avy nisotro divay tranainy ka hangataka ny vaovao, satria hoy izy hoe: ‘Ny tranainy no tsaratsara kokoa.’"

Tamin’izany andro izany, raha teo amoron’ny farihin’i Genezareta i Jesoa, dia nifanesika nankeo aminy ny vahoaka mba hihaino ny tenin’Andriamanitra. Nahita sambo kely roa niantsona teo amoron-drano Izy (fa niala hanasa ny haratony ny mpanarato), dia niditra tamin’ny sambo kely anankiray izay an’i Simôna ka nangataka taminy mba hihataka kely amin’ny tany, vao nipetraka teo an-tsambo kely nampianatra ny vahoaka.

Rahefa nitsahatra niteny Izy, dia nanao tamin’i Simôna hoe: "Mandrosoa eny amin’ny lalina, dia alatsaho ny haratonareo hahazoana hazandrano." Fa hoy ny navalin’i Simôna Azy: "Tompoko, efa niasa mafy nandritra ny alina izahay, fa tsy nahazo na inona na inona; nefa noho ny teninao, dia halatsako ihany ny harato." Nony nanao izany izy, dia nahazo hazandrano be dia be ka nisy rovitra ny haratony. Ary nanàtsika ny namany izay teny amin’ny sambo kely hafa izy ireo mba ho avy hanampy azy: dia tonga ireo, nofenoiny ny sambo kely roa ka efa saika nilentika ny sambo. Nony nahita izany i Simôna Piera dia niankohoka tamin’ny tongotr’i Jesoa ka nanao hoe: "Mialà amiko, Tompoko, fa mpanota aho." Fa talanjona izy sy izay rehetra teo aminy, noho ny habetsahan’ny hazandrano azony; ary toy izany koa i Jakôba sy i Joany, zanak’i Zebede izay iray raharaha tamin’i Simôna. Dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna: "Aza matahotra, fa hatramin’izao dia hanarato olona ianao." Dia nampiantsona ny sambo kely tamin’ny tany niaraka tamin’izay izy ireo ka namoy ny zavatra rehetra ary nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany, nony nitsangana niala tao amin’ny sinagôga i Jesoa, dia niditra tao an-tranon’i Simôna. Sendra azon’ny tazo mahery ny rafozambavin’i Simôna tamin’izay, ka niangavian’ny olona Izy hahasitrana azy. Niondrika teo amin’ny marary Izy nandidy ny tazo, dia niala ny tazo, ka nitsangana niaraka tamin’izay ravehivavy ary nampihinana azy ireo.

Nony maty ny masoandro, izay nanana marary na inona na inona aretiny dia samy nitondra ny azy teo aminy, ka nametra-tanana tamin’izy ireo tsirairay avy dia nahasitrana azy. Nisy demony nivoaka tamin’ny olona maro koa niantso hoe: "Ianao no Zanak’Andriamanitra"; fa norahonany tsy hiteny izy ireo noho izy nahalala Azy ho i Kristy.

Raha vao naraina ny andro, dia lasa nankany amin’ny toerana mangingina anankiray Izy. Vahoaka maro no nandeha nikaroka Azy, ka nony tonga tao aminy dia nitady hihazona Azy tsy hisaraka aminy intsony; fa hoy Izy taminy: "Tsy maintsy mitory ny fanjakan’Andriamanitra amin’ny tanàna maro hafa koa Aho, fa izany no nanirahana Ahy." Dia nitory teny tao amin’ny sinagôgan’i Galilea manontolo Izy.

♦ Tontosa ny fitsidihana pastôraly nataon'i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, tao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Nijoro ny Birao Mpandrindra ny FIFAKRI ao amin'ny Diôsezin'i Mananjary... ♦ Hotanterahina any Toliara ny 14 hatramin'ny 16 septambra 2021 ny filan-kevitra nasiônalin'ny Ekipan'ny Raozery... ♦ Manampy amin'ny fanohanana ireo traboina noho ny horohorontany ny Caritas ao Haïti...

♦ Mitaky fandraisana andraikitra ao amin'ny Fiangonana ny fandraisana ny sakramentan'ny Fankaherezana, hoy i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Morombe... ♦ Mahagaga ny famindrampon'Andriamanitra, hoy i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Arsevekan'i Fianarantsoa, tamin'ny Sorona Masina nankalazana ny taom-bolavotsin'ireo pretra dimy mirahalahy... ♦ Nanentana ny vahoaka hanao ny vakisiny fanefitra amin'ny Covid-19 ny Papa François...

Ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco dia mampanao fifaninanana ho an'ny tanora maneran-tany, manan-talenta amin'ny fanatontosana horonan-tsarimihetsika. "Don Bosco Global Youth Film Festival" (DBGYFF) no anaran'ny fifaninanana, ary amin'ity taona ity dia mifototra amin'ny lohahevitra hoe "Onenan'ny fanantenana".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nidina tany Kafarnaôma tanànan’i Galilea, ka nampianatra ny olona tamin’ny sabata, ary gaga ny olona tamin’ny fampianarany, satria niteny toy ny manam-pahefana Izy. Tao amin’ny sinagôga dia nisy lehilahy azon’ny demony maloto, ka niantso mafy nanao hoe: "Aoka re, fa mifandraharaha inona aminao izahay, ry Jesoa avy any Nazareta ô? Tonga handringana anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra." Fa notenenin’i Jesoa mafy izy nataony hoe: "Mangina ary mialà amin’io lehilahy io." Dia nandavo azy tamin’ny tany teo afovoan’ny olona teo ny demony vao nivoaka niala taminy, nefa tsy nandratra azy akory. Talanjona izy rehetra, ka nifampilaza hoe: "Teny manao ahoana re izany? fa mandidy ny fanahy maloto amin-kery sy fahefana Izy, dia miala ireny." Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy, ary niditra tao amin’ny Sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: "Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana." Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: "Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany." Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy ireo: "Tsy ny zanak’i Jôsefa va itý?" Ary hoy kosa i Jesoa taminy: "Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: "Dokotera, sitrano aloha ny tenanao. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa." Dia notohiziny hoe: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sareptà any amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa ny boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany."

Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy, dia lasa.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...