Tamin’izany andro izany, dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, ka nilaza taminy hoe: "Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy aiza ny batemin’i Joany, avy any an-danitra sa avy amin’ny olona? Valio Aho." Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe: "Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo? Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany." Dia izao no navaliny an’i Jesoa: "Tsy fantatray." Ary hoy kosa i Jesoa: "Izaho koa, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao."
Tamin’izany andro izany, dia niditra tao Jerosalema i Jesoa ary namantana tao an-Tempoly, ka nony avy nijerijery ny zavatra rehetra dia nankany Betania nomban’ny roa ambin’ny folo lahy, fa efa hariva rahateo ny andro. Nony ampitso, raha niala tany Betania Izy, dia noana, ary nahatazan-davitra aviavy iray mandravina Izy, dia nankao hizaha raha sendra misy voany; fa nony mby teo Izy, dia tsy nahita na inona na inona afa-tsy ravina, satria tsy taom-pamoazan’ny aviavy tamin’izay. Dia hoy Izy tamin’ny aviavy: "Aoka tsy hisy olona hihinana voa aminao intsony mandrakizay." Ary ren’ny mpianany izany.
Dia tonga tany Jerosalema izy ireo, ka nony niditra tao amin’ny Tempoly i Jesoa, dia nandroaka izay nivarotra sy nividy tao, ary nanjera ny latabatry ny mpampisambo-bola sy ny fipetrahan’ny mpivaro-boromahailala, ary tsy navelany hisy olona mitondra entana hamaky ny Tempoly, sady nampianatra Izy nanao hoe: "Moa tsy voasoratra hoe: Ny Tranoko dia hatao trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra? fa ianareo kosa efa nanao azy ho zohy fieren’ny jiolahy." Nony nahare izany ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna dia nitady izay hahafaty Azy; saingy natahotra Azy izy ireo satria nigagan’ny vahoaka rehetra ny fampianarany. Nony hariva ny andro dia niala tao an-tanàna Izy.
Ary ny ampitso maraina raha nandalo izy ireo dia hitan’ny mpianany fa maina hatramin’ny fakany ilay aviavy. Dia nahatsiahy i Piera ka nanao taminy hoe: "Raby ô, he! maina ilay aviavy nozoninao." Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Manàna finoana an’Andriamanitra. Fa lazaiko marina aminareo fa na zovy na zovy hilaza amin’itý tendrombohitra itý hoe: Mialà ianao eo, ka mianjerà any an-dranomasina raha mino tsy amim-pisalasalana ao am-pony izy, fa ho tanteraka tokoa izay lazainy, dia ho hitany ny fahatanterahan’izany. Koa amin’izany lazaiko aminareo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa izany. Ary raha mitsangana hivavaka ianareo ka sendra manana alahelo amin’olona, dia mamelà azy, mba hamelan’ny Rainareo any an-danitra ny helokareo koa. Fa raha tsy mamela ianareo, dia tsy havelan’ny Rainareo any an-danitra koa ny helokareo."
Tamin’i Jesoa sy ny mpianany mbamin’ny vahoaka betsaka niala tao Jerikao, dia nipetraka nangataka teo amoron-dalana i Bartime jamba zanak’i Time. Nony reny fa hoe i Jesoa Nazareanina izay, dia rafitra niantso izy nanao hoe: "Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko." Ary maro no nandrahona azy mafy mba hampangina azy, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa izy nanao hoe: "Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko." Dia nijanona i Jesoa, ka nampiantso azy. Ary nantsoin’ny olona izy sy nilazany hoe: "Matokia! mitsangàna, fa antsoiny ianao." Dia nariany ny lambany, ka niezaka nanatona an’i Jesoa izy. Ary hoy i Jesoa taminy: "Inona no tianao hataoko aminao?" Dia hoy ilay jamba: "Rabony ô, aoka mba hahiratra aho." Ary hoy i Jesoa: "Mandehana, fa ny finoanao no nahavonjy anao." Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy, ka nanaraka Azy teny an-dalana.
Tamin’izany andro izany, nony teny an-dalana ho any Jerosalema ny mpianatra, dia i Jesoa no loha lalana, ka sady gaga ny mpianany no natahotra teny am-panarahana Azy. Dia nalainy indray ny roa ambin’ny folo lahy ka nilazany ny hanjò Azy: "Indro fa miakatra ho any Jerosalema isika, ary ny Zanak’Olona dia hatolotra amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna, ary hohelohina ho faty ka hatolony amin’ny jentily; dia hoesoiny, hororany, hokapohiny, ary hovonoiny, fa hitsangana indray amin’ny andro fahatelo." Ary nanatona Azy i Jakôba sy i Joany zanak’i Zebede ka nanao hoe: "Ry Mpampianatra ô, tianay mba hataonao aminay izay hangatahanay aminao." Ary hoy Izy: "Inona no tianareo hataoko aminareo?" Dia hoy ireo: "Aoka ny anankiray aminay mba hipetraka eo ankavananao, ary ny anankiray eo ankavianao any amin’ny voninahitrao." Ary hoy i Jesoa taminy: "Tsy fantatrareo izay angatahinareo; moa mahasotro ny kapoaka izay hosotroiko va ianareo, na mahazaka ny batemy izay hanaovana batemy Ahy?" Hoy ireo taminy: "Zakanay." Fa hoy kosa i Jesoa: "Raha ny kapoaka hosotroiko, dia hosotroinareo ihany tokoa, ary ny batemy hanaovana batemy Ahy dia hanaovana batemy anareo ihany koa; fa raha ny hipetraka eo ankavanako sy ny ankaviako kosa dia tsy ahy ny hanome izany, fa ho an’izay nanamboarana azy ihany izany." Nony nandre izany izy folo lahy dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Joany; fa nantsoin’i Jesoa izy ireo ka nilazany hoe: "Fantatrareo fa amin’ny fanjakan’izao tontolo izao, dia ny mpifehy no mitsangana ho tompo mandidy, ary ny lehibe no miseho ho mpifehy manam-pahefana. Fa aminareo kosa tsy mba tahaka izany; fa izay te-ho lehibe indrindra no aoka ho mpanompo anareo, ary izay te-ho ambony indrindra eo aminareo no aoka ho mpanomponareo rehetra. Fa ny Zanak’Olona tsy mba tonga hotompoina fa mba hanompo, ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro."
Tamin’izany andro izany, i Piera nanao tamin’i Jesoa hoe: "Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra ka nanaraka Anao." Dia hoy ny navalin’i Jesoa azy: "Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano, na rahalahy, na anabavy, na ray, na reny, na zanaka, na tany noho ny fitiavany Ahy sy ny Evanjely, ka tsy hahazo zato heny ankehitriny amin’itý fiainana itý, dia trano, rahalahy, anabavy, reny, zanaka, tany, na dia ao anatin’ny fanenjehana aza, ary ny fiainana mandrakizay any amin’ny ho avy. Fa maro amin’izay farany no ho voalohany, ary amin’izay voalohany no ho farany."
Ary nitsangana teo akaikin'ny hazo fijalian'i Jesoa ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia Maria vadin'i Kleofasy, ary Maria Madelena. Nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dreniny: Ravehivavy, indro ny zanakao. Ary hoy koa izy tamin'ilay mpianatra: Indro ny reninao. Ka hatramin'izay dia noraisin'ilay mpianatra ho any aminy izy. Nony afaka izany, dia fantatr'i Jesoa fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy izy mba hahatanteraka ny Soratra Masina: Mangetaheta aho. Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalaina ny sponjy novontosana vinaingitra, sy notohizana tamin'ny hazo hisopy, dia natohoka teo am-bavany. Vao nanandrana ny vinaingitra izy dia nanao hoe: Tanteraka ny zavatra rehetra. Dia nanondrika ny lohany izy ka niala aina.
Ary andro fiomanana tamin'izay, ka nangataka tamin'i Pilaty ny Jody mba hotapahina ny ranjon'izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin'ny hazo fijaliana amin'ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon'ny voalohany sy ny an'ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin'i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin'ny miaramila anankiray kosa ny lanivoany, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin'izay.
Tamin’izany andro izany, nony nivoaka handeha i Jesoa, dia nisy lehilahy nidodododo nandohalika teo anatrehany ka nanontany Azy hoe: "Ry Mpampianatra tsara ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?" ary hoy i Jesoa taminy: "Nahoana no ataonao hoe tsara Aho? Tsy misy tsara afa-tsy Andriamanitra irery. Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga; aza mamono olona; aza mangalatra; aza mety ho vavolombelona tsy marina; aza manambaka; manajà ny rainao aman-dreninao." Dia hoy ny navaliny Azy: "Ry Mpampianatra ô, hatra ny fony kely aho no efa nitandrina izany rehetra izany." Ary nijery azy i Jesoa, dia tia azy ka nanao taminy hoe: "Zavatra iray loha no tsy ampy aminao: mandehana, amidio ny fanananao rehetra ka omeo ny mahantra, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao, ary rahefa izany dia avia hanaraka Ahy." Nampahory azy izany teny izany fa nanan-karena be izy, ka niala tamin’alahelo. Ary nijerijery nanodidina i Jesoa ka nanao tamin’ny mpianany hoe: "Akory ny hasarotry ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra!" Nony gaga tamin’izany teny izany ny mpianany, dia hoy indray i Jesoa taminy: "Sarotra, anaka, ny hidiran’izay miankina amin’ny harena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra. Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny Fanjakan’Andriamanitra." Vao mainka gaga izy ireo ka nifampilaza hoe: "Iza àry no mety ho voavonjy?" Fa nojeren’i Jesoa izy ka nilazany hoe: "Amin’ny olombelona, zava-tsy vitany izany; tsy mba toy izany amin’Andriamanitra, satria mahavita ny zavatra rehetra Andriamanitra."
Tamin’izany andro izany i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe: "Rehefa tonga ny Mpanafaka alahelo, Izay hirahiko aminareo avy amin’ny Ray, dia Izy no hanambara Ahy. Ary ianareo koa hanambara, satria teo amiko hatramin’ny voalohany ianareo... Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny; fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko, ka hanambara izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko; ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy, ka hanambara izany aminareo. Rehefa afaka kelikely dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary rehefa afaka kelikely indray dia hahita Ahy ianareo, satria mankany amin’ny Ray Aho.
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny nanao hoe: "Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy ny be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo, fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko".
Ao anatin' ny fo no tena mandrindra ny fiainana ary mibaiko misimisy kokoa ny fitiavana. (05-05-2021)
Tamin’izany andro izany, nony nitodika i Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: "Tompoko, iza no hamadika Anao?" Ary nony nahita azy i Piera dia hoy izy tamin’i Jesoa: "Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’itý?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Raha tiako hitoetra izy mandrapiaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha Ahy ianao." Dia niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa i Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany? Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filazany. Maro koa ny zavatra hafa nataon’i Jesoa, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana.
Tamin’izany andro izany, nony avy nisakafo niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa, dia nanao tamin’i Simôna Piera hoe: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko." Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy va ianao?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko." Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy va ianao?" Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rahefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao."
Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: "Manaraha Ahy."
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco