Fa toy izao no nitiavan'Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.
Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin'izao tontolo izao, mba hitsara izao tontolo izao, fa mba hamonjy izao tontolo izao. Izay mino azy dia tsy tsaraina: fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny anaran'ny Zanak'Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin'izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon'ny olona ny aizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin'Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao tamin’i Nikôdema hoe: "Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy." Dia namaly i Nikôdema ka nanao taminy hoe: "Atao ahoana no hahatonga izany?" Ary hoy i Jesoa taminy: "Mpampianatra amin’i Israely ianao ka tsy mahalala izany va? Lazaiko marina dia marina aminao fa izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay, nefa tsy raisinareo ny filazanay. Raha tsy mino Ahy ianareo amin’ny filazako ny zavatra etý an-tany, hataonareo ahoana no fino ny filazako ny any an-danitra? Ary tsy nisy niakatra tany an-danitra afa-tsy izay nidina avy tany an-danitra ihany, dia ny Zanak’Olona izay any an-danitra. Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay."
Nisy Farisianina anankiray atao hoe Nikôdema, isan’ny lehibe tamin’ny Jody. Nankao amin’i Jesoa izy nony alina ka nanao taminy hoe: "Raby, fantatray fa Mpampianatra avy amin’Andriamanitra Ianao, fa tsy misy olona hahefa izao fahagagana ataonao izao raha tsy Andriamanitra no momba azy." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’Andriamanitra." Ary hoy i Nikôdema taminy: "Ataon’ny olona ahoana no hateraka indray rahefa antitra izy? Moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka indray?" Fa hoy i Jesoa: "Lazaiko marina dia marina aminao fa raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy indray ny olona, dia tsy mahazo miditra amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Izay ateraky ny nofo, dia nofo, ary izay ateraky ny Fanahy, dia fanahy. Aza gaga ianao noho ny nilazako taminao hoe: ‘Tsy maintsy hateraka indray ianareo.’ Ny rivotra mitsoka amin’izay tiany ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay iaviany na izay alehany; tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy."
Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro, raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra noho ny fahatahorany ny Jody, dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany, sy nilaza tamin’izy ireo hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana!" Nony efa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany, ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo. Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa". Rehefa nilaza izany Izy, dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe: "Raiso ny Fanahy Masina: ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela, ary izay hotananareo dia ho voatana".
Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: "Efa nahita ny Tompo izahay". Fa hoy izy tamin’izy ireo: "Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako, dia tsy hino aho". Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany, sady tao koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana!" Ary hoy Izy tamin’i Tômà: "Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny tratrako; dia minoa, fa aza malain-kino". Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro!" Fa hoy i Jesoa taminy: "Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka nino". Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity. Fa voasoratra ireto mba hinoanareo, fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.
Ianao ihany no sakana mampisy ny tsy fahatokisantena, nefa mety hitarika tsy fahombiazana izany. (07-04-2021)
Raha mitohy dia mitondra famoizam-po ary mitarika mankany amin' ny fahafatesana ny terintsaina.(03-03-2021)
Ny fahatokisatena dia miankina bebe kokoa amin' ny lafin'ny fanabeazana. (31-03-2021)
Rahefa nitsangan-ko velona i Jesoa, ny marainakoan’ny andro voalohany amin’ny heninandro, dia i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany. Ka lasa io nilaza izany tamin’ireo mpanaraka Azy, izay mbola nalahelo sy nitomany. Nefa nony nandre izy ireo, fa hoe velona indray Izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy. Manaraka izany, i Jesoa dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy amin’izy ireo, izay nankany an-tsaha. Dia lasa ireo nilaza tamin’ny namany; fa tsy ninoany koa. Tamin’ny farany dia ny tenan’izy iraika ambin’ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino izay nahita Azy tafatsangan-ko velona izy ireo. Ary hoy Izy taminy: "Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niseho tamin’ny mpianany indray teo amoron-dranomasin’i Tiberiady ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay natao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Pièra tamin’izy ireo: "Handeha hanarato aho." Fa hoy ireo taminy: "Handeha hiaraka aminao koa izahay." Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manan-kanina va ianareo, anaka?" Dia hoy ny navaliny Azy: "Tsia." Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo." Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: "Ny Tompo io." Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny sy nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano.
Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray eo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: "Itondray ny hazandrano vao azonareo." Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Avia hisakafo." Ny mpianatra izany tsy nisy na dia iray aza, sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izay no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rahefa nitsangan-ko velona Izy.
Tamin’izany andro izany, dia notantarain’ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo. Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany." Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. Ka hoy Izy taminy: "Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no mihanahana ao am-ponareo? Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy itý: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao." Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony. Ary raha ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo noho ny hafaliany sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy: "Moa manan-kanina eto va ianareo?" Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy, ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo. Dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo." Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, ka hoy Izy taminy: "Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany."
Tamin’izany andro izany, nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana i Maria. Ary teo am-pitomaniana, dia nitanondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny Vatan’i Jesoa, ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra. Dia hoy izy ireo taminy: "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?" Ka hoy izy namaly ireo: "Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy." Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io. Ary hoy i Jesoa taminy: "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?" Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: "Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy." Dia hoy i Jesoa taminy: "Ry Maria!" Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: "Rabony" (izany hoe Mpamianatra). Ary hoy i Jesoa taminy: "Aza mikasika Ahy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: "Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo." Dia lasa i Maria Madelena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: "Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko."
Tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, nony efa nahita ny Anjelin’ny Tompo i Maria Madelena sy ilay Maria anankiray, dia niala faingana teo amin’ny fasana, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra. Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: "Arahaba." Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony sy niankohoka teo anatrehany. Dia hoy i Jesoa taminy: "Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy." Mbola teny an-dalana izy ireo, dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna, ka nilaza tamin’ny lohandohan’ny mpisorona ny zavatra rehetra vao niseho. Dia novorîn’ireo ny loholona ka rahefa niara-nidinika teo izy, dia nanome vola be ny miaramila, ary nilaza taminy hoe: "Aelezo amin’ny olona fa tonga halina ny mpianatra nangalatra Azy raha mbola natory izahay hoe; ary raha sendra ren’ny governora izany, dia izahay no hanony azy tsy haninona anareo." Dia nandray ny vola ny miaramila, ka nanao araka ny teny nomeny azy. Ary izany teny naelin’izy ireo izany no mbola inoan’ny Jody mandraka androany.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco