Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto (2 Kôr. 11, 1-11)

Nitory ny Evanjelin’Andriamanitra maimaim-poana taminareo aho.

Ry kristianina havana,
enga anie ka mba handefitra hadalana kely amiko ianareo!
Eny, mahay mandefitra ahy tokoa ianareo.
Manana fahasaropiaron’Andriamanitra ny aminareo aho,
satria natolotro ho fofombadin’ny lehilahy anankiray ianareo, dia i Kristy,
mba hanolorako anareo aminy toy ny virjiny madio.
Matahotra anefa aho fandrao ny sainareo very hadiovana amam-pahitsiam-po amin’i Kristy,
toy ny namitahan’ny bibilava an’i Eva tamin’ny hafetsen-dratsiny.
Fa raha ohatra ka ireo vahiny tonga ao aminareo no hitory Jesoa hafa noho izay notorinay,
na ianareo no handray Fanahy hafa noho izay noraisinareo,
na Evanjely hafa izay tsy noraisinareo,
dia ho rariny angaha ny handeferanareo aminy.
Fa angaha misy mahalatsa-danja ahy noho ireo Apôstôly ambony indrindra ireo?
Na tsy ampy fahaiza-mandahatra aza aho, dia ampy fahalalana tokoa,
araka ny nasehonay miharihary taminareo, tamin’ny zavatra rehetra.
Sa diso aho, fa nanetry ny tenako mba hanandratako anareo,
ka nitory maimaim-poana ny Evanjelin’Andriamanitra taminareo?
Ny an’ny Eglizy sasany no nalaiko, fa nandray fanampiana taminy aho,
mba hoentiko miasa aty aminareo.
Nony nitoetra tany aminareo aho, na dia tsy nanana aza,
dia tsy mba namaky tratra olona, fa ny rahalahy avy any Masedônia no nanome izay nilaiko.
Notandremako mihitsy izay tsy hahavaky tratra anareo,
ary mbola hotandremako koa aza izany.
Raha ato anatiko koa ny fahamarinan’i Kristy,
marina raha ho azon-javatra esorina amiko izany reharehako eran’i Akaïa manontolo izany.
Nahoana àry?
Noho ny tsy fitiavako anareo ve?
Andriamanitra no mahalala.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 110, 1-2. 3-4. 7-8

Rariny sy hitsiny ny asan’ny tananao, ry Tompo.

Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-piangonam-be!
Lehibe ny Asan’ny Tompo,
mampisaina izay rehetra tia Azy.

Voninahitra sy fiamboniana ny vitan’ny Tompo;
maharitra mandrakizay ny fahamarinany.
Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy Izy.
Mangoraka sy antra ny Tompo.

Rariny sy hitsiny ny Asan’ny Tanany;
mahatoky avokoa ny lahany:
mafy orina mandrakizay alaovalo,
vita amim-pahamarinana sy hitsiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 7-15)

Koa mivavaha toy izao ianareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha mivavaka ianareo dia aza mba maro teny tahaka ny jentily,
fa ataony ho ny hamaroan’ny teniny no hihainoana azy.
Koa aza manahaka azy ianareo,
fa na mbola tsy mangataka aminy aza ianareo,
fantatry ny Rainareo izay ilainareo.
Koa mivavaha toa izao ianareo:

Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny hanina sahaza ho anay;
avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay,
fa manafaha anay amin’ny ratsy. Amen.

Fa raha mamela ny hadisoan’ny olona ianareo,
dia havelan’ny Rainareo any an-danitra koa;
fa raha tsy mamela ny hadisoan’ny olona kosa ianareo,
dia tsy havelan’ny Rainareo koa ny hadisoanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Heverina hatratra 4,9% ny fitomboan'ny tahan'ny harin-karena faoben'i Madagasikara amin'ity taona ity hoy ny Praiministra Ntsay Christian, raha nanao tatitra tamin'ireo Loholon'i Madagasikara, ny asa vitan'ny governemanta izy omaly... ♦Nankatoavin'ireo Solombavambahoaka tsy nisy nitsipaka ny volavolan-dalàna ho fanohizana ny fifanarahana ara-toe-karena sy ara-barotra amin'ny Britanika... ♦Miroso ny asa fanamboarana amin'ilay tetik'asa teleferika, efa tafapetraka ny Vy andry miisa roa hisy ny tariby eny Anosy sy Ampefiloha...

21 jona 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)

♦ Tontosa androany ny fanadinam-panjakana voalohany teto amintsika. Nizotra tamim-pilaminana, amin'ny ankapobeny, ny fanadinana CEPE... ♦ Nika-dapa teny Anosikely androany, ny mpikambana ao amin'ny Governemanta, notarihan'ny Praiminisitra Ntsay Chrisian, nanao ny tatitry ny asa vitan'ny Governemanta ary nanao ady hevitra momba izany... ♦ Mitaky ny hanaovana ny Distrikan'i Betroka ho faritra iray, ny Solombavam-bahoaka Nicolas Randrianasolo. Mahafeno ny fepetra momba izany izy ireo, araka ny fanazavany...

♦ Taranja miisa 4 amin'ireo 7 n natrehan'ireo mpiadina ny fanadinam-panjakàna CEPE ho an'ny tapany maraina teo. HIvoaka ao anatin'ny 4 ka hatramin'ny 10 andro ny valin'ny fanadinana hoy ny Ministry ny fanabeazam-pirenena ny maraina teo... ♦ Hikorontana ny fifamoivoizana an-dranomasina amin'ny morontsiraka maro eto Madagasikara hanomboka rahampitso. Nampitandrina ny Météo fa mety hiteraka faharendrehana an-dranomasina ny haavon'ny onja... ♦ Hiatrika ny lasy nasiônaly ny volana jolay sy aogositra izao ny skoto Antilin'i Madagasikara... ♦ Tsy hita tany amin'ny fari-dranomasim-be atlantika nanomboka ny alahady tolak'andro teo ny sambo mpisitrika iray. Nitondra olona 5 izy io nikasa hijery ny sisan'ilay sambo nalaza Titanic...

♦ Hiatrika ny fanadinam-panjakana CEPE anio ireo mpianatra eo anivon'ny kilasy faha-5 eto Madagasikara. Maherin'ny 510.000 isa ireo mpiadina hiatrika izany manerana ny nosy... ♦ Mangataka ny Antenimieram-pirenena hanao latsa-bato fiampangàna ny filoham-pirenena ny Antoko Pôlitika Madio, manoloana ny fizakany ny zom-pirenena frantsay. Nanatitra taratasy mirakitra izany teny Tsimbazaza izy ireo omaly... ♦ Tafaverina eto Madagasikara ireo volamena 1,8 taonina navadika ho "Lingot d'or" tany ivelany. Hatao tahirim-bolamena eo anivon'ny Banky Foibe ireo volamena ireo ka sambany no manana isika...

♦ Hotanterahana rahampitso manerana ny nosy, ny fanadinam-panjakana CEPE. Ankoatra ireo mpiadina manana fahasembanana miisa 99, hisy koa ireo voafonja hanala fanadinana... ♦ Nametraka taratasy fiampangana ny Filohan'ny Repoblika, Rajoelina Andry, teny amin'ny Antenimieram-pirenena androany, ny Antoko Pôlitika Madio na APM... ♦ Notolorana vola volamena dimampolo Ariary androany, ny Filohan'ny Repoblika, nandritra ny fankalazana ny faha-50 taonan'ny Banky Foibe...

♦ Nankalazaina ny alahady 18 jona 2023 tao amin’ny Masera Notre-Dame du Cénacle - Amparibe, ny andro faha-57 maneran-tany ho an’ny fifandraisan'ny mpiara-belona... ♦ Kristianina miisa 1138 no niroso tamin'ny Sakramentan’ny Fankaherezena tao amin'ny EKAR Distrika Betafo... ♦ Niverina nitarika ny vavaka Angélus, ny Papa François, ny alahady 18 jona 2023...

♦ Misy "vide juridique" eto Madagasikara, taorian'ny nahafantarana fa mizaka zom-pirenena vahiny ny filoham-pirenena hoy ny filohan'ny antoko MFM. Miantso ny Antenimieram-pirenena, handray andraikitra ity antoko ity, noho izany olana amin'ny lafiny lalàna izany... ♦ Misy mahatratra hatrany amin'ny adiny 15 isan'andro ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo amin'izao. Tsy indray mandeha isan'andro intsony no misy ny "delestage" fa miverimberina ary antoandro sy alina mihitsy... ♦ Nahazo rariny ny Randrana Sendikaly, nandritra ny fivoriam-ben'ny OIT. Nitory tany Génève ity vondrona Sendikaly ity, manoloana ny ambaran'izy ireo fa fanitsakitsahan'ny Fanjakana Malagasy ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny fahalalahana ara-tsendikaly...

20 jona 2023 — Talata, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 43-48)

19 jona 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona —  Taona tsy ankasa — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)

18 jona 2023 — Alahady Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 36 — 10, 8)

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...