02 mey — I Md Athanase resahina eto dia ilay Mpampianatry ny Fiangonana. Teraka tao Alexandrie ny 296 izy, nobehazina sy nampianarin’ny fianakaviany araka izay tratra, ary tsy niala tao an-tranon-drainy izy raha tsy efa ho any amin’ny tempolin’ny Tompo, hobeazin’ny eveka tao Alexandrie.
01 mey — Masindahy Joseph mpiasa, Masindahy Joseph mpandrafitra, tsy iza akory io fa ilay Masindahy Joseph mpitaiza an’i Jesoa tao Nazareta, izay efa noresahantsika teto tamin’ny 19 marsa. Fa ny voalohan’ny volana mey dia nankalazaina sy natokana ho azy, fa natokana ho an’ny mpiasa ihany koa, noho ity olomasina ity mpiaro ny mpiasa maneran-tany.
(29-04-2020) Ilaina ny firaisankina satria ao anatin' ny fotoantsarotra izao tontolo izao.
24 aprily — Ny Fidèle resahana eto dia ilay avy any Sigmaringen. Teraka ny ôktôbra 1578 tao Sigmaringen i Fidèle. Marc Roy no tena anarany. Noheverina fa nianatra tao amin'ny sekolin'ny zezoita tao Fribourg izy, avy eo nandalina ny filôzôfia tao Strasbourg ary namarana sy nahazo ny mari-pahaizana momba izany ny taona 1601.
(22-04-2020) Mba nahita fahatsaram-piainana ve ianao niaraka tamin'ny ireo vadiaman-janakao tao anatin'ny fihibohana izay?
(15-04-2020) Ilaina ny fankaherezana amin'ny lafiny rehetra manoloana ny zavatsarotra lalovan'ny zanak'olombelona izao.
11 aprily — Ny Stanisals resahana eto dia ilay avy any Pologne, teraka tao Szczepanów ny 26 jolay 1030. Olona ambony sy fanta-bahoaka ny fianakaviana niavian'i Masindahy Stanislas. Nianatra tao Gniezno izy, avy eo dia tany Paris.
(08-04-2020) Manoloana izao trangan'aretina manerantany izao dia tsy afaka misaraka ny tambazotram-pirenena sy ny fiainan-tokatrano.
08 aprily — Julie Billiart no anarany. Ankizy tia vavaka izy ary maka fanginana matetika mba hiresahana amin'Andriamanitra. Zaza marani-tsaina i Julie : tao amin'ny sekoly izay notantanan'ny dadatoany izy no nianatra namaky teny sy nanaoratra.
Ny 5 hatramin'ny 13 Aprily lasa teo no nanatanterahana ny herinandro masina niavaka indrindra. Noho ny amehana ara-pahasalamana nisy dia tao amin'ny Lasapely ihany no nanatanterahana ireo fankalazana rehetra, nanomboka tamin'ny sampan-kazo ka hatramin'ny andron'ny paka.
Hatramin’ny nisian’ny valan’aretina Coronavirus teto Madagasikara, fepetra maro no noraisina mba hiarovana ny fiparihany eto amin’ny firenena. .
Nandefa horonan-tsary, hafatra ho an'ny mpino ny papa François amin'izao fankalazana ny Herinandro masina izao. Manentana ny tsirairay ny Ray masina mba hahay hanararaotra izao vanim-potoana mihavaka izao. Mila ny "fahaiza-mamorona atosiky ny fitiavana" isika, hoy ny papa, mba handrosoana lavitra kokoa. Araho ny horon-tsary miaraka amin'ny dikan-teny malagasy.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco