Lany fanindroany tamin’ny fifidianana manaraka teo ho recteur majeur i mompera Angel Fernandez Artime dimbin’i Don Bosco. Niangavy ny fikambanana salezianina maneran-tany izy mba hanao vavaka hasivin’ny andro tammin’i Masina Maria vonjin’ny kristianina mba hiarovana an’izao tontolo izao tsy ho tratry ny areti-mandringana COVID-19 ny olombelona rehetra.
31 marsa — Niaina tamin'ny taonjato fahadimy tao amin'ny tanana antsoina hoe Ctésiphon tao Irak i Masindahy Benjamin. Ny tempoly ho an'ny masoandro no tena niankohofan'ny ankamaroan'ny Perses tamin'izany.
30 marsa — I Masindahy Amédée dia teraka tao Thonon ny taona 1435. I Ludovic, Duc tao Savoie no rainy zanak'ilay anti-pape Felix V. Efa hatrany am-pahaterahana i Amédée no nokasain'ny rainy ho vadin'i Yolande de Valois, izay anabavin'i Louis XII, mba hitazonany ny fifanarahana tamin'ny frantsay.
29 marsa — Ny Gladys resahana dia ilay mpanjakavavy sady mpanirery galloise tamin'ny taonjato fahenina. Tamin'izany fotoana izany mantsy i Pays de Galles dia nizarazara ho fanjakana kely bretons, ka nitondra fanjakana iray tamin'ireo i Gwynllyw sy i Gladys vadiny.
28 marsa — Ny ankamaroan'ny tetiandro dia manonona an'i Masindahy Gontran ho an'ity andro anio ity. Mpanjaka tao Bourgogne izy io, maty tamin'ny taona 592. Zafikelin'i Clovis sy Clotilde izy, ary i Clotaire Voalohany no rainy. Rehefa maty ny rainy dia izy no nandray ny fanjakana tao Bourgogne sy Orléans ary nitoetra tao Chalon-sur-Saône.
27 marsa — Teraka tao Tel-Sheba, akaikin'i Édesse izany hoe i Urfa ao Turquie amin'izao fotoana izao. Nohamasinina ho diakra tamin'ny taona 321. Marihana fa ity tanana niainan'i Habib ity dia noheverin'ireo silamo Turcs fa i Uhr teo aloha izany hoe ny tananan'i Abrahama Patriarka.
26 marsa — I Masimbavy Larissa dia niaina tany amin'ny taonjato fahefatra. Martiry tany Crimée, tao amin'ny Fiangonana grika izany izy io tamin'ny taona 375.
25 marsa — Mampahatsiahy antsika ny andro nandraisan'i Maria tao Nazareta ny filazan'ny arkanjely Gabriel fa hitoe-jaza izy, ity andro ity. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina dia ny Fanahy Masina no hanorotoro io zaza io ao an-kibony.
24 marsa — Zanaky ny printsy tao Suède i Catherine, i Masimbavy Brigitte no reniny. Mbola kely izy, dia efa narahan'ny demony izay niendrika omby hanoto ny vatany mbola marefo. Nobeazina tamin'ny fahamasinana tany amin'ny trano fitokana-monina izy, fa rehefa tonga ny fotoana hirisoany amin'ny fanambadiana dia notolon-drainy vady tsara toetra sy nanaja azy ary nifanaraka taminy hitazona ny voadin'ny fahadiovana izany efa niriny hatry ny fony kely.
23 marsa — I Alphose Turibio dia arseveka tao Lima. Mpanao asa soa ireo indianina nijaly noho ny fanjanahan-tany nataon'ny Espagnols tao Pérou izy. Avy ao Mayorga ao Espagne i Alphonse ary ny mpanjaka Philippe II no nanendry azy ho arseveka tao Lima.
22 marsa — Mpianatr'i Masindahy Jérôme i Léa. Anisan'ireo vehivavy manan-kaja romana mpankafy ny fampianaran'i Masindahy Jérôme izy. Amim-pankasitrahana tokoa no nihainoany ny famakafakana ny Soratra Masina natoan'i Masindahy Jérôme tao Rome. Rehefa maty ny vadiny, dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ka niditra tao amin'ny trano fitokana-monina tao Rome izy ary lasa lehiben'io trano io izy taty aoriana.
21 marsa — Niaina tamin'ny taonjato faha-12 i Clémence, rehefa maty ny vadiny izay comte tao Spanheim dia nozarainy tamin'ny mahantra ny fananany ary lasa izy niditra tao amin'ny fikambanan'ny Bénédictines tao Trèves, tao Rhénanie Allemagne, ary tao izy no nodimandry ny 21 marsa 1176.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco