♦ Misy paik'ady telo anatin'ny drafitra ho fanarenana ny toe-karem-pirenena eto Madagasikara... ♦ 61 ireo tranga vaovao voatily fa nahitana ny tsimok'aretina Coronavirus araka ny tatitra androany... ♦ Maherin'ny 2 tapitrisa ny olona misitraka ny tombon-tsoa amin'ny hetsika fisorohana sy ady amin'ny Covid-19, vokatry ny fanohanan'ny UNICEF ny Ministeran'ny Rano...
Sabotsy 27 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-17 — Mitenena, Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao : Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Zoma 26 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 1-4 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.
Alakamisy 25 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 21-29 — Ny Tenin'Andriamanitra dia maharitra mandrakizay ; ary izany no tenin'ny Evanjely izay notorîna taminareo.
Alarobia 24 jona 2020 — Ny nahaterahan'i Joany Batista — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 57-66. 80 — Ianao, anaka, hantsoina hoe mpaminanin'ny Avo indrindra : handeha eo anoloan'ny Tompo hanamboatra ny lalany.
Talata 23 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 6. 12-14 — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin'ny fahamarinana izahay.
Alatsinainy 22 jona 2020 — Herinandro faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin'ny fahamarinanao aho.
17 jona — Teraka ny taona 520 i Hervé. Harivian sy Rivanon no anaran’ny ray sy reniny. Harivian rainy dia mpihira tao amin’ny nosy Grande-Bretagne, ary efa niasa tao amin’ny lapan’ny mpanjaka Childebert. Mpivavaka sady madio ity rainy ity ka tsy azoazony ny nipetraka tao an-dapa, nanapakevitra izy fa hanokana ny fiainany amin’Andriamanitra.
Alahady 21 jona 2020 — Alahady faha-12 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 26-33 — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
17 jolay — I Masimbavy Marcelline dia anabavin’i Masindahy Ambroise, eveka tao Milan. Préfet du tribunal des Gaules ny rain’izy ireo. Ny papa Libère no nanolotra an’i Marcelline ny voaly maha relijiozy tao amin’ny bazilikan’i Masindahy Pierre tao Vatican.
Sabotsy 20 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 24-34 — Tsy ny mofo ihany no iveloman'ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan'Andriamanitra.
♦ Efa tafiditra any anivon'ny fonja ny tsimok'aretina Coronavirus ankehitriny. Voafonja 42 no voamarina ho mararin'ny Covid-19... ♦ Andro iray ihany fa tsy roa andro araka ny voalaza tany aloha ny fanatanterahana ny fanadinana CEPE... ♦ Azo vokarina sy amidy malalaka eto amintsika tsy ho ela ny toaka gasy...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco