18 mey — Mpanjaka tao Suède nanomboka ny taona 1150 i Eric, nisongadina tamin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataony tany amin'ireo Anglo-saxons tany Europe Avaratra, ny asa sy ny fiainany, indrindra fa ny tao Suède. Nankinin'i Eric tamin'i Henri, eveka tao Uppsala ny fampibebahana ny vahoakany. Fa izy tenany kosa lasa nitory ny Vaovao Mahafaly tany Finlande, toerana mbola tena be mpanompo sampy.
Teraka tao Espagne ny 17 mey 1540 i Pascal, zanaka mpamboly manetry tena izy io ary feno hatsaram-panahy kristianina. Vao fito taona monja dia efa niandry ondry izy, ary ny fotoana tamin'izany dia nolaniany tamin'ny vavaka sy ny famakian-teny, ary voalaza aza fa, ny anjely mihitsy no tonga eo mampianatra azy.
♦ Nanamafy ny lehiben'ny Etamazaoron'ny Tafika an-tanety fa mamely mafy ny tazo mahery any amin'ny faritra maro eto amintsika... ♦ Nikatona omaly ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana ho an'ity taona ity... ♦ Misaona ny zava-kanto malagasy. Nodimandry tampka omaly i Sefo Nonoh, mpitendry gitara beso, amin'ny tarika malagasy maromaro...
♦ Mihazakazaka ny fitombon'ny isan'ny olna mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto amintsika... ♦ Nilaza ny tsy tompon'andrikitra tamin'ny fitombon'ny isa tamin'ny valin'ny fitiliana natao ny 06 mey teo ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Efa nivoaka ny fonja ilay Ben'ny tananan'Ankerana Avaratra any amin'ny distrikan'i Tsiroanomandidy...
♦ Mihazakazaka ny fitomboan'ny isan'ny olona mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus any Toamasina... ♦ Tsy tompon'andraiktra tamin'ny fitomboan'ny isa tamin'ny valin'ny fitiliana natao tamin'ny 06 mey lasa teo anivon'ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Nirongatra be ny asan-dahalo tato ho ato, lasibatr'izany ny distrikan'Ikalamavony...
16 mey — I Masindahy Luigi Orione dia teraka tamin'ny 23 jona 1872 tao Pontecurone, tao amin'ny diosezin'i Tortone. Teo amin'ny faha-13 taonany izy dia noraisin'ny Franciscains tao Voghera. Herintaona monja anefa izy no tao, noho ny tsy fahasalamany. Ny taona 1886 ka hatramin'ny taona 1896 dia, mpianatr'i Don Bosco tao Valdocco, tao Turin izy.
♦ Miantso ny olom-pirenena hiray hina amin'ny fitakiana ireo Nosy malagasy manodidina, ny KMF/CNOE... ♦ Mihena ny isan'ny olona tratran'ny dengue any Mahajanga raha ny tarehimarika tamin'ity herinandro ity... ♦ Manohana ny fanjakana Malagasy amin'ny fanampiana ireo olona sahirana ianjadian'ny ikrisy amin'izao fotoana izao ny PNUD...
15 mey — Masindahy Isidore tsarona izao dia ilay niaina teo anelanelan'ny taona 1070 ka hatramin'ny 1130. Teraka nanodidina ny taona 1070 teo mantsy i Isidore, tsy mba nanam-bola aman-karena ny ray aman-dreniny fa ny oha-pitondran-tena tsara, sy ny finoana, ary fahatahorana an'Andriamanitra no nampianariny azy.
♦ Miisa 230 ny olona nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Ny 122 mbola any amin'ny hôpitaly... ♦ Nakaton'ny Ministeran'ny Fitsarana mandritra ny fotoana tsy voafetra ny Firsarana any Toamasina noho ny fahitana mpiasa miisa 07 voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Mila hamafisina ny fanentanana ny eto an-toerana sy eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena mba ahafahana mamerina ireo Nosy malagasy manodidina ho eo ambany fahefantsika hoy ny Loholona Pierrot Rajaonarivelo...
♦ 18 no fitambaran'ny isan'ny olona vaovao voaporofo, araka ny tatitra mivoaka androany, fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Nomen'ny CBM na Christoffel Blindenmission tolotanana mitentina 240 tapitrisa ariary ireo olona manana fahasemanana sy marefo eto Madagasikara... ♦ Nakaton'ny Ministeran'ny Fitsarana mandritra ny fotoana tsy voafaritra ny Fitsarana ao Toamasina...
Natokana ho androm-pivavahana sy fifadin-kanina ary fanaovana asa soa ny andron’ny 14 mai, araka ny tolokevitry ny »Haut Comité pour la Fraternité Humaine » ka nankatoavin’i Papa François.
♦ Tokony tanterahana araka ny lalana ny famaranana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana rahampitso 15 mey hoy ny KMF/CNOE... ♦ Mila hamafisina ny fepetra amin'ny ady atao amin'ny valan'aretina any Toamasina hoy ny Zanaky ny faritanin'i Toamasina... ♦ Miverina misokatra manomboka androany ny sampana misahana ny fitsaboana homamiadana ao amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco