Ny fialonana dia miteraka valifaty miafara amin'ny fahafatesana. Ny demony no nampiditra antsika tao antin'ny fahotana, vokatry ny fialonana ; lasa tandra vadin-koditry ny fiainan'ny olona ny fahotana sy ny ratsy. Ny fialonana nampidirin'ny demony tao amin'ny zanak'olombelona dia niha nahazo vahana ka nahatonga ny olona hankahala ny namany. Tsy tian'Andriamanitra hanjaka ny ratsy ka nanao endrika fahariana vaovao Izy dia i Jesoa. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Ny fanabeazana atao amin'ny taranaka ankehitriny, dia mba hanohy hatrany ny fikarakarana ny tanindrazana nimpoiran'ireo ray aman-dreny, indrindra ny ray. Ny voalohany amin'ny fanabeazana dia ny fampahafantarana ny zanaka ny tantaran'ny tanàna niavian'ny ray. Ny loha-hevitra amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona 2024 ity dia isan'ny maneho izany : "Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana amin'ny fitiavana ny tanindrazana" ... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Matoa misy ny olomarina dia misy ny olona tsy marina fa manaraka ny lalan-diso. Tsy nahary ny ratsy Andriamanitra fa nohariany ho amin'ny tsara isika olombelona fa isika eo amin'ny fiainantsika andavanandro no toa zatra miaraka amin'ny ratsy ary ny manahirana aza dia io ratsy io no mibahan-toerana any amin'ny fiaraha-monina misy antsika any. Ny fialonana, ny tsy fanekena an'Andriamanitra dia mety hiafara amin'ny fahafatesana. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Ho hentitra ny fitandroana ny filaminana mandritra ny Matso eny Mahamasina rahampitso. Hiavaka ihany koa ny Afomanga eny Anosy anio hariva, amin'ny alalan'ny "Seho Drone" haharitra 20 minitra... ♦ Mafampana ny any Vangaindrano amin'izao fotoana mialoha ny fetim-pirenena izao. Hihetsika ny Ampanjaka Antefasy any an-toerana ho an'ny lanonana ôfisialy hanamarihana ny fetin'ny fahaleovan-tena rahampitso 26 jona 2024... ♦ Ny alakamisy 27 jona izao no hamoaka amin'ny fomba ôfisialy ny voka-pifidianana solombavambahoaka ny HCC. Hitodika eny Ambohidahy indray ny mason'ny rehetra aorian'ny fetim-pirenena... ♦ Nahafatesana olona sy naharatràna 37 hafa ny fifanosehana tany Rwanda, famoriam-bahoaka nataon'ny filoha Paul Kagamé...

Ny "ankitonona" dia karazan-dahabolana, lalao an-tsaina atao am-bava izay miendrika fanontaniana ; izy ity dia tsy maintsy ianarana ary tafiditra amin'ny sekolin'ny Ntaolo. Ny vanton-jaza eo amin'ny taona fivelaran'ny saina sy efa mahataka-javatra no mpanao "ankitonona", na izany aza dia misy olon-dehibe hatrany mba manoro sy manazava ny hevitra sasany. Ny endrik'ity lahaborana ity dia miendrika fanontaniana, ialoavan'ny fanontaniana hoe "Inona ary izany raha fantatrao...? Ny tanjona amin'ny fanaovana azy ity dia fandranintan-tsaina, famolavolana ny ankizy hahay maneho hevitra. Ny ankitonona sy ny ankamantatra dia iray ihany... 

♦ Mpitandro ny filaminana hatrany amin'ny 4.000 isa no handray anjara amin'ny Matso eny amin'ny Kianja Barea Mahamasina rahampitso 26 jona ; ho hentitra ny fitandroana ny filaminana... ♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina rahampitso ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika, omaly... ♦ Tokony hakarina ny fahefa-mividin'ny vahoaka Malagasy noho ny fampiharana ny "vérité de prix" hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina. Nambarany fa hiteraka fidàngan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena ny firosoana amin'izany...

Amin'ny maha kristiana, ny mivavaka dia miresaka amin'Andriamanitra ; mino isika fa Andriamanitra dia miresaka amintsika olombelona na miteny amin'ny fomba maro. Raha milaza ho kristiana isika dia tokony hivavaka mandrakariva. Ny tokony hisongadina amin'ny vavaka ataontsika dia ny fisaorana, fitsaohana, fifonana izay vao mangataka. Tsy afaka misaraka ny  ny vavaka sy ny finoana araka ny fampianaran'i Jesoa. Katesizy momba ny vavaky ny olomarina, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

♦ Tsy hihemotra amin'ilay hetsika hataony manoloana ny kianjan'i Mahamasina amin'ny 26 jona, ny fikambanan'ny ray aman-dreny ara-drazana ARFM. Nanamafy ny hisian'io fihetsiketsehana io ny mpitarika androany... ♦ Lasa resabe ny fiakaran'ny vidin-tsolika atsy ho atsy, noho ny firosoana amin'ny “vérité de prix”. Hiteraka fidangan'ny vidim-piainana goavam-be eto amin'ny firenena izany, hoy ny mpahay toe-karena, Jonah Andrianantoanina... ♦ Nitombo 31 mianadahy ireo “inspecteurs industriels” eto amintsika, hanampy ireo 20 efa amperin'asa...

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

6 jolay 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Amôsy Mpaminany (Amôsy 9, 11-15)

Hampodiko indray ny babo amin’ny vahoakako; ary hamboleko eo amin’ny taniny izy.

Izao no lazain’ny Tompo:
Amin’izany andro izany, ny tranobongon’i Davida efa nianjera hatsangako indray,
ny banga hotampenako, ny rava hamboariko;
ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;
mba hananan’izy ireo izay sisa amin’i Edôma,
mbamin’ny firenena rehetra niantsoana ny Anarako,
— teny marin’ny Tompo —
izay nanao izany zavatra izany.
Indro avy ny andro,
— teny marin’ny Tompo —,
ka ny mpiasa tany hahatratra ny mpijinja;
ary ny mpanosihosy voaloboka, hahatratra ny mpanely voa famafy ;
hitete avy amin’ny tendrombohitra ny divay vaovao,
ary ny havoana rehetra hitsonika.
Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako;
ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray;
ny voaloboka hamboleny hisotroany ny divay avy aminy;
hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.
Hamboleko eo amin’ny taniny izy,
ka tsy hongotako intsony hiala amin’ny tany, izay efa nomeko azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9. 11-12. 13-14

Ny Tompo miteny fiadanana amin’ny olony.

Hihaino izay lazain’ny Tompo aho:
moa Izy tsy hiteny fiadanana
ho an’ny olony, ho an’ny mpivavaka aminy,
ho an’ireo mampitodika ny fo aminy?

Tafahaona ny hatsaram-po sy ny fahamarinana,
mifanoroka ny rariny sy ny fiadanana:
mitrebona an-tany ny fahamarinana,
mitranga avy eny an-danitra ny rariny.

Ny Tompo manome orana amim-peo avo,
ka ny tanintsika manome ny vokany.
Ny rariny mizotra eo anoloany;
ny fiadanana, eo amin’ny soritry ny diany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)

Moa mahazo misaona va ny olona raha mbola eo ny mpampakatra?

Tamin’izany andro izany,
nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe:

“Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika,
fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra
raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao,
fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra.
Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao;
fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba;
fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao,
dia samy maharitra izy roroa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

5 jolay 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo ambin'ny folo Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...