Fomba sy lovam-panahy ho an'ny kristiana ny vavaka satria maka tahaka an'i Jesoa kristy ny tena kristiana, jesoa nivavaka ; ny Apôstôly àry dia nangataka mba hampianarina hivavaka. Ny vavaka rehetra ataon'ny Kristiana, na iombonana na samirery, dia mandalo ao amin'i Jesoa avokoa. Ny vavaka dia firesahana mivantana amin'Andriamanitra, eo no angatahina ny fitarihan'ny Fanahy Masina, izay manohana antsika. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

♦ Miantso ny olom-pirenena tsy haniky ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato hakana fahefana, ny kandidà Solombavam-bahoakan'ny Kôlektifan'ny Malagasy... ♦ Melohin'ny kandidà Solombavam-bahoaka IRMAR ny filazana fa nisy ny hala-bato nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo, kanefa tsy mitondra porofo any amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, ireo izay niharan'ny hala-bato... ♦ Nolanian'ny Solombavam-bahoaka tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2024...

♦ Nankahery ireo kristianina 70 mianadahy nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana nandritra ny fankalazana ny Fo Masin'i Jesoa, mpiaro ny Katedraly ao Morombe, i Mgr Jean Désiré Razafinirina... ♦ Meteza ho afaka toa an'i Jesoa isika, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly... ♦ Nanentana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny Papa François, mba hanao izay ho afany amin'ny fitondrana ny fanampiana ilain'ny mponina, lasibatry ny ady, ao amin'ny faritra Gaza...

♦ Hamafisina ny ady amin'ny famongorana ny fakana an-keriny any amin'ny distrikan'Amparafaravola. Nidina tany Morarano Chrome tamin'ny faran'ny herinandro teo ny avy amin'ny EMMO NAT... ♦ Tsy afaka manao fanalefahana ara-ketra amin'ireo entana afarana avy any ivelany ny fitondram-panjakàna, ahiana hiakatra noho izany ny vidin'entana avy any ivelany ato ho ato... ♦ Mangataka ny hanafoanana ny lalàna nivoaka ny voalohan'ny volana jolay 2021 izay mametra ny vola vahiny azo entina any ivelany, ho 10.000 Euro, ireo mpandraharaha mpanafatra entana any Chine... ♦ Takalon'aina Israeliana 04 isa no votsotra teo am-pelantanan'i Hamas ny sabotsy teo, vokatry ny fanafihana nataon'ny kômandô Israeliana...

Toy ny antso miainga avy ao am-pon'nizay mino ny vavaka, miampita any amin'Andriamanitra, ao anatin'ny fitokisana tanteraka. Ny olona manam-pinoana no mivavaka, ary ny vavaka no mampisokatra ny mino any amin'Andriamanitra, hizarana ny manjo sy hanantenana izay angatahina. Raha mivavaka isika dia miresaka amin'Andriamanitra, ilaina ny fahatoniana, izany hoe miala amin'ny tabataba mba ho afaka hifantoka. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

Misy olana hatrany aorian’ny fifidianana eto Madagasikara. Tsy ampy ny fifanajana eo amin’ny samy mpifidy, eo amin’ny samy kandidà satria samy mangetaheta vola sy voninahitra avokoa. Tsy maintsy miova ara-moraly isika raha te hampandroso ny firenentsika: ireo tompon’andraikitra amin’ny “administration”, ireo mpiasam-panjakana isan-tsokajiny... Be dia be koa ny lesoka ataon’ny mpanao politika, manararaotra loatra. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny finoana dia fahasahiana miantso an'Andriamanitra, ary ny tsy fahampian'ny finoana dia ny faharerahana miantso. Ny olona tsy manam-pinoana no miaritra ny olana amim-pahanginana, anatin'ny vavaka no vahaolana. Ny olona manam-pinoana dia olona manam-paharetana tahaka an'i Bartime. Ny voary rehetra dia mangetaheta an'Andriamanitra daholo, ary samy miantso sy mitady ny vonjy avy Aminy avokoa. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Nitarika tamin'ny Fokontany miisa 16 tao amin'ny boriborin-tany faha-5 ny firaisan-kina hoy ny kandidà Fetra Razafitsimialona. Tsy hitazam-potsiny manoloana ireo fandikan-dalàna nihatra taminy izy fa hametraka fitoriana... ♦ Olana mila vahana ao Toliara ny momba ny fanabeazana hoy ny mpampianatra mpikaroka Profesora Dina Jeanne. Maro koa ny tsy an'asa, vahaolana ny fianarana asa hoy ity vehivavy mpahay tantara ity... ♦ Hiara-hiasa momba ny jono sy ny karazan-java-manan'aina an-dranomasina ny Oniversiten'Antananarivo sy ny ministeran'ny jono sy ny toe-karena manga. Vita sonia tamin'ity herinandro ity ny fifanarahana... ♦ Nanamafy ny antso hanafahana ireo takalon'aina Israeliana, ny Fiketrahana Masina...

Alahady faha-10 tsotra mandavantaona-B : Ny fianakaviana miady an-trano dia tsy haharitra ; efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Isika tsy tokony ho gaga raha ohatra ka tsy hinoan'ny ao an-trano izay lazaina, tahaka izay niainan'i Jesoa.  Ny hoe "devoly" dia avy amin'ny teny grika hoe "Diabolos" izay midika hoe "mpampizara" "mpampisaraka" "mpandrava". Tsy manohitra ny Fanahy Masina isika olombelona rehefa manatanteraka ny sitram-pon'ny Ray. Izay rehetra manaon'ny sitram-pon'ny Ray dia tonga fianakavian'i Jesoa, indrindra ireo manaraka ny didin'Andriamanitra...

♦ Nisaotra manokana ny foloalindahy malagassy tamin'ny ezaka nataony niaro ny andrim-panjakàna ny Praiministra Ntsay Christian. Nandritra ny fanombohana tamin'ny fomba ôfisialy ny fankalazana ny faha-64 taona niverenan'ny fahaleovan-tena sy nijoroan'ny foloalindahy no nilazany izany... ♦ Baolina kitra, mitarika vonjy maika ao amin'ny vondrona "I" misy azy amin'ny fifanitsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2026 i Madagasikara. Resin'i Barea tamin'ny isa 02 noho 01, tamin'ny alina i Comores... ♦ Nanazava tamin'ny ankapobeny ny volavolan-dalàna momba ny teti-bolam-panjakàna asiam-panitsiana ho an'ny taona 2024 teny Tsimbazaza omaly ny Ministry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola. Tsy tratra ny vinavina fampidiran-ketra...

Afaka miezaka foana isika ary afaka manomboka fiainana vaovao amin'ny fitiavam-bavaka. Aza matahotra miantso an'Andriamanitra ; ny fibebahana no hanombohana azy. Izay maniry hahazo fahasoavana dia milofo sy miezaka hatramin'ny farany, maharitra mivavaka. Ilàna finoana mari-pototra ny mivavaka ; hoy mantsy i Jesoa tamin'i Bartime "ny finoanao no nahavonjy anao". Ny finoana dia isika sahy mivavaka amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Nahena 4,9% ny vola natokana ho fampandehanan-draharaha eny anivon'ny minisitera tsirairay avy... ♦ Ao anatin'ny fanjana ny lalàna velona ihany no hampisy ny fitoniana eto amin'ny firenena, manoloana ny fanehoan-kevitra samihafa tao aorian'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany, tamin'ny alalan'ny fananganan-tsaina teny amin'ny fidasian'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny fankalazana faha-64 taona niveranan'ny fahaleovantenan'i Madagasikara...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...