♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...
♦ Ministtra mpisolo toerana avokoa no mitantana ministera 7 eo anivon'ny governemanta amin'izao. Hiteraka olana amin'ny fampandehanana ny raharaham-panjakàna izany hoy ny antoko Vonona Hijoro ho an'ny Tanindrazana... ♦ Tsy ankasitrahan'ny vovonan'ny Sekoly tsy miankina ny hanokànana toerana ireo mpiadina mahaleontena mandritra ny fanadinana Bakalôrea. Famotehana ny fampianarana sy ny sekoly tsy miankina izany hoy izy ireo... ♦ Olona 3 indray no nisy naka an-keriny tao Fieferana Anjozorobe ka mitaky vola 140 tapitrisa Ariary ireo jiolahy. Handraisana fepetra manokana izao zava-misy izao hoy ny Praiministra ny faran'ny herinandro teo...
♦ Nohamasinina ho Eveka ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco maneran-tany ny Kardinaly Angel Fernandez Artime... ♦ Efa nivoaka ny didim-panjakàna fampiharana ny fampiakaran-karàma ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina. Manomboka mihatra ho an'ny karama volana marsa lasa teo izany... ♦ Misy ny fandaminana vaovao avy amin'ny tanànan'Antananarivo momba ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely. Navadika tsena ny ampahan-dalana eny an-toerana, isaky ny zoma, sabotsy ary alahady... ♦ Nankasitrahan'ny mpitondra faratampony any Iran ny nanafihan'ny tafika iraniana an'i Israël ny herinandro teo ; fahombiazana iny fanafihana iny ary nambarany fa reharehan'ny vahoaka hoy izy...
Ny vavaka dia mitana anjara toerana lehibe ao amin'ny Jenezy. Mila olona mivavaka raha kristiana hihevitra ny hiditra amin'ny fiainan-tokan-trano. Hery sy aina ho an'izay tia azy ny vavaka. Raha tsy misy vavaka mafonja sy amim-paharetana dia tsy hahita vady sahaza ny olona iray. I Jesoa dia nivavaka isaky ny haka fanapahan-kevitra, maika fa isika olombelona!! Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Ny fisafidianana vady dia manomboka amin'ny fahatokiana an'Andriamanitra ; mialoha lalana ny ara-nofo ny ara-panahy. Amin'ny maha kristiana antsika dia tsy maintsy mametraka ny fanapahan-kevitra rehetra momba ny fiainantsika eo am-peralan-tanan'Andriamanitra, indrindra eo amin'ny fisafisianana vady sahaza amin'ny fiainana. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Ny fahanginana dia zava-dehibe eo amin'ny olombelona sy eo amin'Andriamanitra. Ny fahanginana an'Andriamanitra dia mitondra voka-tsoa maro ho an'ny olombelona mba hanantsika faharetana. Tsy izay hangatahantsika amin'Andriamanitra akory dia hotontosa daholo, ny fahanginana no toetra takiana amin'ny kristiana rehetra mba hahay miasa mangina. Ny fahanginana dia afahana ihany koa mihaino ny bitsik'Andriamanitra, indrindra anatin'ny vavaka.
♦ Mbola tsy marin-toerana ny vidim-bary na dia anatin'ny vanim-potoanan'ny fararano aza isika hoy ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Tompon'andraikitra voalohany amin'izay olona hofidiny hisolo vava azy ny olom-pirenena ka tokony hahay haka lesona amin'ny fihetsika sy ny endrika fanambakana ataon'ireo kandidà hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena... ♦ Ahitàna fidinany ny maripàna ambany ho an'ny afovoantany ary somary hangatsiak&a ny maraina ao anatin'ny telo andro manaraka... ♦ Miisa 21 ireo fiaramanidina sinoa nihaodihaody eny an'habakabak'i Taïwan androany maraina. Efa vonona sy manara-maso izany ny tafika mitam-piadiana ao Taïwan...
Ny "aphte" dia aretin'ny ati-vava, fery tsy lalina, tsy mandeha ra, tsy mamindra. Ny faritra mety hisy azy : lela, atin'ny takolaka, ankanjo-nify, lanilany, ati-tenda ; ny endriny dia boribory mavo na volon-davenona, voadidina mena. Ireo antony mahatonga azy : ati-vava voakitika matetika, vokatry ny fampiasana anesthésie, ny fihinanana sakafo mamay loatra, fampiasana borosy-nify mahery loatra, reraka, tratran'ny hitakitaka, fikorontanan'ny tsirim-panentana, tsy fahazakana fanafody. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Alahady fahaefatra fankalazana ny Paka : I Jesoa, Mpiandry ondry tsara ; Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa. Izy tenany Jesoa mihitsy no milaza fa izy no Mpiandry ondry tsara, dia izy izay mahafoy ny ainy. Tsy mpikarama ny Mpiandry ondry tsara fa ny mpikarama raha vao mahita amboa dia avy dia havelany hiahaka eo ny ondry, ny karama na vola no tanjony fa tsy ny ondry nankinina taminy. Ny takian'ny fiaraha-monina dia olona mpanasoa, mpitsimbona ny madinika, mpikatsaka ny soa iombonana fa tsy tia tena...
♦ Hitohy anio amin'ny alalan'ny diabe am-bavaka hihazo ani Vohipeno ny Pelerinazy miaraka amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay tanterahana ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana... ♦ Hisy fiatraikany goavana amin'ny andavanandrom-piainan'ireo olona manana tany voakasik'ilay fanamboaran-dalana miainga eny Andranotapahina mihazo ety Ivato, ny fanohizana ny asa ka mangataka ny hampitsaharana izany izy ireo... ♦ Mbola ho sarotra ny hahavitan'ireo solombavambahoaka ny andraikitra nankinina amin'izy ireo raha toa ka tsy hahazo ny maroan'isa eny Tsimbazaza ny mpanohitra hoy ny filoha nasiônalin'ny antoko Teza... ♦ Tsy mbola naneho hevitra manoloana ilay valim-panafihana nataony tany Iran i Israel...
Ny Jenezy dia mampiseho antsika ny toetr'olombelona manana fahatokiana tsy manam-petra an'Andriamanitra. I Abrahama, be fitiavana no nahatoky voalohany. Resy lahatra izy fa afaka manolotra vehivavy sahaza ho an'ny zanany Andriamanitra. Tsy ara-nofo fotsiny ny maniry hanana tokan-trano fa mila mahatoky an'Andriamanitra. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Notokanan'ny Filohan'ny Repoblika androany, ny fonja vaovaon'i Fenoarivo Atsinanana, izay mahazaka voafonja miisa 900... ♦ Namoaka ny mpiofana andiany faha-10 misalotra ny anarana "Mamiratra" androany, ny ivonteorana fanofanana vehivavy "Mivaotra sy Mahaleo tena" ao amin'ny Filles de Marie Auxiliatrice, Ampasanimalo... ♦ Mbola tsy hahavita ny andraikiny toy ny hatramin'izay ny Solombavam-bahoaka, raha mbola tsy ho maro an'isa ny mpanohitra eny Tsimbazaza, hoy ny antoko TEZA...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco