1 mey 2024 — Alarobia, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 15, 1-6)

Nifanara-kevitra izy ireo fa hiara-miakatra any Jerosalema handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ny zavatra niadiany hevitra.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy olona avy tany Jodea nampianatra ny rahalahy hoe:

“Raha tsy foràna araka ny Lalàn’i Môizy ianareo,
dia tsy ho voavonjy.”

Ka nony efa nifanditra sy niady hevitra mafy tamin’ireo i Paoly sy i Barnabe
dia izao no hevitra nifanarahana:
hiara-miakatra any Jerosalema i Paoly sy i Barnabe,
ary ny sasany amin’izy andaniny,
handinika amin’ny Apôstôly sy ny Pretra ilay zavatra niadiany hevitra.
Dia naterin’ny fiangonana teny ho eny izy ireo,
vao nanohy ny diany namaky an’i Fenisia sy i Samaria,
nitantara ny nibebahan’ny Jentily,
ka nahafaly indrindra ny rahalahy rehetra izany.
Nony tonga tany Jerosalema izy ireo,
dia noraisin’ny Eglizy sy ny Apostôly mbamin’ny Pretra,
ary nilaza ny zava-dehibe nataon’Andriamanitra taminy.
Fa mba nitsangana kosa ny mpino sasany tariky ny Farisianina, ka nanao hoe:

“Tsy maintsy hoforàna ny Jentily,
sy didiana hanaraka ny Lalàn’i Môizy.”

Dia nivory ny Apôstôly sy ny loholona mba handinika izany raharaha izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-3. 4-5

Faly aho nilazana hoe: Andeha ho any an-tranon’ny Tompo.

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra,
nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo.
Indro tonga soa ’zahay, tapitr’eto re ny dia.
Eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.

Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo.
Ao ny Anaran’Izy Tompo no derain’i Israely.
Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao,
ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny,
ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.
Efa madio ianareo izao,
noho ny fampianarana nataoko taminareo.
Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo.
Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka
tsy mahazo mamoa ho azy,
ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko.
Izaho no foto-boaloboka, ary ianareo no sampany.
Izay mitoetra ao amiko sy itoerako dia mamoa be,
satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Izay tsy mitoetra ao amiko dia ariana any ivelany
tahaka ny sampana ka maina,
ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Raha mitoetra ao amiko ianareo
ka mitoetra ao aminareo ny teniko,
dia hangataka izay tianareo ianareo,
ka hatao aminareo izany.
Ho voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

30 aprily 2024 — Talata, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 27-31a)

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 14, 18-27)

Nitantara tamin’ny Fiangonana ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminy izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy Jody tonga avy tany Antiôkia sy Ikôniôma,
nanome fo ny vahoaka, ka nitora-bato an’i Paoly izy ireo,
sy nitarika azy ho any ivelan’ny tanàna,
satria nataony ho efa maty izy.
Kanjo nony tonga nanodidina azy ny mpianatra, dia nitsangana izy,
ka niditra tao an-tanàna.
Ny ampitso ihany dia lasa nankany Derbe izy sy i Barnabe.
Ary rahefa nitory ny Evanjely tamin’izany tanàna izany izy,
ka nahazo mpianatra maro,
dia niverina tany Listra sy Ikôniôma, ary Antiôkia nankahery fo ny mpianatra,
sy namporisika azy haharitra amin’ny finoana.
Hoy izy ireo:

“Amim-piaretana fahoriana betsaka
no tsy maintsy idirantsika amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”

Isan’Eglizy nalehany,
nony efa nivavaka sy nifady hanina izy ireo,
dia nanendry Pretra sy nanankina azy tamin’ny Tompo izay efa ninoany.
Dia namaky an’i Pisidia izy ireo, ka tonga tany Panfilia.
Ary rahefa nitory ny tenin’ny Tompo tany Perjy izy,
dia nidina nankany Atalia.
Avy ao izy, dia niondrana an-tsambo hankany Antiôkia,
fa teo no nanolorana azy hoentin’ny fahasoavan’Andriamanitra
hanao ny asa izay vitany.
Vao tonga tao izy, dia namory ny Fiangonana,
ka nitantara ny zavatra lehibe nataon’Andriamanitra taminy,
sy ny namohany ny varavaran’ny finoana ho an’ny Jentily.
Ary elaela ihany no niarahany nitoetra tamin’ny mpianatra tao Antiôkia.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 10-11. 12-13ab. 21

Aoka ho fantatry ny olombelona, ry Tompo, ny voninahitry ny Fanjakanao.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery,
sy ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny Fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao!

Ny vavako hiteny fiderana ny Tompo;
ny nofo rehetra hisaotra ny Anarany Masina!
Isaorana ny Tompo! Isaorana ny Anarany:
mandrakizay mandrakizay!

Evanjely

Alelola, aleloia.

Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona, ary hiditra amin’ny voninahiny.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 27-31a)

Ny fiadanako no omeko anareo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nilaza tamin’ny mpianany hoe:

“Fiadanana no avelako aminareo, ny fiadanako no omeko anareo,
tsy mba tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no omeko anareo.
Aoka tsy hitebiteby na hatahotra ny fonareo.
Efa renareo fa izao no voalazako taminareo:
Handeha Aho,
nefa mbola hiverina ho atý aminareo.
Raha tia Ahy ianareo,
dia ho faly tokoa amin’izao handehanako ho any amin’ny Ray izao,
satria lehibe noho Izaho ny Ray.
Ary Izaho no milaza izany aminareo
dieny ankehitriny mbola tsy tonga izany,
dia ny mba hinoanareo rahefa tonga izany.
Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho,
fa avy ny filohan’izao tontolo izao;
tsy manana na inona na inona amiko anefa izy,
fa mba ho fantatr’izao tontolo izao fa tiako ny Ray,
ka araka izay nandidiany Ahy no ataoko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

29 aprily 2024 — Alatsinainy, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 21-26)

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 14, 5-17)

Ny mitory aminareo no anay, mba hialanareo amin’izao zava-poana izao, sy hanatonanareo an’Andriamanitra velona.

Tamin’izany andro izany,
dia efa nivonon-kanala baràka sy hitora-bato ny Apôstôly ny Jentily sy ny Jody mbamin’ny lehibeny;
saingy ren’i Paoly sy i Barnabe izany,
ka lasa izy ireo nankany Listra sy Derbe, tanàna any Likaônia,
ary tamin’ny tany rehetra manodidina,
dia nitory ny Evanjely tany.

Tany Listra,
nisy lehilahy anankiray nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny,
ka tsy mbola namindra, fa nipetraka hatrany hatrany.
Nihaino an’i Paoly nitory teny izy io,
ary nibanjina azy i Paoly,
ka nahita fa nino izy fa ho sitrana,
dia hoy izy tamin’ny feo mahery:

“Mitsangàna, ka mijoroa amin’ny tongotrao.”

Dia niantsambotra ralehilahy, ka namindra.
Nony hitan’ny vahoaka ny nataon’i Paoly,
dia niantso mafy tamin’ny fitenin’ny Likaônia izy nanao hoe:

“Andriamanitra maka endrik’olona no nidina nankaty amintsika.”

Dia i Barnabe moa nantsoiny hoe Jopitera,
ary i Paoly kosa Merkory,
satria izy no mpandahateny.
Mihoatra noho izany,
ny mpisoron’i Jopitera takaikin’ny tanàna mbamin’ny vahoaka aza,
dia efa nitondra ombalahy sy fehiloha teo am-bavahady mihitsy,
ka nikasa hanao sorona.
Fa nony nandre izany ny Apôstôly Barnabe sy Paoly,
dia nandrovitra ny akanjony,
ka nandroso teo afovoan’ny vahoaka niantso mafy hoe:

“Nahoana, ry olona, no dia manao izany ianareo?
Izahay dia olombelona toa anareo ihany,
ka ny mitory aminareo no anay,
mba hialanareo amin’izao zava-poana izao,
sy hanatonanareo an’Andriamanitra velona,
izay nanao ny lanitra sy ny tany,
ary ny ranomasina mbamin’ny zavatra rehetra ao amin’ireo.
Namela ny firenena rehetra teo aloha handeha amin’ny lalana tiany Izy;
kanefa tsy nitsahatra ny nanisy vavolombelona
hanambara ny tenany mandrakariva tamin’ny soa nataony,
dia ny mandatsaka ny ranonorana avy any an-danitra,
ny mahavokatra ny tany amin’ny fotoana,
ka mahavoky hanina antsika sy mahafeno hafaliana ny fontsika.”

Fa na dia izany aza no tenin’izy roa lahy,
dia saiky tsy nahasakana ny vahoaka tsy hanao sorona taminy izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 113B, 1-2. 3-4. 15-16

Tsy izahay, ry Tompo, tsy izahay, fa ny Anaranao no omeo voninahitra.

Ts’izahay, ry Tomponay ô, ts’izahay
fa ny Anaranao no omeo fiderana.
Lehibe tokoa ny hatsaram-ponao.
Mahatoky raha ny fahamarinanao.
Ny tsy mpino anefa misy manontany:
Iza hono no Andriamanitr’izy ireo?

Ny Andriamanitray dia any an-danitra any.
Ary vitany izay sitraky ny fony.
Raha ny sampin-dry zareo dia volamena, volafotsy:
asan-tanana ireny.

Izy hanambina an’ireo taranakao,
Izy ’lay nanao ny lanitra sy tany.
Raha ny lanitra dia lanitr’Izy Tompo,
fa ny tany lovan-janak’i Adama.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra, no katsaho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 21-26)

Ny Mpanafaka alahelo, izay hirahin’ny Ray, no hampianatra anareo ny zavatra rehetra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izay manana ny didiko ka mitandrina azy no tia Ahy;
ary izay tia Ahy, dia ho tian’ny Raiko, sy ho tiako koa,
ka haneho ny tenako aminy Aho.”

Ary i Jodasy, tsy ilay Iskariota, nanao taminy hoe:

“Ahoana, Tompoko,
no itiavanao haneho ny tenanao aminay ihany,
fa tsy amin’izao tontolo izao koa?”

Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy,
ka ho tian’ny Raiko,
ary hankeo aminy izahay ka honina ao aminy.
Fa izay tsy tia Ahy kosa,
dia tsy mba mitandrina ny teniko;
ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy,
fa an’ny Ray izay naniraka Ahy.
Voalazako taminareo izany,
raha mbola mitoetra eto aminareo Aho.
Fa ny Mpanafaka alahelo, dia ny Fanahy Masina,
izay hirahin’ny Ray amin’ny Anarako,
no hampianatra anareo ny zavatra rehetra,
sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra nolazaiko taminareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

28 aprily 2024 — Alahady fahadimy Fankalazana ny Paka — Mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 9, 26-31)

Notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana.

Tamin’izany andro izany,
nankany Jerosalema i Saoly, ka nitady hikambana tamin’ny mpianatra,
nefa natahotra azy izy rehetra satria tsy ninoany fa mpianatr’i Jesoa koa izy.
Tamin’izay, nalain’i Barnabe izy ka nentiny tao amin’ny Apôstôly,
dia notantarainy tamin’izy ireo ny nahitany ny Tompo teny an-dalana,
sy ny nitenenany taminy, ary ny hasahiana nasehony tamin’ny nitoriany ny Anaran’i Jesoa tao Damasy.
Izao vao niara-niditra sy nivoaka tamin-dry zareo tao Jerosalema izy,
sady nitory tamin-kasahiana tamin’ny Anaran’ny Tompo.
Niresaka tamin’ny Jentily koa izy,
ary niady hevitra tamin’ny Helenista; kanjo notadiavin’ireo hovonoina.
Ka nony fantatr’ireo iray finoana izany,
dia nateriny tany Sezarea izy, vao nalefany ho any Tarsa.
Niadana ny Eglizy eran’i Jodea sy Galilea ary Samaria manontolo fahizany,
sady nandroso tsara sy nandeha tamin’ny fahatahorana ny Tompo,
no nihamaro tamin’ny famporisihan’ny Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 21, 26b-27. 28 sy 30. 31-31

Izaho hametsivetsy Anao ao am-Piangonam-be, ry Tompo

Izaho hankalaza Anao ao am-piangonana,
hanala voady atrehin’ny matahotra Anao:
ny ory hihinana ka ho voky,
ireo mitady ny Tompo hidera Azy.
Veloma ny ainareo
mandrakizay mandrakizay!

Ny faran’ny tany hahatsiaro
ka hiverina amin’ny Tompo;
ny fiankohonam-pirenena
samy hiankohoka anoloany.
Ireo rehetra matory amin’ny tany
dia hiankohoka anatrehany.
Ary izay mandry eo am-bovoka
hiondrika anoloany avokoa.

Ny fanahiko hivelona aminy,
ny taranako hanompo Azy;
ny taranaka izay misandratra
hilazalazana ny Tompo,
ny vahoaka mbola ho teraka
hanambaràna ny fahamarinany hoe:
“Izao sy izao
no nataon’ny Tompo!”

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 3, 18-24)

Izao no didiny: ny hinoantsika Azy sy ny hifankatiavantsika.

Anaka, aoka isika tsy ho tia am-bava sy amin’ny teny fotsiny,
fa amin’ny asa sy amin’ny fo tokoa.
Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ny marina isika,
sy hahazoantsika mampatoky ny fontsika eo anatrehan’Andriamanitra.
Fa raha manameloka antsika ny fontsika,
dia lehibe noho ny fontsika Andriamanitra,
sady mahalala ny zavatra rehetra.
Ry hava-malala, raha tsy manameloka antsika ny fontsika,
dia mahazo manatona an’Andriamanitra amin-toky isika.
Ary na inona na inona angatahintsika, dia ho azontsika,
satria mitandrina ny didiny sy manao izay tsara eo imasony isika.
Ary izao no didiny, dia ny hinoantsika an’i Jesoa Kristy Zanany,
sy ny hifankatiavantsika, araka ny didy nomeny antsika.
Izay mitandrina ny didiny, dia mitoetra ao aminy,
ary Izy kosa ao aminy;
ary ny ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika izy,
dia ny Fanahy izay nomeny antsika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 1-8)

Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Izaho no tena foto-boaloboka, ary ny Raiko no mpamboly.
Ny sampana rehetra tsy mamoa eo amiko dia esoriny,
ary izay rehetra mamoa dia rantsanany mba hampamoa azy bebe kokoa.
Efa madio ianareo izao, noho ny fampianarana nataoko taminareo.
Mitomoera ao amiko, ary Izaho hitoetra ao aminareo.
Fa ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka,
tsy mahazo mamoa ho azy,
ary toy izany koa ianareo raha tsy mitoetra ao amiko.
Izaho no foto-boaloboka ary ianareo no sampany.
Izay mitoetra ao amiko sy itoerako no mamoa be,
satria raha tsy Izaho dia tsy mahefa na inona na inona ianareo.
Izay tsy mitoetra ao amiko
dia ariana any ivelany tahaka ny sampana ka maina;
ary hangonina ny sampana ka hatsipy ao anaty afo, dia may.
Raha mitoetra ao amiko ianareo, ka mitoetra ao aminareo ny teniko,
dia hangataka izay tianareo ianareo, ka hatao aminareo izany.
Ho voninahitra ho an’ny Raiko
raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Ny voambolana "Juridique" dia voambolana mamaritra teny iray na zavatra iray momba ny fitsarana. Ny "notaire" dia manana tandrify amin'ny teny malagasy hoe "Mpiraki-tsora-toa ; ny "assesseur" dia mpitsara mpanampy izay tsy voatery olona nianatra manokana mikasika ny asa-pitsarana ; ny "temoin à charge" dia adika hoe "vavolombelona manamafy ny vesatra", "temoin à decharge" dia midika hoe " vavolombelona manamaivana ny vesatra". Manoloana ny fisitrahana ny lova dia misy andian-teny mampiavaka ny olona sy ny zony : ny "ayant droit" dia ireo mpandova akaiky, ireo "ayant cause" dia ireo mananjo fa sokajy mandefitra amin-jo miohatra amin'ny mpandova akaiky. Ny ho "OUï" anaty didim-pitsarana dia tsy midika hoe " EKENA" fa hoe "HENO".

♦ Nilaza ny handray andraikitra avy hatrany ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana ho an'izay kandidà mihoa-pefy amin'izao vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Nanazava momba izany ny filohan'ny HCC... ♦ Voahilika ireo lisitra avy amin'ny antoko RPSD tokony ho anisan'ireo kandidàn'ny IRMAR. Anisan'ireo tsy hanohana ny kandidàn'ity vovonana ity any Manakara ny filoha nasiônalin'io antoko io raha nanao fanambaràna... ♦ Mandà ny fampiharana ilay fandaminana vaovao momba ny tsena napetraky ny kaominina Antananarivo ireo tompona magazay, mpivarotra ary mponina manodidina eny Analakely. Nanao fanambaràna nitsipaka izany izy ireo omaly...

Tsy maintsy olon'ny vavaka ny kristiana. Na dia mbola tsy manana zavatra mivaingana hanontaniana momba izay ho vady aza ianao dia tokony ary tsy maintsy mijoro eo anatrehan'ny Tompo mba hivavaka ary mangataka Aminy mba hitarika anao. Ny vavaka ho an'ny vady iriana dia tena vavaka manokana. Ny tenin'Andriamanitra ihany koa dia manolon-tsaina amin'ny fisafidianana vady. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

♦ Handray fepetra avy hatrany amin'ireo kandidà tsy manara-dalàna mandritra izao vanim-potoana mialoha ny fifidianana izao ny HCC... ♦ Nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandidà natolotry ny IRMAR ao Manakara, ny Filoha Nasiônalin'ny antoko RPSD, na dia ao anatin'ny vovonana ARMADA aza ny antoko tarihany... ♦ Nisy androany ireo tompon'ny magazay sy orinasa niaraka tamin'ny mpivarotra, nitsipaka ny fandaminana vaovao momba ny tsena ao Analakely...

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...