♦ Mitaky ny famoahana tsy misy hataka andro ny kandidà Olga Ramalason, izay nampidirina am-ponja omaly eny Antanimora, ny RMDM... ♦ Notontosaina androany teny Anosy ny atrik'asa niarahan'ny FAO sy ny J.CIF ary ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, nandinihana ny paikady iatrehana ny fiovan'ny toetr'andro... ♦ Niteraka fizarazarana ho an'ireo mpivarotra eny Ambodin'Isotry ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ireo samy mpitantana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, manoloana ny fanohizana na tsia ny asan'ny orinasa SMGD...
♦ Mananika ny 2.500 Ariary ny iray kapoaka ny vidim-bary amin'izao fotoana izao amin'ny kaominina sasatsasany mandritra ny distrikan'i Nosy-Varika raha ny fanadihadiana natao tamin'ny mponina avy any an-toerana... ♦ Voaresaka tamin'ny fihaonan'ny filoha Rajoelina Andry sy ny delegasiôn'ny FMI ny fandaharan'asa "Facilité Elargie de Crédit" sy ny "Facilité pour la Résilience et de Durabilité"... ♦ Tsy mankasitraka ny fitantanan'ny orinasa tsy miankina RANO AN'ALA B ny foto-drafitr'asa famatsiana rano fisotro madio ny mponina any amin'ny kaominina Belavabary, Distrika Moramanga... ♦ Enim-bolana aty aorian'ny nanombohan'ny ady teo amin'ny Israël sy ny Hamas, maherin'ny 130 ireo olona lasa takalon'aina...
Ny voambolana "teny" dia toa ny "aina", porofon'izany ilay fomba fiteny hoe : manapa-teny manapak'aina ; amin'ny maha kristiana ihany koa : ny teny dia tao amin'Andriamanitra ary Andriamanitra dia teny, izay nahariana an'Andriamanitra an'izao tontolo izao. Ny teny dia fitaovana entina mifandray, afahana mifanabe. Ny malagasy dia anatin'ny firenena iray ary ampiraisin'ny teny ; ny teny malagasy dia harena, mitahiry kolontsaina. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny faharetana dia toetra tsy ananan'ny maro amintsika olombelona. Ao amin'ny Jenezy 24 dia toa hita taratra fa mandeha tsara ny zava-drehetra. Lesona sarotra ianarana ny handinika, tsy taitaitra tsy ilaina loatra amin'ny resaka fisafidianana vady izany. Ho an'ny fanapahan-kevitra manan-danja dia tsy maintsy maka fotoana handiniana ianao. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Hanimba ny fifantohan'ny mpianatra amin'ny fianarany ny fandalovan'ny zotra teleferika eo ambonin'ny Sekolintsika eny Analamahitsy, hoy ny tompon'andraikitra, ka tsy eken'izy ireo ny handalovan'izany ao aminy. Nandamoka ny dinika nifanaovana tamin'ny fitondrana... ♦ Nifarana ny tetikasa ho an'ny Fambolena Lovainjafy mikajy ny tontolo iainana voarindra na ny PADAP, nanomboka tamin'ny taona 2017. Manodidina ny 100% ny tanjona napetraka no tratra, araka ny tatitra natao androany... ♦ Hampahafantatra ny boky vaovao nampitondraina ny lohateny: "Ny hafatr'ireo tavoahangy plastika", ny Editions Tsipika rahampitso. Boky manabe ny olona hiaro ny tontolo iainana...
4 mey 2024 — Sabotsy, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 18-21)
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 16, 1-10)
Tamin’izany andro izany,
dia tonga tany Derbe sy Listra i Paoly,
ary indro nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timôte,
zanaky ny vehivavy Jody sady mpino, fa ny rainy no Jentily.
Tsara laza tamin’ny rahalahy tao Listra sy Ikôniôma izy,
ka tian’i Paoly hoentina miaraka aminy;
dia nalainy izy ka noforàny,
noho ny Jody izay nitoetra tamin’izany tany izany,
satria fantatr’izy rehetra fa jentily ny rainy.
Ary raha nitety tanàna izy ireo,
dia nasainy hotandreman’ny olona
ny didy navoakan’ny Apôstôly sy ny Pretra tany Jerosalema.
Koa sady nitombo finoana ny Eglizy rehetra no nihamaro isa isan’andro.
Nony avy nitety an’i Frijia sy i Galasia izy ireo,
dia noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin’Andriamanitra any Azia.
Efa tonga tany Mizia izy, sy efa niomana ho any Bitinia,
nefa tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa,
ka nandalo faingana an’i Mizia, dia lasa nankany Trôasy.
Nony alina, nahita tsindrimandry i Paoly:
indro nisy lehilahy anankiray nitsangana teo anatrehany,
ka nihanta taminy nanao hoe:
“Mità mankatý Masedônia, ka vonjeo izahay.”
Ary rahefa nahita izany izy,
dia nitady hankany Masedônia haingana izahay,
satria nahalala marina fa nantsoin’Andriamanitra hitory ny Evanjely amin’ny olona any.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 99, 2. 3. 5
Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo,
ka fo falifaly anompoana ny Tompo.
Tongava eo aminy, mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra,
fa Azy isika satria noarìny;
sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Aleloia. Aleloia.
Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 18-21)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Raha halan’izao tontolo izao ianareo,
dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo.
Raha olon’izao tontolo izao ianareo,
dia ho tian’izao tontolo izao izay azy;
fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao,
dia halan’izao tontolo izao ianareo.
Tsarovy ny teny izay nolazaiko hoe:
Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony.
Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo;
ary raha nitandrina ny teniko izy,
dia hitandrina ny anareo koa.
Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako,
satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
3 mey 2024 — Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Fankalazana — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 14, 6-14)
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 15, 22-31)
Taorian’ny fiaraha-midinika tao amin’ilay fivoriana lehibe tao Jerosalema,
dia nankasitrahin’ny Apôstôly sy ny Pretra mbamin’ny Eglizy rehetra
ny hevitry ny mpivory;
ka nifidy ny sasany tamin’izy rehetra izy ireo,
mba hirahina ho any Antiôkia hiaraka amin’i Paoly sy Barnabe:
dia i Jodà izay natao hoe Barsabasy,
sy i Silasy, lehilahy lohandohany tao amin’ny rahalahy, no laniny.
Ka izao no taratasy nampitondrainy azy ireo:
“Ny Apôstôly sy ny Pretra ary ny rahalahy
avy miarahaba ny rahalahy any amin’ny Jentily,
izay any Antiôkia sy Siria ary Silisia.
Noho ny nandrenesanay fa nisy olona avy tatý aminay,
izay tsy nahazo teny taminay velively,
nampitabataba anareo tamin’ny teniny sy nampitebiteby ny sainareo,
dia nivory izahay rehetra,
ka nifanara-kevitra ny hifidy olona hirahina ho any aminareo,
hiaraka amin’i Barnabe sy i Paoly malalanay,
lehilahy nanao vy very ny ainy ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompontsika.
Koa indreny i Jodà sy i Silasy nirahinay
hilaza am-bava izany zavatra izany aminareo.
Sitraky ny Fanahy Masina sy izahay ny tsy hampitondra entana anareo,
afa-tsy izao zavatra tsy maintsy tandremana izao:
dia ny hifadianareo hena natolotra tamin’ny sampy sy ny ra
ary ny biby nokendaina, mbamin’ny fijangajangana;
soa ho anareo ny mifady an’izany.
Veloma.”
Dia nalefany izy ireo ka lasa nankany Antiôkia;
ary namory ny olona sy nanolotra ny taratasy tamin’izy ireo.
Nony namaky izany ny olona,
dia nifaly avokoa noho ny fanalana alahelo tao anatiny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 56, 8-9. 10-12
Mitombina ny foko, ry Andriamanitra!
ka mihira sy miantsa aho!
Foha, ry aiko! Foha, ry jejy sy valiha!
Izaho mifoha marainakoa,
fa hidera Anao vory vahoaka, ry Tompo,
hiantsa Anao anivom-pirenena.
Fa lehibe hatrany an-danitra ny hatsaram-ponao,
mahatakatra ny rahona ny Fahamarinanao!
Misandrata, ry Andriamanitra, any ambonin’ny lanitra!
Eran’ny tany tontolo ny Voninahitrao!
Aleloia. Aleloia.
Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 12-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo, sy hahavokaranareo,
ary haharetan’ny vokatrareo, sy hanomezan’ny Raiko anareo
izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
2 mey 2024 — Alakamisy, Herinandro fahadimy Fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-11)
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 15, 7-21)
Tamin’izany andro izany,
rahefa niady hevitra mafy naharitra ela ny amin’ny famoràna ny Apôstôly sy ny loholona,
dia nitsangana i Piera ka nanao tamin’izy ireo hoe:
“Ry rahalahy,
fantatrareo fa efa ela izay no nifidianan’Andriamanitra ahy teto aminareo
mba handrenesan’ny Jentily amin’ny vavako ny tenin’ny Evanjely sy hinoany.
Ary Andriamanitra izay mahalala ny fo,
dia naneho ny fankasitrahany azy ireo
tamin’ny nanomezany azy ny Fanahy Masina tahaka antsika koa;
nataony tsy nisy hafa isika sy izy,
fa nodioviny tamin’ny finoana ny fony.
Ka nahoana àry no maka fanahy an’Andriamanitra ianareo izao,
ka manisy jioga amin’ny vozon’ny mpianatra,
nefa samy tsy nahazaka izany na isika na ny razantsika?
Fa noho ny fahasoavan’i Jesoa Tompo ihany no inoantsika hahazoana famonjena,
tahaka ny azy ireo ihany koa.”
Dia nangina ny olona rehetra, ka nihaino an’i Barnabe sy i Paoly
nitantara ny famantarana amam-pahagagana betsaka nampanaovin’Andriamanitra azy
tany amin’ny Jentily.
Nony nitsahatra ny tenin’izy roa lahy,
dia namaly i Jakôba nanao hoe:
“Ry rahalahy, henoy aho.
Ny amin’ny namangian’Andriamanitra ny Jentily aloha,
mba hangalany vahoaka hanaja ny Anarany amin’izy ireo,
dia efa voatantaran’i Simôna.
Ary mifanaraka amin’izany koa ny tenin’ny mpaminany,
araka ny voasoratra hoe:
Rahefa afaka izany, dia hiverina Aho,
ka haoriko indray ny tranon’i Davida izay efa nianjera;
hamboariko izay rava, dia hatsangako indray izy,
mba hitady ny Tompo ny olona sisa mbamin’ny jentily rehetra
izay niantsoana ny Anarako, hoy ny Tompo,
izay manatanteraka izany zavatra fantatra hatraiza hatraiza izany.
Koa amin’izany, izao no hevitro:
tsy mety ny manome fahasahiranana ny Jentily izay manatona an’Andriamanitra,
fa aoka hampitondrana taratasy izy ireo
mba hifady ny hena natolotra tamin’ny sampy, sy ny fijangajangana,
ary ny biby nokendaina, mbamin’ny ra.
Fa hatramin’ny taranaka mifanesy hatra ny ela
dia manana izay mitory azy isan-tanàna rehetra i Môizy,
satria vakìna ao amin’ny sinagôga isan-tsabata ny teniny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 95, 1-2a. 2b-3. 10
Ikaloy ’reo hira vaovao e
ho an’ny Tomponao, ry manana aina.
Ny fisaorana aoka hanakoako e!
Isan’andro vaky, dia torio e,
’tony vonjy nentiny lazao e
mba handre daholo ny eran-tany e!
Fa ny Tompo ihany no ambony.
Mahatahotra Izy noho ny hafa,
ka variana erý ny firenena!
He! ny Tompo irery no Mpanjaka.
’Tony tany vitany mijoro.
’Zany rariny entiny mitsara!
Aleloia. Aleloia.
Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, mamindrà fo aminay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-11)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa,
ka mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Izaho no milaza izany aminareo,
dia mba ho ao aminareo ny fifaliako,
ary mba ho lavorary ny fifalianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Maro amin'ireo kandidà ho solombavambahoaka no efa mamita-bahoaka sahady hoy ny antoko Teza. Mpanao lalàna no asan'ny solombavambahoaka fa tsy mpanao fandaharan'asam-pampandrosoana... ♦ Efa miomana amin'ny fanaraha-maso ny zotra-pifidianana ny vovonana Firaisan-kina. Tsy azo ekena intsony ny endrika hosoka sy fanovàna ny voka-pifidianana hoy Andriamatoa Marc Ravalomanana... ♦ Manohitra ny fandalovan'ny "ligne télépherique" eo ambonin'ny faritry ny toeram-panabeazany ny sekolintsika eny Analamahitsy. Nitafa tamin'ny mpanao gazety ireo mpanabe sy ny ray aman-drenin'ny mpianatra ao, androany maraina...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco