♦ Eglizy mitondra ny anaran'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, no tsangambaton'ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diôsezin'Antananarivo, izay notsofin-drano nadritry ny fivahinianana Masina nataon'ny Kristiana teo Ampahateza-Ambohipo, omaly... ♦ Mitaky ny hisamborana sy hanaovana fanadihadiana an'ireo olona tratra nangalatra vy tao amin'ny orinasa SUCOMA Analaiva-Morondava ny Evekan'i Morondava Mgr Maria Fabien Raharilamboniaina... ♦ Mpiasa miisa 7 amina orinasa iray mpamokatra toaka no nahiditra am-ponja vonjimaika tsy ara-drariny eny Antanimroa, efa ho 4 volana izao...

Ny Eveka tsirairay amin'ny maha-vikeran'i Kristy azy dia manana fiadidiana ara-pastoraly ny Eglizy eo an-toerana izay nankinina taminy, nefa koa sady mizaka ao anatin'ny fiombonam-piadidiana miaraka amin'ny rahalahiny rehetra ao amin'ny laharan'ny maha-eveka, amin'ny fiahiana ny Eglizy manontolo. Ny Eveka dia voahosotra ho dimbin'ny apôstôly... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

♦ Lany tsy nasiam-panitsiana teo anivon'ny antenimieran-doholona ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2026... ♦ Miankina amin'izay tapaky ny mpizaika mandritra ny fikaonandoham-pirenena ny tohin'ny fitakiana ireo Nosy manodidina hoy ny Filoham-panjakàna Michaël Randrianirina... ♦ Disitrikan'i Vohemar sy Sambava / Olona 29 nogadraina, trano 80 tafo no rava, vokatry ny disadisa amin'ny fitantanan'ny MBG ny Faritra arovana sy ny Fokonolona... ♦ Ny filoha Amerikana Donald Trump no nahazo ny loka "Prix de la paix de la Fifa" tamin'ity taona 2026 ity...

Isan'ny didy mahavery ny olona any amin'ny afobe fandikàna ny didy faha-7 "Aza mangalatra, aza maniry fananan'olona" izany hoe ny maka na ny mitana na ny manimba tsy ara-drariny ny zavatr'olona. Antony izany dia noho ny tsy fahavitan'ny fanonerana ny fahotana. Fahotana mahafaty ny mangalatra sy ny manao izany an-tsitrapo. Tsara kokoa ny miala amin'ny fikasana hangalatra satria ny fanirina ihany koa dia efa heloka... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny fisoronana maha-mpandraharaha voahosotra na araka ny ambaratongam-pitondran'ny Eveka sy ny Pretra, sy ny fisoronana iombonan'ny mpino rehetra, na dia "samy manana ny fomba manokana avy aza, ny andaniny sy ny ankilany dia mandray anjara amin'ny fisoronana tokan'i Kristy", kanefa sady miavaka araka ny maha-izy azy, no "nalamina hifameno" ireo... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

Amin'ny alalan'ny andraiki-panompoan'ny mpandraharaha voahosotra, singanina manokana ny Eveka sy ny Pretra dia manajary hita maso eo anivon'ny ankohonan'ny mpino ny maha-misy eo an'i Kristy, amin'ny maha-filohan'ny Eglizy Azy. Araka ny fomba fiteny mahafinaritr'i Masindahy Ignace d'Antioche, ny Eveka dia toy ny sary velon'Andriamanitra Ray... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

• “Raha ny sitrapoko dia averina eto Madagasikara, hotsarain'ny Fitsarana Malagasy, Andriamatoa Ravatomanga Mamy sy ny Filoha teo aloha Rajoelina Andry”, hoy ny Filohanan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, ny Kolonely Randrianiriana Michaël tamin'ny fahitalavitra vahiny France 24 androany... • Hikarakara fikaonan-dohan'ny antoko politika ny 12 hatramin'ny 15 desambra 2025, eny amin'ny kianja mitafon'Ankorondrano, ny sehatra ifanakalozana momba ny politika SIAP sy ny KFIM... • Misy amin'ireo mpilatsaka an-tsitrapo tonga eto Madagasikara, no mitsikilo ny fitondram-panjakana, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina androany, nandritra ny fanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Firotsahana an-tsitrapo...

Mampitombo ny vola miditra hoan’ny fianakaviana misehatra aminy ny fambolena voly maharitra toa ny voasary. Maro amin’ireo tantsaha ao amin’ny vovonam-pikambanana SOA MITAMBATRA faritra Amoron’i Mania no mifototra amin’izy io ankehitriny. Isan’izany Madame Njara ao amin’ny fikambanana fototra Soa Maniry ao Ambondromisotra distrikan’Ambatofinandrahana....

• Miantso ireo mpitolona ho tony, ny tanora mpanao politika Nambinina Raheriarimanana. Nambarany fa tsy mbola tokony hanomezan-tsiny ny fitondrana vaovao ny tsy nahatontosan'ny fanovana tao anatin'ny roa volana... • Miakatra indray ny vidin-tsolika eto Madagasikara, nanomboka androany. Nahitana fisondrotany avokoa ireo karazan-tsolika fampiasan'ny mpanjifa, mandritra ity volana desambra ity... • Manaitra ny Fitsarana ny fikambanana FIVATO, amin'ny didy izay avoakany. Misy ireo olona tsy meloka nefa ampidirina am-ponja, amin'izao fotoana izao, hoy ny Firaisamonim-pirenena mpiaro ny zon'olombelona...

Ny fambolen-kazo maharitra dia miaro ny rano sy ny tany, mampihena hafanana, ary manome fiainana ho an'ny taranaka.  Misy ireo paik'ady tena ilaina : fisafidianana karazan-kazo mifanaraka amin'ny faritra, fanomanana zana-kazo, fanamboarana lavaka misy zezika natoraly, ary  tsy azo adinoina ny fanaraha-maso isam-bolana. Ny Bôndy amin'ny alalan'ny fiofanana sy fifampitokisana iarahany amin'ny Centre Arrupe dia manabe sy manentana amin'ny fambolen-kazo ho tombontso ho an'ny taranaka... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mandeha amin'ny toerana iray ny Kristiana mba hamonjy ny fiaraha-mivavaka hankalaza ny Eokaristia. Ny Tenan'i Kristy mihitsy no Loha mitarika, izay Izy no mpanao voalohany indrindra ny Eokaristia. Izy no mpisoromben'ny Fanekem-pihavanana Vaovao. Samy manao ny anjarany amim-pahavitrihana avokoa ny reheta amin'ny fankalazana : vaky teny, fizarana kôminio... Katesizy momba ny fampandrosoana ny Litorjia any amin'ny Diôsezy, iarahana amin'i P.  Raphaël Eugène Ralison.

• Tokony omena sehatra amin'ny fanapahan-kevitra ny tanora amin'ny fanavaozana ny firenena. Nasongadina izany amin'ilay famelabelaran-kevitra niresahana ny fampandrosoana teny amin'ny UCM Ambatoroka... • Maromaro ireo fitokonana tao an-drenivohitra androany, noho ireo fitakiana samihafa. Nihetsika indray ny mpivarotra amoron-dalana, nitokona koa ny sendikan'ny mpiasan'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambaratonga Ambony... • Tsy eken'ireo mpiasan'ny Madarail ny hivarotana tsikelikely ity orinasa ity amin'Andriamatoa Mamy Ravatomanga. Niroso tamin'ny fitokonana nanomboka androany ireo mpiasa, tamin'ny alalan'ny filanjana sora-baventy teny Soarano...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...