Ny fampiofanana litorjika ho an'ny pretra sy ny seminarista dia natao hikendrena fandalinana, hampiofana ireo mpitarika litorjia. Tokony ho ampy sy lalina ny fampianarana momba ny Litorjia ao amin'ny seminera sy toeram-piofanana rehetra : tsy vitan'ny olona tokana ny fampiofanana. Ny pretra sy ny diakra dia mpitarika noho izany tsy maintsy mahafehy tsara ny hevitry ny Litorjia... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

Ny fampianarana momba ny Litorjia dia tokony ho isan'ny taranja fototra, amin'ny ambaratonga rehetra amin'ny fianarana ara-pinoana. Maha izy ny Eglizy ny Litorjia, tokony hampianarina amin'ny fomba teôlôjika sy ara-tantara (niandohany, heviny, fivoarany) Tsy zavatra ivelan'ny fianarana ara-pinoana ny Litorjia fa taranja fototra amin'ny fampianarana teôlôjika... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

• Manana ny lanjany amin'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny boky aman-gazety katolika. Nisongadina izany nandritra ny fanokafana ny fiofanana, sady fivoriana tsy ara-potoana ho an'ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny boky, eo anivon'ny Eglizy Katolika... • Nahatratra 170 miliara Ariary ny faty antoka ho an'ny fanjakana, vokatry ny kolikoly ho an'ny taona 2025, raha ny tatitra nataon'ny BIANCO androany... • Navotsotra androany, ary eo ambany fanarahamason'ny Fitsarana, ny Filohan'ny Sendikan'ny Mpiasan'ny JIRAMA SMJ, Ratovomanarivo Anmora...

Ny atao hoe "FANAMBY" dia ahitana ny foto-teny hoe "TAMBY", izany hoe Valisoa sy tanjona. Ny fanamby ho an’ny fianakaviana dia ny mba ho fianakaviana mifanohana sy mifanampy , mifankatia mba ahazoana ny tena fahasambarana sy fiadanana. Ny vahaolana manoloana sedra hatrehin'ny fianakaviana : mifandefitra , mifampihaino , mifanaja , mifampiresaka.... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fandraisan'ny vahoaka anjara mavitrika, tsy hanavahana. Ny Eglizy dia maniry fatratra mba ny rehetra,olon-drehetra, dia handray anjara amim-pinoana sy amim-panahy amin'ny fankalazana Litorjika ; satria izany no loharanon'ny fiainam-panahy kristiana. Ilaina ny fiofanana mba hahafahana mandray anjara, sao dia manaonao foana, mba mahalala ny fizotra ny Litorjia... Katesizy momba ny Fanaingana ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

• Namoaka hafatra momba ny fiainam-pirenena ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivoriana fanao isan-taona natrehan'izy ireo... • Niakatra Fampanoavana androany tolakandro teny amin'ny PC 67 ha, ireo nohadiadian'ny BIACO, momba ny raharaha 11 miliara tao amin'ny CNaPS. Isan'ireny ny Ben'ny Tananan'Antananarivo... • Mafampana ny toe-draharaha eo anivon'ny MAMA. Nampiantso fivoriana maika ny sendikan'ireo mpitatitra manerana an'i Madagasikara, momba ny fitantanana eo anivon'ity trano fiantohana ity...

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

♦ Tsy resaka valifaty pôlitika no nataon'ny fitondrana ankehitriny fa ady amin'ny tsy maty manota, hoy ny mpitondra tenin'ny governemanta Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Raha tsy misy ny fiovana dia hiakatra eny amin'ny Tendrom-pitsarana misahana ny ady amin'ny kolikoly (PAC), anio tolakandro, ny Ben'ny tanàna Antananarivo renivohitra, Herilala Ramananttsoa... ♦ Tsy ho tanteraka ny fanorenana ifotony na ny fanovan-drafitra eto Madagasikara, raha toa ka tsy miainga avy any ifotony ny fanovana hoy ny fiarahamonim-pirenena FIVATO... ♦ Audience générale : tsy misy tsara indrindra noho ny fiadanana ka ho kolointsika izany hoy ny Papa Léon-XIV...

Anatin'ny fizahàna vahaolana maro lafy hanavotana ny firenena ny mpitondra ankehitriny, zava-dehibe ny teny famporisihina, ankoatra izany ny fahaizana mifanampy amin'ny hatao sy ara-kevitra. Aoka atao lohalaharana ny soa ho an'ny maro an'isa, miorina amin'ny fihavanana sy amin'ny fahaiza-mihaino. Mamotika ny fiahara-monina ny tsy fahaiza-mihaino. Midika ho firaisana tsikombakomba ny tsy fihainoana, manome vahana ny fandrombana ny harem-pirenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Mampiaka-peo ireo mpiaro ny zon'ny mpanjifa manoloana ny fikasan'ny sendikan'ny mpiasan'ny JIRAMA mitokona hanapaka jiro faobe. Hampitroatra ny mpanjifa ny firosoana amin'izany hoy ny PMH... ♦ Nosamborin'ny pôlisy omaly ny mpitarika ny sendika SMJ Andriamatoa Anmora Ratovomanarivo. Isan'ny anton'ny nisamborana azy ny fanohitohinana ny filaminam-bahoaka, ny fandranitana fankahalana olona, ny fanimbana fanana iombonana... ♦ Hanao adisisika hisian'ny teti-bola sahaza ho an'ny sehatry ny rano sy ny fidiovana ary ny fanadiovana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'izany (OSCEAH)...

Ny Sacrosanctum Concilium no fo sy fototra teolojia nitarika ny fanavoazana rehetra niseho tao amin'ny Litorjia taorian'ny Konsily Vatikana-II. Ny fanavaozana ny Litorjia dia tsy midika hanova amin'ny tsy antony, fa hanavao amin'ny fanajana ny lova masina sy ny foto-pampianarana marina : hanatsara ny fahatakarana sy fandraisan'ny vahoaka anjara, hanala izay zavatra tsy ilaina... Katesizy momba ny fanainga ny olona hiofana momba ny Litorjia, iarahana amin'i P. Herizo Ramamonjisoa.

• Voarohirohy amin'ny raharaha 11 miliara nalaina tao amin'ny CNaPS, ny Ben'ny Tananan'Antananarivo amperin'asa. Notazonina sy atao andrimaso eny amin'ny BIANCO Ramatoa Harilala Ramanantsoa... • Mila vahana haingana ny olana eo anivon'ny JIRAMA, izay mahatonga ny mpiasa manao fitokonana ankehitriny. Ny olan'ny famatsiana jiro sy rano mantsy no niteraka ny savorovoro teto amin'ny firenana ka niafara tamin'ny fionganan'ny fitondrana teo aloha... • Manana anjara toerana lehibe amin'ny fampandrosoana ny firenena ny sehatra tsy miankina, hoy ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, ny Dokotera Ramiarison Herinjatovo...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...