♦ Nohalavaina 15 andro indray ny amehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Tsy mihoatra ny 200 ny olona afaka mivorivory. Isan'ny fepetra nambaran'ny filohan'ny repoblika alina... ♦ Fivoaran'ny valan'aretina covid-19, tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina 39 no voatily tamin'ny fitiliana miisa 841 natao ny sabotsy 12 jona teo, Sitrana 26, lavon'ny aretina miisa 05... ♦ Nosokafana omaly tamim-pomba ofisialy ny fankalazàna ny faha-150 taonan'ny Ekar Fo Masin'i Jesoa Anosizato. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Arsevekan'Antananarivo no nanehoana izany...
♦ Notondra ny raharaha ady tany eny anivon'ny PAC ireo mponina eny amin'ny cité Ambohipo izay tratry ny fanararaotana nataon'ny tompon'andraikitry ny SEIMAD teo aloha... ♦ Niara-dalana tamin'ny fiverenan'ny fampianarana eny amin'ny Oniversite ny fitokonana samihafa. Miantso ny hampiatoana izany fotokonana izany ny birao nasionalin'ny SPATU... ♦ Ho tsapaina amin'ny lalao etsy amin'ny kianjan'Ambohidratrimo anio ireo mpilalaon'ny Barean'i Madagasikara miatrika fampivondronana...
Tsy ny zava-pisotro misy alikaola sy ny rongony ihany no zava-mahadomelina misy eto Madagasika fa efa misy koa ireo hatsindrona sy hevohina, izay mahery tokoa toa ny "héroïne". Maro ny tanora voasarika amin'ny fandraisana zava-mahadomelina raha ny eto amintsika. Ny fandraisana zava-mahadomelina hatsindrona dia azahoana vaka-dratsy malaky, mety ho ao anatin'ny herinandro monja. Ireo voka-dratsiny eo amin'ny fahasalamana : tsy fahitan-tory, marary daholo ny vatana, manavy, rera-dava, fahiazana...
♦ Manodidina ny 160 000 000 ireo zaza tsy ampy taona maneran-tany izay miditra amin'ny sehatry ny asa, ho an'ny taona 2020. Marihina anio ny andro eran-tany iadiana amin'ny fampiasàna zaza tsy ampy taona... ♦ Nanome toky ny hanatsara ny fikirakirana ny voka-pifidianana ny filohan'ny HCC Rakotoarisoa Florent... ♦ Hangataka fihaonana amin'ny ministry ny raharaham-bahiny momba ny Nosy malagasy ny antoko Otrikafo. Sarotra ny hahazoana ireo nosy ireo raha amin'izao hoy Me Ôlala...
♦ Hohatsaraina ny fomba fitsarana ny voka-pifidianana, hoy ny Filoha vaovaon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana. Tontosa androany teny Ambohidahy ny famindram-pahefana teo aminy sy ny Filohan'ny HCC teo aloha... ♦ Hanao fanadihadiana parlemantera sy hampiantso ny Minisitry ny Fitsarana ny eo anivon'ny Antenimieram-pirenena, momba ilay raharaha ady tany eny Antanandrano, hoy Andriamatoa Naivo Raholdina. Nidina ifotony teny an-toerana androany ity Solombavambahoaka ity...
Talata 15 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48
Alatsinainy 14 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 38-42
♦ Efa manomboka mandray karama ireo mpiasa amin'ny Oniversite izay nahavita ny "digitalisation", isan'izany ny any Fianarantsoa, ary efa tonga any Mahajanga ihany koa ny taratasim-bolan'ireo mpandraharaha sy ny mpiasan'ny Oniversite... ♦ Hahemotra ho amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra indray ny fifaninana hidirana ho mpianatra ao amin'ny Sekolim-pirenena manofana ho Mpitsara sy Mpiraki-draharaha, eny Tsaralalana na ny ENMG...
Alahady 13 jona 2021 — Alahady faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 26-34
♦ Namaly ny momba ny fanakanana indroa miantaona ny fiara nitondra azy, nanomboka tamin'ny sabotsy teo Andriamatoa Marc Ravalomanana androany. Nambaran'ity mpitarika ny mpanohitra ity fa tsy misy tombontsoa ho an'ny Malagasy ny fisakatsakanana atao azy... ♦ Nanao hetsika fitokonana androany ireo mpianatry ny Oniversiten'i Mahajanga, noho ny tsy mbola nandraisana ny vatsim-pianarana dimy volana. Efa manomboka ny fandoavana izany amin'izao, hoy ny Minisitry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony, manoloana izany...
Nanatsara ny famokarana Zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio...
Nanatsara ny famokarana Zezika kankana nofotorany nandritra ny taona maro Andriamatoa Ranaivoarisoa Basile, fantatry ny maro amin'ny solon'anarana Papa Bio...
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco