• Ankizy an-tapitrisany no tsy mbola manana kôpia eto Madagasikara, raha ny fantatra nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny ankizy...
  • Tontosa ny famindram-pitantanana teo amin'ny PDS Georget Alexandre, sy ny Sekretera Jeneralin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Clara Andrianala...
  • Tsy misy fiaramanidin'ny Tafika na an'ny fanjakana ireo fiaramanidina madinika dimy sy helikôptera iray may tety Ivato, fa an'ny orinasa tsy miankina avokoa, hoy ny ACM...

  • Tanterahina eny amin'ny kianja Barea Mahamasina ny andiany faha-8 amin'ny tsenaben'ny fizahan-tany sy ny andiany voalohany amin'ny tsenaben'ny asa-tanana manomboka rahampitsy ary aharitra 3 andro...
  • Tafakatra 96% ny tahan'ny fanaovam-baksiy ny zaza nandritra ny hetsika faobe niisa 6 notanterahina teto Madagasikara tamin'ity taona ity...
  • Nampatsiahy ireo dingana tsy maintsy hajaina mifandraika amin'ny fandefasana hiran'ny mpanakanto mandritra ny vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao ny sendikan'ny kanto "SYKA"...
  • Tsy afaka handresy an'i Russie amin'izao ady izao i Ukraine raha hampitsahatra ny fanampiana ara-tafika sy ara-bola ho azy ireo ny Amerikanina hoy Volodymyr Zelensky...

  • Nampitandrina sahady ny kandidà hambarany fa nandika ny fepetra napetraka tamin'ireo toerana voarara tsy azo hanovana fampielezan-kevitra ny prefet an'Antananarivo...
  • Kihon-dalana lehibe ho an'ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fifidianana ben'ny tanàna ka eo am-pelantanan'ny vahoaka ny fahefana hiova sy hanova hoy ny filoha teo aloha Hery Rajoanarimampianina... T
  • ontosa teny amin'ny Centell Antanimena ny atrik'asa fakan-kevitra tamin'ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny fizahan-tany mahakasika ny fandrafetana ny taratasy ho an'ny politika ankapoben'ny fizahan-tany eto Madagasikara..

Manoloana ny halehibeazan'Andriamanitra sy ny fitondran-tena mendrika takian'ny fivavahana marina dia samy mandon-tratra ny mpivavaka rehetra, ary lazain'ny Papa fa ny mampihetsi-po indrindra amin'izany fahatsapana ny tsy fahamendrehana sy ny fahantran'ny vavaka ataontsika dia izay nipololòtra avy amin'ny vava... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa OSsT.

  • Nilamina tamin'ny ankapobeny ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, hatao amin'ny 11 desambra 2024. Dia be mamakivaky tanàna no saika nisantarana izany androany...
  • Miantso ireo Solombavam-bahoaka sy Loholona, handinika tsara ny votoatin'ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, ny firaisamonim-pirenena, izay vao handany izany. Iankinan'ny fiainam-pirenena mantsy izy io, hoy ny hetsika Rohy...
  • Nitrangana doro tanety tao amin'ny faritry ny seranam-piaramanidina tety Ivato. Voafehy ny afo ary efa miverina amin'ny laoniny ny sidina tao aorian'ny famonoan'ny tompon'andraikitra ny izany...

Raha faritana araka ny finoantsika ny afo fandiovana dia toeram-pijaliana sy fanonerana izay handiovan'ny fanahy izay mbola tsy mendrika ny ho raisina hiditra any an-danitra. Tsy paradisa sady tsy afobe fa toerana manelanelana ny hafaliana tsy manam-petra sy ny toeran'ny fijaliana tsy misy farany ; toy ny afobe ihany izy raha jerena ny fangirifirian'ny fijaliana, ary manahatahaka ny Lanitra kosa izy amin'ny fahamasinan'ireo izay mitaraina; afo mandoro nefa manadio. Misy ny fijoroana vavolombelona isan-karazany mahakasika ny fisian'ny afo fandiovana, ary misy ihany koa ny vavaka mahakasika azy io.

23 nôvambra 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 20, 27-40)

  • Mbola mangingina ny fanombohan'ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben'ny tanàna ny maraina teo...
  • Vinavinaina hiakatra 5% ny harin-karena faobe ho an'ny taona 2025, raha ny voafaritry ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola-panjakàna. Hisy ny hetra vaovao ho foronina, hoy ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola...
  • Miakatra tsikelikely indray ny vidin'entana ilaina andavanandro eny an-tsena ankehitriny. Efa 15% sahady io fiakarana io, raha ny tatitry ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...
  • Nomen'ny Amerikàna balafomanga mahataka-davitra i Ukraine hampiasainy amin'ny ady ifanandrinany amin'i Rosia, nankasitraka izany ny filoha Frantsay...

Ilaina ny fanisana biôlôjika ho an'ny ala vao fantarina na tiana ho tantanina hamantarana ny toetran'ilay ala, tsy maintsy misy solontena avy amin'ny fanjakana miatrika eo, misy koa fanisana hanaovana fikarohana biby vaovao mbola tsy fantatra. Tany amin'ny taona 1905 no nisy fanisana biôlôjika voalohany izay teto Madagasikara. Inona no maha zava-dehibe ny fanisana biolojika? Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

22 nôvambra 2024 — Zoma, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona— Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema. Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 45-48)

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 30, 19-21. 23-26)

Miantra anao Andriamanitra ka mamindra fo aminao raha vao mitaraina ianao.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra masin’i Israely :
Ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema,
tsy hitomany intsony ianao,
fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo;
raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao.
Homen’ny Tompo anareo ny hanim-piahiahiana mafy
sy ny ranom-pahoriana,
ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao,
ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao.
Ary raha ianareo hivily
na ho ankavanana na ho ankavia,
dia handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe:

“Itý no lalana, ka ombao io!”

Ny Tompo handefa ny ranonorany
amin’ny voa nafafinao amin’ny tany,
ary ny tany hahavokatra mofo,
tsara tokoa sady betsaka,
amin’izany andro izany ny biby fiompinareo
hihinana eny amin’ny tany fiandrasana malalaka,
ary ny omby aman’ampondra miasa ny tany,
hihinam-bilom-bary matsiro,
voakororoka tamin’ny lapela aman-tsahafa.
Eny an-tendrombohitra avo rehetra,
eny an-kavoana avo rehetra,
hisy sakeli-drano aman-dranovelona,
amin’ny andro famonoam-be,
sy hianjeran’ny tilikambo.
Ny hazavan’ny volana
ho tahaka ny hazavan’ny masoandro;
ary ny hazavan’ny masoandro
ho avo fito heny,
tahaka ny hazavan’ny hafitoana,
amin’ny andro hamehezan’ny Tompo
ny ratran’ny vahoakany,
sy hanasitranany ny fery namelezany azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 146, 1-2. 3-4. 5-6

Sambatra izay rehetra manantena ny Tompo.

Derao ny Tompo fa tsara!
Antsao ny Andriamanitsika fa mamy:
eny, mendrika Azy ny dera!
Ny Tompo! Ilay manorina an’i Jerosalema,
manangona ny tafaely amin’i Israely.

Manasitrana ny torotoro fo;
sy mamehy ny ferin’izy ireo!
Ilay manisa tsirairay ny kintana,
sy miantso azy amin’ny anarany.

Tompontsika lehibe sy mahery,
Ilay tsy hita isa ny fahalalany!
Tompo manarina ny ory,
sy mampiohoka an-tany ny olon-dratsy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 35 — 10, 1 sy 6-8)

Onena i Jesoa nahita ireo vahoaka.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly
sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”

Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary hoy Izy:

“Mankanesa any amin’ny ondry very
amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty,
diovy ny boka, roahy ny demony;
nahazo maimaim-poana ianareo,
koa manomeza maimaim-poana.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 29, 17-24)

Amin’izany andro izany, hahiratra ny mason’ny jamba.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
Tsy vetivety foana va
dia ho zary saha misy hazo mamoa i Libàna,
ary ny saha misy hazo mamoa dia atao ho ala?
Amin’izany andro izany,
ny marenina handre ny tenin’ny boky
ary ny jamba hivoaka amin’ny haizina amana haizim-pito ka hahita.
Ny manetry tena hitombo hafaliana hatrany amin’ny Tompo,
ary ny mahantra indrindra hientan-kafaliana
ao amin’Ilay Masin’i Israely.
Satria lasa tsy hita intsony ny mpampahory
ary maty ny mpaniratsira,
ary ho ringana izay rehetra mamoron-tsain-dratsy,
dia ireo manameloka olona noho ny teniny indraim-bava;
mamela-pandrika ho an’izay namaky betroka azy eo am-bavahady;
ary mamery ny marina amin’ny laingany.

Noho izany,
izao no lazain’ny Tompo amin’ny taranak’i Jakôba,
dia Izy izay nanavotra an’i Abrahama:

“Tsy hisy hahamenatra an’i Jakôba intsony,
tsy hivaloarika intsony ny handriny.
Fa izy sy ireo taranany,
rahefa mahita ny asan’ny tanako eo aminy,
dia hanamasina ny Anarako izy ireo,
hanamasina an’Ilay Masin’i Jakôba izy ireo,
ary hanaja ny Andriamanitr’i Israely.
Ireo mivily saina, hianatra fahendrena,
ary ireo mimonomonona, handray fampianarana.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 26, 1. 4. 13-14

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko.

Ny Tompo no Fanilo sy Vonjiko:
iza no hatahorako?
Ny Tompo no Mandan’ny aiko:
zovy no hangovitako?

Fangatahana tsy mahasasatra ahy,
sy tozoiko indrindra, ry Tompo,
dia ny honina ao an-Tranon’ny Tompo
amin’ny andro rehetra iainako.

Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo
any amin’ny Tanin’ny Velona!
Mahandrasa ny Tompo, marisiha!
Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro avy ny Tompontsika miaraka amin’ny heriny, ary hohazavainy ny mason’ireo mpanompony.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 27-31)

Nino an’i Jesoa ireo jamba roa lahy nahiratra.

Tamin’izany andro izany,
dia nisy jamba roa lahy nanaraka an’i Jesoa teny an-dalana
sady niantso mafy nanao hoe:

“Ry Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!”

Nony tonga tany an-trano Izy,
dia nanatona Azy ireto jamba,
ary hoy i Jesoa taminy:

“Moa mino ianareo fa mahay manao izany Aho?”

Hoy ireo taminy:

“Eny, Tompoko.”

Dia notendreny ny masony, ka hoy Izy:

“Aoka ho tanteraka aminareo araka ny finoanareo.”

Dia nahiratra ny masony,
ary i Jesoa nandrara azy mafy hoe:

“Tandremo sao ren’olona izao.”

Kanjo nony nandeha ireo,
dia nampiely ny lazany tamin’izany tany rehetra izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...