Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 48, 17-19)

Enga anie ka hihaino ny teniko ianao.

Izao no lazain’ny Tompo Mpanavotra anao,
Ilay Masin’i Israely:
Izaho Tompo, Andriamanitrao,
mampianatra anao, mba hahitanao soa;
mitarika anao amin’ny lalana tokony halehanao Aho.
Enga anie ka hihaino ny teniko ianao,
dia ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao:
ho tahaka ny fasika ny taranakao;
ho tahaka ny vovo-pasika ny haloaky ny kibonao;
tsy hesorina ny anarany, na hovonoina eo anatrehako.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 1, 1-2. 3. 4 sy 6

Izay manaraka Ahy, hanana ny fiainana.

Endrey ny hasambaran’ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota, na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny lalan’ny Tompo no sitrany;
ny Lalàny no saininy andro aman’alina.

Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy,
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony,
mahomby avokoa!

Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy;
fa mova tsy akofa paohin-drivotra!
Fa ny lalan’ny olo-marina fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 16-19)

Tsy nohenoin’izy ireo na i Joany na ny Zanak’Olona.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Amin’inona no hanoharako itý taranaka itý?
Amin’ny ankizy madinika mipetraka eny an-kianja
izay miantso ny namany, ka manao hoe:
Nitsoka sodina taminareo izahay,
nefa tsy nandihy ianareo;
nanao hira mampalahelo izahay,
nefa tsy nandòn-tratra ianareo.
Fa tonga i Joany, tsy nihinana tsy nisotro,
nataon’ny olona hoe: Azon’ny demony izy.
Tonga indray ny Zanak’Olona, mihinana sy misotro,
lazain’ny olona hoe: Lehilahy lian-kanina io,
sady mpisotro divay sy sakaizan’ny poblikanina
mbamin’ny olon-dratsy fiaina rehetra.
Fa efa nohamarinin’ny asany ny Fahendrena.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 41, 13-20)

Izaho no Mpamonjy anao, Ilay Masin’i Israely.

Izaho no Tompo Andriamanitrao
mitantana anao amin’ny tanana an-kavanana,
milaza aminao hoe:

“Aza matahotra, izaho no tonga mamonjy anao.”

Aza matahotra, ry kankana avy amin’i Jakôba,
ry olom-bitsy sisa tamin’i Israely!
fa Izaho no tonga mamonjy anao — teny marin’ny Tompo —
ary Ilay Masin’i Israely no mpanavotra anao.
Indro ataoko ambaràmba maranitra ianao,
sady vao no marani-daniroa,
hodiovinao ny tendrombohitra sy hotorotoroinao,
ary hampanjarianao akofa ny havoana.
Hokororohinao izy,
ka hopaohin’ny rivotra sy haelin’ny ranonoram-baratra.
Fa ianao kosa hientan-kafaliana amin’ny Tompo,
ary Ilay Masin’i Israely no hireharehanao.
Ireo ory sy mahantra,
izay mitady rano fa tsy mahita,
ka mainan’ny hetaheta ny lelany,
dia Izaho Tompo no hihaino azy.
Izaho Andriamanitr’i Israely tsy handao azy.
Hampiboiboika renirano,
eo amin’ny tendrombohitra mangadihady Aho,
ary loharano eo afovoan’ny lohasaha:
hovako ho farihy ny efitra,
ary ho loharano miboiboika ny tany karankaina.
Ny efitra hampaniriako sedera, akasià, mirta sy ôliva;
hataoko indray maniry eo amin’ny tany lava volo
ny sipresa, platana, ary boisy.
Mba ho hitany sy ho fantany
ary hodinihiny sy hiarahany mahalala,
fa ny tanan’ny Tompo no nanao izany,
ary Ilay Masin’i Israely no nahary izany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 1 sy 9. 10-11. 12-13ab

Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po.

Manandratra Anao aho, ry Andriamanitra Mpanjaka,
sy misaotra ny Anaranao, ry ilay Mandrakizay!
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo;
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany.

Tompo ô, midera Anao ny asanao rehetra!
Misaotra Anao ny mpivavaka aminao!
Miresaka ny voninahitry ny Fanjakanao izy ireo,
sy miteny ny asanao mahery.

Mba ho fantatry ny olombelona ny asanao mahery,
ny voninahitra sy harevaky ny fanjakanao!
Fanjakana mandrakizay tokoa ny fanjakanao;
amin’ny taona mifandimby ny fifehezanao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 11-15)

Mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Lazaiko aminareo marina tokoa
fa amin’izay natera-behivavy
mbola tsy nisy nitsangana izay lehibe noho i Joany Batista;
kanefa izay kely indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra
no lehibe noho izy.
Ary hatramin’ny andron’i Joany Batista no ho mankatý
dia azo an-keriny ny Fanjakan’ny lanitra,
ka ny mpanao an-keriny no mahazo azy.
Fa ny Mpaminany rehetra sy ny Lalàna
dia naminany hatramin’i Joany,
ary raha mety mino ianareo
dia izy no ilay Elia ho avy.
Izay manan-tsofina hihainoana aoka hihaino.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 40, 25-31)

Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra manome hery an’izay sasatra.

Iza àry no hampitovinareo Ahy,
ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina?
Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere.
Iza no nahary ireo zavatra ireo?
Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo,
sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy,
ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany,
tsy misy midify ireny na dia iray aza.

Nahoana ianao, ry Jakôba, no milaza,
ary ianao koa, ry Israely, no miteny hoe:

“Miafina amin’ny Tompo ny lalako,
ary takona eo anatrehan’Andriamanitra
ny rariny ananako?”

Tsy fantatrao va? Tsy renao va?
Andriamanitra mandrakizay ny Tompo,
izay namorona ny faran’ny tany;
izay tsy mba mety sasatra na vizana
ary tsy takatry ny saina ny fahendreny.
Manome hery an’izay sasatra Izy
ary mampitombo tanjaka an’izay reraka.
Ny zatovo mety sasatra sy vizana,
ary ny tovon’olona mety hangozohozo.
Fa izay miankina amin’ny Tompo kosa,
mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery;
hihazakazaka, tsy hahalala sasatra;
handeha fa tsy hahatsiaro vizana.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8 sy 10

Isaory ny Tompo, ry fanahiko.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra:
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!

Izy ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.

Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika;
na araka ny helotsika no avaliny antsika.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 28-30)

Mankanesa aty amiko ianareo izay mijaly sy vesaram-pahoriana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny nanao hoe:

“Mankanesa aty amiko ianareo rehetra
izay mijaly sy vesaram-pahoriana,
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko,
fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo;
fa mora entina ny jiogako,
ary maivana ny Hazofijaliako.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 40, 1-11)

Hampionona ny vahoakany Andriamanitra.

“Ampionony, ampionony ny vahoakako,
hoy Andriamanitrareo.
Mitenena amin’ny fon’i Jerosalema, ary ataovy antso avo aminy,
fa tapitra ny fanompoany, voaonitra ny helony,
voarainy tamin’ny tanan’ny Tompo,
ny indroa heny valin’ny fahotany.”

Injany misy feo miantso hoe:

“Misavà lalana any an’efitra ho an’ny Tompo,
manorena arabe any an-tany lava volo ho an’ny Andriamanitsika!
Aoka ny lohasaha rehetra hasandratra:
ny tendrombohitra aman-kavoana rehetra haetry;
ny avo hanjary tany lemaka;
ary ny vato mideza ho lembalemba.
Dia hiseho ny voninahitry ny Tompo,
ka ho hitan’ny nofo rehetra tsy an-kanavaka
fa ny vavan’ny Tompo no efa niteny.”

Injay misy feo manao hoe:

“Miantsoa!”

dia nisy namaly hoe:

“Ahoana no antso hataoko?”
— “Ahitra ihany ny nofo rehetra
ary tahaka ny vonin-javatra eny antsaha
ny hatsaran-tarehiny.
Maina ny ahitra, malazo ny voniny
rahefa seranin’ny fofon’ain’ny Tompo.
Eny, ahitra ihany ny olombelona:
maina ny ahitra, malazo ny voniny,
fa ny tenin’Andriamanitra haharitra mandrakizay.”

Miakara eny an-tendrombohitra ianao
izay mitondra ny teny soa ho an’i Siôna.
Manandrata feo mafy ianao
izay mitondra ny teny soa ho an’i Jerosalema;
manandrata feo fa aza matahotra,
lazao amin’ny tanànan’i Jodà hoe:
Indro ny Andriamanitrareo!
Indro fa tonga ny Tompo Andriamanitra,
amin’ny heriny, ny sandriny mampiasa ny fahefana.
Indro fa miaraka aminy ny valisoa avy aminy,
ary ny tamby homeny, eo anoloany.
Toy ny mpiandry ondry hiandry ny andian’ondry izy;
handray ny zanak’ondry amin’ny sandriny,
hitondra an’ireny eo an-trotroany,
ary handroaka moramora ny mampinono.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 95, 1-2. 3 sy 10ad. 11-12. 13

Indro fa tonga ny Andriamanitsika miaraka amin’ny heriny.

Ikaloy ireo hira vaovao
ho an’ny Tomponao ry manan’aina.
Ny fisaorana aoka hanakoako.
Isan’andro vaky dia torio
’tony vonjy nentiny lazao,
mba handre daholo ny eran-tany.

Fa ny Tompo ihany no ambony,
mahatahotra Izy noho ny hafa,
ka variana erý ny firenena.
Tsinontsinona avokoa, rey lahy
ny andriamani-kafa tsy miteny,
f’Izy irery no masi-mandidy.

He! ny Tompo irery no Mpanjaka.
’Tony tany: vitany mijoro.
Zany rariny entiny mitsara.
Mifalia, ry lanitra sy tany.
Aoka hidobodoboka ny riaka
ka hifalihavanja izany saha.

Mandihiza ianao, ry hazo an’ala.
Anoloan’ny Tompo: indro Izy
mba hitsara ’zao tontolo izao.
’Tony tany itony hozakainy.
Ny ambanilanitra hotsarainy,
ilazany “marina” hatrany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 12-14)

Tsy tian’Andriamanitra hisy very na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Ahoana ny hevitrareo?
Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray,
moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo;
ka handeha hitady ilay nania izy?
Ary raha sendra hitany izy,
dia lazaiko marina aminareo
fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy
noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.
Toy izany koa,
tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very
na dia ny anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Jenezy (Jen 3, 9-15. 20)

Hampifandrafesiko ny taranakao sy ny taranaky ny vehivavy.

Rehefa nihinana tamin’ny voankazo i Adama,
dia niantso azy ny Tompo Andriamanitra nilaza taminy hoe:

“Aiza moa ianao?”

Hoy ny navaliny:

“Nandre ny feonao tao anaty saha aho,
ka natahotra fa mitanjaka, ka dia niery aho.”

Ary hoy ny Tompo Andriamanitra:

“Iza no nahafantaranao fa mitanjaka ianao?
Moa nihinana tamin’ny hazo noraràko tsy hihinananao va ianao?”

Hoy ny navalin-dralehilahy:

“Ny vehivavy izay napetrakao eto amiko
no nanome ahy tamin’ilay hazo dia nihinana aho.”

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin-dravehivavy:

“Ahoana no nanaovanao izany?”

Hoy ny navalin-dravehivavy:

“Ny bibilava no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.”

Hoy ny Tompo Andriamanitra tamin’ny bibilava:

“Noho ianao nanao izany,
dia voaozona ianao amin’ny biby rehetra eny an-tsaha:
hikisaka amin’ny kibonao ianao
ary vovo-tany no hohaninao
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Ary hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy,
ny taranakao sy ny taranany:
izy hanorotoro ny lohanao,
ianao kosa hanorotoro ny ombalahin-tongony.”

Ary Eva no nataon’i Adama anaran’ny vadiny,
satria izy no renin’ny olombelona rehetra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 97, 1. 2-3ab. 3de-4

Ihirao hiravao ny Tompo, fa nahavita zava-mahagaga.

Ihirao hira vao ny Tompo
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina.

Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho fahamarinana tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry Tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany.

Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’ny Andriamanitray!
Mihobia ny Tompo, ry tany tontolo,
mientàna, mihobia sy miantsà.

Vakiteny faharoa

Taratasin'i Masindahy Paoly Apôstôly ho an'ny kristianina tany Efezy (Efez 1, 3-6. 11-12)

Tao amin’i Kristy no nifidianan’Andriamanitra antsika talohan’ny nahariana izao tontolo izao.

Ry kristianina havana,
hisaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay nitso-drano antsika tao amin’i Kristy,
amin’ny tsodrano rehetra ara-panahy any an-danitra,
sy nifidy antsika tao aminy
talohan’ny nahariana izao tontolo izao,
mba ho masina sy tsy manan-tsiny eo anatrehany isika,
ary nanendry antsika rahateo tamim-pitiavana
araka ny sitraky ny fony,
mba ho zanaka hatsangany amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika;
nampamirapiratra ny voninahitry ny fahasoavany izany,
dia ny fahasoavany nanasoavany antsika
ao amin’Ilay malalany.
Tao aminy ihany koa no nandraisantsika ny lovantsika,
rehefa voatendry rahateo isika,
araka ny fikasan’Ilay manao ny zavatra rehetra
manaraka ny hevitry ny Fony,
mba ho fankalazana ny voninahiny isika,
dia isika izay nanantena an’i Kristy rahateo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

Arahaba, ry ilay feno hasoavana, ny Tompo ao aminao.

Tamin’izany andro izany,
dia nirahin’Andriamanitra ny Anjely Gabriely
ho any amin’ny tanàna anankiray any Galilea
atao hoe Nazareta,
ho any amin’ny Virjiny anankiray
fofom-badin’ilay lehilahy atao hoe Jôsefa,
ary ny anaran’ilay Virjiny dia Maria.
Ary nony niditra tao aminy ilay Anjely dia nanao hoe:

“Arahaba, ry ilay feno hasoavana; ny Tompo ao aminao;
nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao.”

Taitra izy nahare izany,
ka nieritreritra izay tokony ho hevitr’izany fiarahabana izany.
Fa hoy ny Anjely taminy:

“Aza matahotra, ry Maria,
fa sitrak’Andriamanitra ianao.
Ary indro, hitoe-jaza ianao,
ka hiteraka Zazalahy,
ary Jesoa no hataonao Anarany.
Ho lehibe Izy ka hatao hoe Zanaky ny Avo indrindra:
dia homen’Andriamanitra ny fiketrahan’i Davida rainy Izy,
ka hanjaka mandrakizay amin’ny taranak’i Jakôba,
ary tsy hanam-pahataperana ny fanjakany.”

Fa hoy i Maria tamin’ilay Anjely:

“Ahoana no hahatongavan’izany,
fa tsy mahalala lahy aho?”

Hoy ny Anjely namaly azy:

“Ny Fanahy Masina no ho tonga ao aminao,
ary ny herin’ny Avo indrindra no hanaloka anao;
noho izany dia hatao hoe
Zanak’Andriamanitra ny Masina haterakao.
Ary indro i Elizabeta rahavavinao
dia efa mitoe-jaza koa na dia efa antitra aza,
ary efa mandray enina izy izao ilay natao hoe momba,
fa tsy hisy tsy ho hain’Andriamanitra atao.”

Dia hoy i Maria:

“Inty aho ankizivavin’ny Tompo,
aoka anie ho tanteraka amiko araka ny teninao.”

Dia niala teo aminy ny Anjely.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Barôka Mpaminany (Bar. 5, 1-9)

Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra.

Avelao ny akanjo fisaonana amam-pahorianao, ry Jerosalema;
fa ny fanamiam-boninahitra avy amin’Andriamanitra tonga ho anao mandrakizay no iakanjoy,
mihodidîna ny kapaotim-pahamarinana avy amin’Andriamanitra,
ataovy ao an-dohanao ny hamamian’ny voninahitr’Ilay mandrakizay.
Fa Andriamanitra haneho ny famirapiratanao amin’ny tany rehetra ambanin’ny lanitra.
Hotononin’Andriamanitra ho mandrakizay ny anaranao:
“Fiadanam-pahamarinana”, “Famiratam-pitiavam-bavaka”.
Mitsangàna, ry Jerosalema, mijoroa eo amin’ny havoana, mitazàna miantsinanana,
ka jereo irery zanakao tafavory noho ny tenin’Ilay Masina,
hatrany andrefana ka hatrany atsinanana,
miravoravo noho ny nahatsiarovan’Andriamanitra azy ireo.
Mandeha tongotra no nandaozany anao, nobaboin’ny fahavalo;
fa entina amim-boninahitra no amerenan’Andriamanitra azy aminao,
hoatra ny seza fiandrianan’ny mpanjaka.
Satria nasain’Andriamanitra nietry avokoa rehefa mety ho tendrombohitra avo,
amam-batolampy fahagola ary hitototra rehefa mety ho lohasaha, hahamarintampona ny tany,
mba handehanan’i Israely tsy voasembantsembana ho an’ny voninahitr’Andriamanitra.
Ny ala aman-kazo mamofona manitra aza,
nanome ny alokalony ho an’i Israely avokoa noho ny didin’Andriamanitra.
Fa hoentin’Andriamanitra amin-kafaliana i Israely, amin’ny fahazavan’ny voninahiny,
hanehoany famindram-po ary fahamarinana avy aminy ihany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

Eny nanao zava-dehibe ho antsika tokoa ny Tompo; ka revon-kafaliana isika.

Raha ny Tompo nampody an’i Siôna izay babo,
dia toa nofinofy ny anay;
vakin’ny hehy izahay,
nanakoako ny hiranay!

Ireo firenena kosa nitakoritsika:
“Lalina ity nataon’ny Tompo taminy!”
Lalina tokoa ny nataony taminay:
koa akory ity hafalianay!

Ampodio, ry Tompo, ny babo taminay;
avereno faingana toy ny ranotrambo.
Izay mamafy amin-dranomaso
no mijinja amin-kira.

Eny tokoa, raha mandroso no tomany
am-panipazana ny voa;
fa nony miverina, manakora sy mihoby
no milanja ny vokatra!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 1, 4-6. 8-11)

Dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo.

Ry kristianina havana,
mivavaka an-kafaliana isaky ny mivavaka ho anareo rehetra aho,
noho ny firaisanareo hampandroso ny Evanjely,
hatramin’ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
sady matoky aho fa izay nanomboka izany asa soa indrindra izany tao aminareo,
dia hanatanteraka izany mihitsy hatramin’ny andron’i Jesoa Kristy.
Fa Andriamanitra no vavolombelona fa manina anareo rehetra ao am-pon’i Kristy Jesoa indrindra aho.
Ary izao no angatahiko aminy,
dia ny hitombo bebe kokoa hatrany hatrany amin’ny fahaizana amam-pahalalana rehetra ny fitiavanareo,
mba hamantaranareo izay tsaratsara kokoa,
dia ho madio sy tsy manan-tsiny mandra-piavin’ny andron’i Kristy ianareo,
ary ho feno ny vokatry ny fahamarinana avy amin’i Jesoa Kristy,
ho voninahitra sy fiderana an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany, dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 1-6)

Hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

Tamin’ny taona fahadimy ambin’ny folon’ny nanjakan’i Tibera Sezara,
fony i Pôntsy Pilaty no governora tany Jodea,
i Herôda no tetrarka tany Galilea,
i Filipo rahalahiny no tetrarka tany Itorea sy Trakônitida,
i Lisanià no tetrarka tany Abilena,
ary i Ana sy i Kaifa no lehiben’ny mpisorona,
dia tonga tamin’i Joany zanak’i Zakaria tany an’efitra ny tenin’Andriamanitra.
Dia nankany amin’ny tany rehetra amoron’i Jordany izy,
nitory batemim-pibebahana ho famelan-keloka,
araka ny voasoratra ao amin’ny bokin’ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Re ny feon’ilay miantso avy an’efitra hoe:
Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny halehany;
ny lohasaha rehetra hototofana,
ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra haetry, ny melomeloka hahitsy,
ary ny lalana mikitoantoana hohamarinina,
dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Samy tsy namaly ilay adi-hevitra natao teny amin'ny Centre Arrupe Faravohitra, ireo kandida ho ben'ny tanàna an'Antananarivo, avy amin'ireo antoko TIM sy ny vovonana Irmar, ao Antananarivo-renivohitra...
  • 48 isa ireo olona voavonjy tao anatin'ny vedette nitondra tera-tany Sômaliana 70, nikasa ho an'ny Mayotte, olona miisa 2 maty no navarina an-dranomasina, ankoatra ireo vehivavy miisa 5 hafa maty tao amin'ny nosy Iranja...
  • Nahampafantarina tamin'ny fomba ôfisialy ny fitadiavana mpanazatra ho an'ny ekipam-pirenena "A" Barean'ny Madagasikara, izay naton'ny federasiôna, hikatona amin'ny 5 desambra izao ny tolotr'asa...
  • Tsy nisy afa-tsy herinandro monja ny fiatohan'ny ady nisy teo amin'ny Hamas sy ny Israeliana, tao anatin'ny 1 taona sy 1 volana.

Fitaovam-pifandraisana mahomby sy maharitra ifampiresahan'ny Kristianina amin'Andriamanitra ny vavaka. Ao amin'ny Misterin'ny Trinite Masina anefa no loharanon'izany fifandraisana izany ; fifandraisan'ny olombelona amin'Andriamanitra ny vavaka. Ny ohatra omen'i Jesoa no manamafy fa ny vavaka dia fifandraisana mivantana amin'ilay Ray... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

Tsy misy lalan-kafan'ny fivavahana kristianina afa-tsy i Kristy. Izay fivavahantsika na iombonana na an'ny tsirairay, na atao am-bava na atao am-po dia tsy ho tonga any amin'ny Ray raha tsy mivavaka amin'ny anaran'i Jesoa Zanaka isika. Afaka miantso an'Andriamanitra ho "Ray" isika satria ny Zanak'Andriamanitra tonga olombelona no nanambara Azy... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.

Miantso ny olom-pirenena mba hibebaka ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, indrindra ny kristianina katôlika manana andraikitra. Mampirisika ny rehetra mba handinin-tena hoe : inona no efa nataoko, ny ataoko ankehitriny sy ny hataoko mba ho fampandrosoana ny tanindrazana, manentana ny tsirairay ihany koa hiala amin'ny kolikoly sy ny toeratra ratsy... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Tsy ampy ny fanabeazana eto Madagasikara indrindra ny maha-olona. Mila heverina ny fandaharam-pianarana mba hanampy ny ankizy sy ny tanora hahay hiatrika asa aoriana toy ny fambolena sy fiompiana, rafitra, raharaha ara-barotra... Tokony omena lanja manokana ny taranja " Instruction Civique" sy ny "formations humaines" ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

  • Mavaivay ny fifanenjehana eo amin'ireo samy kandidàn'ny fanoherana, ho an'ny fifidianana ben'ny tanànan'Antananarivo. Hitarika fiparitahan'ny vaton'ny mpanohitra izany, hoy Andriamatoa Ralison Roger...
  • Maro ireo mpanjifa no mimenomenona amin'ilay fakàna hetra 0,5% amin'ny fandefasam-bola amin'ny Mobile Money. Misy ireo mitaky ny hanafoanana io hetra vaovao io...
  • Mampanahy ny tsy hananan'ny vehivavy anjara tany, raha sanatria misy fisaraham-panambadiana. Nisy ny fanadihadiana namoahana izany fehin-kevitra momba ny olan'ny fananan-tany izany...
  • Mizarazara ny hevitr'ireo tandrefana momba ny namoahan'ny CPI didy fampisamborana ny Praiministra Israeliana...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...