Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 26, 1-6)

Avelao hiditra ny firenena marina, mitana ny fahamarinana.

Amin’izany andro izany,
hohiraina ao amin’ny tanin’i Jodà izao hira izao:
Manana tanàna mafy isika!
Ny famonjeny no ataony mandany sy manda ivelany.
Vohay ny vavahady, avelao hiditra ny firenena marina,
mitana ny fahamarinana.
Ny fo mahalefitra iantohanao fiadanana
noho izy matoky anao.
Matokia ny Tompo mandrakizay ianareo,
fa vatolampin’ny taona rehetra Izy.
Manetry izay nonina any amin’ny havoana Izy,
naniva azy amin’ny tany,
nataony mikasika ny vovoka izy,
ka voahosihosin’ny tongotra izy,
dia ny tongotry ny ambany toetra
sy ny dian’ny ory.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 117, 1. 8-9. 19-21. 25-27a

Hisaorana amin’ny Anaran’ny Tompo anie Ilay avy.

Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo!
Fa mandrakizay ny fitiavany!
Aleo dia aleo re mifefy amin’ny Tompo,
toy izay re mifefy amin’olona.
Aleoko tokoa re mifefy amin’ny Tompo,
toy izay amin’olo-mahery.
Vohay ny varavaran’ny fahamarinana,
hidirako hisaotra ny Tompo.
Fa eto tokoa ny varavaran’ny Tompo:
Ny Masina no miditra aminy.
Isaorako Ianao, fa mihaino ahy, ry Tompo:
nanaiky ho Mpamonjy ny aiko.
Tongava, ry Tompo, tongava hamonjy;
tongava hanome fandresena.
Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Tompo,
Ilay tonga avy amin’ny anarany.
Ho tsofinay rano tokoa ianareo,
mivory ato an-tranon’ny Tompo.
Fa tena Andriamanitra ilay Tompontsika,
manilo ary koa manazava.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany; sambatra izay vonona hitsena Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 7, 21. 24-27)

Izay manao ny sitra-pon’ny Raiko no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompo, Tompo!
no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra;
fa izay manao ny sitra-pon’ny Raiko izay any an-danitra,
izy ihany no hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Koa amin’izany,
na zovy na zovy mandre izao teniko izao
ka mitandrina azy,
dia hohàrina amin’ny lehilahy hendry
izay nanorina ny tranony
teo ambonin’ny vatolampy;
ary latsaka ny ranonorana
ka tondraka ny ony,
ary nifofofofo ny rivotra
namely izany trano izany,
nefa tsy nianjera izy,
fa niorina teo ambonin’ny vatolampy.

Ary na zovy na zovy mandre izao teniko izao,
ka tsy mitandrina azy,
dia hanahaka ny lehilahy adala
nanorina ny tranony teo ambonin’ny fasika;
ary latsaka ny ranonorana
ka tondraka ny ony,
ary nifofofofo ny rivotra
namely izany trano izany,
dia nianjera izy
ka loza ny faharavany.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 25, 6-10)

Manomana fanasana ny Tompo ary hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra.

Amin’izany andro izany
ny Tompo, Andriamanitry ny tany aman-danitra,
dia hanomana fanasana amin’ity tendrombohitra ity
ho an’ny firenena rehetra,
fanasana amin’ny hena matavy,
fanasana amin’ny divay ela niotrehana,
hena matavy sy be tsoka,
divay ela niotrehana sy voatantavana.
Horovitiny eto amin’ity tendrombohitra ity
ny voaly manarona ny olona rehetra,
mbamin’ny rakotra mandrakotra ny firenena rehetra.
Ny fahafatesana hofoanany tsy hisy mandrakizay.
Ny Tompo hamafa ny ranomaso amin’ny tava rehetra,
ny henatry ny vahoakany
hesoriny tsy hisy amin’ny tany rehetra;
fa efa niteny ny Tompo.
Izao no holazain’ny olona amin’izany andro izany:

“Indro ny Andriamanitsika
izay niankinantsika mba ho voavonjy;
dia ny Tompo izay nantenaintsika.
Aoka isika hanao hafaliana sy firavoravoana
amin’ny famonjeny.”

Fa ny tanan’ny Tompo
hipetraka amin’ity tendrombohitra ity.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 22, 1-3a. 3b-4. 5. 6

Ny tranon’ny Tompo no honenako amin’ny taona maro mifandimby.

Ny Tompo miandry ahy: tsy orin’inona aho.
Izaho ampiraotiny amin’ny vilo-maitso,
entiny amin’ny rano manala sasatra,
velombelominy fanahy,
tarihiny amin’ny lala-marina noho ny Anarany.
Na mamaky lohasaha maizina aza aho,
tsy matahotra izay loza,
satria Ianao miaraka amiko;
ny kibay aman-tehinao mampatoky ahy.
Rosoanao sakafo eo imason’ny rafiko aho:
ka ny loha mitavona ilo, ny kapoaka safomorona.
Eny,
hatsaram-po sy hasambarana
no manjohy amin’ny fiainana tontolo.
Ny tranon’ny Tompo no fonenana
amin’ny taona maro mifandimby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tongava, ry Tompo, ary aza ela; vahao ny fatoran’ny vahoakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 15, 29-37)

Nanasitrana olona maro i Jesoa ary nampitombo ny mofo.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nankany amoron-dranomasin’i Galilea,
ary niakatra tany an-tendrombohitra Izy ka nipetraka teo.
Maro ny vahoaka nanatona Azy teo,
nitondra ny moana, ny jamba, ny mandringa, ny kilemaina
mbamin’ny marary hafa betsaka,
sy nametraka azy teo an-tongotr’i Jesoa dia nositraniny,
hany ka gaga ireo vahoaka rehetra ireo
nony nahita ny moana niteny, ny kilemaina sitrana,
ny mandringa afa-mandeha, ny jamba nahiratra,
ka nankalaza an’Andriamanitr’i Israely izy ireo.
Ary niantso ny mpianany i Jesoa ka nilaza taminy hoe:

“Mampalahelo Ahy ireto vahoaka,
fa efa hateloana izay no tsy nisarahany tamiko,
ka tsy manan-kohanina izy,
tsy tiako ny hampody azy tsy homan-kanina
sao dia reraka eny an-dalana izy.”

Fa hoy ny mpianany taminy:

“Aiza no hahazoanay mofo
ampy hahavoky ireo vahoaka be ireo aty an’efitra?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Manana mofo firy ianareo”?

Hoy ireo taminy:

“Fito sy hazandrano madinika vitsy foana.”

Dia nasainy nipetraka tamin’ny tany ny vahoaka;
ary noraisiny ny mofo fito sy ny hazandrano,
dia nanaovany fisaorana sy novakìny
ka nomeny ny mpianany,
ary ny mpianany kosa nanome ny vahoaka.
Dia nihinana izy rehetra ka voky,
ary sobika fito no feno ny sombintsombiny
sisa tsy lany nangonina.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany 11, 1-10

Hitoetra eo aminy ny Fanahin’ny Tompo.

Amin’izany andro izany,
hisy rantsana hipoitra amin’ny fototr’i Jese,
ary hisy solofo haniry avy amin’ny fakany.
Hitoetra eo aminy ny Fanahin’ny Tompo,
dia ny fanahin’ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina,
fanahin’ny fifidianana amam-paherezana,
fanahin’ny fahalalana amam-pahatahorana ny Tompo.
Ny fahatahorana ny Tompo no fototry ny fahafinaretany.
Tsy hitsara araka izay miseho amin’ny masony Izy,
na hanapaka araka izay ren’ny sofiny.
Ny madinika hotsarainy ara-drariny,
ary ny mpietry eto an-tany
dia hamoahany teny fitsarana araka ny marina.
Hikapoka ny tany amin’ny tsorakazon’ny vavany izy,
ary hamono ny ratsy fanahy amin’ny fofon’ain’ny molony.
Fahamarinana no hisikinan’ny andilany
ary fatrapo mahatoky no ho fehin-kibony.
Ny amboadia hiara-mitoetra amin’ny zanak’ondry,
ny pantera hiara-mandry amin’ny zanak’osy,
ny zanak’omby sy ny liona aman’omby mifahy,
hiray toerana, ka zaza no hiroaka azy.
Ny ombivavy sy ny orsa handeha ho amin’ny tanim-bilona iray,
ny zanak’ireo hiray trano fandriana;
ary ny liona hihinam-bilona ohatra ny omby.
Ny zaza minono hilalao eo amin’ny lavaky ny menarana;
ary ny zaza vao misara-nono
hanao ny tanany ao an-davaky ny baziliky.
Tsy hisy hampidi-doza na handrava,
eran’ny tendrombohitra masina,
satria ny tany ho feno fahalalana ny Tompo,
toy ny fanambanin’ny ranomasina,
feno ny rano manarona azy.
Izao no hiseho amin’izany andro izany:
ny solofon’i Jese,
voatsangana ho fanevan’ny vahoaka samihafa,
dia hotadiavin’ny firenena,
ary ho be voninahitra ny fonenany.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 71, 1-2. 7-8. 12-13. 17

Hamony amin’ny andron’ny Tompo ny rariny, ary ny fiadanana hitombo mandrakizay.

Andriamanitry ny fahamarinana ô,
mba tolory ny andriana mpitondra sy ny zanak’andriana ho dimbiny,
ny fahaiza-mitsara ara-drariny.
Amin’ny androny hamony ny rariny,
ary mandra-pahafatin’ny volana,
dia hisy fandriam-pahalemana lavorary sy feno tanteraka.
Ranomasina no ho sisin-taniny,
ary ny ony no ho valam-parihiny.
Izy hanafaka ny malahelo mitoloko tsy manan-kanampy.
Ny mahantra sy ny ory hovonjeny,
hotsimbininy hatrany ny osa.
Ny Anarany hankalazaina sy haharitra toy ny masoandro.
Ary indro hatao fitahiana ireo foko manerana an-tany.
Ary Izy no ho reharehan’ireo mponin’ny tany tontolo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 10, 21-24

Nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina ka nanao hoe :

“Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray,
na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambaràna Azy.”

Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy
ka nilaza taminy manokana hoe :

“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo
fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka
naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita,
ary handre izay renareo, fa tsy nandre.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Ny sekoly dia avy amin'ny teny anglisy "shool" izay toerana iray voafaritra anaty fefy na rindrina ; tamin'ny andro nanjakan'ny Mpanjaka Radama-I no nisian'ny fampianarana amin'ny endriny ankehitriny, nisy teratany frantsay iray nantsoina hoe " Mr Robin" mpampianatra nampianatra voalohany vehivavy vitsivitsy tao an-drova. Ny sekoly amorom-patana dia niantsorohan'ireo Renibe sy reny ho an'ny sokajin'ankizy sy zaza, ireo notovozina teo amorom-patana dia nosedraina sy nohadinina teny an-kianja rehefa vanim-potoana ny diavolana.

  • Hanomboka anio ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina amin'ny 11 desambra 2024 izao. Hanana 21 andro ireo kandidà handresen-dahatra ny mpifidy...
  • Nahazo PDS vaovao indray ny kaominina Antananarivo renivohitra. Notendrena amin'izany toerana izany Andriamatoa Alexandre Georget, Ministry ny tontolo iainana teo aloha...
  • Nahena 10% ny teti-bolan'ireo ministera sy andrim-panjakàna rehetra, araka ny voarakitry ny lalàna mifehy ny teti-bola-panjakàna 2025. Natokana hamahàna ny olan'ny Jirama avokoa ireo vola ireo...

Ambaran'ny Soratra Masina fa mijery ny dion-tanan'izay mivavaka Andriamanitra, ary tsara tadidiana fa tsy ny fanasàna azy amin'ny rano sy ny savony no hampadio ny tanantsika fa amin'ny tsy fampiasana azy amin'ny zava-dratsy. Noho izany na ny ataontsika na ny saintsika na ny fontsika no tsy madio dia tsy afaka ny hahita an'ilay Andriamanitra ary mazava loatra fa tsy afaka miresaka Aminy. Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa OSsT.

  • Tsy hisy ny fampiakarana ny karaman'ny mpiasam-panjakana amin'ny taona 2025. Nahena 10% avokoa ny teti-bolan'ny Minisitera sy ny Andrim-panjakana rehetra, araka ny voarakitry ny LFI 2025...
  • Afaka mitondra raharaha amin'ny ambonimbony kokoa ny CENI, raha voaporofo fa misy ireo kandidà mandika lalàna mandritra ny fampielezan-kevitra...
  • Tsy mbola misy ahiana amin'ny toetrandro eto Madagasikara aloha, ilay rivodoza Bheki hatramin'izao...

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...

Vakiteny voalohany - Taona A

Bokin'i Izaia Mpaminany 4, 2-6

Ho rehareha amam-boninahitra ho an’ireo sisan’i Israely afaka ny Mesia.

Amin’izany andro izany,
ny Solofon’ny Tompo ho haingo amam-boninahitra,
ary ny Vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka,
ho an’ireo sisan’i Israely afaka.
Ka izay ho tafajanona ao Siôna,
sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema
hantsoina hoe masina,
dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana.
Rahefa voasasan’ny Tompo ny loton’ny zanakavavin’i Siôna,
ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany,
amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana,
amin’izay dia hoforonin’ny Tompo
eran’ny tendrombohitra Siôna manontolo,
sy eo ambonin’ny fivoriany,
ny rahona aman-tsetroka anankiray mandritra ny andro,
ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina.
Eo ambonin’ny voninahiny rehetra dia hisy elo:
fa hisy lay mba hanalokaloka,
amin’ny fidaindainan’ny andro,
ary ho fandosirana sy fialofana
amin’ny ranonorambaratra sy ny ranonorana.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany - Taona B sy D

Bokin’i Izaia mpaminany (Iz. 2, 1-5)

Angonin’ny Tompo hiadana mandrakizay eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny firenena rehetra.

Teny hitan’i Izaia, zanak’i Amôsa momba an’i Jodà sy i Jerosalema.
Izao no ho tonga any amin’ny andro farany:
Ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo, hatao eo an-tampon-tendrombohitra;
sy hasandratra eo ambonin’ny havoana.
Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,
ary firenena maro no ho avy hilaza hoe:

“Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo,
any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba;
hampianatra antsika ny lalany Izy,
ary hizotra amin’ny lalany isika.”

Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’ny Tompo.
Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro.
Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana.
Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa,
ary tsy hianatra ady intsony ny olona.
Avia, ry taranak’i Jakôba,
ka aoka handeha amin’ny fahazavan’ny Tompo isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 121, 1-3. 4-5. 6-7. 8-9

Faly aho nilazana hoe : Andeha isika ho any an-tranon’ny Tompo

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra,
nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo.
Indro tonga soa ’zahay tapitr’eto re ny dia,
eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.

Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo!
Ao ny Anaran’Izy Tompo no derain’i Israely.
Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao,
ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida.

Angataho, italahoy fiadanana i Siôna.
Fanambinana e, mba ho amin’ny olon-tia anao rehetra.
Fiadanana e, mba honina ao anaty mandanao!
ka hanjaka lalandava ao anaty rovanao.

Noho ireo sakaiza maro sy ireo havako rehetra,
aoka aho hilaza hoe: Fiadanana ho anao!
Noho ny tranon’Izy Tompo dia ’lay Andriamanitray,
tiako indrindra, ry Siôna, ny mba hiadananao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 5-11

Maro ny avy any Atsinanana sy ny avy any Andrefana no ho any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
rahefa niditra tao Kafarnaôma i Jesoa,
dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy
ka nihanta taminy nanao hoe :

“ Tompo ô,
marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko,
sady mijaly mafy dia mafy. ”

Ary hoy i Jesoa taminy :

“ Ho avy hanasitrana azy Aho. ”

Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe :

“ Tompoko,
tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho,
fa manonòna teny iray ihany,
dia ho sitrana ny ankizilahiko.
Fa na dia olom-pehezina aza aho,
mba mifehy miaramila ihany koa,
ka raha lazaiko amin’ny iray hoe :
Andeha ianao, dia mandeha izy;
ary amin’ny anankiray :
Avia ianao, dia avy izy,
ary amin’ny ankiziko : Ataovy izao, dia manao izy. ”

Gaga i Jesoa nony nandre izany,
ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy :

“ Lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely.
Ary izany koa no ilazako aminareo
fa maro ny avy any Atsinanana sy avy any Andrefana
no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be
miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka, ary i Jakôba
any amin’ny Fanjakan’ny lanitra. ”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Raha atao indray mijery dia hita fa manao fandaniana fa tsy miheritreritra ny hampiasa vola na hampidi-bola anatin'ny fitondram-panjakàna ny mpitondra, anatin'ilay volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine...
  • Tafakatra 1 miliara Ariary ny fanodikodinam-bola nitranga tany amin'ny Faritra Asimo-Atsinanana nahakasika ny resakaa tsena-baro-panjakàna nitranga teo anelanelan'ny taona 2020 hatramin'ny taona 2022...
  • Any amin'ny 2.000 km miala amin'ny morontsirak'i Madagasikara any amin'ny ranomasimbe Indiana no misy ny foiben'ilay rivo-doza BHEKI, tsy mbola misy fiatraikany amin'ny toetry ny andro eto amin'ny nosy izy io...

  • Niakatra 10% ny tahan'ny fahatongavan'ny mpizahan-tany teto Madagasikara tamin'ity taona 2024 ity raha oharina tamin'ny taona 2023 hoy ny teo anivon'ny ôfisim-pirenena momba ny fizahantany ONTM...
  • Vondron-tobim-pileovan'ny zandarimariam-pirenena Menabe : Ramatoa iray sy ny vadiny no tratra niaraka taminà rongony milanja 300kg, tao anaty gony miisa 15 omaly alahady...
  • Gilles Hugon no hitantana vonjimaika ny ekipam-pirenena Malagasy mandritra ny lalao fahaenina farany hifanandrinany amin'ny Comores, mandritra ny fifanaitsanana amin'ny CAN atao any Maroc anio alina amin'y 8ora any an-toerana...

Ny fivavahana dia mampiditra antsika ao amin'ny Misterin'ny Trinite Masina amin'ny alalan'ny Jesoa Kristy. I Jesoa Kristy no manokatra ho antsika ny lanitra ka hahafahantsika mifandray amin'Andriamanitra dia ny fifandraisana amin'ilay Andriamanitra tokana olona telo dia ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa OSsT.

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...