♦ Mananika ny 1600 ny isan'ny olona efa nitondra sy mbola mitondra ny Coronavirus araka ny tarehimarika farany... ♦ Feno 185 taona omaly ny Baiboly Malagasy vita printy voalohany... ♦ Hodinihin'ny Solombavambahoaka amin'ny fivoriana itambaram-be anio ny volavolan-dalana fanitsiana ny teti-bolam-panjakana 2020...

♦ Nidoboka am-ponja vonjimaika ireo olona 7 niakatra teny amin'ny PAC, izay voasaringotra tamin'ilay raharaha vatomamy 8 miliara ariary, teo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Nolavin'ny Antenimierandoholona ny fahafahan'ny mpanao gazety mamoaka vaovao azo avy amin'ny fivoriana mikaton-trano...

♦ 40 ireo olona voatily tratran'ny Coronavirus ary 35 ireo sitrana araka ny tatitry ny CCO Covid-19... ♦ Nampahatsiahy ny mpitondra malagasy tamin'ny teny nomeny ny amin'ny hiverenan'ireo Nosy Malagasy amin'i Madagasikara mialohan'ny 26 jona ny Otrikafo... ♦ Ho hentitra ny fivezivezena ao amin'ny Araben'ny Fahaleovantena manomboka ny 24 jona ho avy izao...

♦ Niampy 40 indray ireo olona voatily fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus araka ny tatitry ny mpitondra tenin'ny CCO Covid-19 androany... ♦ Nilanja sora-baventy teo anoloan'ny masoivoho frantsay teny Ambatomena androany ny Antoko Otrikafo, nitaky ny hamerenana amin'i Madagasikara ireo Nosy Malagasy...

Azo heverina ho fitaovana hitodihana amin'Andriamanitra ny aretina. Marina fa manimba ny aina izy nefa ny fisiany no mahatonga ny olona hihoitra handresy ny ratsy. Ny hevitry aretina ao amin'ny Soratra Masina, Finoana-Aina miaraka amin'ny P Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien, Rektoran'ny seminera zandriny Ambohipo, Antananarivo.

♦ Efa any anivon'ny Primatiora ny volavolan'ny datim-panadinana izay natolotry ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Hamoraina manomboka ny volana jolay io ny fandoavana ny fanampiana avy amin'ny fanjakana ho an'ny mpampnatra FRAM... ♦ Mnisitry ny Asa vaventy : Nampitomboina ao anatin'ny teti-bolam-panjakna hasiam-panitsiana ny vola hanamboaran-dalana...

♦ Niampy iray indray ny matin'ny tsimok'aretina Covid-19 eto amintsika, raha ny tatitry ny mpitondra tenin'ny CCO... ♦ Vonona hifaninana amin'ireo orinasa goavana mamokatra fanafody eran-tany, na ireo antsoina hoe Big Pharma i Madagasikara... ♦ FIVMPAMA : nahafa-po amin'ny ankapobeny ny fihaonana tamin'ny fitondrana saingy mitaky asa mivaingana...

♦ Niampy iray indray ny olona matin'ny tsimok'aretina Covid-19 eto amintsika. Nisy tranga vaovao 25 ihany koa hita tao aorian'ny fitiliana natao... ♦ Naneho ny tsy fahafaliana sy nanao fitokonana tao anatin'ny toerana itazonana azy ireo indray androany ireo olona mararin'ny Coronavirus any Toamasina... ♦ Tonga ny hariva teo ireo fitaovana milanja 100 taonina nafarana avy any ivelany, hananganana ilay orinasa hamokatra fanafody eto Madagasikara...

Manohana hatrany ireo rehetra miasa amin’ny sehatry ny ranomasina i Papa François.

Ilaina ny fanomezana fanabeazana ny zanaka amin'ny fampafantarana azy ireo ny lafim-piainana. (17-06-2020)

♦ Nanambara ny Antoko Otrikafo fa manana vahaolana hanarenana ny toe-karena aorian'ny valan'aretina Coronavirus izy ireo... ♦ Mitaky ny hanaovan'ireo tompon'andraikitry ny CNaPS tatitry ny fitantanana ara-bola ny vondrona sendikaly IndustriAll Madagasikara... ♦ Homarihana amin'ny alahady izao ny fetin'ny Mozika. Hiavaka ny fankalazana ho an'ny IFM ao Analakely...

♦ Natolotry ny Praiministra Ntsay Christian omaly ny drafitra ho fanarenana ny toe-karem-pirenena eto Madagasikara... ♦ Nitombo 61 indray ireo olona voatily fa nahitana ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Hanohy ny fitaikana ireo Nosy malagasy manodidina indray ny Antoko Otrikafo...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...