Fiainana andavanandro ary mety hahakasika ny rehetra ny "tsy fahombiazana sy ny fahadisoana". Ny atao hoe "tsy fahombiazana" dia ny tsy fahatratrana izay heverina ho vokatra andrasana, izany hoe misy hetsika natao anefa tsy nahazoana vokatra araka izay nofaritana. Ny hoe fahadisoana dia ny fialana amin'ny lalana heverina hitondra any amin'ny tanjona, zavatra tokony natao anefa tsy natao, ohatra hoe fantatro aho fa tsy tokony hifoka sigara anefa hatao ihany... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Mbola vao  ny 13% amin'ny famatsiam-bola hanatanterahana ny asa fametrahana lakan-drano ambany arabe ao an-drenivohitra (tetik'asa PIAA) andriany faharoa ihany no efa nivoaka... ♦ Nijery niaraka ireo lesoka mila harenina hanatsaràna sy hanomanana ny fiatrehana ny fanadinam-panjakàna amin'ny taona ho avy ny avy amin'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy... ♦ Nisy fihatsaràna ny momba ny fangaraharan'ny teti-bola teto Madagasikara na dia mbola tsy ampy aza ny fandraisana anjaran'ny olom-pirenena amin'ireo dingana atao momba izany...

Andriamanitra no loharanon'ny aina, sady fanomezana no antso no iraka ary fitahiana ny aina. Masina ny aina satria avy amin'Andriamanitra Mpamorona ; manana hasina miavaka ny olombelona satria navotan'i Kristy. Nasandratra ny maha-olona satria nantsoina ho zanak'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

• Misy lesoka mila harenina ny fanatanterahana ny fanadinam-panjakana CEPE sy BEPC eto amintsika. Isan'izany ny hosoka sy ny kolikoly amin'ny endriny samihafa. Toa izany koa ny fivoahan'ny laza adina mialoha... • Mbola olana amin'ny tetibola eto Madagasikara ny tsy fandraisan'ny olom-pirenena anjara amin'ny dingana atao momba azy. Tsy mitsahatra mitaky ny laharam-pahamehana amin'ny tetibola ny firaisamonim-pirenena, hoy ny MSIS Tatao... • Mila miaiky heloka ireo mpomba ny fitondrana teo aloha ka manohana indray ny fitondrana Fanavaozana ankehitriny, noho ny tsy mety nataon'izy ireo teto amin'ny firenena, hoy ny antoko FTPM, na ny Fikambanan'ny Tanora Mpitolona Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...