• Any Afrika Atsimo, hiatrika ny fivoriambe faha-46 an'ny Vondorona Fampandosoana ny Firenena Atsimon'i Afrika na SADC, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara Randrianirina Michaël... • Hodinihina any Maurice indray, amin'ity herinandro ity, ny fangatahana fahafahana vonjy maika napetraky ny mpisolovava an'ilay Malagasy mpandraharaha Mamy Ravatomanga... • Nahemotra ho amin'ny daty hafa ny Lalao ASIEF 2026, saingy voatana ny toerana hanatanterahana izany any Manakara, araka ny fampahafantarana navoakan'ny Minisiteran'ny Asa sy ny Fampananana Asa ary ny Asam-panjakana...

• Nanatitra ny taratasy manendry azy ho ambasadaoron'i Arabie Saoudite eto Madagasikara, tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, teny amin'ny lapam-panjakana Iavoloha androany, Andriamatoa Ahmad Mohamad Alwo-Haib... • Mitaky ny hisian'ny fifanarahana politika ny RMDM, mialoha ny hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena... • Vatsim-pianarana maromaro no zaraina amin'ireo mpianatra Malagasy te handranto fianarana any ivelany, mandritra ny hairanty “International Education Expo”...

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo. Mifampizara traik’efa momba ny fikarohana amin’ny famokarana izy ireo mba afahana manatsara hatrany ny vokatra. Fahombiazana no azo tao anatin’izay 20 taona mahery nijoroan’ny fikambanna izay, indrindra ny fanatsaràna hatrany ny famokarana ny zezika kakana amin’ny alalan’ny fikarohana tsy mitsahatra...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...