♦ Tsy hita taratra hoy ny Randrana Sendikaly ny fihavaozana amin'ny tontolon'ny asa ho an'ny sehatra tsy miankina. Mbola lavitr'ezaka ny hisian'ny asa mendrika eto Madagasikara araka ny nambaran'izy ireo, nandritry ny fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny asa mendrika... ♦ Efa mihatra ny fandaharam-pibeazana vaovao saingy tsy hanadinana ny mpianatra ho an'ireo hanala fanadinana CEPE ny taranja vaovao, hoy ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Hisy fikorontanana ny famatsian-drano ao an-drenivohitra nanomboka tamin'ny 7 ora maraina teo. Haharitra 9 ora eo ho eo ny asa fanamboarana eny Mandroseza hoy ny JIRAMA...

Tsy ny hanameloka olona no tanjontsika fa ny hahafantarana tsara ny zava-misy sy ny fampianaran'ny Fiangonana momba ny aina sy ny hasiny. Tsara no hanavahana ny fanalan-jaza tsy niniana (Avortement spontané) sy ny fanalan-jaza niniana (avortement provoqué) satria samihafa ny toe-javatra amin'ireo fa eo koa ny maha samy hafa ny zavatra niniana natao sy ny vokatra tsy nokendrena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hasin'ny aina - olombelona ", iarahana amin'i Avotriniaina Nicholson, Teôlôjiana môralista.

• Nisy ny fanazavana izay navoakan'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Voalaza ao anatin'izany fa efa mihatra, saingy tsy hanadinana ireo taranja vaovao, raha ho an'ny fanadinam-panjakana CEPE... • Nomarihina androany 7 ôktôbra ny Andro maneran-tany ho an'ny asa mendrika. Diabe teny Tsimbazaza no nanamarihan'ny sendikà FISEMARE izany... • Niatrika ny Fitsarana Antampony tany Maurice androany, ilay Malagasy mpandraharaha, Mamy Ravatomanga...

♦ Noraisina ny didim-panjakàna manao taky baiko ny orinasa jirama hanao sonia fifanarahana fividianana mivantana milina mpamokatra herinaratra diesel miis 18 amin'ny orinasa manana andraikitra voafetra... ♦ Mitaky ny hanomezana ny indemnité de craie sy handraisana ho mpiasam-panjakàna ireo mpampianatra FRAM sy ireo nivoaka tamin'ny ENS ny vondron'ny mpanabe mijoro amin'ny fitakiana ataony... ♦ Dimy taona aty aoriana tra-tehaka noho ny fiparitahan'ny sariny tamin'ny tambazotran-tserasera facebook ilay mpanampy an-trano mpangalatra sy mpisoloky ireo mpampiasa azy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 19 ôktôbra 2026

• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...