♦ Nanangana tetik'asa hanamafisana ny fiaraha-mientana rehetra hanatsikafonana sy iadiana amin'ny fomba fanao mampahantra ny firenena ny CCOC sy ny firaisamonim-pirenena miisa 11 miara-dia aminy... ♦ Tsy mifandanja ny vola miditra sy ny mivoaka amin'ny tantsaha mpamokatra noho ny fihenan'ny vidin'ny vary akotry andraisan'ny mpanangom-bokatra azy. Miantso ny hampidinana ny vidin'ny PPN ny mpamokatra hamahana ny fahasahiranan'izy ireo... ♦ Omena lanja misimisy kokoa ny teny Malagasy manomboka izao. Nolanian'ny solombavambahoaka omaly ny tolo-dalàna momba ny fampiasana ny Teny Malagasy...
♦ Nampiato ny dinika iarahany amin'ny Fanjakàna sy ny fandraisan'anjara amin'ny rafitra fitantanana misy eto amin'ny firenena ny Vondron'ireo orinasa eto Madagasikara (GEM)... ♦ Anatin'ny dingan'ny ara-pitantanana sy ara-taratasy mialohan'ny fanombohana amin'ny fomba ôfisialy ny tetik'asa Fly-Over eny Anosizato ny eo anivon'ny Ministeran'ny asa Vaventy... ♦ Hodinihina eny amin'ny Antenimieram-pirenena amin'izao fotoana izao ny lalàna mahakasika ny fampiasana ny teny Malagasy... ♦ Notendren'i Papa Léon-XIV, omaly, ho Préfet- Dicastère misahana ny fampivoarana ny mahaolona manontolo ny Masera Alessandra Smerilli...
♦ Tsy misy olana eto Madagasikara, afaka miverina an-tanindrazana ireo nanao sesintany pôlitika ny tenany ary ho an'ny Malagasy irery ny fikaonandoham-pirenena hoy ny Kôlônely Randrianirina Michaël raha namaly ny fehin-kevitry ny fivoriana tsy ara-potoanan'ny vondrona SADC... ♦ Hitohy hatramin'ny rahampitso alakamisy 2 jolay ny tombana mahakasika ny fampiharan'i Madagasikara ny fifanarahan'ny firenena mikambana iadiana amin'ny kolikoly... ♦ Hamoaka soso-kevitra afahana mihomana sy miatrika ny vanim-potoanan'ny rivodoza 2026-2027, miainga amin'ny lesona azo tamin'ny fandalovan'i Fitia sy Gezani farany teo ny BNGRC...
♦ Namaly ny SADC tamin'ny fehin-kevitra navoakany ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison, androany maraina. Nambarany fa tsy misy gadra pôlitika eto Madagasikara ankehitriny... ♦ Manamafy ny fitakiany hanalàna ny tale jeneraly mpisolo toerana mitantana ny CNaPs ny vondron'ny Sendikà eo anivon'ny tahirim-pirenena. Nanao fanambaràna indray izy ireo, androany maraina... ♦ Sambo iray no rendrika tany amin'ny fari-dranomasin'i Vatomandry, omaly hariva. Olona 18 no tao anatiny, niaraka tamina entina maherin'ny 250 taonina... ♦ Mbola nihovitrovitra indray ny tany tany Venezuela, androany 30 jona 2026...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco