♦ Nitondra fanazavana momba ny fihaonambe izay tanterahana nanomboka androany ny FFKM... ♦ MIsy ireo solontenan'ny mponina velon-taraina amin'ny karazana tsindry ataon'ny olom-boafidy any Ankazoabo... ♦ Nazava ny fandresen'ny Disciples FC ny Fosa Junior tamin'ny lalao mandroso amin'ny ampahefa-dalana ho an'ny fiadiana ny ho tompon-dakan'i Madagasikara, izay natao tany Mahajanga... ♦ Hanatanteraka fitsidihana apôstôlika any Frantsa ny Papa Léon-XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra amin'ity taona 2026 ity...
---/...Entin’ny Arofanina hitodika tany amin’ny 8 volana lasa ianao hamarin-tadidy ny fitakiana nataon’ireo mpitarika ny tolona notronin’ny vahoaka tamin’ny fitondrana teo aloha. Fitakiana isany niavaka ary pitik’afo nandrehitra ny hetsika nataon’ireo mpitolona tamin’ny 25 Septembra 2025 ny jiro sy rano izay filana fototra amin’ny fiainana andavanandro ka nahatonga azy telo mianadahy tsy zovina intsony ny anarany, dia i Babà, Lily ary Clémence, hitarika bidon jaune nanoloana ny lapan’ny Antenimierandoholona teny Anosikely...
♦ Fitaovana hanampy amin'ny fifandraisana ny teknôlôjia fa tsy hanolo ny olombelona, hoy ny hafatry ny Papa Léon-XIV, tamin'ny fankalazana ny andro maneran-tany faha-60 ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona... ♦ Hanao ny kômity foibe faha-47 sy fihaonambe hiaraka amin'ny ratsamangaikany ny FFKM amin'ity heriandro ity... ♦ Hiray feo indray ny GEN-Z raha ny nambaran'ireo tanora nidina teny Ambohijatovo ny sabotsy teo... ♦ Manitatra ireo fanafihana ataony any Liban i Israely na dia nohalavaina aza ny fifanarahana fampitsaharana ny ady eo amin'ny roa tonta...
♦ Nampidirina am-ponja vonjy maika eny Antanimora ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary. Raharaha anenjehana azy ny fikasàna hanao hetsika fanakorontanana sy fanonganam-panjakàna... ♦ Isan'ny nampandringa ny fitondrana nifandimby teto Madagasikara ny tsy fananan'ny rehetra sehatra ahafahana mandray anjara sy manolo-kevitra momba ny raharaham-pirenena. Antony mahazava-dehibe ny hametrahana ny Filan-kevitra ara-toekarena - sôsialy ary kolontsaina hoy ny ROHY... ♦ Mitaky ny handoavana ny tambin-karama momba ny fitsaharana amin'ny asany ireo miaramila efa misotro ronono...
Alahady 17 mey 2026 - Alahady faha-7 - Taona A fankalazana ny Paka : Ny fiainana mandrakizay dia ny mahalala an’Andriamanitra - Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray ka ho faly ny fonareo. Ny faharetana mivavaka sy ny firaisan-tsaina no toetra tsara indrindra hiandrasana ny fanomezan'ny Fanahimasina, sady fiomanana tsara indrindra hitsenana ny Pantekôty. Sarotra ny mampifanaraka ny voninahitra sy ny fijaliana anefa azo atao izany rehefa miaraka mitolona amim-bavaka miaraka amin'i Jesoa...
Manomboka ao anatin'ny vava ny taova fandevonan-kanina, lela, nify, tenda, aty, sarak'aty, vavony, tsinay. Antony mampikorontana ny taova : kalitao sy ny fatran'ny sakafo, matsiro loatra na mahatsatso loatra, sakafo matavy na tsy mahazatra, sakafo tsy sahaza, sakafo tsy zaka ; ankoatra ireo dia mety ho tsy fahasalamana mahazo ireo taova mandrafitra ny fandevonan-kanina, mety ho otrik'aretina, ny fisian'ny kantsentsitra ao anaty tsinainy. Isan'ny antony mampikorontana ny taova fandevonan-kanina ihany koa ny fikorontanan-tsaina... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Miantso ny sekoly tsy miankina hanoka-baravarana amin'ny fanatanterahana ny tetik'asa hisitrahan'ireo mpianatra ny laharana Tokana Famantarana azy (N.U.I.S) ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena. Natomboka omaly ny andron'ny sekoly katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nampidirana am-ponja vonjy maika eny amin'ny Fonjan'Antanimora ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha Paul Rabary. Omaly izy no niakatra teny amin'ny Fampanoavana... ♦ Notokanana omaly ny fitaovana fanadiovan-drano vaovaon'ny JIRAMA eny Mandroseza. Rano fanampiny ho an'ny mponina eto Antananarivo...
Ny 13 mey dia andro ahatsiarovana tranga miavaka : Nisehoan'i Masina Maria tany Fatima, eo koa ny tantaran'ny Papa Joany Paoly-II, indrindra ny tantaran'ny Firenena Malagasy. Very fanahy ny vahoaka vokatry ny rivotry ny fitantanana ankehitriny, izay tsy azo adika fa lavitr'ilay fampanantenana. Mandrisika ireo tompon'andraikitra isan'ambaratonga mba hanao vaindohan-draharaha ny fitsinjovana ny tantsaha, ny tsy fandriampahalemana sy ny ady amin'ny kolikoly, ny asa ho an'ny vahoaka, fijerena ny soa iombonana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Hiampy 42.000 m3 isan'andro atsy ho atsy ny rano vatsian'ny Jirama ho an'ny mponin'Antananarivo. Nanomboka nampiasaina sy notokanana androany ny fitaovana fanadiovan-drano vaovao eny Mandroseza... • Homena lanja ny fijerena ireo tena marefo ara-pivelomana, mandritra ny iray volan'ny fiahiana ara-tsosialy. Natomboka tamin'ny fomba ofisialy androany teny Analakely izany hetsika izany, sady nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny fianakaviana... • Nanapa-kevitra ny komity mpikarakara ny fifaninana ara-panatanjahan-tena ho an'ny orinasa fanaovan-gazety, na ny Inter-média, 2026, fa ahena ho 1 hetsy Ariary ny sara-pisoratana anarana ho an'ny taranja baolina kitra sy ny Basketball...
• Ny 3 jona izao indray vao hirosoana ny Fikaonandoham-pirenena, raha ny fampahafantarana nataon'ny Minisitra misahana ny Fanavaozana, Hanitra Razafimanantsoa. Anton'io fihemorana io ny fifampidinihana sy ny fandaminana tsy maintsy natao... • Andro faharoa amin'ny Foaraben'Ambohimalaza andiany voalohany ny anio. Omena lanja mandritra izany ny kalitao sy ny famokarana ary ny fametrahana ny vokatra Label Bio... • Nanao bemidina nadamina ny olana amin'ny tany ambolen'ny mponina sy ny faritra arovana ny any Belo sur Tsiribihina...
• Notendren'ny Papa Léon faha-14 ho Nonce Apostolique any Ouganda, i Monseigneur Tomasz Grysa, Nonce Apostolique eto Madagasikara... • Nitory ny Filohan'ny Fanavoazana ny Repoblika, Kolonely Randrianirina Michaël eny amin'ny HCC, ny Solombavam-bahoaka Rajerison Antoine. Nitsikera avy hatrany izany ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, Siteny Randrianasoloniaiko... • Nitondra fanazavana momba ny fisavana teny amin'ny Arena Ivandry, misy ny haino aman-jery Viva, ny Tonia Mpampanoa lalana, Rakotoniaina Narindra Navalona...
• Tsy tanteraka ny fitakiana tamin'ny 1972, ary vao mainka miharatsy ny fitantanana ny firenena, hoy ny fikambanana “ Hetsika Mai 72”, raha nanatitra fehezam-boninkazo teo amin'ny Kianjan'ny 13 mey izy ireo androany... • Nihazo avy hatrany ny Repoblikan'i Congo androany, ny Filohan'ny Fanavaozana, Colonel Randrianirina Michaël mivady, taorian'ny fiatrehana ny Fihaonana an-tampony Afrikana, natao tany Nairobi Kenya... • Tsapa sy heno ny antsoantson'ny mponina amin'ny toerana sasany, momba ny olan'ny famatsian-drano amin'izao, hoy ny Minisitry ny Rano, Fidiovana sy Fahadiovana. Maro ny ezaka efa natao, sy mbola hatao amin'ireo tetikasa samihafa momba izay famatsiana rano izay...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco