♦ Nitondra valin-kafatra tamin'ny tsikera nataon'ny solombavambahoaka sy mpanao pôlitika momba ilay solontenany voafidy ho mpikambana eo anivon'ny CENI ny andiana fiarahamonim-pirenena. Tsy tokony tsabahan'ny solombavambahoaka sy ny lehiben'ny Faritra ny safidin'izy ireo... ♦ Mbola tsy mahavaly ny fenitra takiana amin'ny fanondranana vokatra ara-pambolena i Madagasikara ka mila manao ezaka misimisy kokoa. Mbola taraiky mihoatra ny tany afrikana sasany isika malagasy... ♦ Hisokatra mialohan'ny 26 jona ny fiantsonana Fisandratana eny Amoronankona-Antananarivo-Avaradrano...
Ny fifankatiavan'ny mpivady mba hiteraka sy hanabe fara aman-dimby no isan'ny zavatra kendrena amin'ny fanambadiana. Andriamanitra no nahary sy nanorina ny Sakramentan'ny Fanambadiana. Lehilahy iray sy vehivavy iray manaraka ny lalàn'ny mariazy, miombom-piainana sy mifankatia, mifanaiky eo anatrehan'ny pretran'ny Fiangonana sy ny kristiana fa hifankatia marina ary hanorina tokantrano tsy azo ravàna... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
♦ Mbola afaka manondrana vokatra ara-pambolena betsaka kokoa isika eto Madagasikara, raha manaraka ny fenitra ara-pahasalamana SPS takian'ny any ivelany... ♦ 10 taona taorian'ny fahavitany, hisokatra ary hampiasaina mialoha ny 26 jona farafahatarany, ny Toby fiantsonana Fisandratana eny Amoronakona, hoy ny Ministry ny Fitaterana izay nitsidika teny an-toerana, androany... ♦ Ara-dalàna ary tsy nisy hosoka ny nahalany ireo solontenan'ny Firaisamonim-pirenena ho mpikambana eo anivon'ny Ceni hoy ireo andiana Fiarahamonim-pirenena misahana fifidianana...
♦ Roa taona aty aorian'ny fakan-kevitra isam-paritra natao, hirosoana ny fandaniana drafitr'asa nasiônaly hiadiana amin'ny fampiasàna ankizy tsy ampy aona andiany faharoa... ♦ Vola hatrany amin'ny 7 miliara Euro no ilain'i Madagasikara, hanatrarana ny fanamby hisitrahan'ny 80% amin'ny mponina herinaratra hatramin'ny taona 2030... ♦ Hanao fangatahana ny ahalasa vakoka iraisam-pirenena ny kolontsaina Savika ny fikambanana Kolo Savitra, azo amidy hisintonana mpizahan-tany mantsy ity kolontsaina mampiavaka an'i Faritra Amoron'Imania ity... ♦ Nampiatoan'ny Filoha amerikana, alina, ny "Projet Liberté" ao amin'ny Détroit d'Ormuz...
Ny raim-pianakavina dia lehilahy izay lohan'ny fianakaviana sady vady, manana zanaka, andry iankinan'ny ankohonana. Ny fanamby ankehitriny dia ny fitaizana ny ankohonana manoloana ny fivoarana, eo koa ny fahasarotan'ny fitadiavam-bola ka lasa misara-toerana ny mpianakavy ary misy ny fahabangan'ny ray amin'ny fitaizana ny zanaka ; entanina ny raim-pianakaviana hanao ezaka mampiseho ny fisiany ao an-trano... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco, niarahana tamin-dRamatoa Aliette Abraham.
♦ Andrasana mandritry ny fivoriana ara-potoana ho an'ireo solombavambahoaka ny fahafahana manenjika ara-pitsaràna ny filoha teo aloha Andry Rajoelina... ♦ Mitentina 1 Miliara Euro (5.000 Miliara Ariary) ny tetik'asa fampandrosoana hanohanan'ny vondrona Eraopeana an'i Madagasikara... ♦ Niray feo sy nivondrona ireo mpisehatra amin'ny fitaterana eto Madagasikara ary nanamafy fa marary ny sehatr'asa iseharan'izy ireo... ♦ Ahiana mafy ny ain'i Narges Mohammadi ilay teratany Iranianina nahazo ny loka Prix Nobel de la Paix, voatazona am-ponja any Iran araka ny fampitam-baovao nataon'ireo olona akaiky azy...
Samy manana ny fombany sy ny kolon-tsainy ny olona roa mivady. Samy manana ny fomba nanabeazana azy sy ny fomba fifampitondrana tao an-trano. Misy ireo nobeazina tamin'ny hoe : i dada irery no masin-teny sy mandidy ary mitantana sy mitondra ny tokantrano fa ny ambiny dia natao hanaiky azy ary misy ny mifanohitra amin'izany... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
• Nisokatra tamin'ny fomba ofisialy androany ny fivoriana ara-potoana voalohany ho an'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Hibahan-toerana amin'ity fivoriana ity ny fanitsiana ny lalana mifehy ny tetibolam-panjakana ho an'ny taona 2026... • Tanterahana eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, ny herinandron'ny Vondrona Eoropeana. Mitentina 1 miliara Euro, na manodidina ny 5.000 miliara Ariary ny tetik'asa fampandrosoana anohanan'ny Vondrona Eoropeana antsika Malagasy... • Nametra-pialana tsy ho mpandrindra nasionalin'ny CT OJM intsony i Andry Raharison. Efa nisy anefa ny fanendren'ny mpikambana ny mpandrindra nasionaly vaovao ny 30 avrily 2026...
♦ Miantso ny Governemanta tena hiroso amin'ny fanavaozana ny Antenimieram-pirenena. Fanontaniana maro no napetrany momba ny fahaverezana volam-panjakàna tamin'ny sehatra samihafa... ♦ Tsy tongatonga ho azy ny nanendren'ny fitondran masoivoho Malagasy hiasa any ivelany farany teo, hoy ny mpandalina raharaham-pirenena iray. Anisan'izany ny nanendrena an'Andriamatoa Paraina Auguste eo anivon'ny vondrona Afrikàna... ♦ Tafakatra 4 ny isan'ireo olona matin'ny valan'aretina nendran-drajako eto Madagasikara. Zaza vao teraka iray tany amin'ny Faritra Boeny no matin'ny MPox ny faran'ny herinandro teo...
I Madagasikara dia efa an-tapitrisany taona no efa nisy, izay ampahantany nihataka tamin'i Afrika sy Azia. Efa nisy mponina ny nosy Madagasikara, izay feno ala, izay azo lazaina ho olon-dia, nivelona tamin'ny fihazana biby sy fihinanana voankazo sy zava-maniry samihafa. Ny vazimba dia ireo olona tompon-tany hatramin'ny nisian'i Madagasikara, olona nitafy hodi-kazo. Nanaja ny razana sy ny fasana ny vazimba hany ka nataony tsy hitan'ny maso ny fasany ary lasa hasinina. Noho ny afotro (Volcan) dia maro ny maty. Ny toerana misy ny tarana-bazimba : Ambohimanarina, Andranoro, Ambohibao...
♦ Hivory tsy ara-potoana manomboka anio ny Antenimieram-pirenena. Andrasana amin'ireo Solombavahoaka ny fanapahan-kevitra momba ny raharaha pôlitika, ankoatra ny fandaniana lalàna... ♦ Mbola tsy niala ny "immunité parlemantaire" an'ny Solombavambahoaka Naivo Raholdina amin'izao fisamborana azy izao, raha ny fanazavan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena omaly... ♦ Handray ny fankalazana ny andro maneran-tany ho an'ny fifandraisan'ny mpiara-belona ny diôsezin'i Farafangàna... ♦ Mikasa ny hamoaka ireo sambo mpitondra solika 900 isa izay mihitsoka any amin'ny fari-dranomasina Persika ny tafika amerikàna...
Tsy afaka hiaina ivelan'ny fiaraha-monina ny mpivady. Natao hiara-hiaina aman'olona, na samy manana ny toetrany aza ny tsirairay. Tsy mora mandrakariva ny miara-monina, eny fa na dia ny fiaraha-monin'ny mpivady aza dia tsy hoe : mandeha ho azy akory fa mety hisy korontana, mety hisy tranga maro manimba ny fifankatiavana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco