♦ Miisa 6 ireo olona nampidirina am-ponja vonjimaika noho ilay raharaha fanapahana ny lohan'ilay vehivavy tompon'ny Hotely any Mananjary... ♦ Efa eo am-pamolavolana tanteraka ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna nasiam-panitsiana ny governemanta ankehitriny... ♦ Hisy ny fanokafana ny lalana eny Mahamasina mialoha ny fetim-pirenena ho fitsinjovana ireo mpampiasa lalana. Ny 14% amin'ny asa no vita ankehitriny... ♦ Tsy mbola ahitana taratra ny mety ho fanarenana ny ao amin'ny faritra Gaza, 7 volana aty aorian'ny nampitsaharana ny ady...

Alahady faha-6 - Taona A fankalazana ny Paka - Ny Fanahy Masina no manohy ny asan’i Kristy ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Harivan'ny nanasan'i Jesoa Kristy ny tongotry ny mpianatra no nanaovany ity fampianarana ity, izay nanomezany ny didy dia ny "fitiavana", ity Evanjely ity dia mirakitra ny didim-pananan'i Jesoa, momba ny fitiavana. Fifandraisan'ny fitiavana sy ny fankatoavana ; ny fisehoan'ny fitiavana an'i Kristy dia ny fitandremana ny didiny...

Ny Sohika dia aretin'ny taova-pisefoana, ka ny mpitsabo Pneumologue - Allergologue no havanana amin'ny fitsoina ity aretina ity. Manomboka amin'ny fahavalo volan'ny zaza dia mety efa hisehoan'ity aretina ity. Mety hisy fahasarotana ho an'ireo zaza mararin'ny Sohika anefa misy ny fampianarana ireo ray aman-dreny mba hanampy azy ireo. Fambara : Rehefa mikohota dia mety ahazo rehoka fotsy, misy feo ny tratra, reraka ary tsy mahita tory firy amin'ny alina, malain-komana... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Tsy hikitika ny lisi-pifidianana teo aloha intsony fa hiroso amin'ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana ny CENI, ho famaliana ny tsikeran'ny vahoaka momba ny fifidianana hoy ny filohan'ny, Thierry Rakotonarivo... ♦ Hitohy anio ny kongresy nasiônalin'ny Antoko GRAD Iloafo. Voaresaka amin'izany ny firosoana amin'ny fiovan-drafitra eto amin'ny firenena sy ny fandrafetana lalam-panorenana vaovao... ♦ Hanokana roa andro hankalazana ny andro eran-tany ho an'ny tontolo iainana amin'ity taona ity ny ministeran'ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa., hatao eny Analakely ny 5-6 jona ho avy izao...

Eny, ny hafaliana sy ny fanantenana, ny fahoriana sy ny ahiahy manjo ny olombelona amin'izao tontolo izao, manjo indrindra ny mahantra sy ny mijaly dia mihatra ihany koa amin'ny mpianatr'i Kristy, dia izay rehetra kristianina vita Batemy. Tsy ny tena samy irery no soavina, tsy maintsy mifanasoa ny tany ama-monina, zava-dehibe ny soa iombonana, firaisan-kina ; tanana ny fitondratena mandresy ny tsy rariny... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Ny ray aman-dreny no modely ho an'ny zanaka. Amin'ny fanadihadiana mialoha ny hifanoloran'ny mpivady ny Sakramentan'ny Mariazy dia hoy ny fanontaniana apetraky ny Pretra amin'izy ireo hoe : samy vonona ve ianareo handray am-pitiavana izay taranaka omen'Andriamanitra anareo, hanabe azy amin'ny finoana, araka ny ampianarin'i Kristy sy ny Eglizy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Ny fifankatiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly tsy noterena ka tena mendrika ny olombelona. Mba hahavanona ny mariazy dia safidy malalaka ny hanambady sy hivady fa tsy an-tery ; fitiavana madio no fototra mampiombona ny mpivady. Ny fitiavan'ny mpivady dia fitia mifamaly mandrakariva fa mahatsara fihavanana izany, safidy malalaka... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

Mitohy ny fiaraha-miasan’ny tranoben’ny tantsaha sy ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny Sakafo sy ny fambolena na ny FAO amin’ny alalan’ny FFF (Forest and Farm Facility), tetik’asa mifototra amin’ny Famokarana Miatrika ny Fanajàna ny Tontolo Iainana sy ny zavaboary ary ny fampifanantonana ny mpamokatra ahazo tombony tsara tsara kokoa...

Fototry ny fampandrosoana ifotony sy fanavaozana maharitra ny olom-pirenena mandray andraikitra. Mba handraisan'ny olom-pirenena anjara amin'ny fampandrosoana dia ilaina ny hafantarana ny adidy sy zo. Ny fifanankalozan-kevitra dia afahana mahatakatra bebe kokoa ny olana sy ny fanamby ankehitriny, ary hampiroborobo hetsika maha olom-pirenena azo tanterahina sy hita maso... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Feno herin-taona anio ny naha-voafidy an'ny Mgr Robert Francis Prevost ho mpitantana ny Fiketrahana Masina ka nifidianany ny anarana hoe Pape Léon-XIV... ♦ Niditra an-tsehatra nitory ireo heveriny ho atidoha ka nahatonga azy hialokaloka dimy taona tany am-ponja, noho ny heloka tsy nataony Andriamatoa Rahajason Harry Laurent (Rolly Mercia)... ♦ Nanome baiko ampahibemaso ireo ministra mpikamban'ny governemanta ny Praiministra mba hidina hijery ny fampirantiana ireo voka-pikarohana atao eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo. Hadinina amin'izy ireo mandritry ny filan-kevitry ny Ministra, hoy ny Praiministra...

Manambara ny firaisan'i Kristy sy ny Eglizy ny fifankatiavan'ny mpivady. Aoka tsy ho adinoina velively fa Andriamanitra no loharanom-pitiavana, ary izany fitiavan'Andriamanitra izany no fototry ny fifankatiavan'ny mpivady. Noho izany fitiavan'Andriamanitra izany dia ny mpivady no endrika iray lehibe hisehoan'ny firaisan'i Kristy sy ny Eglizy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Tsimbinina ny fahamendehan'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ", iarahana amin'i P. Rarivoson Aurélien.

♦ Miabo ny vokatra azo tamin'ny tetik'asa ANKIZY tohanan'ny fikambanana ASMAE. Nampahafantatra ny vokatra azo nandritry ny 9 taona nanaovana ny tetik'asa izy ireo omaly... ♦ Hotohizan'ny BNGRC any amin'ny Faritra Atsinanana ny andiany faharoa amin'ny fandaharan'asan'ny fitondram-panjakàna hanampiana ireo olona marefo noho ny tsy fahampian-tsakafo. Nisitraka fanampiana ireo tokantrano marefo tao amin'ny kaominina Sandroy... ♦ Nidina ifotony nifanakalo hevitra tamin'ireo vondron'olona ifotony ao ANJA, Distrika Ambalavao - Matsiatra Ambony ny Filohan'ny Antoko FY-M Raderaniriana Sendrison Daniela...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...