♦ Tondron'ireo ololm-pirenena ho tompon'antoka voalohany amin'ny olan'ny fahatapahan-jiro sy rano lavareny ny fitondram-panjakàna... ♦ Homamiadana ho an'ny mpitondra sy ny toe-karem-pirenena ny olan'ny famatsiana herinaratra ary tokony hesorina amin'ny toerana ireo mpitantana tsy mahavita ny asany hoy ny solombavambahoaka Fetra Rakotondrasoa... ♦ Tra-tehaky ny pôlisy tao Moramanga ny 3 lahy niaraka tamina taolam-paty milanja 52kg, taolam-paty izay fantatra fa amidy 5 tapitrisa ariary ny iray kilao... ♦ Manangasanga any indray ny hisian'ny fitokonana faobe ao Frantsa manoloana ny resaka teti-bolam-panjakàna any an-toreana...
Ny volana septambra dia fotoana fanomanana ny toe-tsain'ny mpianatra hiatrehan'izy ireo ny taom-pianarana, izay haharitra 10 volana. Ny fivoaram-piainana dia miankina amin'ny tsirairay handray azy. Ny fivoaram-piainana ho an'ny mpianatra : fifindrana kilasy, afaka fanadinana. Ny fanabeazana dia teny entina mandrisika ny sain'ny olona iray hampivoatra azy ; ny fampianarana dia ilay andraikitry ny sekoly mampita fahalalana hatonga ny mpianatra hahazo fivoarana (taranja)... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Tsy nahazo alalana avy amin'ny OMC ny fanatanterahana ilay hetsika "Leo delestazy sy tsy fisian'ny rano" kasain'ny mpanolontsainan'ny tanàna atao eny Ambohijatovo rahampitso alakamisy faha-25 septambra 2025... ♦ Hampiantso filan-kevi-pirenena ny sendikan'ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra nasiônaly "SECES" nasiônaly, izay tanterahana anio alarobia 24 septambra eny Ankatso... ♦ Lasa sehatra ho an'ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra eto Madagasikara ny tambazotran-tserasera, tsy tokony ho avy amin'ny mpitondra araka izany no hiavian'ny fanafitohinana ho an'ny vahoaka hoy ny avy eo anivon'ny Antenimieram-pirenena...
Mba hahatakarana ny zavatra nokendren'ny mpanoratra masina : tsy maintsy fantarina, anivon'ny zavatra hafa, ny karazan-dahatsoratra ; tsy maintsy arahi-maso tsara, ireo fomba fisainana, fomba fiteny, fomba fitantara nahazatra teo an-toerana sy nanan-kery tamin'ny andron'ny mpanoratra masina. Ny amin'ny fivoasana ny Soratra Masina àry dia manatanteraka ny didy sy ny anjara raharaha masina ho famoasana ny tenin'Andriamanitra ny Eglizy... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Mankasitraka ny fanehoan-kevitra an-dalambe ny Solombavam-bahoaka Roland Ratsiraka. Tsy tokony hitarika amin'ny fanimban-javatra kosa izany, hoy ity depiote voafidy tany Toamasina ity. Tsy ny Jirama no olana, hoy izy, fa ny fomba itantanan'ny mpitondra azy... • Nomelohin'ny fikambanan'ny Taxi miasa ao Antananarivo Renivohitra, ny fomba nisamborana ny filohany, Clémence Raharinirina. Miendrika herisetra ny natao ka tsy azo ekena izany, hoy ny FTAR... • Manahy ny amin'ny ho avin'ny tanora sy ny ankizy, ny mpandinika fiaraha-monina Lanto Ratsida, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Marefo ara-tsaina sy ara-toekarena ny ankamaroan'ny Malagasy, hoy izy, ka tsy afa-mihetsika intsony manoloana izany...
♦ Mandray anjara amin'ny fivoriana faha-80 ho an'ny firenena mikambana any New York ny filoha Malagasy Andry Rajoelina, handray fitenenana amin'ity fivoriana ity ny tenany... ♦ Velaran-tany 17 Ha ao amin'ny Nosy-Sakatia, ahitana tranon'olona, toeram-pambolena no voakasik'ilay tetik'asa goavana anà-vahiny mpanambola, ary mahazo ny fankasitrahan'ny fitondram-panjakàna... ♦ Mbola tsy nisitraka ny zony, araka ny didy voalazan'ny fitsaràna, hatramin'izao ny mpiasa miisa 15 amin'ny orinasa iray eny Amboditsiry... ♦ Mitaky ny famotsorana ireo takalon'aina rehetra eo am-pelatanan'i Hamas ny filoha Frantsay, ho takalon'ny fankatoavany ny fijoroan'ny fanjakàna Palestiniana...
♦ Arahi-maso ara-pitsarana ary miandry ny fotoam-pitsarana amin'ny 30 septambra i Alban Rakotoarisoa sy Clémence Rahariniriana, izay nanaitra ny olom-pirenena manoloana ny delestazy mbola mitohy mandraka ankehitriny... ♦ Maro ireo ambana mahazo ny sokatra an-dranomasina sy ny ahi-dranomasina any amin'ny faritra avaratra andrefan'i Madagasikara ka arovana ao anatin'ny tetik'asa ARO FANO... ♦ Nisy indray ny fanohitohinana sy fanilikilihana ireo mpanao gazety teny Mahamasina, raha toa ka mbola tsy nandrenesana tohiny ilay tranga teny Anosikely... ♦ Nanao fanambaràna amin'ny fisian'ny fiaramanidina manitsaka ny habakabaka Estoniana i Rosia...
Isany nampalaza ny Mpanjaka Andriambahoaka Afovoan'ny tany ny fisian'ny angano miresaka ny momba azy sy ny fifaninanana vokatr'izany satria teraka teo ireo ambara ho Andriambahoaka-avaratra sy Andriambahoaka-atsimo. Ny lafiny ara-toe-karena no nifaninanana tamin'izany. Niavaka tamin'ny fitondrana ny vahoakany ihany koa Andriambahoaka noho izy nanaiky ny tolo-kevitra avy amin'ny mpanolontsaina, mpitondran-tenin'ny vahoaka. Andriambahoaka no nanambatra an'i Imamo efatra toko...
♦ Tsy hihemotra amin'ny hetsika kasainy hatao amin'ny 25 septambra izao ny mpanolontsainan'ny tanàna an'Antananarivo-renivohitra avy amin'ny fanoherana. Tafapetraka omaly ny taratasy fampahafantarana sy fangatahana alalana teny amin'ny préfet... ♦ Niaiky ny Ministry ny Angovo sy ny Akoran'afo fa tena misy fiatraikany lehibe amin'ny asa fiharin'ny tsirairay ny olan'ny angovo misy ankehitriny. Miantso ny rehetra mba ho tony anefa ny ministra... ♦ Mpianatra miisa 6 sy zandary iray no naratra, vokatry ny hetsiky ny mpianatra teny Vontovorona omaly... ♦ Nilaza ny fanekeny tamin'ny fomba ôfisialy ny fijoroan'ny fanjakàna Palestiniana ny filoha Frantsay Emmanuel Macron...
Nitsilo ny sain'olombelona mpanoratra ny Boky Masina Andriamanitra. "Mba hamoronana ireny boky masina ireny, ka nifidy olona afaka nampiasa feno sy manontolo ny fahaizana amam-pahalalan'izy ireo sy ny fahafahan'izy ireo Andriamanitra, niasa tao amin'izy ireo sy tamin'ny alalan'izy ireo Andriamanitra tenany, hampetrahan'izy ireo an-tsoratra, hifanaraka tamin'ny fanirian'Izy Mpitsilo... Katesizy momba an'ny Soratra Masina, tenin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
• Milaza ny tsy hihemotra amin'ny hetsika kasainy hatao amin'ny 25 septambra 2025, ireo Mpanolotsain'ny Tananan'Antananarivo Revnivohitra, avy amin'ny fanoherana. Tafapetraka androany ny taratasy fampahafantarana sy fangatahana alalana amin'ny Préfet... • Niaiky ny Minisitry ny Angovo sy ny Akoranafo fa tena misy fiantraikany lehibe eo amin'ny asa fiharian'ny tsirairay ny olan'ny angovo misy ankehitirny. Miantso ny rehetra ho tony anefa izy... • Misy ireo fiarahamonim-pirenena sasany mivaona amin'ny asa tokony hataony, hoy Ravalitera Jacques Michael, izay solontenan'ny fiarahamonim-pirenena eo anivon'ny CENI...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco