Ny fivoarana ho an'ny tsirairay dia miankina amin'ny fahavononany handray ny fanabeazana nomena azy. Raha manana 5 minitra ianao hitodianao amin'ny zanakao, hataona ahoana ny fanabeazanao azy? Ny fitodiana dia midika hoe mitaky fahavononana sy finiavana. Ankehitriny dia vidina lafo ny fotoana, noho izany dia sarobidy na minitra vitsy aza ananana mba hiatrehana ny andraikitra maha mpanabe, indrindra ho an'ny ray aman-dreny.... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Niantso ireo solombavambahoaka mba handray ny andraikiny amin'ny tena fanarenana ny filohan'ny antenimieram-pirenena raha niantso ireo tanora tsy ho tafiditra amin'ny fandrika pôlitika kosa ny filoha mpisolo toerana ny antenimieran-doholona... ♦ Tsy maintsy ho henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben'ny firenena nanodikodina ny volam-panjakàna na harem-pirenena na eto an-tanindrazana na any ivelany, hoy ny fanambarana avy amin'ny Primatiora... ♦ Nalalaka tamin'ny foto-kevitra nijoroany ary manaja ny hevitra pôlitika hananan'ny tsirairay ny solombavambahoaka tamin'ny nanendrena ny praiministra hoy ny solombavambahoaka Imbiky Herilaza...
Ny "Sacrosanctum Concilium" no vato fehizoron'ny fanavaozana ny Litorjia Katôlika amin'ny taonjato faha-20. Tamin'ny tapaky ny taonjato faha-20 dia efa hita fa nanjary tsy nifandray loatra amin'ny fiainan'ny vahoaka ny fankalazana litorjia : Lahateny sy fombafomba tamin'ny teny Latina, vahoaka mandray anjara... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
Jesoa no ivon'ny fiainana sy faratampon'ny litorjia - Tsy ampy ny "mouvement liturgique" fa tsy maintsy asiana fanazavana. Tamin'ny 11 oktobra 1962 dia nanokatra ny Konsily Vatikana-II, ny Papa Jean-XXIII, ka ny iray amin'ireo lohahevitra lehibe dia ny fanavaozana ny Litorjia... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.
♦ Miantso ny solombavambahoaka handray ny andraikiny amin'ny tena fanarenana ny firenena ny filohan'ny Antenimieram-pirenena. Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny andrim-panjakàna mpanao lalàna... ♦ Tsy maintsy ho henjehina araka ny lalàna ireo fanetriben'ny firenena. Tsy maintsy mamerina izay volam-panjakàna na harem-pirenena nahodikodiny ireo izay hananana porofo mazava... ♦ Takian'ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana (OSCEAH) ny tsy aharava ny atrik'asa sy ny famatsiam-bola teknika ataon'ny mpiara-miombon'antoka amin'i Madagasikarsa...
♦ Namoahan'ny Praiministra vaovao toromarika tsy mahazo mivoaka an'i Madagasikara ireo ministra teo aloha sy tompon'andraikitra ambony, isaky ny Ministera... ♦ Mahazo vahana ny fitakiana fanoloana ny lehiben'ny fokontany tato ho ato. Tsy mahagaga raha misy ireny tranga ireny hoy ny KMF-Cnoe, noho ny tsindry tamin'ny vahoaka nialoha ny fifidianana farany teo... ♦ Namaly ny orinasa ADEMA ny Ravinal Airports izay mitantana ny seranam-piaramanidina Ivato sy Nosy-be androany momba ny ambara fa trosa tsy voaloa... ♦ Nahazo praiministra vaovao ny any Japon. Niantefan'ny safidin'ny maro an'isa teo anivon'ny antenimieram-pirenena Ramatoa Sanae Takaichi...
Araka ny angona noraiketin'ny Pastora Ravelojaona dia karazana sakafo miisa 7 na mihoatra, miavaka amin'ny fihinana andavanandro ; sakafo atao amin'ny fanasàna sy lanonana. Ny karazan-tsakafo fahandro tamin'izany natao ho laoka dia ny karazam-borona, biby tongotra efatra, hazandrano, zava-maniry. Isan'ny zava-maniry tena niavaka ny olatra ; maro ny karazan-tsakafo tsy tera-tany dia teto Madagasikara toy ny bitro, gisa, kanakana. Ny ravin-tsaonjo dia natao ihany koa hoe hen'ondrin'ny malahelo...
♦ Nampahatantarina omaly teny Iavoloha ny Praiministra lehiben'ny governemanta amin'izao fitondràna vaovao eto amin'ny firenena izao. Voatendry ho amin'izany andraikitra izany Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Hiatrika ny fivoriana ara-potoana faharoa amin'ity taona ity manomboka anio ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Fivoriana tsy maintsy handaniana ny Lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna ho an'ny taona 2026... ♦ Hangata-panazavàna amin'ny HCC momba ny fanapahana navoakany ny 14 oktobra teo ny CENI... ♦ Miharatsy ny fifandraisana ara-diplômatika eo amin'i Colombie sy Etats-Unis...
Tsy maintsy milozoka amin'ny famakiana sy ny fandalinana ny Soratra Masina ireo rehetra manana andraikitra amin'ny Asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, na ireo mpandraharaha masina, loha-laharana amin'izany ny pretra, ny diakra ary ny katesista satria tsy maintsy mampita ny haremben'ny Tenin'Andriamanitra amin'ny kristiana nankinina taminy izy ka mitaky fandalinana izany... Katesizy momba ny Soratra Masina ao amin'ny fiainan'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Voatendry ny hariva teo ny Praiminisitra vaovao, Herintsalama Rajaonarivelo... • Miantso fifampidinihana ny antoko TGV, araka ny fanambarana nataon'ireo mpanara-dia ny Filoha teo aloha androany... • Nanokana dimy andro hihainoana ny olan'ireo mpanjifa amin'ny fikarakarana taratasy ny Sampan-draharahan'ny Fananan-tany sy ny Fandresesan-tany...
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
♦ Ho ampahafantarina ôfisialy amin'ny alahady 9 novambra ho avy izao ny Baiboly Masina Katôlika misy fanazavana. Naharitra 9 taona ny fanavaozana ny Baiboly Masina Katôlika... ♦ Mitaky ny handoavan'ny Ravinala Airport ny vola mitentina 16 tapitrisa Euro, manodidina ny 80 miliara Ariary sara-pitantanana ny seranam-piramanidina Ivato sy ny Nosy-Be ny mpiasa eo anivon'n Adema... ♦ Manamafy ny mpiasa eo anivon'ny ministeran'ny fampianarana teknika sy fanofanana arak'asa fa tsy tokony atambatra amina ministera hafa, araka ny feo mandeha, io ministera io fa omena ny lanjany manokana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco