Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 11, 1-18)

Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.

Tamin’izany andro izany,
dia ren’ny Apôstôly sy ny rahalahy tany Jodea
fa hoe nandray ny tenin’Andriamanitra koa ny Jentily.
Koa nony tafakatra tany Jerosalema i Piera,
dia nomen’ireo mpino voafora tsiny, nataony hoe:

“Nahoana ianao no niantrano tany amin’ny olona tsy voafora,
sady niara-nihinana taminy?”

Dia nitantara ny zava-niseho hatramin’ny niandohany i Piera ka nanao hoe:

“Raha nivavaka tany an-tanàna Jôpe aho,
dia azon-tsindrimandry ka nahita zavatra anankiray toa lamba lehibe
nifatotra tamin’ny zorony efatra, nidina avy any an-danitra,
tonga tao amiko.
Nony nijery azy aho ka nandinika,
dia hitako tao ny biby manana tongotra efatra,
ny biby dia, ny biby mandady, ary ny voromanidina.
Ary nisy feo reko koa nanao hoe:

Mitsangàna, ry Piera, mamonoa ka mihinàna.

Fa hoy izaho:

Sanatria, Tompoko,
tsy mba nisy zavatra fady sy maloto mba niditra tao am-bavako.

Fa niteny indray ilay feo tany an-danitra nanao hoe:

Aza ataonao ho maloto izay efa nodiovin’Andriamanitra.

Intelo no naverina natao izany,
dia nakarina tany an-danitra indray izany rehetra izany.
Niaraka tamin’izay,
dia indreo nisy olona telo lahy tonga tao an-trano nitoerako,
nirahina avy tany Sezarea hankany amiko.
Ary hoy ny Fanahy Masina tamiko:

Aza misalasala hiaraka amin’izy ireo.

Dia niaraka tamiko koa ireto rahalahy enina ireto,
ka niditra tao an-tranon’i Kôrnely izahay.
Notantarain-dralehilahy taminay
ny nahitany ny Anjely nitsangana tao an-tranony,
ka nanao taminy hoe:

Maniraha ho any Jôpe,
ampanalao i Simôna izay atao hoe Piera,
fa izy no hilaza aminao ny teny izay hahavonjy anao
sy ny ankohonanao rehetra.
Ary raha vao niteny tamin’izy ireo aho,
dia nidina taminy toy ny nidinany tamintsika taloha koa ny Fanahy Masina.

Tamin’izay, dia tsaroako ny tenin’ny Tompo nanao hoe:

I Joany nanao batemy tamin’ny rano,
fa ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina.

Koa raha fanomezana sahala no nomen’Andriamanitra azy sy antsika
izay nino an’i Jesoa Kristy Tompo,
iza moa aho no afa-mifanohitra amin’Andriamanitra?”

Nony nandre izany izy ireo,
dia sady nangina no nankalaza an’Andriamanitra nanao hoe:

“Efa nomen’Andriamanitra ny fibebahana
hahazoany ny fiainana koa ny Jentily.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 41, 2-3 ; 42, 3. 4.

Mangetaheta an’ilay Andriamanitra velona ny fanahiko.

Mova tsy serfa izay lian-doharano.
Ny foko efa liana ny Tompoko!
Mangetaheta ny Tompo ny foko,
dia Ilay Andriamanitra velona.
Mba rahoviana aho re no handroso,
hiseho anoloan’Andriamanitra?

Tsilovy aho hahita ny lalana,
tariho mba hahita azy marina.
Hitody any am-bohitrao masina,
ilay toerana ataonao fonenana.

Handroso aho, ry Tompo Andriamanitro,
higoka ny tena hasambarako.
Valiha no hanaraka ny hirako,
hidera ny Tompo Andriamanitro!

Evanjely (Taona A)

Aleloia. Aleloia.

Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 11-18)

Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Jody nanao hoe:

“Izaho no Mpiandry ondry tsara.
Ny mpiandry ondry tsara dia mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny;
fa ny mpikarama kosa,
noho izy tsy mpiandry ondry na tompon’ny ondry,
vao mahita ny amboadia tamy, dia ilaozany mandositra ny ondry,
fa ny ambodia no avelany eo hisambotra sy hampihahaka azy,
satria mpikarama izy, ka tsy raharahainy akory ny ondry.
Izaho no mpiandry ondry tsara,
sady mahalala ny Ahy Aho no fantatry ny Ahy,
tahaka ny ahalalan’ny Ray Ahy, sy ahalalako ny Ray koa,
ary Izaho koa mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko.
Mbola manana ondry hafa koa Aho izay tsy amin’ity vala ity,
ka tsy maintsy hoentiko izy sy hihaino ny feoko;
dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana.
Izao no itiavan’ny Ray Ahy:
satria mahafoy ny aiko Aho, mba handraisako azy indray.
Tsy misy maka azy amiko, fa ny tenako ihany no mahafoy azy;
manam-pahefana hahafoy azy Aho, ary manam-pahefana handray azy indray:
izany no didy azoko tamin’ny Raiko.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely (Taona B sy D)

Aleloia. Aleloia.

Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 1-10)

Izaho no varavarana fidiran’ny ondry.

Tamin’izany andro izany, hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:

“Lazaiko marina dia marina aminareo,
fa izay tsy miditra amin’ny vavahady ho amin’ny valan’ondry, fa mananika amin’ny hafa,
dia mpangalatra sy jiolahy;
fa izay miditra amin’ny vavahady no mpiandry ondry.
Ka ny mpiandry vavahady mamoha azy, ny ondry mihaino ny feony,
ary izy miantso ny azy amin’ny anarany avy sy mamoaka azy.
Rahefa tafavoaka avokoa ny azy, dia mialoha izy,
ka manaraka azy ny ondry, satria mahalala ny feony:
ary ny olon-kafa tsy arahiny, fa andosirany, satria tsy fantany ny feony.”

Nolazain’i Jesoa taminy izany fanoharana izany,
nefa tsy azon’izy ireo izay nolazainy tamin’izany.
Koa hoy indray i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina dia marina aminareo fa Izaho no varavaran’ny ondry.
Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako, fa tsy nihaino azy ny ondry.
Izaho no varavarana.
Raha Izaho no hidiran’ny olona, dia hovonjena izy,
ka hiditra sy hivoaka, sady hahita hanina.
Ny mpangalatra no tonga mba hangalatra sy hamono ary handringana,
fa Izaho no avy kosa dia mba hananan’ny ondry fiainana,
sady hananany azy be dia be.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 13, 14. 43-52)

Indro hankany amin’ny Jentily izahay.

Tamin’izany andro izany, i Paoly sy i Barnabe dia niala tany Perja,
ka tonga tany Antiôkia any Pisidia;
ary niditra tao amin’ny Sinagôga izy tamin’ny andro sabata, ka nipetraka teo.
Rehefa nirava ny fiangonana,
dia betsaka ny Jody sy ny prôzelita nanompo an’Andriamanitra,
no nanaraka an’i Paoly sy i Barnabe, ary izy roa lahy kosa,
niresaka tamin’izy ireo sy namporisika azy haharitra amin’ny fahasoavan’Andriamanitra.
Tamin’ny sabata manaraka,
dia saika tafangona nihaino ny tenin’Andriamanitra avokoa ny tao an-tanàna rehetra.
Fa feno fialonana ny Jody nony nahita izany vahoaka be izany,
ka sady nanohitra ny teny nolazain’i Paoly no nanevateva azy.
Tamin’izay i Paoly sy i Barnabe dia niteny tamin-kasahiana hoe:

“Ianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’Andriamanitra voalohany indrindra,
nefa noho ianareo mandà Azy sy manao ny tenanareo ho tsy mendrika ny fiainana mandrakizay,
dia indro hankany amin’ny Jentily izahay.
Fa toy izao no nandidian’ny Tompo anay:
Efa natsangako ho fahazavan’ny Jentily ianao,
mba hitondra famonjena hatramin’ny fara vazan-tany”.

Faly ny Jentily nony nandre izany ka nankalaza ny tenin’ny Tompo,
ary nino avokoa izay rehetra voalahatra ho amin’ny fiainana mandrakizay.
Dia niely eran’izany tany izany ny tenin’ny Tompo.
Nefa notarihin’ny Jody ny vehivavy tia vavaka sy ambony toetra, mbamin’ny loholona tao an-tanàna,
ka nampanenjika an’i Paoly sy i Barnabe, sy nandroaka azy hiala amin’ny taniny.
Tamin’izay, izy roa lahy nanintsana ny vovoka tamin’ny tongony hiampanga an’ireo,
dia lasa nankany Ikôniôma;
ary ny mpianatra kosa, feno hafaliana sy Fanahy Masina.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 99, 2. 3. 5

Isika vahoakany sy ondry eo an-tanany.

Hobio ny Tompo, ry tany tontolo,
tompoy an-kafaliana ny Tompo;
tongava anoloany amin-karavoana,
ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.

Izy no nanao ka Azy isika,
vahoaka sy ondry eo an-tanany.
Idiro amin-tsaotra ny vavahadiny,
idiro amin-dera ireo kianjany.
Derao Izy, isaory ny Anarany.

Vakiteny faharoa

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 7, 9. 14b-17)

Ny Zanak’ondry Izay manjaka no hitondra azy ho amin’ny loharanon’aina.

Izaho, Joany, nahita vahoaka be tsy azon’olona isaina, avy amin’ny firenena rehetra,
sy ny fokom-pirenena ary ny fanjakana mbamin’ny samihafa fiteny rehetra,
nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zanak’ondry,
miakanjo fotsy sy mitana sampan-drofia.
Ary hoy ny iray tamin’ireo Anti-dahy tamiko:

“Ireo no avy tamin’ny fampijaliana lehibe,
nanasa sy nampadio ny akanjony tamin’ny Ran’ny Zanak’ondry.
Koa indreo izy eo anoloan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra,
manompo Azy andro aman’alina ao an-Tempoliny,
ary hamponenin’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana ao an-tranony.
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo,
ary tsy hampaninona azy na hainandro na zava-mandoro hafa.
Fa ny Zanak’ondry, Izay mipetraka eo afovoan’ny seza fiandrianana,
no ho Mpiandry azy, sy hitondra azy amin’ny loharanon’aina,
ary Andriamanitra no hamaoka ny ranomaso rehetra amin’ny masony”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 10, 27-30)

Homeko ny fiainana mandrakizay ny ondriko.

Tamin’izany andro izany i Jesoa
niteny tamin’ny vahoaka Jody nanao hoe:

“Izaho no Mpiandry ondry tsara”.

Ary dia niteny koa Izy nanao hoe:

“Ny ondriko mihaino ny feoko, Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
omeko ny fiainana mandrakizay izy, ka tsy ho very na oviana na oviana,
ary tsy hisy haharombaka azy eo an-tanako.
Ny Raiko Izay nanome an’ireo dia lehibe noho izao rehetra izao,
ka tsy misy maharombaka, eo an-tanan’ny Ray.
Izaho sy ny Ray dia iray ihany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Maro ireo toerana eto anivon-tany no tsy fantatra firy ny tantarany, misy anefa ireo izay tsara ho fantatra. Ny tanàna Andranoro sy Ampasanimalo dia misy resaka fitiavana teo amin'olona roa nifankatia no niaviany. Andranoro dia nisy an'i Andriabodolova, izay taranaka vazimba, nahita sy nanambady zazavavindrano natao hoe Ranoro ; nametraka fepetra ny tsy hanononana "sira" io Ranoro io, anefa tsy voatandrin'i Andriabodolova izany ka lasa nody any anaty rano niaraka tamin'ny zanany i Ranoro. Ambohimanga dia vohitra iray nantsoina hoe Mahandriony mialohan'ny nanomezana any ny anarana Ambohimanga...

♦ Tsy ho sakana intsony amin'ny fampandrosoana ny kolikoly sy ny tsimatimanota, amin'ny fisian'ny paik'adim-pirenena iadiana amin'ny kolikoly, hoy ny filoha vaovaon'ny CSI, omaly... ♦ Hasiam-panarenana ny toby famatsian-dranon'i Mandroseza. Hisy ny tetik'asa momba izany, hampahafantarina mandritra ny Herinandrom-pirenena momba ny rano, hoy ny Ministra mpiahy... ♦ Tsara ny vokatra azon'ny Makis Lehilehy eo amin'ny "Rugby à 7" tamin'ilay fifaninana "World Cup Challenger Series" tany Pologne. Nigadona an-tanindrazana ireo mpilalao, notsenaina tamin'ny fomba miavaka, omaly tolak'andro...

Eo amin'ny tantaram-pamonjena dia Izy Andriamanitra mihitsy no manao dingana voalohany mba hanatonana antsika olombelona ; araka izay voalaza hoe : Fa izay matahotra azy sy manao ny marina dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy (Asa 10, 35). Any amin'ny Testamenta Taloha dia nifidy ny vahoaka Israely Andriamanitra mba ho vahoakany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

• Hifantoka betsaka amin'ny fanatanterahana ny paikadim-pirenena iadiana amin'ny kolikoly taona 2025–2030, ny asa hotanterahan'ny Filoha vaovaon'ny CSI, izay vao nandray ny asany androany... • Tokana ihany ny SPSM, dia ireo lany ara-dalana tamin'ny fifidianana, hoy ireo Birao mpikambana androany... • Mitodika amin'ireo tanora mpandraharaha eto Afrika ny fifaninanana “Prix Pierre Catel”...

• Tanora miisa 460 avy amin'ny Paroasy Katedraly Morombe sy ny Distrika Avaradrova no nanatanteraka ny fivahiniana masina nandritra ny telo andro tany Akilivalo Ankida... • Hiatrika lasy fiofanana ny 22 hatramin'ny 26 avrily ny Fanilon'i Madagasikara... • Manentana antsika hiaina ao anatin'ny fahanginana, amin'izao herinandro masina izao, ny Papa François...

26 avrily 2025 — Sabotsy amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 16, 9-15)

25 avrily 2025 — Zoma amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)

24 avrily 2025 — Alakamisy amin'ny Havaloan'ny Paka— Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 35-48)

23 avrily 2025 — Alarobia amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)

22 avrily 2025 — Talata amin'ny Havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 11-18)

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...