Ny toe-tsaina no mahatonga antsika ho reraka manoloana ny sedram-piainana. Malalaka sy manana harena i Madagasikara, izay voajanahary fa ny toe-tsain'ny tsirairay entina mampandroso azy no misy tsy tsara. Tsy mihaino ny olon-dehibe intsony ny tanora, mila ezaka fifampihainoana mba hamahana olana samihafa. Betsaka ny tanora no kivy mahita ny zava-misy, manana adidy ny ray aman-dreny hanoro lalana mahitsy ny tanora... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Novelarin'i Jesoa ho an'ny Eglizy manontolo ny maha reny an'i Masina Maria, talohan'ny nahafatesany tamin'izy teo amin'ny hazofijaliana ka nanankina tamin'ilay mpianatra malalany ; araka ny voasoratra ao amin'i Masindahy Joany 19, 26-27 : "nony hitan'i Jesoa ny reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy izy tamin-dReniny hoe Rahavehivavy indro ny zanakao... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.
Amin'ny vanim-potoanan'ny "Avent" toy izao, ny Fiangonana Katolika dia mampiasa famantarana dia ny Fehezam-boninkazon'ny "Avent" (couronne d'Avent), izay ahitana labozia 4 , arehitra isaky ny alahady efatra mialohan'ny Noely. Ireo labozia ireo dia maneho herinandro efatry ny "Avent", labozia iray no arehitra isaky ny Alahady ary mifanaraka amin'ny herinandro ny isan'ny mirehitra. Ny telo amin'ireo labozia dia tokony miloko volomparasy ary ny iray ampiasaiana amin'ny herinandro fahatelo dia miloko mavokely.
Tany am-piandohana i Masina Maria dia reny niteraka, reny nikolokolo, reny niahy an'i Jesoa fa taty aoriana dia toa mpianatra izy. Ny Eglizy Tatsinanana dia matetika maneho an'i Maria ho ilay Mpanoro lalana. Ny tanany, ny masony, ny fihetsiny sy ny fiainany manontolo dia katesizy velona satria mandrakariva izy dia manoro sy manondro an'i Jesoa... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.
Boky Tononkira dia Tononkira 2, 8-14
Injay ny feon’ny malalako,
indry tamy izy miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra;
mitsambikina amin’ny havoana.
Manahaka ny gazela ny malalako,
sy ny zanaky ny serfa vavy.
Indro izy eo ivohon’ny rindrin’ny tranonay,
mijery eo am-baravarankely,
mijery eo amin’ny makarakara.
Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe:
“Mitsangàna, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
Fa indro ny ririnina efa lasa,
ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony.
Ny voninkazo efa miposaka amin’ny tany,
ny fotoana fihirana efa tonga.
Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;
efa mipoitra ny voan’aviavy vao mitsimoka,
ny voaloboka mamony efa mamerovero;
mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia!
Ry voromailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato mideza,
asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao,
fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 2-3. 11-12. 20-21
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo.
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno!
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Sambatra ny firenena tahin’Andriamanitra Tompony,
sy ny vahoaka nofidiny ho lovany.
Ny fanahinay manantena ny Tompo;
Mpitahy anay Izy sy ampinganay!
Izy no ifalian’ny fonay;
ny Anarany masina no ifefenay!
Aleloia. Aleloia.
Ianao Filohan’ny fokon’i Israely izay niseho tamin’i Môizy sy nanome azy ny lalàna teny an-tampon’i Sinaia, avia mba anavoty anay ny herin-tsandrinao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 39-45)
Tamin’izany andro izany, niainga i Maria,
ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra
ho any an-tanàna anankiray any Jodà,
ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta.
Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy,
dia nientana ny zaza tao an-kibony,
ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta,
ka nanandra-peo, niantso mafy hoe:
“Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao,
ary nosoavina ny hateraky ny kibonao.
Ary avy aiza amiko izao
no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho?
Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy,
dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko.
Ary sambatra ilay nino
fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco