Miantso ny olom-pirenena mba hibebaka ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, indrindra ny kristianina katôlika manana andraikitra. Mampirisika ny rehetra mba handinin-tena hoe : inona no efa nataoko, ny ataoko ankehitriny sy ny hataoko mba ho fampandrosoana ny tanindrazana, manentana ny tsirairay ihany koa hiala amin'ny kolikoly sy ny toeratra ratsy... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Tsy ampy ny fanabeazana eto Madagasikara indrindra ny maha-olona. Mila heverina ny fandaharam-pianarana mba hanampy ny ankizy sy ny tanora hahay hiatrika asa aoriana toy ny fambolena sy fiompiana, rafitra, raharaha ara-barotra... Tokony omena lanja manokana ny taranja " Instruction Civique" sy ny "formations humaines" ... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

  • Mavaivay ny fifanenjehana eo amin'ireo samy kandidàn'ny fanoherana, ho an'ny fifidianana ben'ny tanànan'Antananarivo. Hitarika fiparitahan'ny vaton'ny mpanohitra izany, hoy Andriamatoa Ralison Roger...
  • Maro ireo mpanjifa no mimenomenona amin'ilay fakàna hetra 0,5% amin'ny fandefasam-bola amin'ny Mobile Money. Misy ireo mitaky ny hanafoanana io hetra vaovao io...
  • Mampanahy ny tsy hananan'ny vehivavy anjara tany, raha sanatria misy fisaraham-panambadiana. Nisy ny fanadihadiana namoahana izany fehin-kevitra momba ny olan'ny fananan-tany izany...
  • Mizarazara ny hevitr'ireo tandrefana momba ny namoahan'ny CPI didy fampisamborana ny Praiministra Israeliana...

 Ny diabeta dia tsy aretina fa toe-batana, izay misy eo amin'ny olona manana olana amin'ny fanodinana ny siramamy ao anatin'ny vatany. 14 novambra no andro iraisam-pirenena ho an'ny diabeta, izay daty mifanandrify amin'ny nahaterahan'ilay Mpitsabo teratany Kanadiana, nahita ny "insuline". Ny loha-hevitry ny fankalazana amin'ny taona ity dia : Ny diabeta sy ny fahatonian'ny saina. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" eto amin'ny radio Don Bosco.

Alahady faha-34 mandavantaona — B "Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao" : ampanjakao ny fahamarinana sy ny fitiavana, dia ho mpanjakantsika i Kristy ; Hosoavina anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Ity alahady ity no mamarana ny taona litorjika ho an'ny Eglizy katôlika. Efa i Kristy ve no manampahefana tanteraka eo amintsika sa zavatra hafa sa olona hafa, ary sao mba ny zavatra mahadoka ivelany fotsiny?. Tsy hay refesina ny fitiavan'i Kristy ny olombelona, ny fibanjinana an'i Jesoa be voninahitra, izay fiandohana sy fiafarana dia mitondra fahasoavana maro...

  • Sambany indray nilatsaka ny orana teto Antananarivo omaly hariva, rehefa ela no niandrasana azy. Orana artifisialy iny nirotsaka iny, hoy ny fampitam-baovaon'ny Jirama...
  • 20 taona izao no nanamarihan'ny Saleziana Don Bosco ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizy. Sekoly 13 no niara-nankalaza izany tetsy amin'ny Oratorio Ivato...
  • Misy fiaramanidina 17 efa tsy miasa intsony ankehitriny no mbola miantsona etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Manome 15 andro ny tompony hanalàna azy ireo ny ACM
  • Manasa ny Praiministra Israeliana hitsidika any Hongrie ny filoha Hongrois...

Tsy tokony hohadinoina hoy ny Papa fa ireto zavatra miisa telo ireto no fihetsika manokana mampiavaka an'Andriamanitra : akaiky, mangoraka, malemy fanahy. Izany no hanehoan'Andriamanitra amintsika ny maha-Ray Azy. Ny vavaka dia fiezahana miombona amin'ny lamin'asan'Andriamanitra : hikatsahana ny voninahiny sy ny fahasambaran'ny olombelona... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i Frère Grégoire Ramahefarisoa, OSsT.

  • 20 taona nanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Ankizy, ny sekoly tantanan'ny Saleziana Don Bosco, Oratorio Ivato. Sekoly miisa 13 no niaraka nankalaza izany androany...
  • Tontosa androany teny amin'ny FIGN Fort Duchesne, ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin'ny lehiben'ny Hery Vonjy Taitran'ny Zandarimariam-pirenena...
  • Isan'ny asa miandry ny Ben'ny Tanàna ho avy eo ny hijery manokana ny trano tokony hipetrahan'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny Sendika Mahaleotenan'ny Mpiasa...

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...

Toy ny asa rehetra ihany ny zaitra ka misy ireo liana sy tia manao azy, misy kosa ireo tsy liana ary tsy mahay mihitsy aza. Toy izany koa ny resaka tontolon'ny asa famoronana, azo atao hoe talenta ihany izy io, nefa ihany koa misy ny mianatra sy mandalina azy. Tsy izay rehetra mahay manjaitra anefa no afaka manao asa famoronana lamaody, ary tsy voatery izay mahay mamorona koa dia mahay manjaitra, fa misy kosa anefa ireo izay sady mpanjaitra no mpamorona lamaody ihany koa. Azo sokajiana ho asa tena ny asa fanjairana sy famoronana lamaody. Ny atao hoe asa famoronana moa raha araka ny resadresaka nifanaovana tamin'i Jouany izay miaiana ao anatin'izay tontolon'ny asa famoronana izay dia zavatra tsy fahita eny amin'ny andavan'andro no foronina, avy amin'ny aingam-panahinao.

Kihon-dalana tsy azo iodivirana amin'izao fotoana izao ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala na ity atao hoe "RPF" mba ahafahana miaro ny tontolo iainana, iantohana ny famokarana maharitra. Ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala izay hanaovan'i Afrika ezaka manokana ka 100 tapitrisa Hektara no ezahana hotratrarina amin'ny taona 2024. Firenena 10 no nametraka fanamby amin'ny RPF ka i Madagasikara manokana namatraka tanjona 4 tapitrisa Hektara amin'ny taona 2030. Misy ny asa atao momba izany isan'izany ny any avaratry ny nosy. Tsy very maina ny fiofanana nataon'ny tantsaha tao Antsiranana faharoa tao, iadiana amin'ny fiovan'ny toetr'andro sy ny fampanjariana ny famokarana.  Tafita ny hafatra tamin'ny fampiofanana samihafa narahan'ireo tantsaha ireo. Efa hita taratra ny asa vita ho an'ny ao Antsiranana faharoa ao amin'ny Kaominina Sajoavato, sy ny ao amin'ny fokontany Berafia Kaominina Andrafiabe. Manomboka mamerina ny tontolo manodidina ny ala ny mponina, tetik'asan'ny fikambanana UNION MATANJAKA iarahany amin'ny Réseau SOA. Niara-niasa tamin'ny fikambanana TOSIKA izy ireo tamin'ny fanomezana fiofanana ny tantsaha. Ny FAO amin'ny alalan'ny fandaharan'asa FFF FAO, no miara-miombon'antoka amin'ny fanarenana ny tontolo manodidina sy ny ala "RPF" ao amin'ny distrika Antsiranana faharoa izay.

  • Andrasana hatramin'ny 2 desambra 2024 indray ny fahatongavan'ireo fitaovana sy kojakoja handrafetana ilay groupe voalaza fa hamokatra 105MW...
  • Mason-tsivana tsara hananan'izay ho mpanazatra vaovaon'ny Barea, ny fahaizana mandresy lahatra ireo mpilalao any ivelany, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...
  • Nahazo traikefa ireo Malagasy mpandraharaha voasafidy hitsidika sy hiofana tany Frantsa nandritra ny 15 andro...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...