• Efa manomana ny fanadihadiana parlemantera momba ny fahaverezan'ny 4.000 miliara Ariary teo ho eo tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, ny Antenimieram-pirenena. Izay no nanmbaran'ny filohan'ity andrim-panjakana ity, raha namaly ireo tanora Gen-Z nitsikera azy izy... • Mamolavola tetikasa hampitomboana ny vokatra kafe eto amintsika sy hanatsarana ny kalitaony ny ao amin'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fahaleovan-tena ara-tsakafo... • Manao fivoriambe ao Antsirabe nanomboka androany, ary haharitra telo andro, ireo mpanao gazety mivondrona ao amin'ny RJSET. Dinihina ny fampahafantarana ny asa vaovao sahanin'ny fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny 2026-2027...
• Nisy omaly ny fihaonana teo amin'ny Filohan'ny Fanavaozana sy ny Filohan'i Tchad, Idriss Deby, anatin'izao fitsidihany an'i Tchad izao... • Nitarin'ny amerikana hatramin'ny taona 2028 ny tetikasa AGOA, anisan'ny isitrahan'i Madagasikara amin'ny lafiny toe-karena. Lany teo anivon'ny Antenimeran-dholona amerikana izany... • Miverina indray ny fanasaziana ny olom-pirenena mandika ny lalana mifehy ny fahadiovana sy tandrom-pahasalana ao an-drenivohitra. Olona maromaro no voasazy teny Besarety, omaly...
• Nahitana fanodikondinam-bola 833 tapitrisa Ariary teo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Voarohirohy ny Minisitra teo aloha, mety hovoasaringotra ny Filoha teo aloha, hoy ny tatitry ny PAC... • Tsy mankasitraka ny fisian'ny dinika politika ankehitriny ny Solombavam-bahoaka Pety Rakotoniaina. Nambarany fa sao sanatria tetika politika hamerenana ny Filoha teo aloha, na hizarana seza izany... • Nanambara ny PDS omaly fa vola 50.000 Ariary ihany no zakan'ny kitapom-bolan'ny Kaominina Antananarivo amin'ilay tambin-karama momba ny trano fonenana takian'ny sendikan'ny mpiasa...
• 50.000 Ariary isaky ny mpiasa ihany no zakan'ny kitapom-bolan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra amin'ny tambin-karama fanampiny momba ny trano fonenana... • Tsy eto an-toerana, fa nihazo an'i Tchad androany maraina, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Randrianirina Michaël... • Medaly volamena 7 sy medaly volafotsy 4 ary amboara iray no vokatra ho an'i Madagasikara nandritra ny andiany faha-7 amin'ny Tompondakan'i Afrika, eo amin'ny taranja Jiu Jitsu, izay natao tany Maurice...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco