28 desambra 2024 — Ireo zaza tsy manan-tsiny, Martiry — Fety — Midera Anao izahay, ary manaiky fa Ianao no Tompo; ny tafika manehoehon'ny martiry dia midera Anao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 2, 13-18)
27 desambra 2024 — Masindahy Joany, Apôstôly — Fety — Andriamanitra ô, midera anao izahay, mankalaza anao izahay; ary mihoby anao ny antokon'ny Apôstôly — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 20, 2-8)
26 desambra 2024 — Masindahy Étienne, Martiry voalohany — Fety — Hisaorana anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo ; ny Tompo Andriamanitra Mpanazava antsika — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 10, 17-22)
25 desambra 2024 — Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy — Mamiratra amintsika ilay andro masina; koa avia, ry firenena rehetra, mitsaoka ny Tompo, satria nidina androany tety an-tany ilay Fahazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany (Jo 1, 1-18)
24 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 1, 67-79
23 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely— Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay; avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 57-66)
22 desambra 2024 — Alahady fahefatra amin'ny Fiavian'ny Tompo — Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 39-45)
Maro ny vavaka nosintonina tamin'ny hevitry ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin'ny Fiangonana no noraiketin'ireo Aban'ny Fiangonana ho vavaka tsy miova ka azo atao tsianjery mba hampitombo fahaizana sy fahalalana ny kristianina mahakasika ny Misterin'Andriamanitra. Isan'ny faratampony amin'ny vavaka ampianarin'ny Fiangonana ny Litorjian'ny Sorona Masina... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 14-21)
Ry malala, izao no toky lehibe ananantsika eo anatrehan’Andriamanitra:
raha mangata-javatra araka ny sitra-pony isika, dia mihaino antsika Izy.
Ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy,
dia fantatsika koa fa na inona na inona angatahintsika aminy dia azontsika.
Raha misy mahita ny rahalahiny manao fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana,
aoka hivavaka ho azy izy, ary Andriamanitra no hanome azy ny fiainana,
dia an’izay manota tsy ho amin’ny fahafatesana.
Misy fahotana ho amin’ny fahafatesana;
tsy mba ny amin’izany no ilazako hoe tokony hivavaka.
Fahotana avokoa ny tsy fahamarinana rehetra,
fa misy fahotana tsy ho amin’ny fahafatesana.
Fantatsika fa izay rehetra naterak’Andriamanitra dia tsy manota,
fa miaro tena izay naterak’Andriamanitra, ka tsy mikasika azy ilay Ratsy.
Fantatsika fa avy amin’Andriamanitra isika,
ary izao tontolo izao kosa mipetraka ao amin’ilay Ratsy avokoa.
Ary fantatsika fa tonga ny Zanak’Andriamanitra, ka nanome fahazavan-tsaina antsika,
mba hahalalantsika an’Andriamanitra marina;
ary ao amin’izany Andriamanitra marina izany isika,
satria ao amin’i Jesoa Kristy Zanany izay Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay.
Anaka, tandremo fandrao manompo sampy ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5 sy 6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy!
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’ilay Mpanjakany.
Aoka hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany;
ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am- bava fankalazana an’Andriamanitra
no voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Ny olona nitoetra tao amin’ny maizina, dia nahita fahazavana lehibe; ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 22-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny tanin’i Jodea
ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany Izy sady nanao batemy ny olona.
I Joany koa nanao batemy tany Enôna akaikin’ny Salîma, fa be rano tao,
ka nanatona ny olona sy nataony batemy;
fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Joany.
Ary nifanditra tamin’ny Jody anankiray ny amin’ny fanadiovana ny mpianatr’i Joany,
ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe:
“Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko,
ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra.”
Dia namaly i Joany ka nanao hoe:
“Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona
raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
Ary ianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe:
Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy.
Izay manana ny ampakarina no mpampakatra,
fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy,
dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra;
ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko.
Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco