• Hitarika fidangan'ny vidim-piainana ny fakana hetra amin'ny fandefasam-bola amin'ny finday, hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Hiverina indray ny delestazy eto amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo, noho ny olana ara-teknika. Adiny roa isaky ny fahatapahana izany, hoy ny Jirama androany...
  • Nahazo vahana ny doro tanety tamin'ity taona ity, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Ahitana izany tranga izany avokoa ny 75%-n'ny kaominina eto Madagasikara...

  • Vonona hanohana ny fampitomboana ny voka-bary eto Madagasikara ny tantsaha eto amin'ny nosy. Tsy ankasitrahan'izy ireo ny hanokanan'ny Fanjakàna Malagasy teti-bola goavana hividianana masomboly hampiroboroboana ny voly vary Riz Hybrid...
  • Mananosarotra ny fifehezana ny afo ao Mandraka, Distrika Manjakandriana. Mbola mifarimbona mamono afo ny fokonolona sy ny tompon'andraikitra tao anatin'ny andro maromaro izao...
  • Hatsangana ny antenimieram-paritry ny tanora aty amin'ny faritry ny ranomasimbe Indiana. Natao teto Madagasikara nandritra ny 2 andro ny fivorian'ny kômity mpanatanteraka...
  • Rava omaly hariva ny governemanta any Mali notarihan'ny sivily. Miaina anaty rafitra tetezamita nanomboka ny taona 2020 ity firenena ity...

Ny olom-pirenena vanona dia ireo maharaka ny zava-misy eo amin'ny firenena, ary tompon'andraikitra mivantana amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Ny safidy no fanalahidin'ny fandrosoana, amin'ny alalan'ny fifidianana toy izao fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolontsaina izao. Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny maha olom-pirenena. Antony tsy hisian'ny fandrosoana : ny tsy fahalalana, ny fanambakàna, fampiorohoroana, tsy fahamarinana, kolikoly ary ny tsy fahandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Nahavita ny fiofanana fanao isan-taona ireo tanora mpiofana ho Saleziana manao ny fizarana asa avy amin'ireo ankohonam-piainana manerana an'i Madagasikara ; fiofanana nandritra ny telo andro...
  • Nandray ny asany ny PDS vaovao ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Asa maika hoy Andriamatoa Alexandre Georget ny fiomanana amin'ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra...
  • Tsy mankasitraka ny hitataovana hetra ny fandefasam-bola amin'ny alalan'ny Finday ireo orinasa miisa 3 lehibe misehatra amin'izany. Fanasaziana ny mpanjifa ny fampiharana io fepetra io hoy izy ireo...
  • Mankasitraka ny hitadiavana vahaolana ara-diplômasia miaraka amin'i Israëla momba ny ady ao Liban ny lehiben'ny Hesbolah Libanais Naim Qassem...

  • Ankizy an-tapitrisany no tsy mbola manana kôpia eto Madagasikara, raha ny fantatra nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny ankizy...
  • Tontosa ny famindram-pitantanana teo amin'ny PDS Georget Alexandre, sy ny Sekretera Jeneralin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Clara Andrianala...
  • Tsy misy fiaramanidin'ny Tafika na an'ny fanjakana ireo fiaramanidina madinika dimy sy helikôptera iray may tety Ivato, fa an'ny orinasa tsy miankina avokoa, hoy ny ACM...

  • Tanterahina eny amin'ny kianja Barea Mahamasina ny andiany faha-8 amin'ny tsenaben'ny fizahan-tany sy ny andiany voalohany amin'ny tsenaben'ny asa-tanana manomboka rahampitsy ary aharitra 3 andro...
  • Tafakatra 96% ny tahan'ny fanaovam-baksiy ny zaza nandritra ny hetsika faobe niisa 6 notanterahina teto Madagasikara tamin'ity taona ity...
  • Nampatsiahy ireo dingana tsy maintsy hajaina mifandraika amin'ny fandefasana hiran'ny mpanakanto mandritra ny vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao ny sendikan'ny kanto "SYKA"...
  • Tsy afaka handresy an'i Russie amin'izao ady izao i Ukraine raha hampitsahatra ny fanampiana ara-tafika sy ara-bola ho azy ireo ny Amerikanina hoy Volodymyr Zelensky...

  • Nampitandrina sahady ny kandidà hambarany fa nandika ny fepetra napetraka tamin'ireo toerana voarara tsy azo hanovana fampielezan-kevitra ny prefet an'Antananarivo...
  • Kihon-dalana lehibe ho an'ny firenena sy ny vahoaka Malagasy ny fifidianana ben'ny tanàna ka eo am-pelantanan'ny vahoaka ny fahefana hiova sy hanova hoy ny filoha teo aloha Hery Rajoanarimampianina... T
  • ontosa teny amin'ny Centell Antanimena ny atrik'asa fakan-kevitra tamin'ireo mpisehatra amin'ny tontolon'ny fizahan-tany mahakasika ny fandrafetana ny taratasy ho an'ny politika ankapoben'ny fizahan-tany eto Madagasikara..

  • Nilamina tamin'ny ankapobeny ny fanombohan'ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina, hatao amin'ny 11 desambra 2024. Dia be mamakivaky tanàna no saika nisantarana izany androany...
  • Miantso ireo Solombavam-bahoaka sy Loholona, handinika tsara ny votoatin'ny volavolan-dalana mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana, ny firaisamonim-pirenena, izay vao handany izany. Iankinan'ny fiainam-pirenena mantsy izy io, hoy ny hetsika Rohy...
  • Nitrangana doro tanety tao amin'ny faritry ny seranam-piaramanidina tety Ivato. Voafehy ny afo ary efa miverina amin'ny laoniny ny sidina tao aorian'ny famonoan'ny tompon'andraikitra ny izany...

Raha faritana araka ny finoantsika ny afo fandiovana dia toeram-pijaliana sy fanonerana izay handiovan'ny fanahy izay mbola tsy mendrika ny ho raisina hiditra any an-danitra. Tsy paradisa sady tsy afobe fa toerana manelanelana ny hafaliana tsy manam-petra sy ny toeran'ny fijaliana tsy misy farany ; toy ny afobe ihany izy raha jerena ny fangirifirian'ny fijaliana, ary manahatahaka ny Lanitra kosa izy amin'ny fahamasinan'ireo izay mitaraina; afo mandoro nefa manadio. Misy ny fijoroana vavolombelona isan-karazany mahakasika ny fisian'ny afo fandiovana, ary misy ihany koa ny vavaka mahakasika azy io.

  • Mbola mangingina ny fanombohan'ny fampielezan-kevitry ny fifidianana ben'ny tanàna ny maraina teo...
  • Vinavinaina hiakatra 5% ny harin-karena faobe ho an'ny taona 2025, raha ny voafaritry ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bola-panjakàna. Hisy ny hetra vaovao ho foronina, hoy ny Ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola...
  • Miakatra tsikelikely indray ny vidin'entana ilaina andavanandro eny an-tsena ankehitriny. Efa 15% sahady io fiakarana io, raha ny tatitry ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...
  • Nomen'ny Amerikàna balafomanga mahataka-davitra i Ukraine hampiasainy amin'ny ady ifanandrinany amin'i Rosia, nankasitraka izany ny filoha Frantsay...

Ilaina ny fanisana biôlôjika ho an'ny ala vao fantarina na tiana ho tantanina hamantarana ny toetran'ilay ala, tsy maintsy misy solontena avy amin'ny fanjakana miatrika eo, misy koa fanisana hanaovana fikarohana biby vaovao mbola tsy fantatra. Tany amin'ny taona 1905 no nisy fanisana biôlôjika voalohany izay teto Madagasikara. Inona no maha zava-dehibe ny fanisana biolojika? Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 30, 19-21. 23-26)

Miantra anao Andriamanitra ka mamindra fo aminao raha vao mitaraina ianao.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra masin’i Israely :
Ianao, ry vahoaka monina ao Siôna, ao Jerosalema,
tsy hitomany intsony ianao,
fa raha vao mitaraina ianao dia hamindrany fo;
raha vao mandre anao Izy dia hamaly anao.
Homen’ny Tompo anareo ny hanim-piahiahiana mafy
sy ny ranom-pahoriana,
ary tsy hiery intsony izay mampianatra anao,
ary hahita maso an’izay mampianatra anao ianao.
Ary raha ianareo hivily
na ho ankavanana na ho ankavia,
dia handre sofina ny feo hilaza ao ivohonao hoe:

“Itý no lalana, ka ombao io!”

Ny Tompo handefa ny ranonorany
amin’ny voa nafafinao amin’ny tany,
ary ny tany hahavokatra mofo,
tsara tokoa sady betsaka,
amin’izany andro izany ny biby fiompinareo
hihinana eny amin’ny tany fiandrasana malalaka,
ary ny omby aman’ampondra miasa ny tany,
hihinam-bilom-bary matsiro,
voakororoka tamin’ny lapela aman-tsahafa.
Eny an-tendrombohitra avo rehetra,
eny an-kavoana avo rehetra,
hisy sakeli-drano aman-dranovelona,
amin’ny andro famonoam-be,
sy hianjeran’ny tilikambo.
Ny hazavan’ny volana
ho tahaka ny hazavan’ny masoandro;
ary ny hazavan’ny masoandro
ho avo fito heny,
tahaka ny hazavan’ny hafitoana,
amin’ny andro hamehezan’ny Tompo
ny ratran’ny vahoakany,
sy hanasitranany ny fery namelezany azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 146, 1-2. 3-4. 5-6

Sambatra izay rehetra manantena ny Tompo.

Derao ny Tompo fa tsara!
Antsao ny Andriamanitsika fa mamy:
eny, mendrika Azy ny dera!
Ny Tompo! Ilay manorina an’i Jerosalema,
manangona ny tafaely amin’i Israely.

Manasitrana ny torotoro fo;
sy mamehy ny ferin’izy ireo!
Ilay manisa tsirairay ny kintana,
sy miantso azy amin’ny anarany.

Tompontsika lehibe sy mahery,
Ilay tsy hita isa ny fahalalany!
Tompo manarina ny ory,
sy mampiohoka an-tany ny olon-dratsy!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Manandrata feo eny amin’ny tendrombohitra, ianao izay mitory teny soa; indro fa tonga amin’ny heriny ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 9, 35 — 10, 1 sy 6-8)

Onena i Jesoa nahita ireo vahoaka.

Tamin’izany andro izany
i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra,
ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly
sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”

Ary niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy Izy
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary hoy Izy:

“Mankanesa any amin’ny ondry very
amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
Efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty,
diovy ny boka, roahy ny demony;
nahazo maimaim-poana ianareo,
koa manomeza maimaim-poana.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...