Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 18, 1-2. 21-23 ; 19, 1-3. 9a)

Rava i Babilôna lehibe.

Hitako izaho Joany, nidina avy any an-danitra itý Anjely nanam-pahefana lehibe,
sy nanazava ny tany tamin’ny voninahiny.
Niantso tamin’ny feo mahery izy, nanao hoe:

“Rava, rava i Babilôna lehibe, ka tonga fonenan’ny demony,
sy fitoeran’ny fanahy maloto rehetra
ary fieren’ny vorona maloto halan’ny olona rehetra!”

Tamin’izay dia nisy Anjely anankiray,
naka vato hoatra ny vato lehibe fikosohan-dafarinina,
ka nanipy azy tany anaty ranomasina, nanao hoe:

“Hazera tampoka hoatra izany i Babilôna tanàna lehibe,
ka tsy ho hita intsony!
Dia tsy ho re ao aminao intsony ny feon’itý mpitendry harpa,
sy ny mpitsoka mozika mbamin’ny mpitsoka sodina sy trômpetra.
Ny mpanao taozavatra rehetra tsy ho hita eo aminao intsony,
ary ny feon’ny vato fikosohan-dafarinina tsy ho re ao intsony koa.
Ny fahazavan’ny jiro tsy hamirapiratra ao aminao intsony,
ary ny feon’ny mpampakatra sy ampakarina tsy ho re ao aminao intsony;
satria ny mpandrantonao dia lehiben’ny tany,
ary ny ody fandrebirebenao no nampivily ny firenena rehetra.”

Rahefa izany,
dia nisy hoatra ny feom-bahoaka betsaka tany an-danitra, reko nanao hoe:

“Aleloia! An’Andriamanitra ny famonjena sy ny voninahitra ary ny hery,
fa marina sy mahitsy ny fitsarany,
satria Izy nanameloka ilay Vehivavy janga malaza
izay nandoto ny tany tamin’ny fijangajangany,
sy namely an’io noho ny ran’ny mpanompony izay nalatsaky ny tanany.”

Dia naverin’izy ireo fanindroany indray ny hoe:

“Aleloia!”

Ary niakatra mandrakizay mandrakizay ny setroky ny tanàna.
Dia hoy ilay Anjely tamiko:

“Soraty:
Sambatra izay nasaina ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 99, 2. 3. 4. 5

Sambatra izay nasaina ho amin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry.

Fo falifaly anompoana ny Tompo,
tongava eo aminy mihira miravo.

Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra:
fa Azy isika satria noarìny
sy tena vahoakany,
ondry fiandriny.

Ireo vavahadiny idiro amin-tsaotra,
ny ao an-kianjany idiro amin-dera.
Derao Izy Tompo:
ny Anarany isaory.

Miaiky isika fa tsara ny Tompo,
fa mandrakizay ny fitiavany antsika.
Amin’ny taona rehetra
ny fahamarinany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miandrandrà, ka asandrato ny lohanareo; fa efa akaiky ny fanavotana anareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 20-28)

Nohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandra-pahafenon’ny andron’ny Jentily.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Rahefa hitanareo voahodidin’ny miaramila i Jerosalema,
dia fantaro amin’izany fa efa antomotra ny fandravana azy,
ka amin’izany, izay any Jodea aoka handositra any an-tendrombohitra,
izay ao an-tanàna aoka hivoaka any ivelany,
ary izay any an-tsaha aoka tsy hiditra ao an-tanàna intsony,
satria izany andro izany no ho andro famaizana sy hahatanterahan’izay rehetra voasoratra.
Loza ho an’ny bevohoka sy ny mitaiza kely amin’izany andro izany,
fa ho lehibe tokoa ny fahoriana eto an-tany,
ary ho mafy ny hatezeran’Andriamanitra amin’itý firenena itý:
haringana amin’ny lela sabatra izy, sy ho lasan-ko babo any amin’ny firenena rehetra,
ary hohitsakitsahin’ny Jentily i Jerosalema mandrapahafenon’ny andron’ny Jentily.
Hisy famantarana koa eny amin’ny masoandro sy ny volana ary ny kintana,
ary etý an-tany dia ho ory sy very hevitra ny firenena
noho ny fikotrokotroky ny ranomasina sy ny onjany;
ho ankona foana ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay loza hanjò an’izao tontolo izao,
fa hihozongozona ny herin’ny lanitra.
Dia ho hita amin’izay ny Zanak’Olona
avy any ambonin’ny rahona amim-pahefana sy voninahitra lehibe.
Raha vao miantomboka izany zavatra izany,
dia miandrandrà ka asandrato ny lohanareo,
fa efa akaiky ny fanavotana anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 15, 1-4)

Nohirain’izy ireo ny hiran’i Môizy sy ny hiran’ny Zanak’ondry.

Izaho Joany nahita famantarana hafa sady lehibe no mahagaga tany an-danitra,
dia anjely fito nitondra loza fito farany,
fa amin’ireo no hanaperana ny fahatezeran’Andriamanitra.
Ary nahita toa ranomasina fitaratra miharo afo aho;
ka izay nandresy ny Biby sy ny sariny ary ny isan’ny anarany,
no nitsangana teo amoron’io ranomasina fitaratra io, mitana ny harp’Andriamanitra.
Ny hiran’i Môizy mpanompon’Andriamanitra sy ny hiran’ny Zanak’Ondry no nohirain’izy ireo, ka hoy izy:

“Lehibe sy mahagaga ny asanao, ry Tompo Andriamanitra tsitoha!
Marina sy mahitsy ny lalànao, ry Mpanjakan’ny taona mandrakizay!
Iza no tsy hatahotra sy hankalaza ny anaranao, Tompo ô?
Fa Ianao irery no masina, ka ho avy hiankohoka eo anatrehanao ny firenena rehetra
satria niseho miharihary ny fitsaranao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 97, 1. 2-3ab. 7-8. 9

Lehibe sady mahatalanjona ny asanao, ry Tompo Andriamanitra heni-pahefana.

Ihirao hira vao ny Tompo:
fa nahavita zava-mahagaga!
Namonjy Azy ny tanany havanana,
nanampy Azy ny sandriny masina!

Ny Tompo nanambara ny famonjeny,
sy naneho ny fahamarinany tamin’ireo firenena!
Tsarovy, ry Tranon’i Israely,
ny hatsaram-po sy fahamarinany!

Aoka hidobodoboka ny ranomasina sy izay mameno azy,
izao rehetra izao sy izay monina ao aminy!
Ny ony aoka hiteha-tanana;
ny vohitra indray hanakora!

Mba hitsena ny Tompo izay tamy!
Fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahareta ambara-pahafaty, hoy ny Tompo, dia homeko anao ny satro-boninahitry ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 12-19)

Ho halan’ny olona rehetra ianareo; nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Hosamborina ianareo, hoenjehina, hoentina any amin’ny sinagôga sy any an-tranomaizina,
ary hatolotra ny mpanjaka sy ny manam-pahefana noho ny Anarako.
Izany no ho tonga aminareo, dia mba ho vavolombeloko ianareo.
Koa alatsaho ao am-ponareo ny mba tsy hihevitra mialoha izay havalinareo akory;
fa Izaho ihany no hanome vava anareo,
sy fahendrena tsy ho azon’ny fahavalonareo toherina na lavina velively.
Na ny ray aman-dreny sy ny rahalahinareo aza,
mbamin’ny havana aman-tsakaizanareo dia hanolotra anareo koa,
ka hovonoiny ny maro aminareo,
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako;
nefa tsy hisy ho very na dia singam-bolo iray amin’ny lohanareo aza.
Ny faharetanareo no hamonjenareo ny tenanareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 14, 14-19)

Tonga ny fotoam-pijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.

Nijery izaho Joany, ka nahita rahona fotsy,
ary teo amboniny nisy olona nipetraka sahala amin’ny Zanak’Olona;
satroboninahitra volamena no teny an-dohany,
antsy fijinjana maranitra no teny an-tanany.
Ary nisy Anjely iray koa nivoaka avy ao amin’ny tempoly,
niantso tamin’ny feo mahery, ka nanao tamin’ilay nipetraka tambonin’ny rahona hoe:

“Alefaso ny antsy fijinjanao, ka mijinjà,
fa tonga ny fotoam-pijinjana, satria masaka ny vokatry ny tany.”

Dia nalefan’ilay nipetraka tambonin’ny rahona teny amin’ny tany
ny antsy fijinjàny ka voajinja ny tany.

Nisy Anjely anankiray hafa koa, nivoaka avy teo amin’ny tempoly any an-danitra,
nitana antsy fijinjana maranitra koa.
Dia nivoaka avy eo amin’ny otely ity Anjely manam-pahefana amin’ny afo,
niantso tamin’ny feo mahery,
ka nilaza tamin’ilay nitana antsy fijinjana maranitra hoe:

“Alefaso ny antsy fijinjànao,
ka toazy ny sampahom-boaloboka eny amin’ny tanim-boaloboky ny tany, fa efa masaka ny voany.”

Dia nalefan’ilay Anjely tany amin’ny tany ny antsy fijinjàny,
ka notoazany ny voaloboky ny tany, ary natsipiny tao anatin’ny famiazana lehibe,
dia ny fahatezeran’Andriamanitra izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 95, 10. 11-12. 13

Tamy ny Tompo mba hitsara ny tany.

Ilazao ny firenena:
Manjaka ny Tompo!
Izao tontolo izao mafy orina, tsy hihontsona!
ny vahoaka tsarainy araka ny hitsiny!

Aoka hifaly ny lanitra, hiravo ny tany!
hidobodoboka ny riaka sy izay mameno azy,
hibitaka ny saha sy izay rehetra ao aminy,
hanakora avokoa ny hazo any an’ala.

Mba hitsena ny Tompo:
fa tamy Izy mba hitsara ny tany,
hitsara ny tontolo araka ny rariny,
sy ireo vahoaka araka ny hitsiny!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ianareo ary aoka ho vonona: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 5-11)

Tsy havela hisy vato mifanongoa.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ireo nilaza ny tempoly ho voaravaka vato tsara sy fanatitra sarobidy ka nanao hoe:

“Ho avy ny andro handravana ireo zavatra rehetra hitanareo ireo,
ka tsy havela hisy vato mifanongoa eo izay tsy horavana.”

Dia nanontany Azy izy ireo nanao hoe:

“Ry Mpampianatra, rahoviana no ho tonga izany,
ary inona no famantarana hahalalana fa efa akaiky izany?”

Ka hoy i Jesoa hoe:

“Tandremo sao ho voafitaka ianareo,
fa maro no ho avy hisandoka ny Anarako hanao hoe:
‘Izaho no izy, ary efa akaiky ny andro’,
fa aza manaraka azy.
Ary raha mandre ady sy fikomiana ianareo, aza taitra:
fa tsy maintsy ho tonga aloha izany,
nefa tsy mbola ho tonga miaraka amin’izay akory ny farany.”

Dia hoy koa Izy tamin’izy ireo:

“Hisy firenena hitsangana hiady amin’ny firenena,
sy fanjakana hiady amin’ny fanjakana,
hisy horohoron-tany mafy sy areti-mandringana ary mosary amin’ny tany samihafa;
eny an-danitra koa, dia hisy fisehoana mahatahotra sy famantarana lehibe.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Fanambarana nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apok. 14, 1-3. 4b-5)

Voasoratra teo an-kandrin’izy ireo ny anaran’i Kristy sy ny anaran-dRainy.

Nijery izaho Joany, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr’i Siôna ny Zanak’ondry;
olona efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no nanaraka Azy,
ary voasoratra teo an-kandrin’ireo ny anarany sy ny anaran-dRainy.
Dia nandre feo avy any an-danitra aho,
tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy;
ary ny feony izay reko dia toy ny kônsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa.
Nihira toa hira vaovao izy ireo,
teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra
ary teo anatrehan’ireo Anti-dahy;
ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany,
afa-tsy izy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy ireo,
izay navotana ho afaka amin’ny tany.
Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany.
Ireo no navotana avy amin’ny olona,
ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry;
ary tsy misy lainga eo am-bavan’izy ireo fa tsy manan-tsiny izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

Izany no taranaka mikatsaka ny Tavanao, ry Tompo.

An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy,
izao tontolo izao sy izay monina ao aminy.
Fa Izy no nanangana azy teo ambony ranomasina,
sy nanorina azy teo ambonin’ny ony!

Iza no hiakatra ny Vohitry ny Tompo?
Zovy no hiorina ao amin’ny Toerany Masina?
Dia izay madio tanana sy mahitsy fo,
tsy mianiana tsy tò amin’ny namana!

Izy no hahazo ny tso-dranon’ny Tompo;
ny fahamarinan’ilay Andriamanitra Mpamonjy azy!
Izany no taranaka mitady Azy,
mikatsaka ny tavanao, ry Andriamanitr’i Jakôba.

Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 21, 1-4)

Nahita mpitondratena mahantra nanatitra farantsa kely varahina roa tao Izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanopy ny masony
ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra.
Dia nahita mpitondra tena anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy,
ka nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra;
satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an’Andriamanitra,
fa io kosa, dia tamin’ny fahantrany indrindra izy
no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Nifarana omaly ny fihaonambe nasiônaly faha-12 ho an'ny Aumonierie Catholique des Prisons, nisy ny fehin-kevitra nivoaka tamin'izany...
  • Manentana ny olom-pirenena mba handray anjara amin'ny fifidianana hatao ny 11 desambra izao ny HCDED, Filan-kevitra Ambony Miaro ny Demôkrasia sy ny Fanjakàna tan-Dalàna...
  • Hanatanteraka tetik'asa miisa 2 momba ny fahaizana miatrika ny ambana sy fiahiana ara-tsakafo eto Madagasikara ny USAID. Vola mitentina 22 tapitrisa Dôlara no enti-manao izany...

Alahady faha-33 mandavantaona — B : Hiverina i kristy amin’ny farandro ; Miambena sy mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona. Nankahery ireo mpiara-belona taminy i Daniel. I Misely filohan'ny anjely mpandresy ny demony dia hiambina sy hiaro ny mpino ampahoriana, na eo aza ireo mpankahala ny fivavahana ; handresy ireo vesaram-pahoriana. Ankehitriny dia misy ireo milaza fa tsy misy Andriamanitra, ny fahafantarana ny fiverenan'i Kristy dia tokony hampitombo ny fanantenantsika...

  • Nivoaka ny hafatra avy amin'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny famaranana ny fivoriana ara-potoana omaly...
  • Manentana ny rehetra mba hitandrina amin'ny afo ny Ministry ny Mponina amin'izao vanim-potoana main-tany izao...
  • Ny 40% amin'ny ankizy an'arivony mampiasa ny "internet", nanaovana fanadihadiana teto Madagasikara dia nilaza fa efa niharan'ny fanararaotana mamoafady tamin'ny alalan'ny tranok'ala avokoa...

“Onena i Jesoa nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry” (Mt 9,36)

Ho an’ny mpitondra sy ny vahoaka mpiray tanindrazana tsy ankanavaka ary ny
kristianina katôlika.

Ho aminareo anie ny fiadanana!

  • Namoaka hafatra ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny famaranana ny fivoriana ara-potoana faharoa fanaony isan-taona, androany...
  • Manome tantsoroka amin'ny lafiny maro ho an'ny orinasa malagasy ny CGA, ivontoerana nahazo fankatoavana avy amin'ny Foibe Fitantanana Ankapobeny ny Hetra...
  • Ny 40%-n'ny ankizy an'arivony mampiasa ny Internet, nanaovana fanadihadiana teto Madagasikara dia milaza fa efa niharan'ny fanararaotana mamoafady tamin'ny alalan'ny Internet avokoa...

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...

Ilain'ny tanora ny mianatra sy mifehy ny fiteny anglisy, indrindra amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Tanora vitsivitsy no mijoro vavolombelona manondidina ny tontolon'ny fianarana teny anglisy. Tanora tovovay iray, Ramatoa kely Harifetra, mpampianatra ity taranja ity no mifampizara amintsika ny hasarobin'izany fahaizana teny anglisy izany sy ny toro-paika mba hitiavana sy hahaizana azy haingana.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Daniely Mpaminany (Dan. 7, 13-14)

Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany.

Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy, teny ambonin’ny rahon’ny lanitra;
nandroso Izy nankeo amin’ilay Anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany;
dia nomena Azy ny fahefana sy ny voninahitra, amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny Fanjakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 92, 1ab. 1d-2. 4. 5

Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana.

Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana;
ny Tompo mitafy sy misikina hery
izao rehetra izao nataony mafy orina,
tsy mba hihontsona rahoviana.
Ny fiketrahanao mijoro hatrizay,
Ianao moa efa hatramin’ny mandrakizay.

Tompo ô, ny ony manandratra,
ny ony manandratra ny feony:
Ny ony manandratra ny firohondrohony.

Mihoatra ny feon’ny rano anefa,
mihoatra ny onjan-driaka marevaka:
marevaka ny Tompo ao ambony ao.

Ny fiketrahanao, ry Tompo, mafy orina;
ary ireo masina no an-tranonao
midera Anao amin’ny taona mifandimby.

Vakiteny faharoa

Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apok. 1, 5-8)

Ilay Filohan’ny mpanjakan’ny tany nanao antsika ho fanjakana ama-mpisoron’Andriamanitra.

Homba anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy
Ilay vavolombelona mahatoky, Lahy matoa amin’ny maty,
ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany.
Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany,
sy nanao antsika ho fanjakana ama-mpisoron’Andriamanitra Rainy,
eny, ho Azy anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay. Amen.
Indro Izy avy, eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra,
na dia ny an’ireo nandefona Azy aza;
ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy.
Eny. Amen. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana,
hoy ny Tompo Andriamanitra,
dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 18, 33b-37)

Voalazanao: Mpanjaka Aho.

Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Jesoa i Pilaty nanao hoe:

“Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?”

Jesoa namaly hoe:

“Anao samy irery izany teny izany,
sa an’olon-kafa nilaza Ahy taminao?”

Dia namaly i Pilaty nanao hoe:

“Fa izaho angaha Jody?
Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko,
ka inona no nataonao?”

Jesoa namaly hoe:

“Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako;
fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko,
ka tsy ho voarain’ny Jody Aho;
fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako”.

Dia hoy i Pilaty taminy:

“Koa Mpanjaka izany Ianao?”

Ary novalian’i Jesoa hoe:

“Efa voalazanao: Mpanjaka Aho.
Teraka Aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina,
ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...