Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (Mpanj. 18, 41-46)

Nivavaka i Elia, ary nanome orana ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, hoy i Elia tamin’i Akaba:

“Miakara hihinana sy hisotro, fa injay reko ny fisasasasan’ny orana.”

Dia niakatra hihinana sy hisotro i Akaba,
fa i Elia kosa niakatra ho any an-tampon’i Karmela,
sady niondrika tandrifin’ny tany, no nanao ny tarehiny tao anelanelan’ny lohaliny,
ary nilaza tamin’ny mpanompony hoe:

“Miakara kely, tazano ny arý amin’ny ranomasina.”

Dia niakatra ilay mpanompo, ka nony nitazana, dia nanao hoe:

“Tsy misy na inona na inona.”

Ary hoy i Elia:

“Miverena koa impito.”

Nony tamin’ny fanimpitony, dia hoy izy:

“Indro misy rahona kely hoatra ny felatanan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina.”

Ka hoy i Elia:

“Mandehana lazao amin’i Akaba hoe:
Amboary ny kalesinao, dia midìna mba tsy hahatraran’ny orana anao.”

Vetivety foana dia maintin’ny rahona sy ny rivotra ny lanitra,
dia latsaka ny oram-be,
ary i Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela.
Ary teo amin’i Elia ny tanan’ny Tompo ka nisikina izy,
dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba,
hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 64, 10abde. 10f-11. 12-13

Mendrika Anao, ry Andriamanitra ny dera ao Siôna.

Tonga Ianao ka mamangy ny tany.
Dia nanondraka rano sy harena:
Dibo-drano ny onin’ny lanitra
hahavokatra izay hojinjaina.

Dia nokolokoloinao ny tany:
Ny vava asa voatondrakao rano;
ka ny bainga narovanao tsara,
izay nafafy notsofinao rano.

Ary zina ny taona tontolo,
fa nandalo tokoa izany, Tompo;
dia ho lonaka erý ny tanety,
ny havoana mirenty haravoana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:
Aza mamono olona, ary izay mamono dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny fitsarana;
ary izay hanao aminy hoe Rakà dia hohelohina amin’ny Sanedrina;
ary izay manao azy hoe Foka, dia hohelohina amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo amin’ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanazava ny toe-java-misy any Faratsiho manoloana ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny kandidàn'ny Firaisan-kina Ramilison Nomenjanahary. Tsy mankasitraka ny fanodikodinana ny safidim-bahoaka izy... ♦ Tonga teny amin'ny CENI nangataka fampitahana ny voka-pifidianana koa ny kandidà avy amin'ny Vovonana IRMAR. Mbola manantena ny hanao poa-droa ao amin'ny boriborin-tany fahadimy ny kandidà Naivo Raholdina... ♦ Hiady amin'ny Aflatoxine singa voajanahary mitondra poizina amin'ny voly maro toa ny voanjo sy ny katsaka ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Poizina loza mitatao amin'ny fahasalam'ny mpanjifa... ♦ Mandinika ny fifanarahana ampitsaharana ny ady eo aminy sy ny Israeliana ny Hamas...

Ireto misy fomba fiteny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vavaka : ny vavaka manova zavatra ; hafa ihany ny mivavaka ; mitolona am-bavaka ; tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao ho an'izay mino ; fara hery sisa ny vavaka ; midika izany  mahavita zavatra tsy takatry ny herintsika Izy Andriamanitra ary tena henon'Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Misy ezaka ny fitadiavana an'Andriamanitra, tsy azo atao ny mora kivy. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Tsy marina fa fanosoram-potaka no nataon'ny kandidà Lalatiana Rakotondrazafy ny kandidà Ramilison Nomenjanahary, tamin'ny fahitalavitra tsy miankina iray... ♦ Nanomboka androany ary haharitra efatra andro eny amin'ny Canal Olympia Andohatapenaka, ilay fampirantiana SIAE Salon International des Acteurs Économiques, andiany fahatelo... ♦ Loza mananontanona amin'ny fahasalaman'ny mpanjifa eto Madagasikara ankehitriny, ny fisian'ny singa voajanahary Alfa toxine, miteraka poizina amin'ny voly maro...

♦ Hiverina hamaritra ny fandaharam-potoana sy ny lahadinika amin'ny fivoriana ara-potoana rahampitso alakamisy 6 jona 2024, ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza... ♦ Mikasa ny handray fepetra amin'ny solombavambahoakan'i Vohipeno ka hanala azy tsy ho filohan'ny CIAD ireo ampahany amin'ny Ben'ny Tanàna any amin'ity distrika ity. Anton'izany ny tsy fahombiazany tamin'ny fifidianana... ♦ Miisa 13 ireo Faritra miroso amin'ny fihangazanana eto Madagasikara ka mila hamafisina ny fandraisana andraikitra hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Hivahiny any Frantsa nanomboka androany hatramin'ny alahady izao ny filoha amerikana Joe Biden...

Ny reny dia loharanom-panantenana, loharanom-pitiavana, loharanom-pahatsorana. Ny Reny no mamindra ny aina ho an'ny zanaka, avy amin'Andriamanitra. Tandindonin-doza hatrany anefa ny aina, ary ny fototry ny ady matetika dia fiarovana ny "aina", ny aina dia fitiavana. Ny fanabeazana atao eny anivon'ny ankohonana dia ipoiran'ny fanantenana, izay ny reny no tena miandraikitra azy. Ny vehivavy ela velona noho ny lehilahy, taratry ny fanantenana. Ny reny dia manana fahatsorana izay mampilamina ny ankohonany. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Mananjo hanao ny fangatahana fampitahana ny vokatra ireo kandidà raha miahiahy amin'ny fisian'ny fahadisoana na hosoka hoy ny komiseram-pifidianana eo anivon'ny CENI Ravalitera Jacques Michaël... ♦ Nanao be fiavy teny amin'ny foiben'ny CENI teny Alarobia nanambara ny ahiahiny amin'ny hosoka tamin'ny fifidianana ny Vovonana Firaisan-kina... ♦ Misy mampiahiahy ihany ny fandaharam-pianarana vaovao araka ny fanavaozana atao amin'izao fotoana izao hoy Mômpera Jules Ranaivoson, tompon'andraikitra misahana ny fanabeazana sy ny fampianarana katôlika... ♦ Azo antoka fa hanana ny maroan'isa eo anivon'ny parlemanta any Inde ny antokon'ny praiministra Narendra Modi...

Mety misy fotoana manadino an'Andriamanitra isika, mety tena minia mandositra Azy, tadidio anefa fa na minia tsy mieritreritra an'Andriamanitra aza isika na manohitra Azy dia eo amintsika foana Izy ary tsy manary antsika. Ny endrika hitenenan'Andriamanitra amintsika dia ny feon'ny fieritreretana, ny konsiansa. Io ilay feon'Andriamanitra manoro antsika ny tsara, ny mety, ny marina. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Nanao fampitahana ny voka-pifidianana teny amin'ny CENI Alarobia androany, ny kandidà Firaisankina ao amin'ny Boriborintany Voalohany ao Antananarivo Renivohitra. Tsy azo ekena ny isan'ny mpifidy notovanana, hoy izy... ♦ Misy mampiahiahy ny fandaharam-pianarana vaovao araka ny fanavaozana atao amin'izao fotoana izao, hoy i P. Jules Ranivoson, Sekretera Jeneralin'ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fanabeazana sy ny Fampianarana Katôlika, ka ilana fiaraha-miasa izany...

♦ Hamory ireo kandidà rehetra eto Antananarivo ny Vovonana Firaisan-kina. Fivoriana hanangànana ny kômity miaro ny safidim-bahoaka, manoloana ny ambaran'izy ireo fa hosoka nanerana ny nosy tamin'ny fifidianana teo... ♦ Miahiahy ny hitàran'izao fanoherana ny voka-pifidianana izao amin'ny korontana eto amin'ny firenena ny Kmf/Cnoe. Miantso ny tompon'andraiki-panjakàna handray andraikitra ity kômity mpanara-maso ny fifidianana ity... ♦ Hatomboka amin'ny zoma izao ny fanamarihana ny faha-64 taona niverenan'ny fahaleovan-tena. Hetsika maro no hisy mandritra izany, araka ny fampahafantarana. Hetsika maro no hisy mandritra izany, araka ny fampahafantarana nataon'ny kômity mpikarakara ny fetim-pirenena omaly...

Ankoatra ny maha mpitsabo nianatra tany Ivelany an'i Dokotera Rasamimanana Joseph, dia nahasaropiaro azy koa ny manodidina ny "raokandro", izany hoe ny fampiasana ho fitsaboana ireo zava-maniry toy ny ravina voafotsy sy ny aferon-tany. Ny voninkazo "iris" no tena nanaovany fikarohana lalina ka nahafahana nitsabo ny kohoka, ny taovam-pisefoana, tosi-dra, fery... Nanoratra tamin'ny gazety sy boky samihafa ity Dokotera ity ary nosoniaviny tamin'ny anarana hoe "iris" ireny lahatsoratra nataony ireny. Niaro ny teny Malagasy izy, nanefy voambolana ho an'ny tontolon'ny fitsaboana ihany koa... 

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...