• Tsy natao hampizarazara na hifandrafiana ny tsy fitovian-kevitra, fa dingana iray hahafahana mampandroso, hoy ny FFKM...
  • Iray amin'ireo aretina mahazo ny voafonja ao Antanimora ny aretin-koditra lagaly, amin'izao andro mafana izao...
  • Nihena any amin'ny 50% ny vokatra letchis, ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo tamin'ity taona ity...

  • Miantso ireo mpanararaotra ny fahasahiranam-bahoaka sy ny mpikarakara ny fifidianana isan'ambaratonga ny FFKM, mba hanaja ny safidin'ny vahoaka, ary tsy ho menatra hampihatra ny lalàna amin'ireo minia mandika izany...
  • Nametra-pialana tsy ho mpanazatra ny Barea A intsony, i Maître Rorot, tao aorian'ny fidiram-baolina nandritra ny fe-potoana fanampiny, omaly...
  • Efa misy ny dingana atao handrindrana sy hifehezana ny vidin'ny vary, hoy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana, David Ralambofiringa...

  • Mihaona amin'ny Aigles de Carthage Toniziana atsy Pretoria amin'izao ora izao, ny Barean'i Madagasikara...
  • Nokianin'ny KMF/Cnoe ny fivoizan'ireo mpirotsaka ho fidiana sasany, milaza fa kandidàm-panjakana. Tsy hampitovy herijika ireo mpifaninana ny fivoizana izany, hoy ity firaisamonim-pirenena ity, androany...
  • Ampy, ary tsy misy atahorana ny tahirim-bary eto amintsika amin'izao, hoy ny Minisitry ny Varotra. Nanazava ny momba ny fifehezana ny vidim-bary koa izy, androany...

  • Tonga androany teto Madagascar ireo antotan-taratasy saropady hampiasaina amin'ny fifidianana eny anivon'ny Kaominina amin'ny 11 desambra ho avy izao. Hanomboka amin'ity herinandro ity ny fanapariahana ireo antotan-taratasy ireo manerana ny nosy...
  • Mitaky ny mangarahara amin'ny fandinihana ny volavolan-dalàna mifehy n fitantanam-bolam-panjakàna ny vondron'ny firaisamonim-pirenena CCOC. Tsy manao ny asany araka ny tokony ho izy ny parlemantera hoy izy ireo...
  • Tsy lavorary ny famelan'ny litchis tamin'ity taona ity. Antony mahatonga ny vokatra mihena araka ny fanazavan'ny teknisianin'ny fambolena...
  • Nohamafisina ny fitandroana ny filaminana mandritra ny lalao baolina kitra ihaonan'i Frantsa sy Israely...

Mirona kokoa amin'ny fotoam-pifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolontsaina ny sain'ny Malagasy amin'ny ankapobeny. Raha tiana hatezana ny fiaraha-miasa dia tsy maintsy asongadina ny fifampitokisana, ny fandalàna ny fahamarinana, ireo miorina amin'ny fifankatiavana no miteraka fifandrasiana tsara rindra. Ny tena safidy marina dia izay manome tombony ny "soa" sy "mampivelatra" fa tsy ny mihanona amin'ny "mahafinaritra" fotsiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Mampiantrano ny fihaonambe faha-33, filan-kevitry ny ministra ao amin'ny Africa Rice isika Malagasy mandritra ny 3 andro. Fihaonana iraisam-pirenena atao eto Antananarivo hatramin'ny rahampitso...
  • Nitsangana ny vovonana "Vonjeo ny fampianarana" ary nanao fanambaràna miaraka izy ireo omaly nilaza fa marary ny tontolon'ny fanabeazana eto Madagasikara...
  • Hotanterahana anio atsy Afrika atsimo ny fihaonana eo amin'i Barean'i Madagasikara sy ry zareo Tonizia. Lalao miverina tafiditra amin'ny fifanintsanana isam-bondrona ahafahana mandray anjara amin'ny CAN 2025...

  • Mampiantrano ny Fihaonambe faha-33-n'ny Filankevitry ny Minisitra ao amin'ny Africa Rice, isika Malagasy mandritra ny telo andro...
  • Mitaraina vokatry ny olana amin'ny famatsiana jiro, ireo mpandraharaha ao amin'ny SIM...
  • Nitsangana ny vovonana "Vonjeo ny fampianarana", ary nanao fanambarana miaraka izay milaza fa marary ny tontolon'ny fanabeazana eto Madagasikara...

  • Olona 16 namoy ny ainy, 10 hafa naratra nandritra ny lozan-dranomamy nitranga tany Belo-sur-Tsiribihina alina, nivory maika nandinika ny fepetra tokony ho raisina hisorohana ny loza ny manampahefana sy ny mpitandron'ny filaminana any an-toerana...
  • Hotanterahina ny 3 hatramin'ny 5 desambra 2024 izao ao amin'ny Katedraly Namahora-Morondava ny andiany faha-46 amin'ny kômity foibe FFKM...
  • Nitaky fanazavana momba ny nampiasan'ny tompon'andraikitra ny caisse école ho an'ireo sekoly ambaratonga fototra ao amin'ny Distrika Ikongo ireo ray aman-drenin'ny mpianatra any an-toerana...
  • Hiara hisakafo amin'ny mahatra miisa 1.300 ao Vatican mandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny mahantra amin'ny alahady 17 novambra 2024 izao i Papa François...

  • Mbola nametrahan'ireo Eveka namany ny fitokisany ka naveriny ho filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara ny Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Manohy ny asa fanabeazana ny olom-pirenena amin'ny alalan'ny andrimaso ny FFKM na tsy ho isan'ireo hisahana ny fanaraha-maso mandritra ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny tanàna ny 11 desambra 2024, izao aza...
  • Trano 602 tafo no ravan'ny afo tao amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ivandrika, Distrika Farafangana, rava hatrany amin'ny 98% ny tanàna, maherin'ny 3.000 ireo tra-boina.

  • Mbola voafidy ho Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara i Mgr Raharilamboniaina Marie Fabien, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava. Niova kosa ny Filoha Lefitra sy ny Sekretera Jeneraly...
  • Tsy handray anjara amin'ny fanaraha-maso mandritra ny fifidianana izay ho Ben'ny Tanàna hatao amin'ny 11 desambra 2024, ny FFKM...
  • Nisokatra androany tamin'ny 2 ora tolakandro ny taom-piotazana letchis amin'ity taona ity. Efa nampoizina fa hihena ny vokatra ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo, noho ny fiovan'ny toetr'andro...

Ny kristianina dia manana ny finoana fa rehefa tapitra ny fiainan'ny nofo dia misy ny fiainan'ny fanahy ao aorian'ny fahafatesana. Tsy avy dia sambatra anefa ny fanahy raha toa ka mbola misy pentina, noho izany tsy maintsy midio. Araka ny lovam-panahy ao amin'ny fampianaran'ny Eglizy dia misy ny afo fandiovana. Volana novambra isika izao ka ity volana ity dia nantsoina hoe volan'ny fanahy ao amin'ny afo fandiovana. Ilaina araka izany ny mitondra am-bavaka ny fanahin'ireo havantsika efa nodimandry mba hampitony azy ireo sy mba hanampy antsika izay mbola velona ihany koa. Misy ny fizarana sy ny fampianaran'ireo Olomasina sy ny vavaka azo hatao mahakasika izay afo fandiovana izay.

  • Nisy ny fivoriana notarihan'ny Praiministra momba ireo fitaovana mamokatra herinaratra tavela ao Toamasina, hamahàna ny olana misy amin'izao. Nanome fe-potoana hamoahana izany Andriamatoa Ntsay Christiana...
  • Hisokatra anio ny taom-piotazana litchi 2024-2025. Somary nihena io vokatra io ho antsika eto Madagasikara tamin'ity taona ity, noho ny lafiny toetr'andro...
  • Misy teratany vahiny nahazo ny tany rehetra manamorona ny farihin'Andranotapahina. Voaroaka ihany koa ireo mpitrandraka vato madinika an-jatony eny Ambavarano-Ambohidratrimo... 
  • Nivory maika ny ligy arabo sy ny fiaraha-miasan'ny finoana silamo, manoloana ny toe-draharaha iraisam-pirenena, voaresaka ny adin'ny Israelianina any amin'ny faritr'i Gaza sy i Liban.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...