• Henjehina avokoa manomboka izao ireo “trondro vaventy” ka nanao fanaparam-pahefana naka harem-pirenena, hoy ny Minisitry ny Fitsarana, androany... • Hodinihina ny tolo-kevitra hanafoanana ilay hetra momba ny fiara sy ny moto, anatin'ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, androany. Niteraka resabe ny momba io hetra io... • Niakatra 20 % ny tahan'ireo ankizy mamerin-taona teny anivon'ny sekoly ambaratonga fototra, tato anatin'ny telo taona farany, araka ny sampan-draharaha mpandrindra ny sehatry ny fanabeazana, na ny CELCO...
Volana jona : volan'ny ankizy. 12 jona : Andro iraisam-pirenena iadiana amin'ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Ho antsika eto Madagasikara dia ankizy efatra ao anatin'ny folo no efa niditra tamin'ny sehatry ny asa mialoha ny faha-18 taonany, araka ny fanadihadiana nataon'ny UNICEF. Sahiran-tsaina ny ray aman-dreny amin'ny fitaizana ny zanany, indrindra eo amin'ny fampifandanjana ny fisitrahan'ny ankizy ny zony sy ny fanabeazana tsy maintsy omena azy ireo.
Ny fahafantarana ny tantara dia isan'ny kitro ifaharan'ny Firenena sy ny fampandrosoana. Ezaka tsara tokony hatao ny fampidirana eny amin'ny sehatry ny fanabeazana sy ny fampianarana ny fampahafantarana ny tantaran'ny Firenena. Ny fananganan-tsaina dia mariky ny fahaleovan-tena, anefa isika ihany no tompon-tsafidy farany, na tena hiaina fahaleovan-tena tena izy isika na mbola hiankin-doha amin'ny hafa hatrany. Ny fifanajana sy ny fanajana dia fahendrena Malagasy, fototry ny fitiavana ary mahatsara ny rafi-piaraha-monina... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Nanatitra ny fanambaram-pananana teny amin'ny Fitsaràna avo momba ny Lalam-panorenana ireo mpikambana ao amin'ny governemanta. Nanao toa izany teny amin'ny toby ny Jeneraly Ramarolahy Philibert ihany koa ny tompon'andraikitra ambony eo anivon'ny zandarimariam-pirenena... ♦ Natao teny Antanimena ny atrik'asa nandrindràna ny asa ho an'nireo mpisehatra rehetra voakasiky ny tetik'asa momba ny fanatsaràna ny tontolon'ny fandraharahana sy ny fanamorana ny fifanankalozana ara-barotra tohanan'ny vondrana erôpeana sy ny ministera federaly alemana momba ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny fampandrosoana MBZ...
Mba ho fandalàna ny rariny sy ny hitsiny dia tokony hikelezana aina fatratra ny hanafoanana araka izay azo atao ny tsy fitoviana ara-toe-karena manavakavaka ny samy olona eo amin'ny fiainam-piaraha-monina. Hisorohana ny fiainana tsy mari-pototra sy mitsingilahila dia takian'ny rariny sy ny hitsiny ny handaminana ny olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Nahavita ny fanambaram-pananana teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana Ambohidahy, ireo mpikambana maromaro eo anivon'ny Governemanta, notarihin'ny Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison, androany tolakandro... • Nanendry olona miisa telo hitantana vonjimaika ny Vondrona SODIAT, ny Fitsarana... • Tetikasa roa lehibe mahakasika ny fanatsarana ny tontolon'ny fandraharahana sy ny fanamorana ny fifanakalozana ara-barotra no vatsian'ny Vondrona Eoropeana sy ny fitondrana Alemana amin'ny alalan'ny BMZ...
♦ Notokanana sy notsofon-drano, androany, ny clinique Medicale Flamboyant sy ny Lycée katolika vao nahorina ao Mampikony, Diôsezin'i Port Berger. Tamin'ny alalan'ny Eokaristia Masina notarihan'ny Nonce Apostolique, Mgr Tomasz Grysa no nanehoana izany... ♦ Maro ny olana momba ny fitanterana tsy voavaha ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Tokony foanana ny kôperativa mpitatitra fa orinasa matihanina no mpanao ny asa hoy ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa... ♦ Tsy mijery fotsiny ireo toerana ahitàna fiarabe manao fanotofana tany ao Antananarivo sy ny manodidina ny tompon'andraikitra mbola mihatra ny fampiharana ny didy...
♦ Nahazo fitaovana avy amin'ny fanjakàna rosianina hanarenana ny fahasimbana vokatry ny fandalovan'ny rivodoza Fitia sy Gezani tamin'ity taona ity i Madagasikara. Nandray izay tety Ivato omaly ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Miezaka mampiroborobo hatrany ny lalam-pihariana Volibe na ny Bambou eto Madagasikara ireo mpisehatra aminy. Fanamby hotratrarina amin'ny tetik'asa vaovao ny fanomezana lanja ny indostria ho an'ny volibe... ♦ Haka ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fanatsaràna ny drafi-panajariana an-tanan-dehibe manerana an'i Madagasikara ny MInistera tompon'andraikitra...
Arakaraka ny fitomboan'ny olombelona sy ny filany maro no tokony hiezahana hiezahana mafy ihany koa hampitomboana ny asa fivelomana, famokarana, fambolena ary ny taozava-baventy. Atao laharam-pahamehana ny hanasoa ny olombelona amin'ny maha-izy azy manontolo : ara-nofo, ara-tsaina, ara-panahy sy ara-pivavahana, tsy anavahana olona... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
• Miezaka mampiroborobo hatrany ny lalam-pihariana volibe na bambou eto Madagasikara, ireo mpisehatra aminy. Fanamby hotratrarina amin'ny tetikasa vaovao ny fanomezana lanja ny indostria ho an'ny volibe. Mamatsy vola ny tetikasa ry zareo Sinoa... • Haka ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fanatsarana ny drafi-panajariana an-tanandehibe manerana an'i Madagasikara, ny minisitera tompon'andraikitra. Fihaona hotanterahana ny 11 sy ny 12 jona 2026, eny amin'ny tanana Voara Andohatapenaka... • Miditra amin'ny andiany faha-8 ny Rallye Jovena ankehitriny. Hotanterahana ny 19 hatramin'ny 21 jona 2026 eny Amoronakona. Mampiavaka ity andiany ity ny fiverenan'ny orinasa Jovena hanohana ny hetsika rehefa nisy fiatoana kely izany teo aloha...
• Hifanaraka amin'i Nigeria momba ny famatsiana solika ny firenena malagasy, hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika. Nanao tatitra fohy ny diany tatsy Afrika izy, teo am-pahatongavana androany maraina... • Tsy tokony ho sanatria hatao kisarisary fotsiny ny fikaonandoham-pirenena, hoy ny antoko Ilo Mada. Nambaran'ny filohany fa maro ireo ankolafin-kery miandrandra izany ho tena fanangonan-kevitra miainga avy any ifotony... • Mitaintaina amin'ny ainy ihany koa, ireo olona sasany manana toe-tena varira aty afovoan-tany. Nijoro ho vavolombelona amin'izany ny lehilahy iray avy any amin'ny Distrikan'Antsirabe Faharoa...
Ny "Mikea" dia niantsoana ilay "ala voajanahary" mbola lavitry ny tavy sy ny fitrandrahana samihafa, fa taty aoriana noho ny tosika nahazo ireo foko (Masikoro, Mahafaly) nanodidina io ala io dia nitsofoka nitady fierena sy sakafo tao izy ireo, ireto farany no lasa nantsoina hoe "Mikea". Ny Mikea dia olona niaina tamin'ny fihazàna, fiotazana, tsy nampiasa vilany fa nahalala sy nampiasa afo. Ny toerana misy ny Mikea dia iny faritr'i Toliara II hatrany Morombe iny. Ireo Mikea dia efa mifandray amin'ny olona sy ny fandrosoana ary ankehitriny dia sady misy fampitana ny soatoavin-drazany no manovo ny fampianarana môderina izy ireo...
• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco