Na manao ahoana na manoa ahoana ny endriky ny maha-tompon-javatra dia tsy tokony hihevitra na oviana na oviana ho tompony samirery ny olona amin'izay heveriny ho fananany ka hanasoavany ny tenany fotsiny fa tsy maintsy hanasoavany ny hafa ihany koa izany fananany izany. Zo ny hanana anjara fananana manokana fa ilaina ihany koa n fiahiana ny mahantra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

♦ Miatrika fivoriambe tsy ara-potoana ny mpanao gazety manerana ny Nosy anio sabotsy 13 jona. Manatanteraka izany ny Faritra 24 ny fivoriana, miaraka amin'ny lahadinika mitovy... ♦ Mbola tsy tontosa tamin'ity herinandro ity aloha ny fananganana ilay kômity teknika hisahana ny tantsoroka amin'ny fikaonandoham-pirenena hotarihin'ny FFKM... ♦ Misy amin'ireo sekoly no anio vao hizara ny taratasy fiantsoana amin'ny fanadinana CEPE, izay hotanterahana amin'ny talata 16 jona 2026 ho avy izao... ♦ Manameloka ireo sampam-pitsikilovana vahiny izay ambarany fa mampiasa soka-dranomasina entina mitsikilo ireo vaovao saro-pady i Beijing...

Alahady 14 jona 2026 - Alahady Faha-11 mandavantaona — A : Ianareo no fanjaka-mpisorona ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy. Ny hoe "Honena" dia mitovy amin'ny hoe "Mangoraka"-"Mihetsipo lalina" izany hoe tsy fihetsepo tsotra fa tena vokatry ny fo, ary miatraika any anaty ka mitondra alahelo. Ny vokatry ny fihetsepo lalina dia ny famindrampo ; mpamindra fo sy fitiavana Andriamanitra. Ny vokatra voalaza ao amin'ny vakin-teny amin'ity alahady ity dia ireo olona rehetra mila an'Andriamanitra...

Eny anatin'ny fiaraha-monina eny dia maro ny olona manana toe-batana somary manahirana dia ny kibo lehibe. Antony : Betsaka loatra ny "Kalôria" ampidirina amin'ny sakafo anefa tsy lany nampiasain'ny vatana ka misy tavy manodidina ny nofo sy ny oditra mandrafitra ny kibo, na manodidina ny taova hafa. Adika ho lehibe ny kibon'ny olona iray raha mihoatra ireto ny revin'ny hodidin'ny kibo (tour de taille) 88 cm vehivavy 102 ho an'ny lehilahy. Ilaina hatrany ny manatona mpitsabo mba tsy hiteraka olana hafa indray ireo fomba isan-karazany hanenana ny kibo. Ny ... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

♦ Hikarakara hetsika diaben'ny fandriampahalemana anio hanomboka amin'ny 10 ora maraina ny avy amin'ny fikambanana VARIRA eto Madagasikara. Hetsika anehoana ny firaisankina manoloana ireo herisetra nisesisesy nahazo an'ireo namany... ♦ Novakian'ny Randrana Sendikaly bantsilana tany amin'ny fivoriam-ben'ny OIT andiany faha-144 natao tany Génève ireo olana mahazo ny mpiasa eto Madagasikara... ♦ Handinika ny fiainan'ny antoko sy ny tontolo manodidina azy mandritra ny roa andro ny antoko Fy-M tarihan'ny Filohany Raderanirina Sendrison Daniela, amin'izao faran'ny herinandro izao...

Misy ny didin'Andriamanitra miisa 10 ; ny didy fahaefatra dia manentana antsika hanajana ny ray aman-dreny mba hahelavelona, tsy hanavahana anefa izany na ray aman-dreny ara-nofo na ara-panahy. Eto Madagasikara anefa dia zary ankilabao ny ray aman-dreny ara-panahy, eo koa ireo ray aman-dreny ara-drazana. Manana adidy ny tsirairay araka ny toerana koa aoka samy hanao izany araka ny efa voafaritra... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Olona manan-tsafidy ny olombelona mandrafitra ny famokaran-karena, ary nohariana mitovy endrika amin'Andriamanitra. Rehefa voadinika tsara avokoa ny mombamomba ny olona tsirairay sy ny asa manandrify azy dia irosoana ny asa araka izay fitsipika ifampifehezana sy takian'ny asa, mety hiditra amin'ny fandaminana ihany koa ny Fanjakàna... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

• Mampiantrano atrikasa ara-tsiansa nomena ny anarana hoe “Tany vao”, mandritra ny roa andro, ny eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo nanomboka androany... • Hiteraka fionganan'ny fitondrana ilay hetra vaovao alaina amin'ny fiara sy ny moto, izay miteraka resabe amin'izao, raha tsy foanana, hoy ny antoko SFDM... • Miato aloha ny fandraisana fangatahana vaovao fampidirana jiro sy rano, eny anivon'ny orinasa JIRAMA, hoy ny Tale jeneraliny...

Tsy nitsahatra nihena ny vokatra tantely teto amintsika tao anatin’ny 30 taona mahery araka ny antontan’isa misy. Raha nahatratra 5 alina taonina ny vokatra tany amin’ny taona 90. Nidina hatrany amin’ny 4 arivo Taonina izany ny taona 2024... Miovaovao ihany koa ny vokatra tantely nahondran’i Madagasikara nandritra izay fotoana izay. Nisy àry ny dinik’asa nasionaly notanterahana teto amintsika hamerenana indray ny toerana misy ny tantely eto Madagasikara...

• Miato ny fampiharana ny haba amin'ny fiara enti-milina na ny TVM, ho fitsinjovana ny tombontsoan'ny besinimaro, araka ny fanambarana ofisialy navoakan'ny Minisiteran'ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola... • Niroso tamin'ny fanakatonana toeram-pivarotana lehibe iray, izay natokana ho an'ireo entana sy sakafo ilana fampangatsiahana, ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana. Anton'izany ny tsy fanajana fepetra... • Hafana indray ny manasa-dalana mandroso amin'ny fiadiana ny ho tompon-dakan'i Madagasikara amin'izao faran'ny herinandro izao. Hisantatra izany rahampitso ny Disciples FC sy ny AJESAIA...

• Nanamafy ny tsy maintsy hanejehana ireo mpitondra teo aloha, voamarina ho nanao fanaparam-pahefana nakana harem-pirenena, ny Minisitry ny Fitsarana Fanirisoa Erinaivo. Tsy fialokalofana koa ny fananana tombon-jo, raha ny nambarany... • Vahiny mpizahatany 330.000 no kendrena hitsidika an'i Madagasikara amin'ity taona 2026 ity. Efa mahavelom-bolo ny antontan'isan'ireo mpizahatany tonga eto Madagasikara, hoy ny Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tanana, raha nanokatra ny tsenabe iraisam-pirenena ITM-IHM 2026... • Mila mijoro ho tompon'andraikitra ny olom-pirenena tsirairay mba hahafahana misitraka ireo sampan-draharaha sy fotodrafitrasa tian-kapetraka an-tanan-dehibe. Nisongadina izany tamin'ny fanokafana ny fikaonandoham-pirenena momba ny tanan-dehibe, izay tanterahina eny Andohatapenaka...

Avy amin'ny olona no ipohiran'ny asa, ny talentany, ny fahaiza-manaony eo amin'ny famoronana, izany hoe izay volavolain'ny sainy sy ny eritreriny, tsy azo soloina na oviana na oviana. Ny asa ataon'ny olona no ahazoany mivelona, sy manao asa fitiava-namana hoy ny konsily, ary handraisany anjara amin'ny asa fahariana nataon'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny fivoarana ara-toekarena ", iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...