Alahady 01 martsa 2026 - Alahady faharoa karemy - Taona A - Voaantso ho an’ny fanantenana isika. Tao anatin’ny rahona mamirapiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy. Ny dikan'ny fiovan-tarehy teo amin'i Jesoa dia fanehoany ny voninahiny mba hankaherezana ireo mpianany rehefa ho tonga ny fotoan-tsarotra efa voasoratra sy lalana hamonjena ny olombelona, etsy ankilany dia fanambaran'i Jesoa ny tenany amin'ny maha Andriamanitra Azy sy fanambarana mialoha ny hitsanganany amin'ny maty. Ny hoe "Henoy" dia fienkem-pinoana nataon'ny Jody, araka ny voalaza ao amin'ny Testamenta Taloha...
Araky ny singa ara-tsakafo tsy ampy ao amin'ny zaza iray ny aretina mety hahazo azy ; ny alibotry dia ny tsy fahampian'ny "protide", ny alifisatra dia tsy fahampian'ny sakafo mitondra hery "glucide". Maro ny ray aman-dreny no tsy mahay mampisakafo ny zanaka, indrindra ny tsy fahafantarana ny singa ilain'ny vatana sy ny fahasamana anaty sakafo. Ny sakafo dia tokony hifanaraka amin'ny taona, fahasalamana misy amin'ny zaza... Fandaharana "Andriano ny fahasalamana", tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
♦ Hatolotry ny fitondrana Fanavaozana amin'ny SADC anio ny tatitra amin'ny asa vitany sy ireo dingana mbola hotanterahina... ♦ Mila mazava ny lalana, tsy maintsy miverina amin'ny vahoaka ny fahefana hoy ny fanambaran'ny antoko Roso ho an'ny Demôkrasia Sôsialy (RDS)... ♦ Asa goavana andrasana amin'ny Corentin Martins ny mba hahafahantsika mandray anjara amin'ny CAN manaraka, raha ny nambaran'ny Ministra miahy ny fanatanjahantena... ♦ Maromaro ireo firenena mampitandrina ireo teratany tsy hiditra any Israely, isan'ireny i Frantsa...
Adidy no mifanompo ao anatin'ny fianakaviana, etsy ankilany anefa dia nataon'ny tompon'andraiki-panjakàna nifandimby ankilabao ny fiahiana ny fianakaviana, indrindra ny fitaizana ny taranaka. Goragora ny fanabeazana ara-piaraha-monina izay fototry ny fanabeazana ny ankohonana sy ny lafiny ara-pitondrantena. Ireo manana andraikitra dia variana mameno kitapo tahiry, raha mitantana ara-drariny anefa ka mametraka ny fifanajàna sy ny fifanompoana dia azo antoka ny hatafita ny firenena sy ny isan'ankohonana.. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Tsy tondrozotra no haroso amin'ny SADC rahampitso fa tatitra. Voafaritra ao anatin'izany ireo asa efa vitan'ny fitondrana sy ny famaritana ireo dingana mbola hatao, raha ny nambaran'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara androany... • Tsy mazava ny tondrozotra izay nambaran'ny Filohan'ny Fanavaozana sy ny Minisi-panjakana, ka mila fanazavana bebe kokoa momba izany ny KMT na ny Komity Miaro ny Tolona... • Mitohy hatrany fikatsahana vahaolana fohy ezaka ataon'ny Minisiteran'ny Varotra sy ny Fanjifana, manoloana ny fikorontanan'ny vidin'ny vary akotry eny amin'ny tantsaha sy ny mpanangom-bokatra...
Nanapa-kevitra hividy ny tahirim-barin'ireo tantsaha sy ny mpanangom-bokatra ny orinasam-panjakàna SPM, eo ambany fiahian'ny ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna, ho fitsinjovana ireo tantsaha mpamokatra manoloana ny fidinan'ny vidim-bary. Isan'ny misitraka izany ny ao amin'ny tompon'andraikitra sy ny tantsaha ka niafara tamin'ny dinika nanapahan-kevitra tao Imerintsiatosika. Nambaran'ny solombavambahoaka Ranarivelo Lucien fa latsaka ambany noho isan-taona ny vidim-bary tany amin'ny tantsaha tamin'ity taona ity ka maty antoka ireo nanao tahiry tany an-tsopitra...
• Nigadona an-tanindrazana androany maraina tetsy amin'ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara... • Nidina ifotony tany amin'ireo Distrika nitondra faisana vokatry ny rivodoza Gezani sy Fytia tao amin'ny Faritra Atsinanana, ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana ary ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina... • Natomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly ny tetik'asa FyVary andiany faharoa sy ny VaryAla. Tetik'asa iarahan'ny Governemanta Malagasy sy ny Governemanta Japoney ary tohanan'ny JICA vola...
Vitsy ny olona manaiky ny fahadisoany satria very sy mihena ny fanajan'ny hafa azy ; antony tsy handraisan'ny tanora andraikitra ny tahotra ny ho diso, na ihany koa tahotra sao tsarain'ny hafa. Ny fomba afahan'ny tanora mandray andraikitra dia entanina hanapa-kevitra tsikelikely dieny mbola zaza ary mba hihevitra sy hanome lanja ny tenany, atao fantany fa ny fahadisoana dia fanombohana amin'ny fanatsarana vaovao... Fandaharana "Miaina - Mitia" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
• Hafa noho ny tamin'ny taona 2009 ny tondrozotra haroson'ny SADC sy ny Vondrona Afrikana mialohan'ny faran'ny herinandro izao, hoy ny MFM. Tokony efa hiomana amin'ny fitondrana hevitra mandritra ny fikaonandoham-pirenena sy ny fiatrehana ny fifidianana ny mpanao politika, hoy ity antoko ity... • Vola maherin'ny 136 871 000 000 Ariary no nogiazan'ny ARAI tamin'ny taona 2025, noho ireo vola ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nitatitra ny asa vitany ho an'ny taon-dasa ity sampan-draharaha ity... • Mila hamafisina hatrany ny fisorohana ny valan'aretina MPOX, hoy ny mpitondra tenin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka momba ny ny MPOX, ny Profesora Mamy Randria. Nahitana tranga voamarina miisa 21 indray mantsy ny alarobia teo...
• Tokony ho vita sonia amin'ny sabotsy izao, farafahatarany, ilay tondrozotra hitondrana ny firenena, araka ny toromariky ny SADC sy ny Vondona Afrikana... • Vola maherin'ny 136 871 000 000 Ariary no niogiazan'ny ARAI tamin'ny taona 2025, noho ireo vola ireo azo tamin'ny tsy rariny. Nitatitra ny asa vitany ho an'ny taon-dasa ity sampan-draharaha ity androany... • Tambajotra goavana no ao ambadiky ny fakana an-keriny sy ny famonoana olona manana toe-tena varira eto Madagasikara, hoy ny fikambanana Albinos androany...
♦ Mila fantarina ny momba ny politika fifaninana ara-pahefana eran-tany sy ny fahababoana ny Faritra iarahana (géo-politique) ankehitriny, hoy ny Docteur Hugues Rajaonson, mpahay toe-karena... ♦ Tsy eken'ireo mpampianatra mpikaroka ny fanomezana andraikitra eo anivon'ny ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony ireo tompon'andraikitra teo aloha, izay niombon-kevitra tamin'ny fanapahana karama noho ny fitakiana ny zo sy hasin'ny mpampianatra mpikaroka... ♦ Notapahan'i Mozambika ny lalan'ny Barea vehivavy ao anatin'ny fifanintsanana isam-bondrona amin'ny fiadiana ny tompon-dakan'ny COSAFA...
Isan'ny sehatra miaina ny rivotry ny fanavaozana misy ankehitriny ny diplômasia sy ny toerana, indrindra ny fifandraisan'i Madagasikara amin'ireo firenen-dehibe any ivelany toa an'i Rosia sy i Frantsa. Ny arofenitra fandraisana ataon'ny firenena tsirairay dia afahana mamantatra ny dinika izay nisy sy hisy aorian'ny fihaonana. Ny fahafantarana ny tantara nisy teo amin'ny fifandraisana ara-diplômatika nisy hatramin'izay dia manampy amin'ny fomba fanapahan-kevitra ; irina mba hisongadina ny fanavaozana ny lafiny ara-toekarena... Fandaharana "Mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco