Ny fivoaran'ny tontolo ivelan'ny trano iainan'ny ankohonana manefy amin'ny ampahany amin'ny fitaizana. Misy ny lalàna mamaritra ny zon'ny ankizy sy fiarovana azy ireny ; misy ny lafiny tsara isan'izany ny fiasorohana ny herisetra na ara-tsaina na ara-batana. Fandrasoana amin'ny maha-olona ny fisian'ny lalàna miaro ny ankizy sy ny zony, anefa mbola mila ezaka ny fampahafantarana sy ny fampiharana izany, mila paik'ady ny fandresen-dahatra hampiharana izay voasoratra. Ny trangana tsy fandriam-pahalemana amin'izao fotoana izao dia misy fiatraikany amin'ny fanabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
♦ Nanakinan'ny fitondrana ny andraikitra ho lehiben'ny Faritra mpisolo toerana ao Fitovinany nandritry ny filan-kevitry ny ministra natao omaly ny solombavambahoaka teo aloha, Razafitsiandraofa Jean Brunel... ♦ Nanatevina ny andian-tafiny any Moyen-Orient i La Frantsa. Fanambaràna nataon'ny Filoha Frantsay Andriamatoa Emmanuel Macron tamin'ny vahoaka frantsay manoloana ny ady misy any ankehitriny... ♦ Tanora Gen Z : mizotra mankany amin'ny lalana tsy izy ny fanavaozana nimatimatesana, takian'izy ireo ny handravana ny andrim-panjakàna, sakana amin'ny fanovana...
♦ Nihaona tamin'ny tompon'andraikitra voalohany misahana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly maneran-tany eo anivon'ny Egilzy Katôlika any Vatican androany ny solontenan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara mivahiny any Roma... ♦ Mizotra mankany amin'ny lalana tsy izy ny Fanavaozana nimatimatesana teny an-kianja hoy ireo tanora mpitolona tamin'ny hetsika GEN. Mitaky ny handravana ny andrim-panjakàna sakana amin'ny fanovana izy ireo... ♦ Sady azo tsaraina ao amin'ny Fitsaràna Avo (HCJ) sy ao amin'ny Fitsaràna misahana ny ady amin'ny kolikoly ny filohan'ny antenimieran-doholona teo aloha ny jeneraly Ravalomanana Richard hoy ny HCC...
♦ Hitontona vanim-potoam-pahavaratra ny datin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny taona 2027, raha ny voarakitr'ilay fandaharan'asa nomena ny SADC. Ny fikaonandoham-pirenena no tokony hamaritra izany hoy Andriamatoa Jean Jacques Ratsietison... ♦ Olona 2 no nidoboka am-ponja vonjimaika eny Antanimora noho ny fanelezana vaovao tsy marina entina hanakorontanana ny firenena. Nanazava ny momba io tranga io ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Tsy maintsy hisy fiantraikany ara-toekarena eto Madagasikara ny ady any Moyen-Orient hoy ny PMH. Miantso ny Fanjakàna Malagasy hitady vahaolana tsinjo lavitra dieny izao...
Taorian'ny fitondran'ny Mpanjaka Ratsimilaho dia nisy ireo nandova ny fitondrany dia ny zanaka amam-parany ; 1- Zanahary, 2- Iavy, 3-Zakavola, 4- Sasy ary 5- Tsimirilaza. Ny Miaramila nandeha niantafika notarihin-dRatsimilaho dia nanana fitaovana arifomba tamin'izany fotoana izay toy ny basy sy ny antsy lava. Isan'ireo anarana niantsoana an'i Ratsimilaho ihany koa ny hoe : Ramaromanompo. Noho ny ady fahefana nisy teo amin'ireo taranany dia nikisaka nanjaka tao amin'ny Nosy Borà, i Betia, izy izay natao batemy tao amin'io toerana nanjakàny io...
♦ Nisy olona voalohany matin'ny valanaretina MPox teto Madagasikara omaly. Zaza 3taona avy any Toamasina izy io, nentina notsaboina teto Antananarivo... ♦ Nihaona tamin'ny Papa Léon XIV, omaly, ireo mpikambana amin'ny birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara. Anisan'ny nangatahan'izy ireo ny hitsidihan'ny Ray Masina eto Madagasikara... ♦ Antananarivo no handray ny fanamarihana nasiônaly ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy amin'ny alahady 8 marsa izao... ♦ Olona 555 farafahakeliny ireo maty any Iran, nanomboka tamin'ny nisian'ny ady any an-toerana ny sabotsy 28 febroary 2026, teo...
♦ Voaresaka ireo mpikambana amin'ny birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, izay nihaona tamin'ny Papa androany tany Vatican, ny momba ny ho fananganana ho Olomasina ireo Olontsambatra Malagasy ary ny fanasàna ny Ray Masina hamangy an'i Madagasikara... ♦ Zazavavikely 3 taona no maty voalohany tsy nahatohitra ny MPox, hatramin'ny nidiran'ity valanaretina ity teo Madagasikara... ♦ Efa miomana mialoha amin'ny fiatrehana ny mety ho krizin-tsolika vokatry ny ady misy any Moyen-Orient, ankehitriny, ny governemanta Malagasy... ♦ Nomen'i Royaume-Uni fahazoan-dalana hampiasa ireo toby miaramila any Iran i Etats-Unis...
♦ .10 taona aty aoriana vao nisy indray ny fikaonan-doha nasiônaly nataon'ny teo anivon'ny pôlisim-pirenena, fotoana iray natao handinihan-tena ho an'ireo pôlisy izao hoy ny tale jeneralin'ny pôlisim-pirenena.. ♦ Zo, rariny, hetsika ho an'ny vehivavy sy zazavavy rehetra, io no loha-hevitra entina mandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny vehivavy 8 marsa... ♦ Faritra maromaro ao Antananarivo renivohitra no tratry ny fikorontanan'ny kalitaon'ny rano noho ny tsy fahatomombanan'ny paompy fampiakarana rano ao Mandroseza voalohany nanomboka ny maraina teo...
--- "Hisokatra ho an’ny rehetra tsy misy tambiny ary hoan’ny tombotsoan’ny Malagasy." Io no isany fanehoan-kevitra nentin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara taorian’ireo fitsidihana ofisily nataony tany Rosia sy Frantsa farany teo. Misokatra ho an’ireo firenena vonona hiara-hiasa aminy i Madagasikara. Io no foto-kevitra ara-diplomatika entin’ny mpitondra raha ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana. Miompana amin’ny resaka toe-karena, ara-tafika ary ny sosialy, amin’ny an-kapobeny, ny fitsidihana nataon’ny filoham-panjakana malagasy tamin’ireo firenena vahiny ireo. Ao ambadiky ny fiaraha-miasa eo amina firenena roa tonta anefa dia tsy maintsy misy ilay antsoina hoe : " samy mahazo sy miaro ny tombotsoa hoazy "...
--- Nankalazaina omaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ka isany nankalaza izany isika teto Madagasikara. Filaharam-be nataon’ny fikambam-behivavy maro, arahina lahateny samihafa mazana no hetsika atao. Tsara aloha ny mampahatsiahy fa ny taona 1977 no nanambaran’ny Firenena Mikambana tamin’ny fomba ofisialy ny 8 mars ho andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy, ka marihana isan-taona...
♦ Maneho ny ahiahiny manoloana ny ady any Moyen Orient ny fitondram-panjakàna Malagasy ary miantso ny fifehezan-tenan'ny andaniny sy ny ankilany ka hampitsaharana avy hatrany ny herisetra... ♦ Natolotry ny filohan'ny fanavaozana ny vondrona SADC ny sabotsy 28 febroary teo ilay antota-kevitra miraikitra ny tatitry ny asa vitan'ny fitondrana tao anatin'ny 4 volana sy ny vinan'asa anatin'ny 18 volana ho avy... ♦ Hiatrika fikaonan-doha nasiônaly amin'ity alatsinainy 2 marsa ity, etsy amin'ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato ny pôlisim-pirenena Malagasy...
♦ 37 tamin'ireo antontantaratasy 109 voaray izay maniry ho tale jeneralin'ny CNaPs no nahafeno ireo fepetra napetraka ka afaka miatrika ny dingana manaraka... ♦ Manambana ny hanao hetsika ireo mpianatra nivoaka tamin'ny ENS sy ENSET manerana an'i Madagasikara raha tsy mahazo valiny amin'ny fangatahany, ao anatin'ny 48ora... ♦ Miisa 16 ireo tranga voamarina sy tranga ahiana amin'ny MPox izay raisin'ny CTI etsy Andohatapenaka ka misy zaza 8 taona ao anatin'ireo tranga ahiana... ♦ Manao antso amin'ny hampiatoana ny ady eo amin'i Afghanistan sy Pakistan ny firenena mikambana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco