Tsikaritra ho mivaona kely ny fanamarihana ny 8 marsa, izay somary nirona tamin'ny fisehoana ivelany fotsiny, haingo sy fety ; ny tena votoatin'ny 8 marsa anefa dia fitakiana ny zo izay tsy sitrahan'ny vehivavy amin'ny fiainana andavanandro (ohatra : zo hiasa sy handray tambin-kasasarana, zo ho arovana...) Ny vehivavy dia hery iray ho an'ny fanavaozana ny firenena, ny vehivavy rahateo no fototry ny fanabeazana noho izany dia manana ny lanjany amin'ny lafin-javatra maro izy ireny... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

♦ Mila hovàna ny rafitra napetraky ny mpanjanaka teto Madagasikara hoy ny vondron'ny Manampahaizana nasiônaly (GEN). Namoaka fanambaràna momba ny raharaham-pirenena izy ireo omaly... ♦ Misy fikorontanana ny famatsiana lasantsy eto Antananarivo sy ao Toamasina. Ny zoma izao no vinavinaina hiverina amin'ny laoniny izany hoy ny eo anivon'ny OMH... ♦ Tafidina hatrany amin'ny 500 Ariary ny kapoakan'ny fotsim-bary any Alaotra ankehitriny. Manao antso avo amin'ny fitondana ireo fikambanana sy hery velona samihafa avy any an-toerana... ♦ Noesorina tamin'ny Sénégal ny fahazoany ny amboaran'ny Can 2025, i Maroc no nambara ho tompon-dakan'i Afrika...

♦ Nampihatrano ny fihaonambe "forum" momba ny asa mendrika ho an'ny tanora ny tetsy amin'ny Centre Notre-Dame de Clairvaux Ivato, androany. Nandray anjara tamin'izany, ankohatry ny Saleziana Don Bosco mpikarakara, ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny sehatry ny fampananan'asa ny tanora eto Madagasikara... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginana ny vondron'ireo manampahaizana nasiônaly. Nambaran'ny GEN fa ny rafitra no mila kitihana ho tombontsoan'ny Malagasy... ♦ Amin'ny zoma ho avy izao no hiverina ny famatsiana solika eto an-drenivohitra hoy ny Ofisy Malagasy ho an'ny Ankoran'afo (OMH)...

♦ Manomboka mandeha tsikelikely mankany amin'ny fandravàna andrim-panjakàna izay notakian'ny mpitolona ny raharaham-pirenena amin'izao hoy ny antoko SFDM... ♦ Misy fikorontanana ny fitsinjaràna ny karazan-tsolika "lasantsy" amin'ireo toby mpaninjara sasany eto Antananarivo. Tara ny fahatongavan'ny sambo mpamatsy solika ao amin'ny seranan-tsambon'i Toamasina... ♦ Nahiditra am-ponja vonjimaika eny Imerintsiatosika Andriamatoa Ravalison Israel, noho ilay fisandohana galona Jeneraly teo anivon'ny fandraharahàna ny fonja. Anisan'ny vesatra hanenjehina azy ny resaka fisandohana sy fanovàna galona tamin'ny fomba tsy ara-dalàna...

Ny "kipotsaka" dia karazan-dahabolana entina hisarihana ny olona hiresahana hifantoka amin'ny dinika hatao. Ireo tanora mifampiresaka momba ny fitiavana no matetika tena manao azy ity. Andiam-pehezan-teny tsy mifampiankina fa entina misarika fifantohana fotsiny. Ohatra : Ganagana tsy mba gisa, manontany tsy mahadiso... Lahabolana Betsileo no nipoiran'ity lahabolana ity ary ny "kalita" no mitovitovy amin'ny, izay somary misy ady rima...

♦ Hijoro tsy ho ela ny governemanta. Vokatra no entina amin'ny vahoaka efa niaina fijaliana. Nasongadin'ny Praiministra vaovao ireo omaly, nandritra ny famindram-pitantanana teny amin'ny Lapan'i Mahazoarivo, omaly... ♦ Mifanenjana ny tale jeneraly sy ny tale mpitantana ara-bola eo anivon'ny "Aviation Civile de Madagascar". Andrasana hotanteraka anio maraina ny famindran-draharaha tokony hataon'io tale io, taorian'ny zava-nisy omaly... ♦ Mitaky ny fanesorana ny tale ao amin'ny CEG Betsimitatatra 67 Ha ny mpampianatra sy ny mpanabe ary ny mpandraharaha ao an-toerana. Manome 48 ora ny tompon'andraikitra mahefa izy ireo hamaliana ny fitakiana...

♦ Ao anatin'ny masontsivana hisafidianana ireo ministra handrafitra ny governemanta, izay hijoro tsy ho ela, ny fahitsiana hoy ny Praiministra Rajaonarison Mamitiana, androany... ♦ Navarin'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena ho "catégorie 3" ireo mpampianatra nahavita fiofanana teo anivon'ny CRINFP ka nampiaka-peo, androany, ny sendika SSIM... ♦ Natomboka androany ary haharitra 3 andro ny fizarana ny "Fidiovana" ho an'ny Malagasy tsy an-kanavaka, ho fanamarihana ny taom-baovao Malagasy... ♦ Nanaiky ny hampiato ny fandraisana teratany keniana hiady ho an'i Russie any Ukraine ny fitondrana russe, hoy ny lehiben'ny diplômasia keniana, androany...

♦ Tontosa androany teny amin'ny lapam-panjakàna Mahazoarivo ny famindram-pahefana sy fitantanana teo amin'ny Praiministra vaovao Mamintiana Rajaonarison sy ny Praiministra teo aloha Herintsalama Rajaonarivelo... ♦ Hanomboka amin'ity herinandro ity ny asa fanomanana ny fanapariahana ireo fitaovana hanatanterahana ny fisoratana anarana biômetrika manerana ny nosy. Nahomby ny andrana natao tao amin'ny distrika Antananarivo-Atsimondrano... ♦Mbola miparitaka eran-tany ny vokatra tsy azo antoka, misy hosoka ka mampihena fahatokisan'ny mpanjifa hoy ny sekretera jeneralin'ny ministeran'ny varotra sy ny fanjifàna...

--- Marihana isaky ny 15 Mars, isan-taona, ny andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa. Tanjona kendrena amin’izany ny hanandratana ny zo fototry ny mpanjifa, ny fiantohana azy, ny vaovao tokony ho sitrahany ary ny safidiny. "Vokatra azo antoka, mpanjifa feno fahatokiana", izay no lohahevitra voizina amin’ity taona ity. Isan-taona, ankalazaina mitety faritra ary amin’ny fomba manetriketrika, ity andro eran-tany hoan’ny zon’ny mpanjifa ity eto amintsika. Tamin’ny herintaona, ohatra, ny tao Antsirabe renivohitr’i Vakinakaratra, no nandray izany...

♦ Andriamatoa Rajaonarison Mamitiana no nosafidian'ny filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika ho  Praiministra handimby an'Andriamatoa Herintsalama Rajaonarivelo. Isan'ny iraka hotanterahiny ny fampivondronana ny ankolafin-kery rehetra eto amin'ny nosy... ♦ Tsy tokony hisy intsony ny fanakianana izay ho Praiministra vaotendry hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, ny sabotsy teo. Nitaky fifampidinihana amin'ny fanendrena izay ho Praiministra voavao ny antoko TIM... ♦ Very olomanga roa i Madagasikara. Nodimandry ny ministry ny toe-karena sy ny fitantanam-bola teo aloha ; nindaosin'ny fahafatesana ihany koa Dezy Ramasy, kintan'ny baolina kitra...

♦ Tafidina hatrany amin'ny 500 Ariary ny kilaon'ny vary gasy hividianan'ireo mpanangom-bokatra any amin'ny tantsaha mpamboly, ahiana hiteraka fipoahana ara-tsôsialy goavana izany raha tsy misy ny fandraisan'andraikitra... ♦ Mivangongo amin'ny faritra maro ny fako ao Antananarivo-renivohitra, tsy misy afatsy fiarabe 13 tamin'ireo 28 teo aloha sisa miasa misahana ny fandraofana ny fako hoy ny mpiasa eo anivon'ny SMA... ♦ Nandraisana fepetra hisorohana ny lozam-pifamoivoizana ny lalana Tsarasaotra sy Lac Iarivo, natomboka omaly zoma 13 marsa ny hetsika fanentanana natao tamin'ireo mpampiasa lalana toy ny mpandeha an-tongotra, ny mpampily ary ny polisim-pirenena...

Alahady 15 martsa 2026. Taona A - Alahady faha-4 Karemy  : Ny finoana an’i Kristy no fahazavana vaovao - Izaho no Fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan’ny fiainana. Tsy voatery ho sazy na famaizan'Andriamanitra noho ny fahotana natao ny aretina na kilema na ny fijalina manjoa ny olombelona fa mba hanehoana ny asan'Andriamanitra ao aminy. Tsy hain'Andriamanitra ny mahary ny ratsy na ny fahafatesana fa ny manao ny tsara sy ny mamelona ihany no hainy ; porofon'ny fiahian'Andriamanitra ny olombelona ny nanomezany ny zanany hamonjy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...