♦ Manavao ilay toro-lalana efa novolavolaina tamin'ny taona 2019 ampahafantarana ny ady sy fifanolanana rehetra mety hitranga amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina ny SAFIDY... ♦ Tsy misy fiantraikany amin'ny vola mivoaka eo anivon'ny orinasa JIRAMA ny fanaramàna an'i RON WEISS, ho tale jeneralin'ity orinasa ity... ♦ Nahazo ny amboara FAIR-PLAY teo amin'ny taranja baolina kitra ny Radio Don Bosco tamin'nyy tournoi Inter-Média 2024... ♦ Nifarana ny dinika hikatsaham-bahaolana eo amin'ny adin'i Israely sy ny Hamas izay natao tany Egypte, notarihan'i Egypte sy Qatar. Mitaky ny hialan'ny tafika Israeliana any Gaza ny Hamas...

Alahady fahaenina fankalazana ny Paka : Tsy mifidy olon-kotiavina Andriamanitra ; Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina ao aminy. Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany. Miresaka ny "fitiavana" ny vaki-teny telo amin'ity alahady ity : fitiavana Andriamanitra, fitiavana no iainan'ny rehetra (ray, zanaka, mpianatra, samy olombelona). Ny fitiavana ny namana dia mifototra amin'ny fitiavan'i Jesoa antsika olombelona. Andriamanitra no fototry ny fitiavana...

♦ Nankalaza ny Andro Maneran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety androany, isika teto Madagasikara. Teny amin'ny Havoria Anosy no nanaovana ny lanonana ôfisialy... ♦ Misy mamingana sahady amin'izao herinandro mialoha ny fampielezan-kevitra izao, ny kandidà Solombavam-bahoaka laharaha faharoa, Augustin Rakotonirina, any amin'ny Distrikan'i Moramanga... ♦ Efa vonona ny kianjan'ny Makis Andohatapenaka, handray ny fiadiana ny Tompondakan'i Afrika eo amin'ny taranja Rugby à 15, sokajy vehivavy, manomboka rahampitso...

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

♦ Niakatra laharana iray i Madagasikara, saingy miiba ny naotiny, araka ny tatitry ny filaharan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety nataon'ny RSF... ♦ Voatendry nandritra ny Filankevitry ny Minisitra notontosaina omaly ny Tale Jeneralin'ny orinasa Jirama... ♦ Hiditra amin'ny andiany fahafolo amin'ity taona ity ny hetsika ara-toekarena sy fizahan-tany iraisam-pirenena ITM...

♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo... ♦ Marihana sy ankalazaina anio 3 mey, ny Andro Eran-tany ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety... ♦ Olon-tsotra iray, naratra teny Ankatso; mpianatra iray no naratra ary mpianatra iray hafa torana, teny Vontovorona, vokatry ny fandravan'ny mpitandro ny filaminana ny fitakian'ireo mpianatra...

♦ Nahazo Eveka vaovao ny Diôsezin'i Maintirano. Notendren'ny Papa François ho Eveka any an-toerana i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety... ♦ Niroso tamin'ny fitokonana androany, ny ampahany tamin'ireo mpianatra eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo. Nisy naratra vokatr'izany... ♦ Mahatsikaritra fihoaram-pefy samihafa ny KMF/Cnoe amin'izao mialoha ny fampielezan-kevitra izao. Miandrandra ny HCC handray ireo fepetra efa nambarany ity firaisamonim-pirenena ity...

♦ Raikitra indray ny hetsika fanakanan-dalana sy fandorana kodiarana nataon'ny mpianatra Ankatso androany maraina, teny an-toerana nandrava ny hetsika ny mpitandron'ny filaminana, olon-tsotra iray no fantatra fa naratra amin'izao... ♦ Mikatona vonjimaika omaly voalohan'ny volana mey ny masoivohon'ny Kaompania Madagascar Airlines atsy amin'ny Nosy La Réunion any amin'ny taona 2026 vao hiverina ny sidina mankany ivelany hataon'ity kaompaniam-pitanterana an'habakabaka Malagasy ity... ♦ 42% amin'ny fiara mifamezivezy ao Toliara tsy manara-dalàna avokoa hoy ny tale jeneralin'ny foibe fitsarana fiarakodia na ny DGSR... ♦ Any Avaratr'i Chine : tsy mitsaha-mitombo ny isan'ireo olona namoy ny ainy tamin'ilay fihotsahan'ny lalambe...

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

♦ Tomefy mpitandro ny filaminana teny Analakely sy ny manodidina omaly, izay fanamarihana ny fetin'ny asa, tsy navela niditra teny amin'ny lapan'ny tanàna ireo sendika nanao hetsika... ♦ Nahatsiaro ho voasakatsakana ireo sendikalista nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena momba ny asa omaly. Voafetra mantsy ny toerana azon'ireo mpiasa naleha... ♦ Randrana sendikaly : tsy miraharaha ny mpiasa Malagasy ny fitondrana amin'izao, tsy laharam-pahamehana ho an'ny mpitondra ny mpiasa, izay mamokatra mampandroso ny firenena... ♦ Any Turquie, am-polony ireo mpanao fihetsiketsehana voasambotry ny mpitandron'ny filaminana tao Istambul nandritra ny hetsika fankalazana ny fetin'ny asa omaly 1 mey...

♦ Tany amin'ny 640 km avaratra andrefan'Antsiranana no nisy ny foiben'ilay tangoron-drahona ao avaratry ny Lakandranon'i Mozambika, androany tamin'ny 12 ora. Mety hitombo hery izy io ao anatin'ny roa andro ka hivadika ho rivodoza homena ny anarana Hidaya... ♦ Nitohy androany teny Faravohitra, tamin'ny alalan'ny vela-kevitra narahana adihevitra, ny fanamarihana ny fetin'ny asa, ary hitohy amin'ny filaharam-be ho an'ny rahampitso 1 mey...

♦ Potika ny hasin'ny antoko pôlitika amin'ity fifidianana solombavambahoaka 2024 ity hoy ny antoko MFM. Voatery nitambatra ireo tsy mitovy foto-kevitra na ilay antsoina hoe "alliance contre nature"... ♦ Mihetsika indray ny mpianatry ny Polytechnique eny Vontovorona, mitaky vatsim-pianarana sy fanatsaràna foto-drafitr'asa. Raikitra ny fifandonan'izy ireo sy ny mpitandro ny filaminana ny maraina teo... ♦ Miverina indray ny delestazy eto amintsika. Tsy ampy ny famatsiana herinaratra amin'ny tamba-jotra iraisan'Antananarivo, noho ny fiatoana milina iray any Andekaleka... ♦ Niharan'ny tifitra misilin'ny Rosiana indray ny tao Odessa, any atsimo andrefan'i ukraine, omaly ; olona 5isa no namoy ny ainy ary 23 hafa naratra...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...