♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...
♦ Ministtra mpisolo toerana avokoa no mitantana ministera 7 eo anivon'ny governemanta amin'izao. Hiteraka olana amin'ny fampandehanana ny raharaham-panjakàna izany hoy ny antoko Vonona Hijoro ho an'ny Tanindrazana... ♦ Tsy ankasitrahan'ny vovonan'ny Sekoly tsy miankina ny hanokànana toerana ireo mpiadina mahaleontena mandritra ny fanadinana Bakalôrea. Famotehana ny fampianarana sy ny sekoly tsy miankina izany hoy izy ireo... ♦ Olona 3 indray no nisy naka an-keriny tao Fieferana Anjozorobe ka mitaky vola 140 tapitrisa Ariary ireo jiolahy. Handraisana fepetra manokana izao zava-misy izao hoy ny Praiministra ny faran'ny herinandro teo...
♦ Nohamasinina ho Eveka ny lehiben'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco maneran-tany ny Kardinaly Angel Fernandez Artime... ♦ Efa nivoaka ny didim-panjakàna fampiharana ny fampiakaran-karàma ho an'ny mpiasa amin'ny sehatra tsy miankina. Manomboka mihatra ho an'ny karama volana marsa lasa teo izany... ♦ Misy ny fandaminana vaovao avy amin'ny tanànan'Antananarivo momba ireo mpivarotra amoron-dalana eny Analakely. Navadika tsena ny ampahan-dalana eny an-toerana, isaky ny zoma, sabotsy ary alahady... ♦ Nankasitrahan'ny mpitondra faratampony any Iran ny nanafihan'ny tafika iraniana an'i Israël ny herinandro teo ; fahombiazana iny fanafihana iny ary nambarany fa reharehan'ny vahoaka hoy izy...
♦ Mbola tsy marin-toerana ny vidim-bary na dia anatin'ny vanim-potoanan'ny fararano aza isika hoy ny fikambanana miaro ny zon'ny mpanjifa MCI... ♦ Tompon'andraikitra voalohany amin'izay olona hofidiny hisolo vava azy ny olom-pirenena ka tokony hahay haka lesona amin'ny fihetsika sy ny endrika fanambakana ataon'ireo kandidà hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena... ♦ Ahitàna fidinany ny maripàna ambany ho an'ny afovoantany ary somary hangatsiak&a ny maraina ao anatin'ny telo andro manaraka... ♦ Miisa 21 ireo fiaramanidina sinoa nihaodihaody eny an'habakabak'i Taïwan androany maraina. Efa vonona sy manara-maso izany ny tafika mitam-piadiana ao Taïwan...
Alahady fahaefatra fankalazana ny Paka : I Jesoa, Mpiandry ondry tsara ; Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa. Izy tenany Jesoa mihitsy no milaza fa izy no Mpiandry ondry tsara, dia izy izay mahafoy ny ainy. Tsy mpikarama ny Mpiandry ondry tsara fa ny mpikarama raha vao mahita amboa dia avy dia havelany hiahaka eo ny ondry, ny karama na vola no tanjony fa tsy ny ondry nankinina taminy. Ny takian'ny fiaraha-monina dia olona mpanasoa, mpitsimbona ny madinika, mpikatsaka ny soa iombonana fa tsy tia tena...
♦ Hitohy anio amin'ny alalan'ny diabe am-bavaka hihazo ani Vohipeno ny Pelerinazy miaraka amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay tanterahana ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana... ♦ Hisy fiatraikany goavana amin'ny andavanandrom-piainan'ireo olona manana tany voakasik'ilay fanamboaran-dalana miainga eny Andranotapahina mihazo ety Ivato, ny fanohizana ny asa ka mangataka ny hampitsaharana izany izy ireo... ♦ Mbola ho sarotra ny hahavitan'ireo solombavambahoaka ny andraikitra nankinina amin'izy ireo raha toa ka tsy hahazo ny maroan'isa eny Tsimbazaza ny mpanohitra hoy ny filoha nasiônalin'ny antoko Teza... ♦ Tsy mbola naneho hevitra manoloana ilay valim-panafihana nataony tany Iran i Israel...
♦ Notokanan'ny Filohan'ny Repoblika androany, ny fonja vaovaon'i Fenoarivo Atsinanana, izay mahazaka voafonja miisa 900... ♦ Namoaka ny mpiofana andiany faha-10 misalotra ny anarana "Mamiratra" androany, ny ivonteorana fanofanana vehivavy "Mivaotra sy Mahaleo tena" ao amin'ny Filles de Marie Auxiliatrice, Ampasanimalo... ♦ Mbola tsy hahavita ny andraikiny toy ny hatramin'izay ny Solombavam-bahoaka, raha mbola tsy ho maro an'isa ny mpanohitra eny Tsimbazaza, hoy ny antoko TEZA...
♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...
♦ Nahitsy ny Filohan'ny CAF teo aloha sady Filohan'ny FMF teo aloha, Ahmad, nilaza fa kisendrasendra raha handeha ny baolina kitra malagasy, amin'izao endriny misy ankehitriny izao... ♦ Mangataka ny fampitsaharana ny asa fanamboaran-dàlana miainga eny Andranotapahana mankety Ivato, ireo manana tany voakasik'izany. Mbola minia manohy ny asa hatrany ny orinasa ankehitriny na dia efa eny amin'ny Filankevi-panjakana aza ny raharaha... ♦ Nitondra fandaminana vaovao amin'ny tsena ao Analakely indray ny mpitantana ny Kaominina ankehitriny. Hafindra toerana ary hoferana ny fotoana hivarotan'ireo mpivarotra amoron-dàlana...
♦ Nandao tanteraka ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena, Ramatoa Razanamahasoa Christine, ao anatin'izao famaramparanana ny fe-potoam-piasan'ny Solombavam-bahoaka izao... ♦ Mbola mihisatra ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara, hoy ny Filohan'ny Kômity Mitandro ny Fahitsiana, na ny CSI... ♦ Mbola misy fanantenana kely ny hahafahan'ny Barea milalao amin'ny kianja eny Mahamasina amin'ny volana jona, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...
♦ Namindra fahefana tamin'ny Filoha mpisolo toeran'ny Antenimeram-pirenena androany, Ramatoa Christine Razanamahasoa. Tandrovy mafy ny fahamarinana na hihatra aman'aina aza, hoy izy... ♦ Tsy manaiky ny hanaovana ho fitaovana pôlitika ny tontolon'ny fampianarana, ny Sendikàn'ny mpiasa eo anivon'ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena. Nanao fanambarana teny Ambohijatovo izy ireo androany... ♦ Hahazo mpitantana vaovao ny orinasa JIRAMA amin'ny volana mey izao. Manam-pahaizana avy atsy Rwanda no nambaran'ny Filoham-pirenena fa hitantana ny Jiro sy Rano Malagasy...
♦ Lesoka mila herenina ho an'ny mpiasam-panjakàna ny tsy fanajàna ny toerana hanatanterahana ny asa hoy ny sendikàn'ny mpiasa mpandraharaha sy teknisiana eny amin'ny Oniversite an'Antananarivo na ny SPATUT... ♦ Miantso ny kandidà amin'ny fifidianana solombavambahoaka amin'ny 29 mey izao hanaja ny lalàna mifehy ny fampielezan-kevitra ny CENI... ♦ Mangataka ny hanokafana orinasa manodina menaka amin'ny alalan'ilay tetik'asa Taninketsa Indostrialy ny mponina sy ny mpandraharaha ao Belo ambonin'i Tsiribihina, distrika mamokatra voanjo 500 taonina isan-taona... ♦ Hanefa ny adidiny hifidy izay ho solombavambahoaka ny vahoaka indiana manomboka rahampitso...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco