♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro ankehitirny, ny Nonce Apostolique, Mgr Tomas Grysa, hanatrika ny Sorona Masina fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Luc Olivier Razafitsimialona, amin'ny alahady izao... ♦ Velaran-tany mirefy 75.000 Ha, no kendrena ho volena zanakazo amin'ity taona ity. Nanomboka androany tamin'ny fomba ôfisialy teny Imerintsiatosika, ny taom-pambolen-kazo 2024... ♦ Mbola tsy votsotra ireo takalon'aina telo vavy any amin'ny Kaominina Talata Angavo, Distrikan'Ankazobe...
♦ Efa any amin'ny Diôsezin'i Tolagnaro ankehitriny, ny Nonce Apostolique sy ireo Eveka avy amin'ny Diôsezy samihafa avy eto Madagasikara... ♦ Manolotra ny teny fankasitrahana ho antsika mianakavy nanotrona sy nanohana azy ireo, nandritra ny fankalazana ny fetin'ny Fianakaviana Masina, ny fianakaviamben'ny Seminera Zandriny Ambohipo... ♦ Nofaranana tamin'ny 20 sy 21 janoary 2024 ny fankalazana ny faha-40 taonan'ny EKAR Trinite Masina Anosimasina, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga...
♦ Foana avokoa ny fampitandremana momba ny fahabetsahan'ny rotsak'orana, raha ny fampitam-baovao avy amin'ny Météo. Mbola ho mafy anefa ny fitsokan'ny rivotra any amin'ny morontsiraky ny Faritra Atsimo Andrefana... ♦ Tsy ampy antsasa-manilan'ireo infirmiera ara-dalàna eto Madagasikara, no misoratra ao amin'ny Holafitra. Omena roa volana ireo infirmiera rehetra ara-dalàna, hisoratra anarana... ♦ Milaza ho misy mandrahona ny hisambotra, Andriamatoa Rabevahiny Elia, tao aorian'ny fanehoan-kevitra nentiny amin'ny tokony hanafahana ireo olona telo nofonjaina, noho ny raharaha Bas-Mangoky...
♦ “Mpivahin'ny Fanantenana”, io no lohahevitry ny Taon-jobily 2025, eo anivon'ny Eglizy Katôlika maneran-tany. Mitondra fanazavana ny ekipa mpanomana ho an'ny eto Madagasikara... ♦ Hosokafana amin'ny fomba ôfisialy anio ny taom-pambolen-kazo 2023-2024. Ankoatra ny eny Imerintsiatosika, hisy koa ny hetsika isam-paritra... ♦ Manohy ny asany vonjy maika mandra-pisian'ny fifidianana ireo handimby azy, ny Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina Monisipaly, araka ny fanapahan'ny HCC...
Ireo Zokiolona dia mampita finoana ihany koa izay nolovana tamin'ny apôstôly mbola iainantsika hatramin'izao ; misy mihevitra fa lany andro izany ka mahatonga ny fifanoheran'ny taranaka mifandimby. Tsy miova ny soa sy ny tsara : ny finoana tao anatin'ny 2000 taona, ny fifankatiavana, ny marina. Katesizy momba ny fiaraha-monina sy ny taranaka mifandimby, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina J. Emilien.
♦ Nampahafantarina androany ny fiomanan'ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara amin'ny fankalazana ny Taon-jobily 2025, araka ny toromariky ny Papa François... ♦ Manohy ny asany vonjy maika, mandrapaha voafidy izay handimby azy, ireo Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina monisipaly, izay tapitra fe-potoam-piasana ankehitriny. Namoaka izany fanapahana izany ny HCC, androany... ♦ Namoizana ain'olona ny firotsahanan'ny orana tsy an-kiato any amin'ny Faritra Diana. Tombanana mbola hitohy hatramin'ny rahampitso ny rotsak'orana any amin'ny tapany avaratry ny nosy, hoy ny Météo...
3 febroary 2024 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 3, 4-13)
Tamin’izany andro izany:
Nankany Gabaôna i Salômôna hanao sorona, fa tany no fitoerana avo malaza.
Sorona dorana arivo no nateriny teo ambonin’io ôtely io.
Ary ny Tompo niseho tamin’i Salômôna tamin’ny nofy, nony alina , tany Gabaôna,
ka hoy Andriamanitra taminy:
“Angataho izay tianao homeko anao.”
Dia hoy ny navalin’i Salômôna:
“Efa naneho fitiavana lehibe tamin’i Davida mpanomponao raiko Ianao,
araka ny nandehanany teo anatrehanao,
tamin’ny tsy fivadihana sy fahamarinana, ary fahitsiam-po taminao;
notohizinao izany fitiavana azy lehibe izany,
ka nomenao zanaka lahy izay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianany izy,
araka izao hita izao.
Ary ankehitriny, Tompo Andriamanitra ô,
efa nampanjaka ny mpanomponao handimby an’i Davida raiko Ianao;
izaho anefa dia mbola tovolahy tanora kely tsy mahay mitondra tena.
Ary ny mpanomponao dia eo afovoan’ny vahoakanao, izay nofidinao,
vahoaka be dia be, tsy azo vinavinaina ny habetsahany, tsy tambo isaina,
fa maro be loatra.
Koa saina mahiratra no omeo ny mpanomponao hitsarako ny vahoakanao,
hanavahako ny soa sy ny ratsy.
Fa iza moa no hahay mitsara izao vahoaka maro be izao.”
Nankasitrahan’ny Tompo ny nangatahan’i Salômôna izany zavatra izany taminy.
Ka hoy Andriamanitra taminy:
“Noho ianao nangataka izany zavatra izany,
ka tsy nangataka andro maro ho anao,
sy tsy nangataka harena ho anao,
ary tsy nangataka ny ain’ny fahavalonao ho anao;
fa ny saina no nangatahinao ho anao mba hitsara araka ny rariny;
dia indro, tanterahiko ny teninao fa omeko saina hendry sy mahiratra ianao,
ka ny olona talohanao tsy nisy toa anao,
ary tsy hisy toa anao ny olona hitsangana ato aorianao.
Omeko anao mbamin’izay tsy nangatahinao koa aza,
dia harena amam-boninahitra hany ka tsy hisy toa anao na iza na iza,
amin’ny mpanjaka mandritra ny andronao rehetra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 118, 9-10. 11-12. 13-14
Fomba ahoana no hitanan’ny zatovo ny hadiovan-toetra?
Dia ny fitandremana ny Teninao!
Mitady Anao amin’ny foko tontolo aho,
koa aza avela handao ny baikonao.
Raketiko ato am-poko ny didinao
mba tsy hanotako aminao.
Hisaorana anie Ianao, ry Tompo!
Ampianaro ahy ny fitsipikao!
Tanisain’ny molotro avokoa ny sata rehetra
voalazan’ny vavanao!
Ny lalan’ny fanambaranao no ifaliako,
mihoatra noho ny harena rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo. Izaho mahalala azy, ary izy manaraka ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 30-34)
Tamin’izany andro izany,
niverina teo amin’i Jesoa ny Apôstôly,
dia nilaza taminy ny zavatra rehetra nataony sy nampianariny.
Ary hoy Izy taminy:
“Avia ianareo,
ndeha mitokana any amin’ny tany mangingina,
ka mialà sasatra kely”:
fa maro ny olona mifamoivoy ka tsy nisy hihinanany akory.
Dia niara-niondrana an-tsambo kely izy ireo
ka lasa nitokana any amin’ny tany mangingina.
Fa hitan’ny olona ny nandehanany ary maro no nahalala ny halehany,
ka nidodododo nandeha an-tongotra avy amin’ny tanàna rehetra,
sy tonga tany talohany.
Ary nony nivoaka avy tao an-tsambo i Jesoa
dia nahita ireto vahoaka betsaka ka nangoraka azy,
satria tahaka ny ondry tsy mana-mpiandry izy ireo,
dia nampianatra azy zavatra maro Izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Siraka (Eklesiastika 47, 2-13)
Toy ny fanavaka ny sabora amin’ny sorona fisaorana
no nanavahana an’i Davida teo amin’i Israely.
Nilalao tamin’ny liona toy ny zanak’osy izy,
ary tamin’ny orsa, toy ny zanak’ondry kely.
Fony izy mbola tanora,
tsy namono ilay goavam-be va izy, ka nahafa-kenatra ny vahoaka,
nony nanainga tanana mbamin’ny vaton’antsamotadiny izy,
sy nanongana ny reharehan’i Gôliata?
Satria niantso ny Tompo Avo Indrindra izy,
ary ny Tompo nanome hery ny tanany an-kavanana,
hamono mahafaty an’ilay mpiady mahery,
mba hanandratra ny tandroky ny vahoakany.
Ka dia nankalazaina izy, noho ny amin’ireo iray alina;
noderaina izy, noho ny fitahian’ny Tompo;
ary natolotra azy ny satro-boninahitra.
Fa nomontsaniny hatraiza hatraiza ny fahavalo,
nohoseny tamin’ny tongony ny Filistina, ny mpanohitra;
noketrahiny mandraka androany ny herin’ireny.
Tamin’izay rehetra nataony izy nanolotra haja ny Masina, ny Avo Indrindra,
tamin’ny teny fiderana;
tamin’ny fony tokoa nanao hira fankalazana ary tia an’Ilay nanao azy.
Nanendry mpihira eo anoloan’ny ôtely izy
ary nampandre hira mireondreona mahafinaritra tamin’ny feon’ireo.
Nataony manetriketrika ny fety,
ary kanto tapitra ohatra ny fankalazana ny andro lehibe,
amin’ny fotoana ankalazan’ny mpihira ny Anara-masin’ny Tompo
sy hampanakoakoany ny fitoerana masina vao maraina.
Ny Tompo kosa namela ny hadisoany,
nanandratra ny fahefany ho mandrakizay;
ary nataony azo antoka ny hananany taranaka mpanjaka,
sy ny seza fiandrianana be voninahitra eo amin’i Israely.
Nitsangana nanarakaraka azy ny zanaka feno fahendrena anankiray,
tao anatin’ny fandrosoana no nahavelomany noho ny amin-drainy.
Nanjaka tamin’ny androm-piadanana i Salômôna
fa nomen’Andriamanitra fitsaharana amin’ny manodidina rehetra izy,
mba hanorina tempoly ho an’ny Anarany sy hamboatra toerana masina mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 17, 31. 47 sy 50. 51
Andriamanitra: lavorary ny lalany,
ny Tenin’ny Tompo dia voasedra.
Izy no mpanao soa
an’izay mifefy aminy.
Velona anie ny Tompo, hisaorana ny vatolampiko!
Hasandratra Ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Koa midera Anao eto anivom-pirenena aho,
sy miantsa ny Anaranao, ry Tompo!
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany;
anehoany hatsaram-po ny Voahosony:
dia i Davida sy ny taranany
hatrany amin’ny mandrakizay!
Aleloia. Aleloia.
Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 14-29)
Tamin’izany andro izany:
Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe:
“I Joany Batista nitsangan-ko velona izay,
ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy”;
fa ny sasany kosa nanao hoe:
“I Elia izay”,
ary ny hafa indray dia hoe:
“Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.”
Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe:
“I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany,
fa efa nitsangan-ko velona izy.”
Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra
sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina,
noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny
izay nalainy ho vady.
Satria i Joany nanao taminy hoe:
“Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao.”
Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza,
saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany,
izay hitany fa lehilahy marina sy masina,
ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro,
sy nohenoiny tamin-kafaliana.
Ary tonga ny andro tsara,
dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda
ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea.
Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada
ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy;
dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy:
“Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”,
sady nampiany tamim-pianianana hoe:
“Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao,
na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.”
Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe:
“Inona no angatahiko?”
Ary hoy reniny:
“Ny lohan’i Joany Batista.”
Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe:
“Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista.”
Nalahelo ny mpanjaka,
kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy,
dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy,
fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia.
Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina,
ka nitondra azy tamin’ny lovia,
ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa.
Nony nandre izany ny mpianany,
dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
2 febroary 2024 — Ny nanolorana ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)
1 febroary 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahefatra Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)
Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 2, 1-4. 10-12)
Nony efa akaiky ny andro hahafatesan’i Davida,
dia nandidy an’i Salômôna zanany izy, nanao hoe:
“Handeha amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho ity,
ka mahereza ianao, misehoa ho lehilahy.
Tandremo ny fanompoana ny Tompo Andriamanitrao,
fa araho ny lalàny, tandremo ny didy aman-dalàny, ny fitsipika amam-pandaharany,
araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’i Môizy,
mba hahomby ianao amin’izay ataonao rehetra sy izay rehetra hoherehinao,
ka dia hotanterahin’ny Tompo ilay teny nilazany ny amiko hoe:‘Raha mitandrina ny diany ny zanakao,
ka mandeha eo anatrehako amim-pahamarinana amin’ny fony rehetra
dia tsy ho lany taranaka ho eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely ianao.’”
Dia nandry any amin’ny razany i Davida,
ka nalevina tao an-tanànan’i Davida.
Efapolo taona no andro nanjakan’i Davida tamin’i Israely,
ny fito taona nanjakany tany Hebrôna,
ary ny telo amby telopolo taona tao Jerosalema.
Ary i Salômôna nipetraka teo amin’ny seza fiandrianan’i Davida rainy,
ary niorina tsara ny fanjakany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: 1 Tant. 19, 10. 11ab. 11d-12a. 12bde
Isaorana Ianao, ry Tompo Andriamanitr’i Israely Razanay:
hatramin’ny mandrakizay ka ho mandrakizay!
Anao, ry Tompo, ny halehibeazana sy hery,
ny hamirapiratana, fahamendrehana sy fiandrianana.
Anao ny zava-drehetra:
na ny any an-danitra na ny eto an-tany!
Anao, ry Tompo, ny Fanjakana,
sy ny fisandratana ho Lohan’ny zava-drehetra.
Ny harena, ny voninahitra dia avy aminao!
Ianao no manjaka amin’ny zavatra rehetra!
An-tananao ny hery sy ny tanjaka!
Ny tananao no mahalehibe sy mahamafy ny rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 6, 6-13)
Tamin’izany andro izany,
niantso ny roa ambin’ny folo lahy hankeo aminy i Jesoa,
ka naniraka azy handroaka ny fanahy maloto.
Ary noraràny tsy hitondra na inona na inona eny an-dalana izy ireo
na kitapo, na mofo, na farantsa kely varahina amin’ny fehin-kibony,
afa-tsy tehina ihany,
fa ny tongotra no asiana kapa, ary tsy mitondra akanjo roa.
Ary hoy koa Izy taminy:
“Na aiza na aiza halehanareo,
dia mitoera amin’izay trano hidiranareo ambara-pialanareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano na tsy mihaino anareo,
dia mialà ao ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo ho fiampangana azy.”
Dia nandeha izy ireo ka nitory tamin’ny olona fa tsy maintsy mibebaka izy,
sy nandroaka demony maro,
ary nanosotra diloilo ny marary betsaka sy nanasitrana azy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco