♦ Natao teto Antananarivo nandritra ny telo andro ny fivoriana voalohany fiomanana amin'ny fanolorana ny pôlitika ara-barotr'i Madagasikara any amin'ny OMC, na ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny varotra... ♦ Nidina ny vidin'ny vary gasy manerana ny distrika miisa 9 any amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Anatin'ny fararano fiakaran'ny vokatra ny any an-toerana amin'izao fotoana izao... ♦ Tsy mbola mivaha hatramin'izao ny olan'ny fananan-tany ao amin'ny kaominina Betsoana distrika Mandoto Faritra Vakinankaratra. Miantso ny fitondrana hamaha ny olana misy ny mponina ao an-toerana... ♦ Mbola miaina tondra-drano govana ny any Bresil amin'izao fotoana izao. Olona 100 mahery no maty...
Alahady fahafito fankalazana ny Paka : Fitiavana sy fahamarinana no tena endrik'i Kristy Fitiavana ; tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo, fa handeha Aho, ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo. Aoka hisy anankiray ho namantsika mba ho vavolombelon’ny nitsanganany ho velona. Izay mitoetra ao amin’ny fitiavana, dia mitoetra ao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. Ny votoatin'ny Evanjely anio dia ny fisarahana mahamenatra eo amin'ny olona sy ny fiangonana ; misy koa ny fisarahana izay efa tsinjon'i Kristy mialoha dia ny fisarahan'ny mpianatra amin'ny fitoriana ny filazan-tsara, eo koa ny fahasimban'ny firaisana Aminy, ary anton'ny vavaka nataon'i Jesoa hoe : Ho iray tahaka Antsika anie izy ireo...
♦ Telo taona sy tapany an-tranomaizina. izay no sazy navokan'ny fitsaràna britanika ho an'ny tale kabinetran'ny filohan'ny repoblika teo aloha Ramatoa Romy Voos Andrianarisoa. Didim-pitsarana noho ny raharaha kolikoly nanenjehana azy... ♦ Manahy amin'ny ho avin'ny orinasa iasany manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana ao amin'ny OMNIS ireo mpiasa. Nisy omaly ny fivoriambe niarahan'ny mpiasa tamin'ny Ministra tompon'andraikitra... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny JIRAMA ny fampiharana ny vidin'ny tena izy amin'ny jiro sy rano hoy ny Fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH... ♦ Miantso an'i Israël hanajanona ny fanafihana ataony ao Rafah faritra atsimon'i Palestine ny firenena tandrefana...
♦ Velona ahiahy amin'ny ho aviny, manoloana ny fiovan-drafitra amin'ny fitantanana misy eo anivon'ny OMNIS, ireo mpiasa... ♦ Tanora avy amin'ny tontolo ambanivohitra miisa 142 no tafiditra miasa amin'ireo orinasa samihafa vokatry ny tetikasa Pro-Agri-Youth, izay tanterahan'ny OIT eto Madagasikara... ♦ Tsy vahaolana hanarenana ny orinasa Jirama ny fampiharana ny vidiny tena izy amin'ny jiro sy ny rano, hoy ny fikambanana mpiaro ny zon'ny mpanjifa PMH...
♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...
♦ Andrasana amin'izay ho Solombavam-bahoaka vaovao ho lany eo, ny fandraisana fepetra hentitra amin'ireo mpitondra tsy manaja ny Lalam-panorenana sy tsy manome hasina ny andrim-panjakana, hoy Andriamatoa Constant Raveloson... ♦ Hihamafy ny fanapahan-kevitra horaisina amin'ny fivoriana tsy ara-potoana hataon'ny Sendikàn'ny Mpirakidraharaham-pitsarana eto Madagasikara, raha toa ka mbola minia manampin-tsofina amin'ny fitakiany ireo tompon'andraikitra...
♦ Hanomboka anio ny fanaparitahana ireo fitaovana samihafa ilaina amin'ny fifidianana, araka ny tetiandro nampahafantarin'ny CENI... ♦ Manentana ny vahoaka Malagasy mba handray anjara amin'ny zotram-pifidianana ny Masoivoho Amerikana eto Madagasikara. Antoka hampahomby izany anefa, hoy ny fanamabarany, ny hanatanterahana fifidianana malalaka sy ara-drariny ary amim-pilaminana... ♦ Manomboka anio zoma amin'ny 3 ora tolakandro no ao am-bohitra, ao Tsaramihafara Itaosy, ny nofo mangatsiakan'i Tsimitoviaminandriandehibe Rajaofetra Guy, fantatra amin'ny anarana hoe Xhi...
Isika olom-pirenena malagasy dia hiatrika fifidianana solombavambahoaka amin'ity taona ity, zo sy adidy ny mifidy. Ny safidy dia zava-dehibe ary fototry ny ho avy koa samia miezaka ho tony sy hisaina tsara izay mety hampandrosoana ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Noraisin'ny CENI tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato androany, irao fitaovana samihafa hampiasaina amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ny 29 mey 2024... ♦ Nanomboka androany, manerana an'i Madagasikara, ny fampielezan-kevitra amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, hatao amin'ny 29 mey 2024... ♦ Nomarihana androany 8 mey teny amin'ny Parvis Analakely ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Vokovoko Mena. Lohahevitra tamin'izany ny hoe: "Koloy aina, ny mahaolona"...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 28, 16-20. 30-31)
Rahefa tonga tany Rôma izahay,
dia nahazo nitoetra nitokana i Paoly, fa miaramila no niambina azy.
Nony afaka hateloana,
dia nampiantsoin’i Paoly ny lohandohan’ny Jody,
ka nony tafavory izy ireo dia hoy izy taminy:
“Ry rahalahy,
izaho dia nafatotra hatrany Jerosalema sy natolotra teo an-tanan’ny Rômanina
na dia tsy nanao na inona na inona manohitra ny firenentsika
sy ny fanaon-drazantsika aza.
Nony namatotra ahy ireo,
ka nahita fa tsy nisy tokony hahafaty ahy,
dia nikasa handefa ahy ihany izy ireo;
nefa notoherin’ny Jody izany,
ka voatery ho nangataka hotsarain’i Sezara aho;
tsy ao an-tsaiko velively anefa izay hiampanga ny fireneko amin’izany.
Izany ny niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo;
fa noho ny fanantenan’i Israely ity,
no ifatorako amin’izao rojo vy izao.”
Nitoetra roa taona nipaka tao amin’ny trano anankiray nohofany i Paoly;
ary nandray tsara an’izay rehetra nankao aminy.
Nitory ny fanjakan’Andriamanitra
sy nampianatra ny amin’i Jesoa Kristy Tompo tamin-kasahiana lehibe izy,
sady tsy nisy nisakana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 10, 4. 5 sy 7
Ny Tompo ao an-tempoliny masina;
ny Tompo amin’ny fiketrahany any an-danitra;
ny masony mitazana;
ny fijeriny mandinika ny zanak’olombelona.
Ny Tompo mandinika ny ratsy fanahy sy ny olo-marina:
halany mainty ny mpanao an-keriny!
Eny, marina ny Tompo, ny fahamarinana no tiany:
ka izay mahitsy fo dia hibanjina ny tavany.
Aleloia. Aleloia.
Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 20-25)
Tamin’izany andro izany, nony nitodika i Piera,
dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa
izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe:
“Tompoko, iza no hamadika Anao?”
Ary nony nahita azy i Piera dia hoy izy tamin’i Jesoa:
“Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’ity?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Raha tiako hitoetra izy mandrapiaviko, mampaninona anao izany?
Fa manaraha Ahy ianao.”
Dia niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany;
nefa i Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe:
Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany?
Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy,
ary fantatsika fa marina ny filazany.
Maro koa ny zavatra hafa nataon’i Jesoa,
ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay,
dia ataoko fa na izao tontolo izao aza
tsy ho omby ny boky hosoratana.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 25, 13-21)
Tamin’izany andro izany,
tonga tany Sezarea i Agripà mpanjaka sy i Berenisy, hiarahaba an’i Festosa.
Naharitra andro maromaro no nitoerany tao,
ka nambaran’i Festosa tamin’ny mpanjaka ny amin’i Paoly. Hoy izy:
“Misy mpifatotra anankiray navelan’i Feliksa eto.
Fony aho tany Jerosalema,
dia nampangain’ny lehiben’ny mpisorona sy ny loholon’ny Jody tamiko izy io,
sady nangatahiny hohelohina.
Fa hoy ny navaliko azy ireo:
Tsy fanaon’ny Rômanina ny manameloka olona
raha tsy efa nifanatrika tamin’ny mpiampanga azy ny ampangaina,
ka nahazo nanala tsiny ny tenany amin’izay iampangana azy.
Dia tonga taty izy ireo, ka tsy nangataka andro akory aho,
fa ny ampitso ihany dia nipetraka teo amin’ny fitsarana sy nampaka ilay lehilahy.
Nony nitsangana ry zareo mpiampanga,
dia tsy heloka araka izay nampoiziko no nitoriany azy,
fa ady hevitra momba ny fivavahany sy momba an’i Jesoa anankiray efa maty,
nefa lazain’i Paoly hoe velona.
Tsy hitako be ihany izay hamotorana izany zavatra izany,
ka nanontany an-dralehilahy aho sao tiany ny hotsaraina any Jerosalema ny amin’izany.
Dia nangataka hotsarain’ny amperora i Paoly,
ka nasaiko nambenana mandra-pandefako azy any amin’i Sezara.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 102, 1-2. 11-12. 19-20ab
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko.
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana,
no analavirany amintsika ny hadisoantsika,
Naoriny any an-danitra ny fiketrahany;
mifehy an’izao rehetra izao ny Fanjakany!
Misaora ny Tompo, ianareo Anjeliny,
izay feno hery hankatò ny didiny.
Aleloia. Aleloia.
Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 15-19)
Tamin’izany andro izany,
nony avy nisakafo niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa,
dia nanao tamin’i Simôna Piera hoe:
“Ry Simôna zanak’i Joany,
moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?”
Ka hoy ny navaliny Azy:
“Eny, Tompoko,
fantatrao fa tiako Ianao.”
Dia hoy Izy taminy:
“Fahano ny zanak’ondriko.”
Ary hoy indray Izy taminy fanindroany:
“Ry Simôna zanak’i Joany,
moa tia Ahy va ianao?”
Ka hoy ny navaliny Azy:
“Eny, Tompoko,
fantatrao fa tiako Ianao.”
Dia hoy Izy taminy:
“Fahano ny zanak’ondriko.”
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony:
“Ry Simôna zanak’i Joany,
moa tia Ahy va ianao?”
Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao?
ka hoy izy taminy:
“Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko,
ka fantatrao fa tiako Ianao.”
Dia hoy Izy taminy:
“Fahano àry ny reniondriko.
Lazaiko marina dia marina aminao:
Fony mbola tanora ianao dia nahasikin-tena,
sy nandeha tamin’izay tianao haleha;
fa rahefa antitra kosa ianao,
dia hiraviravy ny tananao,
ka olon-kafa no hanasikina anao,
sy hitondra anao amin’izay tsy tianao.”
Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana
hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra.
Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe:
“Manaraha Ahy.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 22, 30 ; 23, 6-11)
Tamin’izany andro izany,
te-hahalala marina izay antony niampangan’ny Jody an’i Paoly ny Kômandy rômanina,
ka nasainy hovahana izy, ary nodidiany hivory ny mpisorona sy ny Sanedrina,
dia nentina i Paoly, ka napetrany teo afovoan’izy ireo.
Nony fantatr’i Paoly fa Sadoseanina ny sasany tamin’izay teo, ary Farisianina ny sasany,
dia niantso teo amin’ny Sanedrina izy nanao hoe:
“Ry rahalahy,
Izaho dia Farisianina,
ary amin’ny fanantenantsika ny amin’ny fitsanganan-ko velona no itsaràna ahy.”
Vao nilaza izany izy, dia nifanditra ny Farisianina sy ny Sadoseanina,
ka nizara roa toko ny olona teo.
Fa ny Sadoseanina manao hoe:
Tsy misy fitsanganan-ko velona, ary tsy misy koa izay hoe Anjely na fanahy:
nefa ny Farisianina kosa mino ireo zavatra rehetra ireo,
ka tabataba nankarenina no niseho.
Ary nisy mpanora-dalàna sasany tamin’ny antokon’ny Farisianina,
nitsangana ka nanohitra hoe:
“Tsy hitanay izay azo anomezan-tsiny an’io lehilahy io,
fa angamba fanahy na anjely anankiray no niteny taminy.”
Vao mainka nitombo anefa ny fifandirana.
Efa nataon’ny Kômandy hotetehin’ny olona teo mihitsy i Paoly,
ka nasainy nidina ny miaramila haka azy an-kery teo afovoan’ny vahoaka,
sy hitondra azy ho any anaty rova.
Nony alina, dia niseho tamin’i Paoly ny Tompo ka nanao taminy hoe:
“Matokia,
fa tahaka ny nanambarànao Ahy taty Jerosalema
no tsy maintsy hanambarànao Ahy any Rôma koa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 9-10. 11
Andriamanitra Tompo ô, ambeno
fa Ianao re no hany ifefeko,
hasambarako tokana an-tany.
Ianao re, ry Tompo, no lova,
hany zarako mandrakizay.
Toeran-tsoa no natokana ho ahy.
Ka isaorako, Tompo, Ianao,
fa nanolotra saina, fanahy
sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo;
tsy hiala ankavanako Izy,
ka hisaorako mandrakizay.
Tsy omby tratra tokoa ny hafaliana,
izay mameno ny foko tontolo
sy manenika izato fanahy.
Ka ny foko mandry amin-toky;
fa tsy foinao ho levona ny aiko,
ny olon-tianao tsy foinao ho faty.
E! ny lalan’ny fiainana izao
dia hatoronao ahy hatrany,
ka nameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay
izay mitoetra eo ankavananao,
hasambarana tsy mety ritra.
Aleloia. Aleloia.
Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 17, 20-26)
Tamin’izany andro izany,
niandrandra ny lanitra i Jesoa, ka nivavaka hoe:
“Tsy ho azy ireto ihany no angatahiko,
fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa:
mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko,
ary Izaho ao Aminao,
ary mba hiray ao amintsika koa izy,
ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy.
Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy,
mba ho iray izy tahaka ny maha-iray antsika:
Izaho moa ao aminy,
Ianao kosa ato amiko,
mba ho tena iray tokoa izy ireo,
a ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy,
ary Ianao tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.
Ray ô,
tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomena Ahy,
mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy,
satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao.
Ray marina ô,
tsy nahalala Anao izao tontolo izao,
fa Izaho no nahalala Anao,
ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy.
Efa nampahafantariko ny Anaranao izy,
sady mbola hampahafantariko koa,
mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy,
ary mba ho ao aminy koa Aho.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco