Alahady fankalazana ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy Masina Maria : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana. Fa rehefa tonga ny Fanahy fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Ny fidinan'ny Fanahy Masina dia tsy nijanona tamin'ny andro niainan'ireo Apôstôly sy Masina Maria fa mbola mitohy hatramin'izao, indrindra rehefa miantso ny Fanahy Masina isika amin'ny vavaka atao...
♦ Namoaka hafatra ny FFKM noho izao fetin'ny Pantekôty izao. Voaresaka ao ny fiainam-pirenena sy ny fifidianana amin'ny 29 mey... ♦ Manaitra ny Fitsaràna Avo momba ny Lalam-panorenana, handray ny andraikiny ny KMF/Cnoe amin'ireo fandikan-dalàna amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Be loatra ny olona matin'ny fiakaran'ny tosi-drà aty amin'ny tany andalam-pandrosoana. Miantso ny rehetra tsy hanao hatsirambina ny fitsaboana ho an'ireo manana tosi-drà ambony ny Fikambanana MAEVA... ♦ Efa tsy voafehin'ny fanjakàna intsony ny korontana amina kartie maromaro any Nouméa renivohitr'i Nouvelle Caledonie, noho ny toe-draharaha politika. Olona 5 ireo efa namoy ny ainy hatramin'ny omaly...
♦ Manaitra ny CENI sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana ny KMF/Cnoe, handray andraikitra amin'ireo fandikan-dalàna misy amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Fifidianana tsara omana, handraisan'ny rehetra anjara no antoky ny filaminana, hoy ny Filohan'ny CENI, tamin'ny fanokafana ny atrikasa fampiofanana ireo mpampiofana delegen'ny kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, teny Alarobia androany... ♦ Miteraka fahafatesana olona maro aty amin'ny tany andalam-pandrosoana ny fiakaran'ny tosi-dra ambony, raha ny tatitry ny OMS...
♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...
♦ Nahitana fahasimbana ny fitaovana fitoeran'ireo antontataratasy saro-pady hampiasaina amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ho an'ny Distrikan'i Vohipeno. Nitondra fanamarihana momba izany ny rantsamangaikan'ny CENI any amin'ny Faritra Fitovinany... ♦ Ho hentitra amin'ny fanasaziana ireo mihoa-pefy amin'ny fetin'ny Pantekôty, ny minisitera tompon'andraikitra, miaraka amin'ny ATT sy ny DGRS... ♦ Misy hatrany ny hambana lehibe mahazo ireo mpitarika sendikaly eto Madagasikara. Tsy eken'izy ireo anefa ny teritery sy ny ramatahora...
♦ Efa azon'ireo kandidà, na ny solontenany, alaina eny anivon'ny Distrika misy azy manomboka izao, ny lisi-pifidianana izay nofaranana ny 15 mey 2024. Natao izany mba hanajana ny mangarahara, hoy ny CENI... ♦ Hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana mahefa, momba ny ambarany ho fandikan-dalàna ataon'ny Filohan'ny Repoblika amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao, ny Vovonana Firaisankina... ♦ Nitombo hery ilay rivodoza Ialy, saingy mbola lavitra an'i Madagasikara. Vinavinaina ho levona an-dranomasina izy io amin'ny fiandohan'io herinandro io...
♦ Nivadika ho rivodoza ary nahazo anarana ilay faritra andro ratsy ao avaratra atsinanan'ny nosy. Nitombo hery izy ka tany amin'ny 539 km avaratra atsinanan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro teo... ♦ Miendrika ho fanohanana an-kolaka ny kandidà IRD ny lanonam-pitokanana ataon'ny Filoham-pirenena amin'izao, hoy ny Fiombonana. Nambaran'ity antoko ity fa mandika ny lalàm-pifidianana ny mitokana zava-bita anaty fampielezan-kevitra...
♦ Mirongatra ao amin'ny distrikan'i Betroka amin'izao fotoana izao ny aretina tazomoka, ireo zaza latsaky ny dimy taona teo aloha no tena lasimbatra tamin'izany siangy efa miitatra amin'ny tanora ihany koa ny aretina ankehitriny... ♦ Heverina handalo fankatoavana mandritra ny fivoriana ara-potoanan'ny antenimieram-pirenena ilay fehezan-dalàna mifehy ny asa vaovao hoy ny Ministry ny asa, asa-panjakàna ary Lalàna Sôsialy... ♦ Miisa 450 ireo mpiraki-draharaham-pitsarana ho raisina mandritra ny fanadinana fifaninana tanterahina amin'ity taona ity hoy ny Ministra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana...
♦ Nitombo 5,32% amin'ny isan'ireo mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy taorian'ny fanavaozana isa-taona izay nifarana omaly... ♦ Atao fitaratra ho an'i Afrika amin'ny fanatsaràna ny sôsialim-bahoaka i Madagasikara ato anatin'ny dimy taona hoy ny filoha Rajoelina Andry tany Antsirabe omaly... ♦ Mitohy hatrany ny fampidirana resaka pôlitika amin'ny tontolon'ny fanabeazana hoy ny Konfederasiôn'ny SEMPAMA... ♦ An'arivony ireo olona voatery nafindra monina noho ilay afo sy ny setroka miparitaka vokatry ny firehetan'ny ala ao Fort MC Murray any Alberta, Canada...
♦ Niakatra 5,32% ny isan'ny mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy, tao aorian'ny fanavaozana isan-taona izay nikatona androany... ♦ Mitohy hatrany ny fampidirana resaka pôlitika eo amin'ny tontolon'ny fanabeazana, hoy ny Kônfederasiôn'ny Sempama... ♦ Nanomboka nihodina omaly ny orinasa mpanodina ny ovy ho lasa chips, any Faratsiho...
Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 13-20)
Ry kristianina havana,
misy azom-pahoriana va ao aminareo? Aoka izy hivavaka.
Misy mifaly va? Aoka izy hihira fiderana.
Misy marary va ao aminareo? Aoka izy hampaka ny Pretran’ny Eglizy;
ary aoka ireo no hivavaka eo amboniny sy hanosotra diloilo azy amin’ny Anaran’ny Tompo.
Ary ny vavaky ny finoana dia hamonjy ny marary;
hanasitrana azy ny Tompo, ary raha nanota izy dia havela ny fahotany.
Koa mifampieke fahotana ianareo;
ary mifampivavaha mba ho sitrana ianareo;
fa mahefa be ny vavaka ataon’ny olo-marina an-kafanam-po.
I Elia dia olona nety tra-pahoriana tahaka antsika ihany koa.
Nivavaka fatratra anefa izy mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny tany,
ka tsy nilatsaka teto an-tany ny ranonorana mandritra ny telo taona sy enim-bolana;
ary nivavaka indray izy, vao nandatsaka ranonorana ny lanitra,
ka nahavokatra ny tany.
Ry kristianina havana,
raha misy ao aminareo miala amin’ny fahamarinana,
ka misy anankiray mampibebaka azy,
dia aoka ho fantatrareo, fa izay mampibebaka ny mpanota hiala amin’ny lalan’ny fahadisoany,
dia sady hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana no hanarona fahotana betsaka.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 140, 1-2. 3 sy 8
Tompo ô! miantso Anao aho! faingàna ho eto amiko!
Henoy ny feoko, fa miantso Anao aho!
Ny fivavahako anie hisandratra toy ny emboka manitra anoloanao!
Ametraho mpiambina ny vavako, ry Tompo!
Arovy ny varavaran’ny molotro!
Fa izaho kosa, ry Tompo, miandra any aminao!
Ianao no ifefeko aza afoy ny fanahiko!
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 13-16)
Tamin’izany andro izany,
nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahan’i Jesoa tanana,
nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe:
“Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo,
satria ny toa azy no hanana ny Fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo,
fa na iza na iza tsy handray ny Fanjakan’Andriamanitra tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra any.”
Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasy nosoratan’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 9-12)
Ry kristianina havana,
aza mifampimonomonona, fandrao dia helohina ianareo.
Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!
Aoka ny mpaminany, izay niteny tamin’ny anaran’Andriamanitra, ry kristianina,
no hataonareo fakan-tahaka ny fandeferana sy ny faharetana.
Indro ataontsika antso avo hoe sambatra izay efa nandefitra.
Efa renareo ny niaretan’i Jôba;
ary efa hitanareo koa ny nataon’ny Tompo ho azy tamin’ny farany.
Fa sady antra olona ny Tompo, no be indrafo indrindra.
Fa alohan’ny zavatra rehetra, ry kristianina havana,
dia aza mianiana akory,
na amin’ny lanitra na amin’ny tany, na amin’ny zavatra hafa;
fa aoka ny fanaikinareo ho eny, ary ny fandavanareo ho tsia,
mba tsy hiharan’ny fitsarana aminareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 102, 1-2. 3-4. 8-9. 11-12
Isaory ny Tompo, ry fanahiko;
sy ny Anarany Masina, ry ato anatiko rehetra!
Isaory ny Tompo, ry fanahiko!
Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!
Izy Ilay mamela ny helokao rehetra,
manasitrana ny aretinao rehetra,
manavotra ny ainao amin’ny lavaka,
manototra hatsaram-po sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsy mba lalandava no ifandaharany,
na mandrakizay no irehetan’ny Fony.
Fa tahaka ny haavon’ny lanitra ambonin’ny tany,
no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana,
no analavirany amintsika ny hadisoantsika.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 1-12)
Tamin’izany andro izany:
Niala teo i Jesoa dia tonga tany amin’ny sisin-tanin’i Jodea, an-dafin’i Jordany;
ary nivory teo aminy indray ny vahoaka,
ka nampianariny indray araka ny fanaony.
Dia nanatona Azy ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe:
“Mahazo misao-bady va ny lehilahy?”
Ary izao no navaliny azy ireo:
“Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?”
Dia hoy Izy:
“Nomen’i Môizy lalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy.”
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao,
dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;
noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy,
ka hikambana amin’ny vadiny, ary ho nofo iray izy roroa;
koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.
Koa ao ka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona.”
Nony mby tao an-trano,
dia nanontany Azy ny amin’izany indray ny mpianany,
ka hoy Izy taminy:
“Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa
dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;
ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa,
dia mijangajanga.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco